Mampiofana Olon-kafa ny Anti-panahy
Mampiofana Olon-kafa ny Anti-panahy
ILAINA maika eo anivon’ireo fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany ny lehilahy afaka mitana andraikitra. Antony telo lehibe no mahatonga izany.
Voalohany, tanterahin’i Jehovah ilay fampanantenany hanao “ny malemy ho tonga firenena mahery.” (Isaia 60:22) Iray tapitrisa eo ho eo ny mpianatra vaovao natao batisa tato anatin’ny telo taona, noho ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa. Ilaina ny lehilahy mendri-pitokisana mba hanampy an’ireo vao vita batisa ireo ho tonga Kristianina matotra.—Hebreo 6:1.
Faharoa, voatery nampihena ny andraikiny teo anivon’ny fiangonana ireo anti-panahy efa tranainy, satria efa antitra na tsy salama.
Fahatelo, maro amin’ireo anti-panahy no anisan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly, na Komitim-paritra Momba ny Fanorenana na Komitin’ny Efitrano Fivoriambe. Tsy maintsy mandanjalanja izy ireo, ka mety ho voatery hampihena ny sasany amin’ny andraikiny eo anivon’ny fiangonany.
Ahoana anefa no hahitana haingana lehilahy maro mahafeno fepetra? Ny fampiofanana no vahaolana. Mampirisika ny mpiandraikitra kristianina ny Baiboly, mba hampiofana “olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa.” (2 Timoty 2:2) Ny hoe mampiofana dia midika hoe mampianatra mba hahatonga an’ilay ampiofanina hahay tsara. Andeha hojerentsika izay azon’ny anti-panahy atao mba hampiofanana lehilahy mahafeno fepetra.
Manahafa an’i Jehovah
Tena nahay tsara ny asany i Jesosy, ary tsy mahagaga izany satria i Jehovah Andriamanitra mihitsy no nampiofana azy! Nahoana no nahomby ilay fampiofanana? Lafin-javatra telo no nolazain’i Jesosy, araka ny Jaona 5:20: “Fa ny Ray [1] tia ny Zanaka ka [2] maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon’ny tenany; ary [3] asa lehibe noho ireny no hasehony Azy.” Hodinihintsika tsirairay ireo lafin-javatra ireo, mba hazava amintsika tsara ny atao hoe fampiofanana.
Mariho fa izao no nolazain’i Jesosy voalohany: “Ny Ray tia ny Zanaka.” Efa nifankatia i Jesosy sy i Jehovah raha vao niandoha ny famoronana. Manazava izany fifandraisana izany toy izao ny Ohabolana 8:30: “Mpità-marika teo anilany [Jehovah Andriamanitra] aho [Jesosy] sady ravoravo isan-andro isan-andro ka nilalao mandrakariva teo anatrehany.” Tsy nanafina ny fifaliany i Jesosy rehefa niasa teo anilan’ny Rainy, satria natoky tanteraka izy fa tia azy i Jehovah. Tena mahafinaritra rehefa mifankatia sy mifampiresaka tsara ny anti-panahy sy ireo ampiofaniny!
Lafin-javatra faharoa nolazain’i Jesosy ny hoe “maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon’ny tenany”, ny Rainy. Manamafy izany ilay voalazan’ny Ohabolana 8:30 hoe ‘teo anilan’i’ Jehovah i Jesosy fony noforonina izao rehetra izao. (Genesisy 1:26) Manahaka izany ohatra tena tsara izany ny anti-panahy raha miara-miasa akaiky amin’ny mpanampy amin’ny fanompoana, ka mampiseho aminy ny fomba hanaovany tsara ny asany. Tsy ireo mpanampy amin’ny fanompoana vaovao ihany anefa no mila ampiofanina. Ahoana ny amin’ireo rahalahy mahatoky naniry ny asan’ny mpiandraikitra efa hatramin’ny taona maro, nefa mbola tsy voatendry hatramin’izao? (1 Timoty 3:1) Tokony hanome torohevitra voafaritra tsara ho azy ireny ny anti-panahy, mba ho fantany ny zavatra tokony hiezahany.
Mety ho azo itokisana sy marim-potoana ary mitandrina tsara ny asany ny mpanampy amin’ny fanompoana iray. Mpampianatra mahay koa angamba izy, ary ataony tsara foana ny andraikiny eo anivon’ny fiangonana. Mety tsy ho tsapany anefa fa somary masiaka amin’ny Kristianina namany izy. Mila maneho “fahalemem-panahin’ny fahendrena” ny anti-panahy. (Jakoba 3:13) Tsara raha miresaka amin’ilay mpanampy amin’ny fanompoana ny anti-panahy iray, ka manazava tsara ilay olana aminy, ary manome ohatra voafaritra tsara sy soso-kevitra mety, mba hanitsiany izany. Ho mora kokoa ny mandray ny torohevitr’ilay anti-panahy raha “mamy sira” ny teniny. (Kolosiana 4:6) Tokony ho vonona hihaino sy handray torohevitra koa anefa ilay mpanampy amin’ny fanompoana, mba ho mora amin’ilay anti-panahy ny hanao izany.—Salamo 141:5.
Manome fampiofanana mitohy sy mora arahina ny anti-panahin’ny fiangonana sasany. Entiny miaraka aminy, ohatra, ny mpanampy amin’ny fanompoana mahay rehefa mitsidika marary na be taona izy, mba ho zatra amin’ny asa fiandrasana ondry ilay mpanampy amin’ny fanompoana. Mazava ho azy fa misy zavatra maro azon’ny mpanampy amin’ny fanompoana atao mba handrosoana ara-panahy.—Jereo ilay faritra voafefy eo ambany, hoe “Ho An’ny Mpanampy Amin’ny Fanompoana.”
Ny lafin-javatra fahatelo nahatonga ny fampiofanana an’i Jesosy hahomby dia satria nieritreritra ny fandrosoana mbola ho avy i Jehovah rehefa nampiofana azy. Nilaza i Jesosy fa ho “asa lehibe noho ireny” no hasehon’ny Ray azy. Nahatonga an’i Jesosy hanana ny toetra hilainy amin’ny asa hataony any aoriana ny zavatra niainany teto an-tany. (Hebreo 4:15; 5:8, 9) Andraikitra mavesatra miandry an’i Jesosy, ohatra, ny fananganana sy ny fitsarana an’ireo maty an’arivo tapitrisa!—Jaona 5:21, 22.
Tokony hieritreritra ny zavatra ilaina amin’ny hoavy koa ny anti-panahy rehefa mampiofana mpanampy amin’ny fanompoana. Mbola ampy angamba ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana misahana ny asa ankehitriny. Mbola ho ampy ve anefa izy ireo raha misy fiangonana vaovao miforona? Ary raha maromaro ny fiangonana miforona? Fiangonana maherin’ny 6 000 no niforona eran-tany tato anatin’ny telo taona. Tena ilaina ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana maro mba hikarakara azy ireny!
Ry anti-panahy, manahaka an’i Jehovah ve ianareo ka miezaka hifandray tsara amin’ireo lehilahy ampiofaninareo? Asehonareo azy ve ny fomba tokony hanaovany ny asany? Ary mieritreritra ny zavatra ilaina amin’ny hoavy
ve ianareo? Mitondra fitahiana tondraka ny fanahafana ny fomba nampiofanan’i Jehovah an’i Jesosy.Zarao ny andraikitra
Mety tsy haniry hizara andraikitra ireo anti-panahy mahay sy efa zatra niantsoroka andraikitra mavesatra maro. Efa nanandrana izany angamba izy taloha, saingy tsy afa-po tamin’ny vokany. Mety hieritreritra àry izy ireo hoe: ‘Raha misy asa tianao ho vita tsara, dia ianao ihany no tsy maintsy manao azy.’ Mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah ve izany? Milaza mantsy ny Baiboly fa tokony hampiofanin’ireo za-draharaha ny mbola tsy mahay.—2 Timoty 2:2.
Diso fanantenana ny apostoly Paoly rehefa nandao azy tany Pamfylia i Jaona Marka, anisan’ny namany niara-nitety faritany taminy. (Asan’ny Apostoly 15:38, 39) Tsy nahatonga an’i Paoly tsy hampiofana olon-kafa intsony anefa izany olana izany. Nifidy rahalahy tanora iray indray izy, dia i Timoty, ary nampiofana azy hanao asa misionera. * (Asan’ny Apostoly 16:1-3) Nisy fanoherana mafy nanjo ny misionera tany Beria, ka tsy afaka nijanona tany intsony i Paoly. Nasainy nokarakarain’i Silasy, rahalahy matotra, sy i Timoty àry ilay fiangonana vaovao. (Asan’ny Apostoly 17:13-15) Tsy isalasalana fa nianatra zavatra maro tamin’i Silasy i Timoty. Nalefan’i Paoly mba hampahery ny fiangonana tany Tesalonika izy tatỳ aoriana, rehefa vonona hiantsoroka andraikitra lehibe kokoa.—1 Tesaloniana 3:1-3.
Tena nifankatia i Paoly sy i Timoty, fa tsy hoe mpiara-miasa tsotra fotsiny. Nanoratra ho an’ny fiangonan’i Korinto i Paoly ka nilaza fa nokasainy halefa tany i Timoty, ilay nantsoiny hoe “zanako malalako sy mahatoky ao amin’ny Tompo.” Hoy koa izy: “Hampahatsiaro anareo ny fanaoko ao amin’i Kristy [i Timoty].” (1 Korintiana 4:17) Tena nandray ny fampiofanan’i Paoly i Timoty, ka nanjary nahay tsara ny asa nanendrena azy. Maro ny rahalahy tanora lasa mpanampy amin’ny fanompoana na anti-panahy na mpiandraikitra mpitety faritany za-draharaha mihitsy aza, satria nampiofanin’ny lehilahy matotra tena niahy azy ireo, toy ny nataon’i Paoly tamin’i Timoty.
Ry anti-panahy, mampiofàna olon-kafa!
Tanteraka ankehitriny tokoa ilay faminaniana ao amin’ny Isaia 60:22. Nanao “ny malemy ho tonga firenena mahery” i Jehovah. Tsy maintsy voalamina tsara io firenena io raha tiana ‘hahery’ hatrany. Ry anti-panahy, nahoana raha mijery fomba azo ampiofanana ny lehilahy nanolo-tena mahafeno fepetra ho amin’izany? Ataovy mazava tsara amin’ny mpanampy amin’ny fanompoana tsirairay ny fanitsiana tokony hataony mba handrosoana. Ary ianareo rahalahy vita batisa, hararaoty izay fanampiana rehetra omena anareo. Hararaoty ilay fampiofanana mba hampitomboana ny fahaizanareo sy ny fahalalanareo ary ny fahazaranareo. Azo antoka fa hitahy an’io fandaharana io i Jehovah.—Isaia 61:5.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 18 Niara-niasa tamin’i Jaona Marka indray i Paoly tatỳ aoriana.—Kolosiana 4:10.
[Efajoro, pejy 30]
Ho An’ny Mpanampy Amin’ny Fanompoana
Misy zavatra maro azon’ny mpanampy amin’ny fanompoana atao mba handrosoana ara-panahy, na dia tokony hampiofana azy ireo aza ny anti-panahy.
—Aoka ianao hazoto sy ho mendri-pitokisana rehefa manao ny asa anendrena anao. Manàna fahazarana mianatra tsara, satria miankina betsaka amin’ny fianarana sy ny fampiharana izay nianarana ny fandrosoana.
—Aza misalasala mangataka torohevitra amin’ny anti-panahy za-draharaha, rehefa manomana lahateny hatao amin’ny fivoriana kristianina ianao.
—Mangataha anti-panahy iray handinika ny fomba fanaovanao lahateny, ary hanome torohevitra hanatsarana izany.
Mitadiava torohevitra any amin’ny anti-panahy, ary ekeo sy ampiharo izany, “mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.”—1 Timoty 4:15.