Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Henri VIII sy ny Baiboly

Henri VIII sy ny Baiboly

Henri VIII sy ny Baiboly

“NITONDRA fiovana lehibe teo amin’ny fivavahana ny Fanavaozana [hetsika nahatonga ny fiforonan’ny Fivavahana Protestanta]. Ny Baiboly indray izao no nanjary nekena ho loharanon-kevitra vaovao nanan-kery lehibe. Nihevitra ny ntaolo fa mety hampidi-doza, raha tonga teny an-tanan’ireo tsy nahita fianarana ny Baiboly, ka ny pretra ihany no tokony hamaky azy.” Izany no nosoratan’i Winston Churchill, ao amin’ilay bokiny hoe Tantaran’ireo Firenena Miteny Anglisy (anglisy, Boky faha-2).

Manohy toy izao ilay fitantarana: “Tamin’ny fararanon’ny taona 1535 no navoaka voalohany ny Baiboly manontolo, nadikan’i Tyndal sy Coverdale tamin’ny teny anglisy, ary be dia be izao ny fanontana natao. Nodidian’ny Fanjakana mba hampirisika ny olona hamaky ny Baiboly ny mpitondra fivavahana.” Tsy nahay Baiboly ny Anglisy nandritra ny an-jato taona, nefa nanjary nahay izy ireo izao, noho ny fanjakan’i Henri VIII fa tsy ny noho ny fivavahana akory. *

“Vao mainka voa mafy ireo mbola nifikitra tamin’ny fiheverana taloha, satria nandidy ny hanaovana pirinty Baiboly amin’ny teny anglisy betsaka kokoa sy tsara noho ny taloha ny Fanjakana, tany Paris. Ary tamin’ny Septambra 1538, dia navoaka koa ny didy fa tokony hividy Baiboly lehibe amin’ny teny anglisy ny paroasy rehetra nanerana an’i Angletera, ka hapetraka isaky ny trano fiangonana. Ho mora kokoa amin’ny mpiangona amin’izay ny hampiasa sy hamaky azy ao. Baiboly enina no napetraka tao amin’ny Katedralin’i Masindahy Paoly, tany Londres. Betsaka ny olona tonga namaky azy ireny tao nandritra ny andro, ary araka ny nolazaina taminay, dia vao mainka betsaka no tonga rehefa nisy olona avo feo afaka namaky azy io tamin’izy ireo.”

Mampalahelo fa olona be dia be, any amin’ny tany maro, no tsy mba manararaotra ny fahafahany hamaky tsy tapaka ny Baiboly. Mampanahy be izany, satria ny Baiboly no hany boky ‘ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, sady mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana.’—2 Timoty 3:16.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Nitondra an’i Angletera tamin’ny taona 1509 ka hatramin’ny 1547 ny mpanjaka Henri VIII.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]

Henri VIII: Sary hoso-doko ao amin’ny Royal Gallery any Kensington, nalaina avy ao amin’ilay boky hoe Tantaran’ny Fivavahana Protestanta (anglisy Boky I)