Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tianao ve ny namaky ireo nomerao faramparany tamin’ny Tilikambo Fiambenana? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto:

Inona no fandresena ara-pivavahana nandraisan’ny Fitsarana Federaly Momba ny Lalàm-panorenana alemà anjara?

Nofoanan’izany fitsarana izany ny didim-pitsarana teo aloha izay tsy nanome rariny ny fangatahan’ny Vavolombelon’i Jehovah hahazo ireo tombontsoa omen’ny Fanjakana ny fivavahana hafa. Nomarihin’ilay didim-pitsarana nandresy fa ao anatin’ny faritry ny fahalalahana ara-pivavahana dia mety hisy olona ‘hankatò ny fitsipiky ny finoana’ mihoatra noho izay takin’ny Fanjakana.​—15/8, pejy faha-8.

Naharitra hafiriana moa ny fijalian’i Joba?

Tsy milaza ny bokin’i Joba fa nijaly an-taonany maro izy. Mety ho naharitra volana vitsivitsy, na herintaona latsaka, ny fijalian’i Joba sy ny niafaran’ilay izy.​—15/8, pejy faha-31.

Nahoana no azontsika antoka fa tena misy ny Devoly?

Fantatr’i Jesosy Kristy fa tena misy ny Devoly. Tena zavaboary iray no naka fanahy an’i Jesosy, fa tsy zava-dratsy tao anatiny akory. (Matio 4:1-11; Jaona 8:44; 14:30)​—1/9, pejy faha-5, 6.

Hoy ny Ohabolana 10:15 “Ny haren’ny manan-karena no vohiny mafy; fa ny tsi-fananan’ny ory no fandringanana azy.” Ahoana no maha marina izany?

Miaro tsara ny mponina ao aminy, ohatra, ny tanàna mimanda iray. Toy izany koa fa mety hiaro amin’ny fanahiana sasany eo amin’ny fiainana ny harena. Mety hiteraka fahavoazana kosa anefa ny fahantrana, raha misy zava-mitranga tsy ampoizina.​—15/9, pejy faha-24.

Amin’ny heviny ahoana no hoe vao “niantsoana ny anaran’i Jehovah” tamin’ny andron’i Enosy? (Genesisy 4:26)

Efa nampiasaina hatramin’ny nisian’ny olombelona ny anaran’Andriamanitra. Koa tsy fiantsoana ny anaran’i Jehovah tamim-pinoana àry io nanomboka tamin’ny andron’i Enosy io. Mety ho niantso tamim-panamavoana ny tenany tamin’ny anaran’Andriamanitra ny olona, na nanome io anarana io ho an’olon-kafa nolazainy fa mpanelanelana azy tamin’Andriamanitra.​—15/9, pejy faha-29.

Inona no dikan’ny teny hoe “fifehezana” ao amin’ny Baiboly?

Tsy midika ho fampijaliana na fahasiahana mihitsy ilay teny. (Ohabolana 4:13; 22:15) Ilay teny grika hoe “fifehezana” dia mifandray indrindra amin’ny hoe fampianarana, fanabeazana sy fanitsiana, ary indraindray fanasaziana hentitra nefa amim-pitiavana. Fomba iray lehibe ahafahan’ny ray aman-dreny manahaka an’i Jehovah ny fiezahany hifampiresaka tsara hatrany amin-janany. (Hebreo 12:7-10)​—1/10, pejy faha-8, 10.

Ahoana no ampisehoan’ny Kristianina marina amin’izao andro izao fa momba ny fitondran’Andriamanitra izy?

Manohana ny Fanjakan’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah. Noho izany, dia tsy manao politika na mampirisika hanao fikomiana izy ireo, na dia any amin’ny tany andrarana ny Vavolombelona aza. (Titosy 3:1) Toa an’i Jesosy sy ny mpianany tany am-boalohany dia manao soa izy ireo. Miezaka hanampy ny olona izy ireo hanana ireo toetra tsara hita ao amin’ny Baiboly, toy ny fanaovana ny marina sy ny fitondran-tena madio ary ny fomba fiasa tsara.​—15/10, pejy faha-6.

Ahoana no ikorianan’ny rano manome fiainana any Andes?

Miezaka hitondra ny fahamarinana ara-baiboly amin’ny olona ny Vavolombelon’i Jehovah any, na dia amin’ny fiteny quechua sy aymara aza. Mitsidika ny mponina any amin’ireo nosy any amin’ny Farihy Titicaca ireo Vavolombelona. Anisan’ny tsidihin’izy ireo koa ny nosy “mitsinkafona” misy lafika vita amin’ny zozoro maniry eo amin’ilay farihy.​—15/10, pejy faha 8-10.

Inona no nomen’Andriamanitra mba hitari-dalana antsika, ka azo ampitahaina amin’ny tari-dalana omen’ny ordinatera ao amin’ny fiaramanidina maoderina mpitondra mpandeha?

Nataon’Andriamanitra hahay hamantatra izay tsara sy ratsy ny olombelona. Ny feon’ny fieritreretantsika nolovana izany. (Romana 2:14, 15)​—1/11, pejy faha 3, 4.

Nahoana no tena sarobidy ny fahafatesan’i Jesosy?

Rehefa nanota i Adama, ilay lehilahy lavorary, dia maty izy sy ny taranany. (Romana 5:12) Nanao sorona ny ain’olombelona lavorary nananany i Jesosy. Tamin’izany no nanomezany ny avotra, izay hahafahan’ny olona mahatoky hahazo ny fiainana mandrakizay.​—15/11, pejy faha-5-7.

Iza ireo Skytianina voalaza ao amin’ny Kolosiana 3:11?

Mpifindrafindra monina teny amin’ny tany lemak’i Eorazia ny Skytianina, ka nifehy azy io tamin’ny 700 ka hatramin’ny 300 al.f.i. tany ho any. Mpitaingin-tsoavaly sy mpiady tena kinga izy ireo. Mety tsy ho firenena iray voafaritra tsara no tian’ny Kolosiana 3:11 holazaina, fa ny olona ratsy toetra indrindra.​—15/11, pejy faha-24, 25.

Ahoana no ahafahantsika milaza fa fampianarana mendrika ny hoheverintsika tsy tapaka ny fitiava-namana tahaka ny tena?

Miresaka an’io lalàm-pitondran-tena marina io ny Jodaisma, ny Bodisma, ny filozofia grika ary ny Konfiosianisma. Izay nolazain’i Jesosy tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra anefa dia mitaky fanaovana asa mahasoa, ary mahakasika ny fiainan’ny olona amin’ny toerana rehetra sy ny vanim-potoana rehetra izany. (Matio 7:12)​—1/12, pejy faha-3.