Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Handahatra eo Anatrehan’i Kaisara Aho”

“Handahatra eo Anatrehan’i Kaisara Aho”

“Handahatra eo Anatrehan’i Kaisara Aho”

NOSAMBORIN’NY vahoaka romotra sy nokapohiny ny lehilahy iray tsy nanam-piarovana. Mendrika ny ho faty, hono, izy. Saika matin’izy ireo mihitsy izy raha tsy tonga ny miaramila, ka nisintona azy teo amin’ilay vahoaka. Ny apostoly Paoly io lehilahy io. Jiosy no nanafika azy. Nanohitra mafy ny fitoriany sy niampanga azy ho nandoto ny tempoly izy ireo. Miaramila romanina notarihin’i Klaodio Lysia, mpifehy arivo, no namonjy azy. Nosamborina toy ny mpanao heloka bevava i Paoly, tao anatin’ilay fisavorovoroana.

Mitantara ilay raharaha mahakasika an’i Paoly, nanomboka tamin’ny fisamborana azy, ny toko fito farany amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. Hazava amintsika ireo toko ireo rehefa fantatsika ny zon’i Paoly, ny antony niampangana azy, ny fiarovan-tenany ary ny zavatra sasany momba ny fombam-pitsarana romanina.

Nampidirin’i Klaodio Lysia am-ponja

Anisan’ny andraikitr’i Klaodio Lysia ny fitandroana ny filaminana tany Jerosalema. Tany Kaisaria ilay lehibeny, governora romanin’i Jodia. Azo lazaina hoe niaro an’i Paoly tsy ho tratran’ny herisetra i Lysia no sady nanagadra azy, satria nihevitra azy ho mpanakorontana. Nahatonga an’i Lysia hitondra an’i Paoly tany anati-rovan’i Antonia ny fihetsiky ny Jiosy.​—Asan’ny Apostoly 21:27–22:24.

Tsy maintsy namantatra izay nataon’i Paoly i Lysia. Tsy nisy zavatra fantany tao anatin’ilay fisafotofotoana. Tsy nandany andro intsony izy fa tonga dia nasainy ‘nadinina tamin’ny kapoka i Paoly, mba hahafantarany izay fototry ny nanakoran’ny olona azy.’ (Asan’ny Apostoly 22:24) Izany no fanao, mba hahatonga ny mpanao heloka bevava sy andevo ary olon-kafa ambany saranga hiaiky ny helony. Nety tsara tamin’izany angamba ny karavasy (flagrum). Fitaovana nampihoron-koditra anefa izy io. Nisy vy boribory nihantona tamin’ny rojo ny karavasy sasany. Nisy koa vita tamin’ny hoditra niara-nafatotra tamin’ny taolana maranitra sy tapa-by. Nandrovidrovitra nofo ireny, ka niteraka ratra nahatsiravina.

Tamin’izay i Paoly no nilaza fa teratany romanina izy. Nisy vokany avy hatrany ny nilazan’i Paoly ny zony, satria tsy azo nokapohina ny Romanina mbola tsy nohelohina. Mety ho nesorina tamin’ny toerany ny komandy iray raha nampijaly na nanasazy teratany romanina. Tsy mahagaga àry raha tsy nampitovina tamin’ny voafonja hafa i Paoly fa afaka nandray mpitsidika.​—Asan’ny Apostoly 22:25-29; 23:16, 17.

Tsy azon’i Lysia antoka ireo fiampangana, ka nentiny teo anatrehan’ny Synedriona i Paoly, mba hahafantarany ny anton’ilay fisavorovoroana. Nipoitra anefa ny adihevitra rehefa nilaza i Paoly fa ny fitsanganana amin’ny maty no nitsarana azy. Be loatra ilay fitabatabana ka natahotra i Lysia sao hifandrotehan’ny olona i Paoly. Voatery nisintona azy hiala teo amin’ireo Jiosy romotra ireo indray àry i Lysia.​—Asan’ny Apostoly 22:30–23:10.

Tsy te ho tompon’andraikitra noho ny fahafatesana teratany romanina i Lysia. Nalefany haingana tany Kaisaria ilay voafonja rehefa reny fa nisy nikasa hamono. Takin’ny lalàna ny handefasana tatitra momba ilay raharaha niaraka tamin’ilay voafonja, rehefa nalefa tany amin’ny fitsarana ambony izy. Resahina ao amin’io tatitra io ny vokatry ny fanadihadiana sy ny antony nandefasana azy tany amin’io fitsarana ambony io ary ny hevitr’ilay olona nanadihady momba ilay raharaha. Nilaza i Lysia fa ‘ady hevitra ny amin’ny Lalàn’ny Jiosy no niampangana an’i Paoly, fa tsy zavatra tokony hahafaty na hamatorana azy.’ Nasainy nandeha tany amin’i Feliksa, mpanapaka, ireo mpiampanga an’i Paoly mba hilaza izay iampangany azy.​—Asan’ny Apostoly 23:29, 30.

Tsy afaka namoaka didim-pitsarana i Feliksa governora

Niankina tamin’ny fahefan’i Feliksa ny fampiharana ny lalàna teo anivon’ny faritany. Afaka nanaraka ny fanao teo an-toerana izy raha tiany, na hanaraka ny lalàna momba ny heloka bevava, fampihatra amin’olona ambony na ny manam-pahefana. Io lalàna io no atao hoe ordo, na lisitra. Afaka nampihatra ny atao hoe extra ordinem koa izy. Azo nampiharina mba hitsarana ny heloka rehetra io. ‘Tsy ny fanapahan-kevitra natao tany Roma ihany no tokony hoheverin’ny [governora] fa izay tokony hatao amin’ny ankapobeny kosa.’ Izy àry matetika no nandrasana hanapa-kevitra.

Heverina fa “manondro tsara ny atao hoe extra ordinem, na ny fomba fitsarana tany amin’ny faritany”, ny raharaha nahakasika an’i Paoly, na dia tsy fantatra aza ny tsipiriany rehetra amin’ny lalàna romanina. Nihaino ny fiampangana nataon’ny olona ny governora sy ny mpanolo-tsaina. Nasaina niatrika ny mpiampanga azy ny voampanga ary afaka niaro tena, nefa ny mpiampanga ihany no tsy maintsy nanome porofo. Nampihatra izay sazy hitany fa sahaza ilay heloka ny mpitsara. Afaka nanapa-kevitra teo no ho eo izy, na nampihemotra lava ny fitsarana, ka tamin’izay dia nogadraina ilay voampanga. Hoy i Henry Cadbury, manam-pahaizana: “Azo antoka fa noho izy nanao didiko fe lehibe, dia nety ho niova hevitra izy ka nanaiky tsolotra, mba hampihemorana fitsarana, na hanafahana, na hanamelohana voampanga.”

Niampanga an’i Paoly teo anatrehan’i Feliksa i Ananiasy Mpisoronabe sy ny anti-panahy jiosy ary i Tertylo, satria “tena ratsy fanahy sady mpampikomy ny Jiosy rehetra”, hono, izy. Nolazain’izy ireo fa mpitarika “ilay antoko atao hoe Nazarena” izy ary nitady handoto ny tempoly.​—Asan’ny Apostoly 24:1-6.

Noheverin’ireo mpiampanga azy voalohany fa nampidirin’i Paoly tao amin’ilay kianja natokana ho an’ny Jiosy ilay Jentilisa atao hoe Trofimo. * (Asan’ny Apostoly 21:28, 29) I Trofimo ihany no nandika lalàna raha ny marina. Ho nohelohina ho faty koa anefa i Paoly, raha noheverin’ny Jiosy fa nanampy azy. Toa neken’ny Romanina fa tokony ho faty izay nanao izany. Raha ny mpiambina ny tempoly àry no nisambotra an’i Paoly, fa tsy i Lysia, dia nety ho mora tamin’ny Synedriona ny nitsara sy nanameloka azy.

Nihevitra ny Jiosy fa tsy nampianatra ny fivavahana jiosy, na fivavahana ara-dalàna (religio licita) i Paoly. Noheverin’izy ireo kosa fa tsy ara-dalàna ny fampianarany sady nitarika ny olona hanongam-panjakana.

Nolazain’izy ireo koa fa “mpampikomy ny Jiosy rehetra eny tontolo eny” i Paoly. (Asan’ny Apostoly 24:5) Vao avy niampanga Jiosy avy tany Aleksandria i Klaodio, satria “nanakorontana an’izao tontolo izao izy ireo.” Tena nitovy tamin’izany ny nanjo an’i Paoly. “Fiampangana Jiosy iray nandritra ny fitondran’i Klaodio, na nandritra ireo taona voalohany nanapahan’i Néron indrindra ilay izy”, hoy i A. Sherwin-White, mpahay tantara. “Niezaka nandresy lahatra ny governora ny Jiosy, mba hiheverany fa manakorontana ny Jiosy eran’i Roma ny fitorian’i Paoly. Navadiny ho ara-politika ilay fiampangana ara-pivavahana, satria fantany fa tsy hanameloka mihitsy ny governora, raha lafiny fivavahana fotsiny no iampangana olona iray.”

Niaro tena tamin’ny lafiny rehetra i Paoly. ‘Tsy nanakorontana mihitsy aho. Marina fa isan’ilay antsoin’izy ireo hoe “antoko” aho, nefa midika izany fa mankatò ny lalàna jiosy aho. Jiosy sasany avy tany Azia no nitarika ilay rotaka. Raha te hiampanga ahy izy ireo, aoka izy hanao izany eto.’ Adihevitra ara-pivavahana teo amin’ny samy Jiosy ilay fiampangana, ary tsy dia nahay nandamina ny raharaha toy izany loatra i Roma. Efa nitady hikomy ny Jiosy, ka nahemotr’i Feliksa ny fitsarana, mba hisorohana korontana hafa. Tsy natolotra ny Jiosy izay nilaza azy ho nahay nandamina ny raharaha toy izany i Paoly, sady tsy notsaraina araka ny lalàna romanina, no tsy nafahana. Tsy azo noterena hamoaka didim-pitsarana i Feliksa. Nahemotr’i Feliksa ilay fitsarana, satria sady nila sitraka tamin’ny Jiosy izy no nanantena fa hanome azy kolikoly i Paoly.​—Asan’ny Apostoly 24:10-19, 26. *

Tena nampiova zavatra ny fitsaran’i Porsio Festosy

Nanavao ny fiampangany indray ny Jiosy tany Jerosalema, roa taona tatỳ aoriana, rehefa lasa governora i Porsio Festosy. Nangatahin’izy ireo hotsaraina araka ny lalàna jiosy i Paoly. Hentitra anefa ny valin-tenin’i Festosy hoe: “Tsy fanaon’ny Romana ny manolotra olona, raha tsy mbola mifanatrika ny ampangaina sy ny mpiampanga, ka mahazo mandahatra hanala tsiny ny tenany ny amin’izay niampangan’ireo azy izy.” Hoy i Harry Tajra, mpahay tantara: “Fantatr’i Festosy tsara fa nokasain’olona hovonoina ny teratany romanina iray.” Nasaina niampanga an’i Paoly tany Kaisaria àry ny Jiosy.​—Asan’ny Apostoly 25:1-6, 16.

Nilaza ny Jiosy rehefa tonga tany fa “tsy tokony hovelomina intsony” i Paoly, nefa tsy nanome porofo izy ireo. Hitan’i Festosy fa tsy nisy zavatra nataon’i Paoly tokony hahafaty azy, ary nohazavainy tamin’ny manam-pahefana iray hoe: “Nanana ady hevitra taminy ny amin’ny fivavahany [izy ireo] sy ny amin’Izay Jesosy anankiray efa maty, nefa nolazain’i Paoly ho velona.”​—Asan’ny Apostoly 25:7, 18, 19, 24, 25.

Mazava fa tsy meloka tamin’ny lafiny politika i Paoly, nefa raha ny adihevitra ara-pivavahana indray, dia toa nilaza ny Jiosy fa ny fitsaran’izy ireo ihany no nahay nandamina izany. Hankany Jerosalema ve i Paoly mba hotsaraina? Nanontany azy i Festosy raha hanao izany izy. Tsy hevitra tsara mihitsy anefa izany. Ho nilavo lefona teo anatrehan’ny Jiosy i Paoly, raha niverina tany Jerosalema, satria ny mpiampanga azy no hitsara azy. Hoy i Paoly: “Eto amin’ny fitsaran’i Kaisara, izay tokony hitsarana ahy, no itsanganako. Tsy nanisy ratsy ny Jiosy akory aho ... Tsy misy olona mahazo manolotra ahy ho amin’ny sitrapony. Handahatra eo anatrehan’i Kaisara aho.”​—Asan’ny Apostoly 25:10, 11, 20.

Naato ny fitsarana tany amin’ny faritany rehefa nilaza izany ny teratany romanina iray. Tsy azo nolavina ny zony hangataka fitsarana tampony (provocatio). Hoy àry i Festosy rehefa avy niara-nidinika tamin’ny mpanolo-tsainy: “Efa nifidy ny handahatra any anatrehan’i Kaisara hianao, ka dia ho any amin’i Kaisara ihany hianao.”​—Asan’ny Apostoly 25:12.

Faly i Festosy fa afaka tamin’i Paoly. Niaiky tamin’i Heroda Agripa II izy, andro vitsivitsy tatỳ aoriana, fa nanahirana azy iny raharaha iny. Tsy maintsy nandefa taratasy momba ilay raharaha tany amin’ny emperora i Festosy, nefa nisy lalàna jiosy tsy azony mihitsy nifandray tamin’ilay fiampangana. Nahay izany tsara kosa anefa i Agripa. Nangatahin’i Festosy avy hatrany àry izy mba hanampy azy hanoratra ilay taratasiny rehefa hitany fa liana tamin’ilay raharaha. Tsy takatr’i Festosy izay nolazain’i Paoly teo anatrehan’i Agripa ka hoy izy: “Ry Paoly ô, very saina hianao; ny fianarana be loatra no efa nahavery saina anao.” Takatr’i Agripa tsara anefa izay nolazainy. Hoy izy: “Hay! ataonao fa mora toy izany no hampanekenao ahy ho Kristiana.” Na ahoana na ahoana anefa fiheveran’i Festosy sy Agripa ny fanaporofoan-kevitr’i Paoly, dia samy niaiky izy roa lahy fa tsy nanan-tsiny izy ary azo nafahana ihany, raha tsy nifidy ny handahatra teo anatrehan’i Kaisara.​—Asan’ny Apostoly 25:13-27; 26:24-32.

Vita ihany ilay fitsarana

Namory ireo lohandohany tamin’ny Jiosy i Paoly rehefa tonga tany Roma. Sady te hitory tamin’izy ireo izy no te hahalala izay zavatra fantatr’izy ireo momba azy. Mety ho nanampy azy hahafantatra ny fikasan’ireo mpiampanga izany. Efa zatra nangataka fanampiana tamin’ny Jiosy tany Roma ny manam-pahefana tany Jerosalema, rehefa nandamina raharaha ara-pitsarana, nefa ren’i Paoly fa tsy nahazo fanazavana momba azy akory izy ireo. Navela hanofa trano sy hitory i Paoly mandra-pahatongan’ny fitsarana. Izany fileferana izany dia nety ho nidika fa tsy nanan-tsiny i Paoly teo imason’ny Romanina.​—Asan’ny Apostoly 28:17-31.

Nigadra nandritra ny roa taona fanampiny i Paoly. Nahoana? Tsy manazava izany ny Baiboly. Matetika no notanana am-ponja ny olona nampiakatra fitsarana, mandra-pahatongan’ireo mpiampanga nanantitrantitra ny fiampangany. Nety ho fantatr’ireo Jiosy tany Jerosalema anefa fa tsy marim-pototra ny fiampangany, ka tsy tonga mihitsy izy ireo. Aleo koa angamba tsy nipoitra mihitsy, raha tiana higadra ela araka izay azo atao i Paoly. Na izany na tsy izany anefa, dia toa nitsangana teo anatrehan’i Néron i Paoly, ary afaka madiodio, ka afaka nanohy ny asa misionera, dimy taona taorian’ny nisamborana azy.​—Asan’ny Apostoly 27:24.

‘Nisaina fampahoriana araka ny lalàny’ ireo fahavalon’ny fahamarinana mba hisakanana ny asa fitoriana. Tsy tokony hahagaga antsika izany. Hoy i Jesosy: “Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa.” (Salamo 94:20, fanamarihana ambany pejy; Jaona 15:20) Nanome toky koa anefa izy fa ho afaka hitory ny vaovao tsara eran-tany isika. (Matio 24:14) Toy ny apostoly Paoly àry, izay niaritra fanenjehana sy fanoherana, dia ‘manafa-tsiny ny filazantsara, hahamafy orina azy’ araka ny lalàna, ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny.​—Filipiana 1:7.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Nisy rindrim-bato iray metatra mahery teo ho eo nanasaraka ny Kianjan’ny Jentilisa tamin’ny kianja anatiny. Nahitana fampitandremana maromaro tamin’ny teny grika sy latinina tamin’io rindrina io, nanao hoe: “Tsy misy vahiny mahazo mihoatra ity fefy ity na ny fefy manodidina ny fitoerana masina. Ho voaheloka ho faty izay tratra.”

^ feh. 17 Mazava ho azy fa tsy ara-dalàna izany. Hoy ny boky iray: “Araka ny lalàna momba ny tsolotra (Lex Repetundarum), dia tsy mahazo mangataka na mandray kolikoly ny manam-pahefana mba hamatorana na hamotsorana olona, hamoahana didim-pitsarana na tsia, na hanafahana voafonja.”