Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Ray Aman-dreny​—Omeo Izay Ilainy ny Zanakareo!

Ry Ray Aman-dreny​—Omeo Izay Ilainy ny Zanakareo!

Ry Ray Aman-dreny​—Omeo Izay Ilainy ny Zanakareo!

MILA tari-dalana sy fifehezana amim-pitiavana ny ankizy, indrindra fa avy amin’ny ray aman-dreniny. Hoy i Tania Zagury, mpanabe brezilianina, momba izany: “Te hanao izay mahafinaritra azy ny ankizy rehetra. Tokony hoferana anefa izany, ary ny ray aman-dreny no tokony hanao izany. Hihoa-pefy ny zanany, raha tsy izany.”

Mety ho sarotra tanterahina anefa izany any amin’ny tany maro, satria milefitra loatra ny fiaraha-monina sady mampirisika ny olona hanao izay tiany. Aiza àry no hahazoan’ny ray aman-dreny fanampiana? Eken’ny ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra fa “lova avy amin’i Jehovah” ny zanaka. (Salamo 127:3) Noho izany, dia mitady tari-dalana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly, izy ireo rehefa mitaiza. Milaza toy izao, ohatra, ny Ohabolana 13:24: “Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; fa izay tia zanaka dia manafay azy.”

Tsy voatery ho kapoka ihany no tian’ny Baiboly horesahina amin’ny hoe ‘tsorakazo.’ Mampiseho ny fomba rehetra anitsiana zanaka kosa izy io. Teny fotsiny mantsy matetika dia mety ho ampy hanitsiana ny ditran’ny ankizy. Hoy ny Ohabolana 29:17: “Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy sy ho fifalian’ny fanahinao.”

Mila fifehezana amim-pitiavana ny ankizy mba hialany amin’ny toetra ratsy. Porofon’ny fitiavan’ny ray aman-dreny ny zanany izany fanitsiana hentitra sy feno hatsaram-panahy izany. (Ohabolana 22:6) Aza kivy àry ry ray aman-dreny! Hampifaly an’i Jehovah ianao ary hohajain’ny zanakao, rehefa manaraka ny torohevitra feno fahendrena sy azo ampiharina ao amin’ny Baiboly.