Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mianara Amiko”

“Mianara Amiko”

“Mianara Amiko”

“Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.”​—MATIO 11:29.

1. Nahoana no mahafinaritra sady mahafa-po ny mianatra amin’i Jesosy?

NIERITRERITRA sy nampianatra ary nanao zavatra nety foana i Jesosy Kristy. Vetivety ihany izy no teto an-tany, nefa nahafinaritra sy nahafa-po azy ny asa nataony, ary faly foana izy. Nanangona mpianatra izy ary nampianatra azy ireo ny fomba hivavahana amin’Andriamanitra sy hitiavana ny olona ary handresena izao tontolo izao. (Jaona 16:33) Nomeny toky izy ireo, ary “ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalòvana mandrakizay.” (2 Timoty 1:10) Inona no dikan’izany hoe mpianatra izany, raha anisan’ny mpianany ianao? Hanampy antsika hanatsara ny fiainantsika ny fandinihana izay nolazain’i Jesosy momba ny atao hoe mpianatra. Ilaina amin’izany ny miezaka hanana ny fomba fiheviny ary misy fitsipika fototra tokony hampiharina.​—Matio 10:24, 25; Lioka 14:26, 27; Jaona 8:31, 32; 13:35; 15:8.

2, 3. a) Inona no atao hoe mpianatr’i Jesosy? b) Nahoana no ilaina ny manontany tena hoe: ‘Mpianatr’iza marina moa aho?’

2 Ny atao hoe “mpianatra”, araka ny Soratra Grika Kristianina, dia olona mampitodika ny sainy amin’ny zavatra iray. Misy teny mitovy amin’izy io ao amin’ny Matio 11:29, milaza hoe: “Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.” Matetika ilay hoe “mpianatra” ao amin’ireo Filazantsara no manondro an’ireo mpanara-dia an’i Jesosy akaiky, izany hoe ireo niara-nandeha nitory taminy sy nampianariny. Mety ho nanaiky ny fampianaran’i Jesosy fotsiny ny sasany, ary ny sasany nanaiky izany tamim-piafenana. (Lioka 6:17; Jaona 19:38) Miresaka momba “ny mpianatr’i Jaona [Mpanao Batisa] sy ny mpianatry ny Fariseo” koa ireo mpanoratra ny Filazantsara. (Marka 2:18) Nasain’i Jesosy nitandrin-tena tamin’ny “fampianaran’ny Fariseo” ny mpanara-dia azy, ka tokony hanontany tena isika hoe: ‘Mpianatr’iza marina moa aho?’​—Matio 16:12.

3 Tokony ho velombelona ara-panahy ny hafa rehefa miaraka amintsika, raha mpianatr’i Jesosy isika, ka nianatra taminy. Tokony ho hitan’izy ireo fa nanjary malemy fanahy sady tsy miavona am-po kokoa isika. Raha ray aman-dreny isika, na mpiandraikitra ny fiangonana, na manana toerana ambony any am-piasana, moa ve hitan’ny olona eo ambany fahefantsika fa mitovy amin’ny fomba nitondran’i Jesosy ny olona ny fomba itondrantsika azy ireo?

Fomba nitondran’i Jesosy ny olona

4, 5. a) Nahoana no tsy sarotra fantarina ny fomba nitondran’i Jesosy ny olona nanan-java-nanahirana? b) Inona no nitranga rehefa nisakafo tany an-tranon’ny Fariseo iray i Jesosy?

4 Ilaintsika hofantarina ny fomba nitondran’i Jesosy ny olona, indrindra fa ireo nanan-java-nanahirana lehibe. Tsy sarotra ianarana izany. Betsaka mantsy ny fitantarana ao amin’ny Baiboly mampiseho ny nataon’i Jesosy tamin’ny olona, ary nisy azom-pahoriana tamin’izy ireny. Aoka homarihintsika koa ny nataon’ny mpitondra fivavahana, indrindra fa ny Fariseo, tamin’ireny olona ireny. Hahitantsika fianarana betsaka ny fahasamihafan’izy ireo tamin’i Jesosy.

5 ‘Nanasa an’i Jesosy hiara-mihinana taminy ny Fariseo iray’, rehefa nitory tany Galilia izy, tamin’ny 31 am.f.i. Tsy nisalasala nanaiky an’ilay fanasana i Jesosy. “Dia niditra tao an-tranon’ilay Fariseo Izy ka nipetraka nihinana. Ary, indro, nisy vehivavy mpanota tao an-tanàna, ka rehefa fantany fa Jesosy nipetraka nihinana tao an-tranon’ilay Fariseo, dia nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra izy; ary nijanona teo ivohony tanilan’ny tongony izy ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin’ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin’ny menaka manitra.”​—Lioka 7:36-38.

6. Inona no mety ho nahatonga an’ilay vehivavy “mpanota” ho tany an-tranon’ilay Fariseo?

6 Eritrereto ange izany e! Misy boky milaza hoe: “Fomba tamin’izany ny namela ny mahantra ho tonga haka ambin-tsakafo tamin’ireny fanasana lehibe ireny. Nanararaotra izany ilay vehivavy (and. 37).” Izany angamba no nahafahan’ny olona ho tonga na dia tsy nasaina aza. Nisy olon-kafa koa angamba tonga teo mba hanangona ambin-tsakafo. Hafa mihitsy anefa ny fihetsik’io vehivavy io. Tsy nitazana avy lavitra fotsiny mba hiandry ny hifaranan’ilay fanasana mantsy izy. Nalaza ratsy izy, satria “mpanota”, hany ka nilaza i Jesosy fa fantany “ny helony be.”​—Lioka 7:47.

7, 8. a) Inona no mety ho nataontsika, raha nitranga tamintsika ny toe-javatra resahina ao amin’ny Lioka 7:36-38? b) Inona no nataon’i Simona?

7 Eritrereto hoe niaina tamin’izany fotoana izany ianao, ka ianao no teo amin’ny toeran’i Jesosy. Inona no ho nataonao? Ho sadaikatra ve ianao raha nanatona anao io vehivavy io? Inona no ho vokatr’izany teo aminao? (Lioka 7:45) Ho nahatsiravina anao ve izany?

8 Mety ho niombon-kevitra kely tamin’i Simona Fariseo ihany ve ianao raha anisan’ireo nasaina? “Ary nony nahita izany ilay Fariseo nanasa Azy, dia nanao anakampo hoe: Raha mpaminany Ity, dia ho nahalala io vehivavy manendry Azy io sy ny toeny; fa mpanota io.” (Lioka 7:39) Be fangoraham-po kosa anefa i Jesosy. Takany tsara ny fahorian’io vehivavy io ary tsapany ny alahelony. Tsy lazaina amintsika ny nahatonga azy ho mpanota matevin-koditra. Raha mpivaro-tena marina izy, dia toa tsy nanampy azy ny Jiosy tao an-tanàna, na dia mpivavaka be aza.

9. Inona no nataon’i Jesosy, ary inona no nety ho vokatr’izany?

9 Naniry hanampy an’ilay vehivavy anefa i Jesosy. Hoy izy taminy: “Voavela ny helokao.” Hoy koa izy: “Ny finoanao efa namonjy anao; mandehana soa aman-tsara.” (Lioka 7:48-50) Mifarana eo ilay tantara. Mety hisy hilaza fa tsy dia nanampy an’ilay vehivavy i Jesosy, satria toa nitso-drano azy fotsiny izy. Heverinao ve anefa fa niverina tamin’ilay fomba fiainany ratsy io vehivavy io? Tsy fantatsika marina izay nataony, nefa diniho ny tohin’ny tenin’i Lioka. Tantarainy fa nitety “ny tanàna sy ny vohitra nitory ny filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra” i Jesosy. Lazain’i Lioka koa fa niaraka tamin’i Jesosy sy ny mpianany ny “vehivavy sasany”, ka “nanompo azy tamin’ny fananany [ny an’ireo vehivavy].” Mety ho anisan’izany io vehivavy nibebaka sy velom-pankasitrahana io. Mety ho nanomboka nanao ny sitrapon’Andriamanitra izy, ka nanjary nadio eritreritra, nahita zava-kendrena vaovao ary tia an’Andriamanitra kokoa.​—Lioka 8:1-3.

Fahasamihafan’i Jesosy sy ny Fariseo

10. Nahoana no mahasoa ny mandinika ny tantaran’i Jesosy sy ilay vehivavy tao an-tranon’i Simona?

10 Inona no ianarantsika avy amin’io tantara velombelona io? Tsy mampihetsi-po ve izany? Eritrereto hoe tao an-tranon’i Simona ianao. Inona no ho tsapanao? Ho nanahaka an’i Jesosy ve ianao sa ho nanahaka kely an’i Simona Fariseo ihany? Zanak’Andriamanitra i Jesosy, ka tsy hitovy tanteraka amin’ny azy ny zavatra tsapantsika na ataontsika. Tsy tiantsika koa anefa ny hitovy amin’i Simona Fariseo. Vitsy no te hitovy amin’ny Fariseo.

11. Nahoana no tsy tiantsika ny hitovy amin’ny Fariseo?

11 Rehefa dinihina ny Baiboly sy ny bokin-tantara hafa, dia hita fa nanambony tena ny Fariseo, satria nihevitra ho mpiandraikitra izay hahasoa sy hahatsara ny fiaraha-monina sy ny firenena. Efa nazava sady mora azo ny Lalàn’Andriamanitra, nefa tsy nahafa-po azy ireo izany. Namorona fampiharana amin’ny an-tsipiriany ny Lalàna izy ireo, rehefa noheveriny fa tsy voafaritra tsara ny Lalàna. Nanjary tsy nilaina intsony, noho izany, ny feon’ny fieritreretana. Nitady lalàna hifehezana ny fitondran-tenan’ny olona hatramin’ny zavatra madinika indrindra izy ireo. *

12. Ahoana no fiheveran’ny Fariseo ny tenany?

12 Nohazavain’i Josèphe, mpahay tantara jiosy tamin’ny taonjato voalohany, fa nihevi-tena ho tsara fanahy sy marina ary nahay ny asany, ny Fariseo. Mety ho nisy toy izany mihitsy izy ireo. Tsaroanao angamba i Nikodemosy. (Jaona 3:1, 2; 7:50, 51) Nisy Fariseo lasa Kristianina, tatỳ aoriana. (Asan’ny Apostoly 15:5) Hoy ny apostoly Paoly momba ny Jiosy toy ny Fariseo: “Mazoto ho an’Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny fahalalana.” (Romana 10:2) Asehon’ny Filazantsara anefa ny tena fahitan’ny olona azy ireo, izany hoe miavona, mihevi-tena ho marina, be fanakianana, tia mitsara olona sy manambany olona foana.

Fihevitr’i Jesosy

13. Inona no nolazain’i Jesosy momba ireo Fariseo?

13 Nantsoin’i Jesosy hoe mpihatsaravelatsihy ny mpanora-dalàna sy Fariseo. “Mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin’ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin’ny rantsan-tànany anankiray aza.” Navesatra tokoa ilay entana ary mafy ilay zioga nasaina nentin’ny olona. Nantsoin’i Jesosy hoe “adala” koa ny mpanora-dalàna sy Fariseo. Mety hampidi-doza ny fiaraha-monina ny adala. “Mpitarika jamba” koa izy ireo, hoy i Jesosy, ary nolazainy fa ‘navelan’izy ireo izay lehibe tamin’ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana.’ Iza no te hampitovin’i Jesosy amin’ny Fariseo?​—Matio 23:1-4, 16, 17, 23.

14, 15. a) Manao ahoana ny Fariseo, rehefa dinihina ny nataon’i Jesosy tamin’i Matio Levy? b) Inona avy no lesona lehibe raisintsika avy amin’io fitantarana io?

14 Ho hitan’izay mamaky ny Filazantsara fa tsy nanao afa-tsy ny nanakiana ny ankamaroan’ny Fariseo. Nanao fanasam-be ho an’i Jesosy i Matio Levy, mpamory hetra, rehefa nasainy ho tonga mpianany. Hoy ny fitantarana: “Fa ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna izay teo aminy dia nimonomonona tamin’ny mpianatr’i Jesosy ka nanao hoe: Nahoana hianareo no miara-mihinana sy misotro amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota? Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: ... tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota hibebaka.”​—Lioka 5:27-32.

15 Azon’i Levy koa ity zavatra hafa nolazain’i Jesosy ity: “Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: ‘Famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra.’ ” (Matio 9:13) Tsy nanaiky ireo teny nalaina avy tao amin’ny Hosea 6:6 ireo ny Fariseo, nefa nilaza fa mino izay nolazain’ny mpaminany hebreo. Nolazainy fa nanaraka ny lovantsofina izy, raha sendra nanao fahadisoana. Tsara àry raha manontany tena isika tsirairay hoe: ‘Malaza ho mpanizingizina fitsipika ve aho, anisan’izany ny fitsipika araka ny hevitro manokana? Sa olona be famindram-po sy tsara fanahy no tena ahafantarana ahy?’

16. Inona no fanaon’ny Fariseo, ary inona no tokony hataontsika mba tsy hitoviana aminy?

16 Manakiana lava tsy misy farany. Izany no fanaon’ny Fariseo. Nijery ny kileman-toetran’ny olona izy ireo, na tena misy izany na heverina fa misy. Nahatonga ny olona hiaro tena foana izy ireo, ary nampahatsiahy azy ireo ny fahadisoany. Nirehareha ny Fariseo satria nandoa ny ampahafolon’ny zavamaniry kely indrindra, toy ny solila sy ny aneta ary ny komina. Naderaderany tamin’ny alalan’ny akanjony ny fitiavany mivavaka, ary nanandrana nifehy ny firenena izy ireo. Tsy tokony hijery ny kileman’ny olona sy hanasongadina izany mihitsy àry isika, raha tiantsika hifanaraka amin’ny ohatr’i Jesosy ny ataontsika.

Ahoana no nandaminan’i Jesosy zava-manahirana?

17-19. a) Hazavao ny fomba nandaminan’i Jesosy ny zava-nanahirana iray saika nitatra. b) Nahoana no nanahirana sy nahasadaikatra ny nanjo an’ilay vehivavy? d) Inona no ho nataonao, raha teo ianao rehefa nanatona an’i Jesosy ilay vehivavy?

17 Tena samy hafa tamin’ny an’ny Fariseo ny fomba nandaminan’i Jesosy zava-manahirana. Diniho ny nataony, rehefa nisy zava-nanahirana iray saika nitatra. Nahakasika vehivavy nitsi-dra efa hatramin’ny 12 taona ilay izy. Azonao vakina ao amin’ny Lioka 8:42-48 ilay tantara.

18 Tantarain’i Marka fa “raiki-tahotra sady tora-kovitra” ilay vehivavy. (Marka 5:33) Nahoana? Satria azo antoka fa fantany hoe nandika ny Lalàn’Andriamanitra izy. Voalaza ao amin’ny Levitikosy 15:25-28 fa maloto ny vehivavy mitsi-dra, ary herinandro aorian’ny fijanonan’ilay aretina izy vao madio. Nanjary naloto avokoa izay zavatra nokasihiny na olona nifandray taminy. Tsy maintsy nanavatsava ny vahoaka io vehivavy io mba hanatonana an’i Jesosy. Tsy malahelo an’io vehivavy ory io ve isika rehefa mamaky ny tantarany, 2 000 taona atỳ aoriana?

19 Ahoana no ho fahitanao ny zava-nitranga raha teo ianao? Inona no ho nolazainao? Mariho fa tsara fanahy tamin’io vehivavy io i Jesosy, ary nampiseho fitiavana taminy sady nanisy fiheverana azy. Tsy nanipy teny momba izay zava-manahirana mety ho napoitran’io vehivavy io akory aza izy.​—Marka 5:34.

20. Inona no zava-tsarotra mety hatrehintsika, raha mbola manan-kery hatramin’izao ny Levitikosy 15:25-27?

20 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Aoka hatao hoe anti-panahy ianao. Eritrereto koa hoe mbola manan-kery hatramin’izao ny Levitikosy 15:25-27, ary nisy anabavy nandika izany, ka mitaintaina sady very hevitra. Inona no hataonao? Hanome torohevitra manambany azy eo imason’olona ve ianao? “Tsy hanao an’izany mihitsy aho!”, hoy ianao. “Hanahaka an’i Jesosy aho, ka hiezaka mafy mba ho tsara fanahy, hampiseho fitiavana, hieritreritra tsara, ary hanisy fiheverana azy.” Tsara mihitsy izany! Ny zava-tsarotra tokony horesena anefa izao dia ny manaraka ny ohatr’i Jesosy, ka manatanteraka izany.

21. Inona no nampianarin’i Jesosy ny olona momba ny Lalàna?

21 Tena namelombelona sy nampahery ny olona i Jesosy. Tsy niadiany hevitra ny Lalàn’Andriamanitra, rehefa namaritra tsara izay tokony hatao. Navelany hampiasa ny feon’ny fieritreretany kosa ny olona, rehefa torohevitra ankapobe no nomen’ny Lalàna. Tamin’izay ny fanapahan-kevitr’izy ireo dia afaka nampiseho ny fitiavany an’Andriamanitra. Tsy henjana na nangeja azy ireo àry ny Lalàna. (Marka 2:27, 28) Tian’Andriamanitra ny olony, ary notadiaviny foana izay hahasoa azy ireo. Vonona hamela heloka koa izy, rehefa sendra nanao diso izy ireo. Tsy nisy hafa tamin’izany i Jesosy.​—Jaona 14:9.

Vokatry ny fampianaran’i Jesosy

22. Inona no toe-tsaina nafindran’i Jesosy tamin’ny mpianany?

22 Mankamamy izao tenin’i Jesosy izao ireo nihaino azy ka tonga mpianany: “Mora ny ziogako, ary maivana ny entako.” (Matio 11:30) Tsy nahatsiaro izy ireo hoe nitaky be loatra taminy, na nanorisory tsy nisy farany, na nandevilevy azy ireo, i Jesosy. Nalalaka sady sambatra kokoa izy ireo, ary nihatsara ny fifandraisany tamin’Andriamanitra sy ny olon-kafa. (Matio 7:1-5; Lioka 9:49, 50) Nianaran’izy ireo taminy fa tokony hamelombelona ny mpitondra fivavahana sady tokony halemy fanahy sy tsy hiavona am-po.​—1 Korintiana 16:17, 18; Filipiana 2:3.

23. Inona no lesona lehibe azon’ny mpianatr’i Jesosy, ary inona no hevitra notsoahin’izy ireo avy tamin’izany?

23 Ambonin’izany, dia betsaka no niaiky tanteraka fa ilaina ny ho tafaray hatrany amin’i Kristy sy ny hanahafana ny toe-tsainy. Hoy izy tamin’ny mpianany: “Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin’ny fitiavako hianareo. Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy ny itoerako amin’ny fitiavany.” (Jaona 15:9, 10) Mba hahitan’izy ireo vokatra amin’ny fanompoany an’Andriamanitra, dia tsy maintsy nazoto nampihatra izay nianarany tamin’i Jesosy izy ireo, rehefa nitory na nampianatra ny vaovao tsara mahatalanjona avy amin’Andriamanitra, na rehefa nifandray tamin’ny fianakaviana sy ny namana. Rehefa niforona ny fiangonana, dia nila nitadidy hatrany izy ireo fa ny fomba fiainan’i Jesosy no fomba fiaina tsara. Ny fahamarinana no nampianariny ary ny fomba fiainany hitan’izy ireo no fomba fiaina filamatra.​—Jaona 14:6; Efesiana 4:20, 21.

24. Ahoana no anahafantsika ny ohatr’i Jesosy?

24 Hitanao ve izao izay tokony hohatsarainao, rehefa mieritreritra ny zavatra sasany nodinihintsika ianao? Ekenao ve fa nieritreritra sy nampianatra ary nanao zavatra nety foana i Jesosy? Aza kivy àry. Mampahery antsika izy, manao hoe: “Raha fantatrareo izany, dia sambatra hianareo, raha manao izany.”​—Jaona 13:17.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 “Ny tena maha samy hafa [an’i Jesosy sy ny Fariseo] dia ny fiheveran’izy ireo an’Andriamanitra. Ho an’ny Fariseo, dia mpandidindidy Andriamanitra; ho an’i Jesosy kosa, dia be famindram-po sy mangoraka izy. Tsy lavin’ny Fariseo fa tsara fanahy sy be fitiavana Andriamanitra. Heveriny anefa fa ireo toetra ireo no nahatonga an’Andriamanitra hanome ny Torah [ny Lalàna] sy hitaky ny hanatanterahana azy io ... Ho an’ny Fariseo, dia fomba hanatanterahana ny Torah ny fifikirana amin’ny lovantsofina sy ny fitsipiny manazava ny Lalàna ... Nifanohitra tamin’ny Fariseo kosa i Jesosy, satria ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona (Matio 22:34-40) ihany no nentiny nanazavana ny lalàna, ary nolaviny ny lovantsofina nangeja ny olona.”​—Diksionera Iraisam-pirenena Momba ny Testamenta Vaovao (anglisy).

Inona no Havalinao?

• Inona no atao hoe mpianatr’i Jesosy?

• Ahoana no fomba nitondran’i Jesosy ny olona?

• Inona no ianarantsika avy amin’ny fomba fampianatr’i Jesosy?

• Inona no naha samy hafa an’i Jesosy sy ny Fariseo?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 18, 19]

Tena samy hafa tamin’ny an’ny Fariseo ny fomba nitondran’i Jesosy ny olona!