Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Foana Tokoa ve ny Fanavakavahan-tsaranga?

Ho Foana Tokoa ve ny Fanavakavahan-tsaranga?

Ho Foana Tokoa ve ny Fanavakavahan-tsaranga?

ANISAN’NY nanao sonia ny Fanambarana Fahaleovan-tena i John Adams, prezidà faharoan’i Etazonia. Hita ao amin’io fanambarana manan-tantara io ireto teny mihaja ireto: “Inoanay fa mazava avy hatrany ny fahamarinan’ilay hoe noforonina hitovy zo ny olombelona rehetra.” Toa nisalasala anefa i John Adams hoe mitovy zo tokoa ny olona. Hoy mantsy izy: “Andriamanitra Tsitoha mihitsy no nanao ny Saina sy ny Vatan’ny olombelona ho samy hafa, hany ka tsy misy tetika na fomba hampitoviana izany.” Natoky kosa anefa ilay mpahay tantara anglisy antsoina hoe Wells, fa hitovy zo ny olona indray andro any, ka hiorina amin’ireto zavatra telo ireto izany: Fivavahana madio iombonana eran-tany, fampianarana mitovy ho an’ny rehetra ary ny tsy fisian’ny miaramila.

Mbola tsy mitovy zo araka io noeritreretin’i Wells io ny olona hatramin’izao. Tsy mitovy zo mihitsy ny olombelona ary mbola anisan’ny mampiavaka azy ihany ny fanavakavahan-tsaranga. Nitondra soa ho an’ny olombelona rehetra anefa ve ireny saranga ireny? Tsia. Mampisara-bazana ny olona ny fanavakavahan-tsaranga, ka mahatonga fialonana, fankahalana, alahelo ary fandripahana ain’olona maro. Nampahory ny tsy fotsy hoditra ny fanindrahindrana ny fotsy hoditra tatỳ Afrika sy tany Aostralia ary Amerika Avaratra. Ripaka tanteraka, ohatra, ireo tompon-tany tany terre de Van Diemen (Tasmania ankehitriny). Nahatonga ny Famonoana Tambabe tany Eoropa koa ny fiheverana fa olona ambany ny Jiosy. Nanankarem-be ireo olona ambony saranga, ka nahatezitra ny olona ambany saranga sy avy amin’ny saranga antonony. Izany no nampipoaka ny Revolisiona Frantsay tamin’ny taonjato faha-18 sy ny Revolisiona Bolsevika, tany Rosia, tamin’ny taonjato faha-20.

Nisy lehilahy hendry nilaza hoe: ‘Manapaka ny namany ny olona, ka mampiditra loza aminy.’ (Mpitoriteny 8:9) Marina foana ireo teniny ireo, na iza na iza manapaka. Fahoriana sy fijaliana foana no vokany, rehefa misy antokon’olona mihevi-tena ho ambony.

Mitovy zo ny rehetra eo anatrehan’Andriamanitra

Misy olona efa natao ho ambony noho ny olon-kafa ve? Tsy eken’Andriamanitra izany. Hoy ny Baiboly: “Ny firenena rehetra avy amin’ny iray ihany dia namponeniny [Andriamanitra] ambonin’ny tany rehetra.” (Asan’ny Apostoly 17:26) Ambonin’izany, dia ‘tsy mizaha ny tavan’ny lehibe ny Mpamorona, ary tsy manaja ny ambony mihoatra noho ny ambany, satria samy asan’ny tanany avokoa izy rehetra.’ (Joba 34:19) Mpihavana daholo ny olombelona, ary vao teraka dia efa mitovy zo eo anatrehan’Andriamanitra.

Tadidio koa fa tsy misy afaka milaza tena ho ambony noho ny olon-kafa intsony rehefa maty. Tsy nino izany anefa ny Ejipsianina fahiny. Rehefa nisy Farao maty, dia nasian’izy ireo zava-tsarobidy tao am-pasana mba hampiasainy any ankoatra, satria noheveriny fa mbola nitana toerana ambony ihany izy. Afaka nampiasa izany tokoa ve ilay Farao? Tsia. Nisy nangalatra ny ankamaroan’ireny harena ireny, ary any amin’ny tranombakoka no ahitana izay sisa tsy azon’ny mpangalatra.

Koa satria efa maty ilay Farao, dia tsy afaka nampiasa ireny zavatra lafo vidy ireny mihitsy izy. Tsy misy ambony sy ambany, na manankarena sy mahantra, rehefa maty. Hoy ny Baiboly: “Maty ihany ny olon-kendry; ary ny adala sy ny ketrina samy levona ka mamela ny fananany ho an’ny hafa. Nefa na dia manana voninahitra aza ny olona, dia tsy maharitra izy; tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty izy.” (Salamo 49:10, 12) Mihatra amintsika rehetra ireto teny ara-tsindrimandry ireto, na mpanjaka isika na andevo: “Fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy ... Tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.”—Mpitoriteny 9:5, 10.

Mitovy zo isika rehetra eo anatrehan’Andriamanitra, rehefa teraka ary mitovy zo koa rehefa maty. Tsy misy dikany mihitsy àry ny fanandratana antokon’olona ho ambony noho ny sasany mandritra ny andro fohy iainantsika!

Ahoana no hahafoana ny fanavakavahan-tsaranga?

Azo antenaina anefa ve fa tsy ho zava-dehibe amin’ny olona intsony ny saranga indray andro any? Izany tokoa. Efa napetrak’i Jesosy ny fototr’izany fiovana izany, fony izy teto an-tany, 2 000 taona lasa teo ho eo izay. Nanao sorona ny ainy izy mba hanavotana ny olombelona manam-pinoana rehetra, ka “tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”—Jaona 3:16.

Nilaza toy izao i Jesosy mba hampisehoana fa tsy misy tokony hanambony tena ny mpanara-dia azy: “Hianareo kosa aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no Mpampianatra anareo, ary hianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa. Ary aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra. Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika hianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy. Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo. Fa izay manandra-tena no haetry.” (Matio 23:8-12) Eo anatrehan’Andriamanitra, dia mitovy zo daholo ny tena mpianatr’i Jesosy, ao amin’ny fivavahana marina.

Nihevi-tena ho nitovy zo ve ny Kristianina voalohany? Nihevitra izany ireo nahatakatra ny fampianaran’i Jesosy. Nihevi-tena ho nitovy zo ireo mpiara-mivavaka ireo, ka nifampiantso hoe “rahalahy.” (Filemona 1, 7, 20) Tsy nisy nampirisihina hihevi-tena ho tsara kokoa noho ny olon-kafa. Diniho, ohatra, ny fanetren-tena nasehon’i Petera ao amin’ny taratasiny faharoa. Hoy izy momba ny tenany: “Simona Petera, mpanompo sy Apostolin’i Jesosy Kristy, mamangy izay efa nahazo finoana soa tahaka ny anay.” (2 Petera 1:1) I Jesosy mihitsy no nampianatra an’i Petera, ary nitana andraikitra lehibe koa izy, satria apostoly. Mpanompo anefa no fiheverany ny tenany ary nekeny fa manana finoana mitovy amin’ny an’ny Kristianina mpiray finoana taminy izy.

Mety hisy hilaza fa tsy mihevitra ny olona ho mitovy zo Andriamanitra, satria nataony firenena manokana ho azy ny Isiraelita, talohan’ny nisian’ny Kristianisma. (Eksodosy 19:5, 6) Mety hilaza izy ireo fa natao ambony noho ny firazanana hafa io firenena io. Diso anefa izany. Marina fa nanana fifandraisana manokana tamin’Andriamanitra ny Isiraelita, sady nampiasainy mba hampitana ireo fanambarany, satria taranak’i Abrahama. (Romana 3:1, 2) Tsy ny hanambony azy ireo anefa no tanjona tamin’izany, fa ny ‘hitahiana ny firenena rehetra’ kosa.—Genesisy 22:18; Galatiana 3:8.

Tsy nanahaka ny finoan’i Abrahama razambeny anefa ny ankamaroan’ny Isiraelita. Nivadika izy ireo ary tsy nanaiky fa i Jesosy no Mesia. Nolavin’Andriamanitra izy ireo, noho izany. (Matio 21:43) Nahazo ireo fitahiana nampanantenaina kosa anefa ny olombelona mpandefitra. Niforona tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. ny fiangonana kristianina. Nantsoina hoe “Isiraelin’Andriamanitra” ireo Kristianina voahosotry ny fanahy masina ireo, ary tamin’ny alalan’izy ireo no nahazoana ireo fitahiana ireo.—Galatiana 6:16.

Nila nampianarina ny atao hoe fitovian-jo ny sasany tamin’ireo Kristianina ireo. Nanarin’i Jakoba, ohatra, ireo nanome voninahitra bebe kokoa ny manankarena. (Jakoba 2:1-4) Tsy mety izany. Nasehon’ny apostoly Paoly fa tsy ambany noho ny Kristianina jiosy ny Kristianina jentilisa, ary tsy ambany noho ny lehilahy ny vehivavy kristianina. Hoy izy: “Fa hianareo rehetra dia zanak’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Kristy Jesosy. Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy. Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesosy.”—Galatiana 3:26-28.

Vahoaka tsy mizarazara ankehitriny

Miezaka hanaraka ny fitsipiky ny Soratra Masina ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Ekeny fa tsy misy dikany amin’Andriamanitra ny saranga. Noho izany, dia tsy misy fiavahana ny mpivavaka sy ny mpitondra fivavahana eo anivon’izy ireo. Tsy mampisaratsaraka azy ireo koa na ny volon-koditra na ny harena. Misy manankarena izy ireo, nefa tsy mifantoka amin’ny “rehaka momba izao fiainana izao”, satria fantany fa mihelina izany. (1 Jaona 2:15-17) Miara-manompo an’i Jehovah Andriamanitra, Tompon’izao Rehetra Izao, kosa izy rehetra.

Eken’izy rehetra ny andraikiny hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’ny mpiara-belona aminy. Toa an’i Jesosy, dia manome voninahitra ny olona ampahorin’ny hafa sy tsy misy mpiraharaha izy ireo, ary mitsidika sy mampianatra azy ireny ny Tenin’Andriamanitra. Miara-miasa ny olona sahirana ara-pivelomana sy ireo heverin’ny hafa ho ambony saranga. Ny toetra ara-panahy no tena zava-dehibe, fa tsy ny saranga. Mpirahalahy sy mpirahavavy izy rehetra mpiara-mivavaka, toy ny tamin’ny taonjato voalohany.

Mitovy zo nefa samy hafa

Mazava ho azy fa samy manana ny maha izy azy ny olona na dia mitovy zo aza. Misy vehivavy sy lehilahy, ary antitra sy tanora, eo anivon’ireo Kristianina ireo. Samy hafa volon-koditra izy ireo, samy hafa fiteny, samy hafa firenena. Ao ny manana ary ao ny tsy dia manana. Samy hafa koa ny fahaizany sy ny tanjany. Tsy mahatonga ny sasany ho ambony na ho ambany anefa izany. Vao mainka aza mahafinaritra erỳ izany fahasamihafana izany. Eken’ireo Kristianina ireo fa avy amin’Andriamanitra izay talenta ananany, fa tsy tokony hahatonga azy hihevi-tena ho ambony.

Mitady tsy hanaraka ny tari-dalan’Andriamanitra, fa hitondra tena samirery ny olona, ka izany no mahatonga ny fanavakavahan-tsaranga. Kely sisa dia handray ny fitondrana eto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra, ka hifarana ny fanavakavahan-tsaranga nataon’ny olombelona sy izay zavatra nampahory hatramin’izay. Amin’izay fotoana izay vao tena ‘hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana ny mpandefitra.’ (Salamo 37:11) Tsy hisy hihevi-tena ho ambony noho ny olon-kafa intsony mihitsy. Tsy avela hanimba ny firahalahiana eto an-tany intsony ny fanavakavahan-tsaranga.

[Teny notsongaina, pejy 5]

‘Tsy mizaha ny tavan’ny lehibe ary tsy manaja ny ambony mihoatra noho ny ambany ny Mpamorona, satria samy asan’ny tanany avokoa izy rehetra.’—Joba 34:19.

[Sary, pejy 6]

Manome voninahitra ny mpiara-belona aminy ny Vavolombelon’i Jehovah

[Sary, pejy 7]

Ny toetra ara-panahy no tena zava-dehibe amin’ny tena Kristianina