Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahatonga ny Olona Hankany Gileada ny Fahavononana Hanompo

Mahatonga ny Olona Hankany Gileada ny Fahavononana Hanompo

Mahatonga ny Olona Hankany Gileada ny Fahavononana Hanompo

NATAO hampiofanana lehilahy sy vehivavy vita fanoloran-tena mba ho misionera, ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana. Iza no raisina any Gileada? Ireo vonon-kanompo. (Salamo 110:3) Izany tokoa no hita tamin’ny 8 Septambra 2001, fony nahazo diplaoma ny kilasy faha-111.

Efa nisy tamin’ireo mpianatra nandao havana aman-tsakaiza sy tany niaviana mba hanompo any amin’izay ilana mpitory maro kokoa. Tamin’izany no nahitany na afaka hiaina any an-toeran-kafa izy na tsia. Nandamina ny fiainany, ohatra, i Richer sy Nathalie ka lasa nifindra tany Bolivia, mba hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nifindra tany amin’ny Repoblika Dominikanina koa i Todd sy Michelle, ary nifindra tany Azia kosa i David sy Monique. Nisy efa nanompo tany Nikaragoay sy Ekoatera ary Albania koa tamin’ireo mpianatra.

Nianatra teny espaniola i Christy tany amin’ny lise. Nanampy azy izany nandritra ireo roa taona nipetrahany tany Ekoatera, talohan’ny nanambadiany. Ny hafa koa niaraka tamin’ny fiangonana niteny vahiny tao amin’ny taniny ihany. Niatrika zava-tsarotra hafa i Saul sy Priscilla. Nasehon’izy ireo fa vonon-kanompo izy rehefa niezaka mafy hanatsara ny fahaizany teny anglisy, talohan’ny nankanesany tany amin’ilay sekoly.

Tsy hitahita akory dia tapitra ireo 20 herinandro niofanana ho misionera. Tonga ny andro fizarana diplaoma niarahan’ireo mpianatra sy ny havana aman-tsakaizany nihaino torohevitra feno fahendrena sy fampaherezana farany.

I Theodore Jaracz, nahazo diplaoma tamin’ny kilasy fahafiton’ny Sekolin’i Gileada sy anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, no mpitari-draharaha. Nasongadiny tamin’ny teny fampidirany fa tsy niova mihitsy ilay tanjon’ny fandaminana amin’ny fampiofanana mpianatra ao Gileada, dia ilay hoe hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’ny tany onenana manontolo. (Marka 13:10) Manomana mpianatra mahafeno fepetra ny sekolin’i Gileada mba hitory bebe kokoa hatrany noho ny taloha, any amin’ny faritra tena ilana misionera voaofana. Nampirisihin’ny Rahalahy Jaracz ireo mpianatra mba hampiasa tsara ny fampiofanana azony, rehefa hiara-miasa amin’ireo misionera hafa efa manompo any amin’ny tany 19 hanendrena azy ireo.

Torohevitra tena nilain’ireo nahazo diplaoma

Nifandimby ireo lahateny. Namelabelatra ilay foto-kevitra hoe “Mampiavaka ny Kristianina Marina ny Zotom-po Misionera” i William Van De Wall, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Etazonia. Nampifantoka ny saina tamin’ilay fanirahana ‘hanao mpianatra’ ao amin’ny Matio 28:19, 20 izy, ary nampirisika ny mpianatra hoe: “Tahafo ny zotom-po sy ny hafanam-pon’i Jesosy tamin’ny asa misionera nanendrena azy.” Nampirisika ireo ho misionera izy mba hazoto hatrany amin’ny asany: “Ataovy mora arahina foana ny fandaharam-potoana; tohizo ny fahazarana tsara mianatra manokana, mba hahatonga anareo haharaka hatrany ny fanazavana farany; tadidio foana ny antony nanirahana anareo.”

Avy eo, dia namelabelatra ilay foto-kevitra hoe “Ampitomboy Hatrany ‘ny Fahaizanareo Misaina’ ” i Guy Pierce, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. (Romana 12:1) Nanome torohevitra mahasoa ho an’ireo mpianatra nahazo diplaoma izy, ary nampirisika azy ireo hampiasa ny fahaiza-misaina nomen’Andriamanitra azy. Hoy izy: “Saintsaino hatrany izay lazain’i Jehovah aminareo amin’ny alalan’ny Teniny. Hiaro anareo izany.” (Ohabolana 2:11) Nanoro hevitra an’ireo mpianatra koa ny Rahalahy Pierce mba tsy hitompo teny fantatra ka hanjary tsy ‘hahay hisaina.’ Azo antoka fa hanampy ireo nahazo diplaoma ireny fampahatsiahivana tena nilaina ireny.

Avy eo ny mpitari-draharaha dia nampiditra an’i Lawrence Bowen, mpampianatra ao Gileada, izay namelabelatra ilay foto-kevitra hoe “Minia Tsy Hahafantatra Zavatra Hafa.” Nolazainy fa “ninia tsy hahafantatra zavatra hafa ... afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin’ny hazo fijaliana”, i Paoly fony misionera tany Korinto. (1 Korintiana 2:2) Fantatr’i Paoly fa avy tamin’ilay hery lehibe indrindra eo amin’izao rehetra izao, izany hoe ny fanahy masina, no nahazoana ny foto-kevitry ny Baiboly manontolo. Izany foto-kevitra izany dia ny fanamarinana ny zon’i Jehovah hitondra amin’ny alalan’ilay Taranaka nampanantenaina. (Genesisy 3:15) Nampirisihina ireo mpianatra 48 nahazo diplaoma mba hanahaka an’i Paoly sy Timoty sy ho misionera mahomby mifikitra amin’ny “teny tsy misy kilema.”—2 Timoty 1:13.

“Ankasitraho ny Tombontsoa Nomen’Andriamanitra Anao” no loha hevitry ny lahateny fampidirana farany. Nampian’i Wallace Liverance, mpitan-tsoratry ny Sekolin’i Gileada, ireo mpianatra mba hahatakatra fa fanehoan’Andriamanitra hatsaram-panahy tsy manam-paharoa ny tombontsoam-panompoan’izy ireo, fa tsy zony na tambin’ny nataony akory. Niresaka ny ohatry ny apostoly Paoly ny Rahalahy Liverance, ka hoy izy: “Tsy noho ny asa vitany akory no nifidianan’i Jehovah an’i Paoly ho apostolin’ny jentilisa. Raha izany mantsy dia toy ny hoe zon’i Paoly ny hahazo ilay fanendrena na tokony hahazo izany izy. Tsy niankina tamin’ny fahelan’ny nanompoana na ny traikefa ilay safidy. Araka ny fijerin’olombelona, dia tokony ho i Barnabasy no nofidina. Tsy niankina tamin’ny fahaizana koa ilay fanendrena, satria toa nahay niteny kokoa noho i Paoly i Apolosy. Fanehoan’Andriamanitra hatsaram-panahy tsy manam-paharoa kosa ilay izy.” (Efesiana 3:7, 8) Nampirisihin’ny Rahalahy Liverance ireo nahazo diplaoma mba hampiasa ny tombontsoam-panompoana nomena azy ireo hanampiana ny hafa ho tonga naman’Andriamanitra ka hahazo ny ‘fiainana mandrakizay, izay fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.’—Romana 6:23.

Avy eo, dia nitarika resadresaka velombelona tamin’ny mpianatra maromaro momba ilay foto-kevitra hoe “Mitondra Voka-tsoa ny Fiomanana” i Mark Noumair, mpampianatra ao Gileada. (Ohabolana 21:5) Hita tamin’izany fa tena hiahy ny olona ny mpitory rehefa miomana tsara ho amin’ny fanompoana izy, indrindra fa ny fony. Ho hainy foana ny teny tokony holazaina. Hilaza sy hanao zavatra hanampiana ilay olona eo amin’ny ara-panahy izy. “Izany no mahatonga ny misionera hahomby”, hoy ny Rahalahy Noumair, rehefa nitantara ny zavatra niainany tany Afrika.

Asa mahafa-po ny fanompoana misionera

Nanadinadina misionera za-draharaha vitsivitsy, nanaraka fampiofanana manokana tao amin’ny Foibem-pampianarana any Patterson koa, i Ralph Walls sy Charles Woody. Nisongadina tamin’ilay fanadinadinana fa ny fitiavana ny olona no antony ahitana fifaliana amin’ny asa misionera. Nampahery an’ireo mpianatra sy ny havany aman-tsakaizany nanatrika teo ny nahare an’ireo misionera efa ela ireo nanazava hoe nahoana no asa mahafa-po ny fanompoana misionera.

Nanao ny lahateny fototra hoe “Mihirà Fihiram-baovao ho An’i Jehovah” i John Barr, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. (Isaia 42:10) Nilaza ny Rahalahy Barr fa intsivy no miseho ao amin’ny Baiboly ny teny hoe “fihiram-baovao.” Nanontany toy izao izy: “Momba ny inona ilay fihiram-baovao?” Namaly izy hoe: “Asehon’ny teny manodidina fa misy fihiram-baovao atao, satria misy zava-baovao eo amin’ny fomba ampiharan’i Jehovah ny fitondrany.” Nampirisika an’ireo mpianatra izy mba hanohy hiara-mihira fiderana ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra mandresy entin’i Kristy Jesosy, ilay Mesia Mpanjaka. Nilaza ny Rahalahy Barr fa nanampy azy ireo hahatakatra tsara kokoa noho ny hatramin’izay ny lafiny amin’io “fihiram-baovao” io, ny fampiofanana azon’izy ireo tao Gileada. “Nantitranterin’ity sekoly ity fa ilainareo ny ‘mihira’ fiderana ho an’i Jehovah miaraka amin’ny rahalahy sy anabavinareo na aiza na aiza misy anareo. Ataovy foana izay hifandraisana tsara amin’ny hafa any amin’ny toerana anendrena anareo.”

Taorian’ny fizarana diplaoma, dia namaky taratasy nankasitraka tamim-pahatsorana ny fiofanana azony tao Gileada ny mpitondra tenin’ilay kilasy.

Afaka manitatra ny fanompoanao ve ianao mba hahitam-bokatra kokoa? Ataovy àry izay tsara indrindra vitanao, tahaka ny nataon’ireo mpianatra nahazo diplaoma ireo. Izany no nahatonga azy ireo hahafeno fepetra ho misionera. Mahafaly tokoa ny fahavononana hanompo an’Andriamanitra.—Isaia 6:8.

[Efajoro, pejy 25]

ANTONTAN’ISA MOMBA ILAY KILASY

Isan’ny tany nanana solontena: 10

Isan’ny tany nanendrena: 19

Isan’ny mpianatra: 48

Salanisan’ny taona: 33,2

Salanisan’ny taona naha tao amin’ny fahamarinana: 16,8

Salanisan’ny taona naha tao amin’ny fanompoana manontolo andro: 12,6

[Sary, pejy 26]

Ny Kilasy Faha-111 Nahazo Diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana

Amin’ilay lisitra eto ambany, ireo laharana dia asiana nomerao avy eo aloha mankany aoriana, ary ireo anarana dia tononina avy eo ankavia miankavanana isaky ny laharana.

1) Yeomans, C.; Toukkari, A.; Nuñez, S.; Phillips, J.; Dawkin, M.; Silvestri, P. 2) Morin, N.; Biney, J.; López, M.; Van Hout, M.; Cantú, A.; Szilvassy, F. 3) Williams, M.; Itoh, M.; Van Coillie, S.; Levering, D.; Fuzel, F.; Geissler, S. 4) Yeomans, J.; Moss, M.; Hodgins, M.; Dudding, S.; Briseño, J.; Phillips, M. 5) López, J.; Itoh, T.; Sommerud, S.; Kozza, C.; Fuzel, G.; Moss, D. 6) Williams, D.; Dudding, R.; Geissler, M.; Morin, R.; Biney, S.; Cantú, L. 7) Dawkin, M.; Hodgins, T.; Levering, M.; Silvestri, S.; Van Hout, D.; Briseño, A. 8) Van Coillie, M.; Nuñez, A.; Kozza, B.; Sommerud, J.; Toukkari, S.; Szilvassy, P.