Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza Marina i Jesosy?

Iza Marina i Jesosy?

Iza Marina i Jesosy?

REN’I Jesosy tamin’ny apostoliny izao ny hevitry ny olona momba azy, ka izy ireo indray no nanontaniany hoe: “Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza?” Izao no navalin’i Petera, araka ny Filazantsaran’i Matio: “Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona.” (Matio 16:15, 16) Nisy hafa koa nitovy hevitra taminy. Nilaza toy izao tamin’i Jesosy i Natanaela, ilay lasa apostoly tatỳ aoriana: “Raby ô, Hianao no Zanak’Andriamanitra; Hianao no Mpanjakan’ny Isiraely.” (Jaona 1:49) I Jesosy mihitsy aza dia nilaza fa manana anjara asa lehibe ny tenany, ka hoy izy: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.” (Jaona 14:6) Imbetsaka izy no nilaza ny tenany hoe “ny Zanak’Andriamanitra.” (Jaona 5:24, 25; 11:4) Nanaporofo izany izy rehefa nanao fahagagana, nanangana ny maty mihitsy aza.

Marim-pototra ve ireo fisalasalana?

Tena azo itokisana ve anefa izay ambaran’ireo Filazantsara momba an’i Jesosy? Milaza ny marina momba an’i Jesosy ve izy ireo? Nilaza toy izao i Frederick Bruce, mpampianatra momba ny tsikera sy fanazavana ara-baiboly, tao amin’ny Oniversiten’i Manchester, Angletera: “Tsy voatery ho voaporofo amin’ny tantara foana ny tsipiriany rehetra amin’ireo asa soratra taloha, na asa soratra tsotra izany na ara-baiboly. Ilaina hofantarina fotsiny raha azo itokisana ilay mpanoratra amin’ny ankapobeny. Raha azo itokisana izy dia mazava ho azy fa mety ho marina ny tsipiriany resahiny. ... Nihevitra ny Testamenta Vaovao ho haisoratra ‘masina’ ny Kristianina, nefa tsy midika izany hoe tsy tena marina ara-tantara izy io.”

Nandinika ny antony tsy inoan’ny olona ny fitantaran’ny Filazantsara momba an’i Jesosy, i James Edwards, mpampianatra momba ny fivavahana ao amin’ny Oniversiten’i Jamestown, Etazonia, ka nanoratra toy izao: “Afaka manamafy isika fa mitahiry porofo lehibe maro isan-karazany ny amin’ny marina momba an’i Jesosy ny Filazantsara. ... Ara-dalàna tanteraka àry ny hilazana fa matoa ny Filazantsara miresaka momba an’i Jesosy araka izay filazany azy ao, dia satria izay no marina momba azy. Voatahiry tsara ao izay zavatra tsapan’ny mpanara-dia an’i Jesosy momba azy; anisan’izany ny hoe tena nirahin’Andriamanitra izy ary nomena fahefana ho Zanaka sady Mpanompon’Andriamanitra.” *

Mitady an’i Jesosy

Ahoana ny amin’ireo loharanon-kevitra tsy ara-baiboly miresaka momba an’i Jesosy Kristy? Ahoana no hiheverana azy ireny? Ahitana loharanon-kevitra maro be momba an’i Jesosy ny asa soratr’i Tacite, Suétone, Josèphe, Pline Tanora sy mpanoratra hafa koa tamin’ny andro taloha. Izao no lazain’ny Rakipahalalana Britannica Vaovao (1995, anglisy) momba azy ireny: ‘Porofoin’ireny fitantarana tsy mifampiankina ireny fa na dia ny mpanohitra ny Kristianisma aza taloha, dia tsy nisalasala mihitsy fa tena nisy i Jesosy. Efa tany amin’ny faran’ny taonjato faha-18 sy nandritra ny taonjato faha-19, ary teo am-piandohan’ny taonjato faha-20, vao nanomboka niadian-kevitra izany, nefa tsy nisy porofo ampy akory.’

Mampalahelo anefa, fa toa nanafina ny tena marina momba an’i Jesosy ny manam-pahaizana ankehitriny, izay mitady ny marina momba an’i Jesosy, ka nanototra izany tamin’ny fanombantombanana tsy marim-pototra, fisalasalana tsy misy antony, ary ny teoria tsy misy porofo. Nendrikendrehin’izy ireo ho namorona angano ny mpanoratra ny Filazantsara, nefa azo lazaina fa izy ireo no meloka noho izany. Te halaza sy hamorona teoria manaitra mitondra ny anarany fotsiny ny sasany amin’izy ireo, ka tsy mandinika tsara akory ny zava-misy rehetra momba an’i Jesosy. Ilay “Jesosy” nonofinofisin’ny manam-pahaizana no foronin’izy ireo amin’izany.

Ao amin’ny Baiboly no ahitana ny marina momba an’i Jesosy, ho an’izay mitady izany. Nilaza i Luke Johnson, mpampianatra momba ny Testamenta Vaovao sy ny fiavian’ny Kristianisma, miasa ao amin’ny Sekoly Teolojika ao amin’ny Oniversiten’i Emory, fa tsy mifanaraka amin’ny hevitry ny Baiboly ny ankamaroan’ny fikarohana atao momba an’i Jesosy. Nolazain’io mpampianatra io fa mety ho tsara ny handinihana ny fiaraha-monina, ny politika, ny maha izy ny olona ary ny kolontsaina, niainan’i Jesosy sy nisy tamin’ny androny. Nolazainy anefa fa “tsy mifanaraka mihitsy amin’izay resahin’ny Baiboly” ny zavatra lazain’ny manam-pahaizana fa marina momba an’i Jesosy, araka ny fikarohana nataon’izy ireo. Ny Baiboly mantsy dia “mifantoka tanteraka amin’ny toetran’i Jesosy” sy ny hafatra nentiny ary ny anjara asany amin’ny maha Mpanavotra azy. Inona àry ny tena toetran’i Jesosy sy ny hafatra nentiny?

Iza marina moa i Jesosy?

Lehilahy tena nahay niara-niory tamin’ny olona no resahin’ireo boky ara-baiboly efatra mitantara ny fiainan’i Jesosy, dia ny Filazantsara. Nitsetra sy nangoraka i Jesosy, ka voatosika hanampy ireo narary, jamba, sy ireo tra-pahoriana hafa koa. (Matio 9:36; 14:14; 20:34) Maty i Lazarosy ary nalahelo azy ny anabaviny; nihetsi-po lalina sy “nitomany” i Jesosy nahita izany. (Jaona 11:32-36) Resahin’ny Filazantsara ny fihetseham-po maro be nasehon’i Jesosy, anisan’izany ny fangorahany nahita olona boka, ny hafaliany noho ny fahombiazan’ny mpianany, ny hatezerany tamin’ireo mpanizingizina lalàna mafy fo, ary ny alahelony noho i Jerosalema nanda ny Mesia.

Rehefa nanao fahagagana i Jesosy, dia matetika koa izy no nifantoka tamin’ny anjara asan’ilay olona nanaovany fahagagana, ka nilaza hoe: “Ny finoanao no efa nahasitrana anao.” (Matio 9:22) Nidera an’i Natanaela izy ka nilaza azy ho “tena Isiraelita tsy misy fitaka.” (Jaona 1:47) Nisy nihevitra fa nihoatra ny mety ny fanomezana nataon’ny vehivavy iray velom-pankasitrahana. Niaro azy anefa i Jesosy ary nilaza fa tsy hohadinoina mihitsy ny fitantarana momba ny fahalalahan-tanan’io vehivavy io. (Matio 26:6-13) Noporofoin’i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy fa tena namana sady sakaiza be fitiavana ny tenany, ka ‘tia azy ireo hatramin’ny farany.’​—Jaona 13:1; 15:11-15.

Asehon’ny Filazantsara koa fa tonga dia fantatr’i Jesosy izay nilain’ny ankamaroan’ny olona nifankahita taminy. Nanohina avy hatrany ny fon’ireny olona ireny izy: na ilay vehivavy niresahany teo am-pantsakana izany, na ny mpampianatra ara-pivavahana teo an-jaridaina, na ny mpanjono teny amoron-drano. Raha vao nampidi-dresaka fotsiny i Jesosy, dia betsaka tamin’ireny olona ireny no namboraka ny tao am-pony taminy. Nanohina lalina ny fon’izy ireo i Jesosy. Mety ho nihatakataka tamin’ireo manam-pahefana ny olona, tamin’izany fotoana izany, nefa i Jesosy kosa nitangoronan’izy ireo. Finaritra ny olona sady tsy sahirana niaraka tamin’i Jesosy. Nahazo aina erỳ ny ankizy niaraka taminy; ary rehefa nisy ankizy noraisiny ho ohatra, dia tsy navelany hijajirika teo anoloan’ny mpianany teo fotsiny, fa “nofihininy” koa. (Marka 9:35; 10:13-16, Fandikan-teny Katolika) Milaza tokoa ny Filazantsara fa lehilahy nahay nambabo olona i Jesosy, hany ka hihaino ny fampianarana nahavariana avy tamin’i Jesosy fotsiny no nijanonan’ny vahoaka nandritra ny telo andro.​—Matio 15:32.

Ankoatra izany, dia olona lavorary i Jesosy, nefa izany tsy nahatonga azy ho be fanakianana sy be hambo na hanjakazaka tamin’ireo olona tsy lavorary sy navesa-keloka nanodidina azy sy nitoriany. (Matio 9:10-13; 21:31, 32; Lioka 7:36-48; 15:1-32; 18:9-14) Tsy mba sarotsarotiny mihitsy i Jesosy. Tsy nanampy trotraka ny efa enta-mavesatry ny olona izy. Nilaza aza izy hoe: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra ... fa [hanamaivana anareo aho, Kat.].” Hitan’ny mpianany fa “malemy fanahy sady tsy miavona am-po” izy, ary mora ny ziogany sady maivana ny entany.​—Matio 11:28-30.

Tsy iadian-kevitra fa marina ny fitantarana momba ny toetran’i Jesosy hita ao amin’ny Filazantsara. Ho sarotra tamin’ny mpanoratra efatra samy hafa mantsy ny hamorona tantaran’olona tena miavaka iray, ary avy eo dia hampitovy ny fomba filaza ny toetoetran’izany olona izany ao amin’ny fitantarana efatra samy hafa. Mety tsy ho vitan’izy ireo mihitsy ny hiresaka momba ny olona iray ihany, ary hampitovy ny filazany momba an’io olona io, raha tsy tena nisy akory ilay olona resahina.

Mametraka fanontaniana mampisaintsaina ny mpahay tantara iray atao hoe Michael Grant: “Ahoana no hetezan’ny hoe: Ny Filazantsara iray manontolo dia miresaka momba ny lehilahy miavaka sady mahate ho tia iray, nifandray be tamin’ny karazam-behivavy rehetra, na dia tamin’ireo vehivavy tena tsy fanaja aza, nefa tsy misy soritra mihitsy hoe raiki-pitia tamin’izy ireny izy, na nihafahafa, na tsy nahay nifandray taminy, ary nitoetra ho tsy nisy tsiny foana tamin’ny fotoana rehetra?” Ny valiny ara-dalàna dia hoe: Satria tena nisy izany lehilahy izany sady niaina nifanaraka tamin’izay voalazan’ny Baiboly.

Ny marina momba an’i Jesosy sy ny hoavinao

Tsy ny zavatra tena nisy momba an’i Jesosy tetỳ an-tany ihany no resahin’ny Baiboly. Resahiny koa fa efa nisy tany an-danitra izy talohan’ny naha olombelona azy; Izy ilay Zanak’Andriamanitra lahitokana, “ny Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.” (Kolosiana 1:15) Roa arivo taona lasa izay, dia nafindran’Andriamanitra tao an-kibon’ny vehivavy virjiny jiosy iray ny fiainan’ilay Zanany tany an-danitra, mba hahafahany hateraka ho olombelona. (Matio 1:18) Nanambara ny Fanjakan’Andriamanitra ho hany fanantenana ho an’ny olombelona ampahorina i Jesosy, nandritra ny fanompoana tetỳ an-tany, ary nampiofaniny hanohy ny asa fitoriana ny mpianany.​—Matio 4:17; 10:5-7; 28:19, 20.

Nendrikendrehina ho nambosy ny olona hikomy tamin’ny fanjakana izy, ka tamin’ny 14 Nisana (tokony ho ny 1 Aprily) 33 am.f.i., dia nosamborina izy, notsaraina sy nohelohina ary novonoina ho faty. (Matio 26:18-20, 26:48–27:50) Ny fahafatesan’i Jesosy no nanavotra ny olona rehetra mino Azy ho afaka amin’ny fahotana, ka mahatonga azy ireo ho afaka hiaina mandrakizay. (Romana 3:23, 24; 1 Jaona 2:2) Natsangana tamin’ny maty izy ny 16 Nisana, ary niverina niakatra tany an-danitra, fotoana fohy taorian’izay. (Marka 16:1-8; Lioka 24:50-53; Asan’ny Apostoly 1:6-9) Mpanjaka voatendrin’i Jehovah i Jesosy, ilay natsangana tamin’ny maty, ka nomena fahefana izy hanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra tany am-piandohana ho an’ny olombelona. (Isaia 9:5, 6; Lioka 1:32, 33) Asehon’ny Baiboly fa mitana toerana tena lehibe amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra i Jesosy.

Olona maro be tamin’ny taonjato voalohany no nanaiky fa i Jesosy no ilay Mesia, na Kristy nampanantenaina, nalefa tetỳ an-tany mba hanamarina ny fiandrianan’i Jehovah sy ho faty ho avotra ho an’ny olombelona. (Matio 20:28; Lioka 2:25-32; Jaona 17:25, 26; 18:37) Nenjehina mafy ny mpianatr’i Jesosy, ka tsy hisy ho voatosika ho tonga mpianany mihitsy, raha toa ka tsy fantatr’izy ireo tsara akory hoe iza i Jesosy. Notanterahin’izy ireo tamim-pahazotoana sy tamin-kerim-po anefa ny asa nanirahan’i Jesosy azy ‘hanao mpianatra ny firenena rehetra.’​—Matio 28:19.

An-tapitrisa izao ny Kristianina tso-po sy nampianarina, ka mahafantatra fa tsy olona araka ny angano i Jesosy. Eken’izy ireo fa Mpanjaka nomena fiandrianana ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra efa miorina any an-danitra i Jesosy, ary tsy ho ela izy dia hifehy tanteraka ny zava-misy eto an-tany. Vaovao tsara izany hoe misy fanjakana naorin’Andriamanitra izany, satria mampanantena io fanjakana io fa hanaisotra ny zava-manahirana maneran-tany. Manambara ny ‘filazantsaran’ny fanjakana’ amin’ny olona ireo tena Kristianina, mba hampisehoana fa miandany amim-pahatokiana amin’ilay Mpanjaka nofidin’i Jehovah izy.​—Matio 24:14.

Ho afaka hankafy fitahiana mandrakizay ireo miandany amin’ny fandaharana ny amin’ilay Fanjakana, atao amin’ny alalan’i Kristy Zanak’Andriamanitra velona. Afaka mahazo ireo fitahiana ireo koa ianao! Ho faly hanampy anao hahafantatra ny marina momba an’i Jesosy ny mpampanonta ity gazety ity.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Dinihina amin’ny an-tsipiriany ny fitantaran’ireo Filazantsara, ao amin’ny toko faha-5 hatramin’ny faha-7 amin’ilay boky hoe Ny Baiboly​Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/Sary, pejy 6]

Inona no Lazain’ny Olon-kafa?

“Heveriko fa anisan’ireo mpampianatra niavaka indrindra teto an-tany i Jesosy avy any Nazareta. ... Afaka milaza amin’ny vahoaka hindoa aho hoe ‘hisy banga ny fiainanareo raha tsy hianaranareo sy hajainareo ny fampianaran’i Jesosy.’”​—Mohandas Gandhi, Ny Hafatr’i Jesosy Kristy (anglisy).

“Tsy mety ho hosoka na noforonin’ny saina fotsiny ny olona iray maningana, mahay ny zava-drehetra, tsy nivadibadika, tonga lafatra, tena olombelona nefa koa manana fahamboniana mihoatra noho ny an’ny olombelona rehetra. ... Olona ambony lavitra noho i Jesosy vao afaka mamorona Jesosy iray.”​—Philip Schaff, Tantaran’ny Fivavahana Kristianina (anglisy).

‘Ho fahagagana sarotra inoana lavitra noho izay voarakitra ao amin’ireo Filazantsara ny hoe nisy olon-tsotra sasantsasany nahavita namorona olona tena nanan-kery sy nanintona, fitsipi-pitondran-tena tena ambony ary fahitana ny amin’ny firahalahian’ny olombelona tena mandrisika.’​—Will Durant, Kaisara sy Kristy (anglisy).

“Betsaka ny olona tena nisy izay nanandrana namorona fivavahana, nefa tsy nahavita. Koa tsy mampino ny hoe ny olona tsy tena nisy akory fa noforonin’ny saina fotsiny, natao toy ny dokam-barotra hampandrosoana ny fivavahana taloha, no hahatonga fivavahana maro be hiforona maneran-tany.”​​—Gregg Easterbrook, Teo Anilan’ny Ony Tony (anglisy).

‘Mpahay tantara momba ny asa soratra aho, ka resy lahatra tanteraka fa tsy angano izay rehetra lazain’ny Filazantsara. Tsy azo lazaina ho angano izy ireo satria tsy ahitana zavatra namboarimboarina fatratra ka sarotra inoana. Betsaka ny zavatra tsy fantatsika momba ny fiainan’i Jesosy, nefa tsy hamela an’izany amin’izao fotsiny ny olona mpamorona angano.’​—C. Lewis, Miatrika Fitsarana Andriamanitra (anglisy).

[Sary, pejy 7]

Ahariharin’ny Filazantsara ny fihetseham-po maro be nasehon’i Jesosy