Ny Fitahiana Entin’ny Vaovao Tsara
Ny Fitahiana Entin’ny Vaovao Tsara
“Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ... hampionona ny malahelo rehetra.”—ISAIA 61:1, 2.
1, 2. a) Nampahafantatra ny tenany ho iza i Jesosy, ary tamin’ny fomba ahoana? b) Inona avy no fitahiana nentin’ny vaovao tsara nambaran’i Jesosy?
TAO amin’ny synagogan’i Nazareta i Jesosy indray Sabata, teo am-piandohan’ny fanompoany. Araka ny fitantarana, dia “natolotra Azy ny bokin’Isaia mpaminany; ary nony namelatra ny boky Izy, dia nahita ny teny voasoratra hoe: ‘Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly ... Izy.’” Novakin’i Jesosy ny tohin’ilay faminaniana. Nipetraka izy avy eo ary nilaza hoe: “Andro-any no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.”—Lioka 4:16-21.
2 Tamin’izany no nampahafantaran’i Jesosy fa ny tenany no nambaran’ny faminaniana ho ilay mpitory ny filazantsara, dia ilay mpilaza vaovao tsara sady mpampionona. (Matio 4:23) Vaovao tsara tokoa no nambaran’i Jesosy! Hoy izy tamin’ny mpihaino azy: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina.” (Jaona 8:12) Hoy koa izy: “Raha maharitra amin’ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” (Jaona 8:31, 32) Eny, nanana “ny tenin’ny fiainana mandrakizay” i Jesosy. (Jaona 6:68, 69) Fitahiana sarobidy tokoa ny fahazavana sy ny fiainana ary ny fahafahana!
3. Inona no vaovao tsara notorin’ny mpianatr’i Jesosy?
3 Nanohy ny asa fitoriana ny filazantsara Matio 24:14; Asan’ny Apostoly 15:7; Romana 1:16) Nanjary nahafantatra an’i Jehovah Andriamanitra ireo nandray tsara izany. Nafahana tamin’ny fanandevozana ara-pivavahana izy ireo ka tonga anisan’ny “Isiraelin’Andriamanitra”, ilay firenena ara-panahy vaovao, ary manantena ny hiara-manjaka mandrakizay any an-danitra amin’i Jesosy Kristy Tompony. (Galatiana 5:1; 6:16; Efesiana 3:5-7; Kolosiana 1:4, 5; Apokalypsy 22:5) Fitahiana sarobidy tokoa re izany!
natombok’i Jesosy ny mpianany, taorian’ny Pentekosta 33 am.f.i. Nitory ny “filazantsaran’ny fanjakana” tamin’ny Isiraelita sy ny jentilisa, izy ireo. (Fitoriana ny filazantsara ankehitriny
4. Ahoana ankehitriny no itoriana ny vaovao tsara?
4 Ny Kristianina voahosotra ankehitriny no manohy an’ilay asa nanirahana an’i Jesosy, ary tohanan’ny “olona betsaka” tsy mitsaha-mitombo anisan’ny “ondry hafa” izy ireo. (Apokalypsy 7:9; Jaona 10:16) Vokatr’izany, dia tany maro mbola tsy nisy toy izany no itoriana ny vaovao tsara. Any amin’ny tany sy faritany 235 ny Vavolombelon’i Jehovah no ‘mitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, manasitrana ny torotoro fo, ary mitory fanafahana amin’ny babo sy mamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin’ny mazava, mitory taona ankasitrahan’i Jehovah sy andro famalian’Andriamanitsika, mampionona ny malahelo rehetra.’ (Isaia 61:1, 2) Mbola mitondra fitahiana ho an’ny maro hatrany ny fitorian’ny Kristianina ny filazantsara. Tena mampionona “izay rehetra mitondra fahoriana” koa izy io.—2 Korintiana 1:3, 4.
5. Inona no tsy mampitovy ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fiangonan’ny Kristianisma Anarana, raha mahakasika ny fitoriana ny vaovao tsara?
5 Marina fa mitory ny filazantsara koa ny fiangonan’ny Kristianisma Anarana. Maro no mandefa misionera mba hampiova finoana ny olona any an-tany hafa. Miresaka momba ny asan’ny misionera ortodoksa eto Madagasikara sy any amin’ny faritra atsimon’i Afrika sy Tanzania ary Zimbabwe, ohatra, ny Gazetin’ny Foiben’ny Misiona Kristianina Ortodoksa (anglisy). Tsy mandray anjara amin’io asa fitoriana io anefa ny ankamaroan’ny mpikambana ao amin’ny Eglizy Ortodoksa sy ny fiangonana hafan’ny Kristianisma Anarana. Ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra vita fanoloran-tena kosa no miezaka hitory ny filazantsara. Takany fa ny fitoriany ny filazantsara dia porofo fa tena manana finoana izy. Hoy i Paoly: “Amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava no anekena hahazoana famonjena.” Maty, raha ny marina, ny finoana tsy manosika ny tena hanao zavatra.—Romana 10:10; Jakoba 2:17.
Mitondra fitahiana mandrakizay ny vaovao tsara
6. Inona no vaovao tsara torina ankehitriny?
6 Vaovao faran’izay tsara no torin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Asehony ao amin’ny Baiboly fa nanao sorona ny ainy i Jesosy, mba hahafahan’ny olombelona hanatona an’Andriamanitra sy hahazo famelan-keloka ary hanantena fiainana mandrakizay. (Jaona 3:16; 2 Korintiana 5:18, 19) Ambaran’izy ireo fa efa miorina any an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra tantanan’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka voahosotra, ary tsy ho ela dia hanesotra ny faharatsiana eto an-tany sy hamerina amin’ny laoniny ny Paradisa. (Apokalypsy 11:15; 21:3, 4) Araka ny faminanian’i Isaia, dia mampahafantatra ny mpiara-belona aminy izy ireo fa izao no “taona ankasitrahan’i Jehovah” mbola ahafahana mandray tsara ny vaovao tsara. Mampitandrina koa izy ireo fa ho avy tsy ho ela ny “andro famalian’Andriamanitsika” handringanan’i Jehovah ny ratsy fanahy tsy mibebaka.—Salamo 37:9-11.
7. Inona no fitantarana mampiseho fa tafaray ny Vavolombelon’i Jehovah, ary inona no anton’izany firaisan-tsainy izany?
7 Izany no hany vaovao tsara mitondra fitahiana mandrakizay eto amin’ity tontolo feno loza ity. Tonga mpirahalahy tafaray maneran-tany ireo manaiky an’ilay vaovao tsara, ka tsy ahitana fanavakavahana ara-pirenena, na ara-poko, na ara-toe-karena. Mitafy ny ‘fitiavana, Kolosiana 3:14; Jaona 15:12) Izany no hita tao amin’ny tany afrikanina iray tamin’ny taon-dasa. Nipoaka ny feom-basy tao an-drenivohitra indray maraina, satria nisy fanonganam-panjakana. Rehefa nivadika ho adim-poko ny toe-draharaha, dia nisy nanakiana ny fianakaviana iray Vavolombelona, noho izy nampialokaloka Vavolombelona hafa foko. Namaly toy izao ilay fianakaviana: “Tsy misy afa-tsy Vavolombelon’i Jehovah ato an-tranonay.” Tsy ny foko niaviana no zava-dehibe taminy, fa ny fitiavana kristianina, dia ny fampiononana an’ireo nila izany. Nisy havany tsy Vavolombelona nilaza toy izao: “Mamadika ny mpiara-mivavaka aminy ny mpivavaka rehetra, afa-tsy ny Vavolombelon’i Jehovah.” Maro ny fitantarana hafa toy izany avy any amin’ny tany rotidrotiky ny ady an-trano. Asehon’izy ireny fa tena ‘tia ny rahalahiny’ ny Vavolombelon’i Jehovah.—1 Petera 2:17.
izay fehin’ny fahatanterahana’, na fatorana mampiray, izy ireo. (Manova olona ny vaovao tsara
8, 9. a) Inona avy no fiovana ataon’ireo manaiky ny vaovao tsara? b) Milazà fitantarana mampiseho ny herin’ny vaovao tsara.
8 Misy ifandraisana amin’izay nantsoin’i Paoly hoe “fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa” ny vaovao tsara. (1 Timoty 4:8) Manolotra fanantenana azo antoka sy tena tsara momba ny hoavy izy io, nefa koa manatsara ny “fiainana ankehitriny.” Manaiky hotarihin’ny Tenin’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay mba hiaina mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. (Salamo 119:101) Mihavao ny toetran’izy ireo noho izy miezaka hanana toetra tsara toy ny fahitsiana sy ny fahatokiana.—Efesiana 4:24.
9 Jereo, ohatra, i Franco. Mora tezitra izy taloha. Isaky ny nisy zavatra tsy nety, dia nisafoaka izy sady namaky zavatra. Niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vadiny. Tsapan’i Franco tsikelikely avy tamin’ny ohatra tsara nomen’ireo Vavolombelona fa tokony hiova izy. Nianatra ny Baiboly izy ary tamin’ny farany, dia afaka naneho fahatoniana sy fifehezan-tena, izay vokatry ny fanahy masina. (Galatiana 5:22, 23) Anisan’ireo olona 492 natao batisa tany Belzika tamin’ny taom-panompoana 2001 izy. Diniho koa ny tantaran’i Alejandro. Nandevozin’ny zava-mahadomelina io tovolahy io, hany ka nanjary nitsindroka sy nivarotra izay hitany teny amin’ny fanariam-pako mba hividianana zava-mahadomelina. Fony i Alejandro 22 taona, dia nanasa azy hianatra ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nanaiky izy. Namaky ny Baiboly isan’andro izy ary nanatrika fivoriana kristianina. Nanao fiovana haingana izy, hany ka tsy ampy enim-bolana akory dia afaka nitory ny filazantsara. Anisan’ireo mpitory 10 115 tany Panama tamin’ny taon-dasa izy.
Fitahiana ho an’ny mpandefitra
10. Iza no mandray tsara ny vaovao tsara, ary fomba fijery vaovao inona no ananany?
10 Naminany i Isaia fa hotorina amin’ny mpandefitra ny vaovao tsara. Iza ireo mpandefitra ireo? Ireo olona manetry tena avy amin’ny fari-piainana rehetra, izay mandray tsara ny hafatry ny fahamarinana. Nanjary tsapany fa mitondra fitahiana lehibe lavitra noho izay atolotr’ity tontolo ity ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. (1 Jaona 2:15-17) Ahoana anefa no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hisy heriny eo amin’ny fon’ny olona ny filazantsara toriny?
11. Araka ny nolazain’i Paoly, ahoana no tokony hitoriana ny vaovao tsara?
11 Jereo ny ohatry ny apostoly Paoly, izay nanoratra toy izao ho an’ny Korintianina: “Izaho koa, ry rahalahy, raha tonga tany aminareo, dia tsy tonga tamin’ny teny sy fahendrena marevaka, raha nitory taminareo ny zava-miafina izay an’Andriamanitra. Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin’ny hazo fijaliana.” (1 Korintiana 2:1, 2) Tsy nampideradera ny fahaizany i Paoly. Tsy nampianatra afa-tsy izay marina avy tamin’Andriamanitra izy, dia izay voarakitra ankehitriny ao amin’ny Baiboly. Toy izao koa no nampirisihany an’i Timoty, mpiara-mitory ny filazantsara taminy: “Mitoria ny teny, mazotoa.” (2 Timoty 4:2) Tokony hitory ny “teny”, izany hoe ny hafatr’Andriamanitra, i Timoty. Nanoratra toy izao ho an’i Timoty koa i Paoly: “Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana.”—2 Timoty 2:15.
12. Amin’ny fomba ahoana no anarahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny ny teny sy ny ohatr’i Paoly?
12 Manaraka ny ohatr’i Paoly sy ny teniny ho an’i Timoty ny Vavolombelon’i Jehovah. Ekeny fa mahery ny Tenin’Andriamanitra ka ampiasainy tsara rehefa mizara fanantenana sy manome fampiononana ho an’ny mpiara-belona aminy izy. (Salamo 119:52; 2 Timoty 3:16, 17; Hebreo 4:12) Marina aloha fa ampiasainy tsara ireo boky ara-baiboly mba hampitomboan’ny olona liana ny fahalalany ny Baiboly, amin’ny fotoana mety aminy. Miezaka hampiseho teny avy ao amin’ny Soratra Masina foana anefa izy ireo. Fantany fa hisy heriny eo amin’ny fon’ny manetry tena ny Tenin’Andriamanitra. Manatanjaka ny finoany koa ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izany.
‘Mampionona ny malahelo rehetra’
13. Inona no zava-nitranga tamin’ny taona 2001, ka nilana hatraiza hatraiza hampionona ny malahelo?
13 Maro ny olona nila fampiononana noho ireo loza maro nitranga tamin’ny taona 2001. Ohatra niavaka tamin’izany ny nitranga tany Etazonia tamin’ny Septambra lasa teo, fony notafihin’ny mpampihorohoro ny Foibe Ara-barotra Iraisam-pirenena any New York sy ny Pentagone, akaikin’i Washington. Voadona mafy tokoa ilay firenena manontolo! Eo anatrehan’izany, dia miezaka ny Vavolombelon’i Jehovah ‘hampionona ny malahelo rehetra.’ Indreto misy fitantarana vitsivitsy momba izany.
14, 15. Tantarao ny fisehoan-javatra roa nahafahan’ny Vavolombelona nampionona tokoa ny malahelo tamin’ny alalan’ny Soratra Masina.
14 Nanatona vehivavy iray teny an-tsisin-dalana ny Vavolombelona mpitory ny filazantsara manontolo andro mba hanontany ny heviny momba ilay fanafihan’ny mpampihorohoro. Nanomboka nitomany ilay vehivavy. Nilaza izy fa tena nalahelo sy naniry hanampy. Nolazain’ilay Vavolombelona taminy fa tena miahy antsika rehetra Andriamanitra, ary novakiny taminy ny Isaia 61:1, 2. Tsapan’ilay ramatoa fa marina ireo teny ireo, ary nolazainy fa novesaran’alahelo daholo ny olona. Nandray taratasy mivalona izy ary nangataka ny hotsidihin’ilay Vavolombelona tany an-tranony.
15 Nihaona tamin’ny lehilahy iray niasa tao amin’ny fitahirizan’entany ny Vavolombelona roa nitory ny filazantsara. Nangataka izy ireo mba hampiseho taminy teny nampionona avy tao amin’ny Soratra Masina izay nilaina noho ilay loza nitranga vao haingana tamin’ny Foibe Ara-barotra Iraisam-pirenena. Nanaiky ilay rangahy, ka novakina taminy ny 2 Korintiana 1:3-7, ahitana ny teny hoe: “Ny haben’ny fampiononana ... amin’ny alalan’i Kristy.” Nankasitrahany ny fampiononan’ny Vavolombelona ny olona, ka hoy izy: “Andriamanitra anie hitahy ny asa tena tsara ataonareo!”
16, 17. Lazao ireo fitantarana roa mampiseho ny herin’ny Baiboly eo amin’ny fanampiana an’izay malahelo na mikorontan-tsaina noho ny loza.
16 Niverina nitsidika olona liana ny Vavolombelona iray raha nihaona tamin’ny lehilahy iray zanaky ny vehivavy liana taloha. Nohazavain’ilay Vavolombelona fa nieritreritra izy hoe nanao ahoana ny mpiara-belona taminy taorian’iny loza nitranga vao haingana iny. Gaga izy nahita an’ilay Vavolombelona naka fotoana hitsidihana ny olona sy hijerena hoe nanao ahoana izy ireny. Nolazainy fa niasa teo akaikin’ny Foibe Ara-barotra Iraisam-pirenena izy fony niseho ilay fanafihana, ka hitany avokoa izay nitranga. Nanontaniany avy eo ny antony amelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy. Namaky andinin-teny tao amin’ny Baiboly ilay Vavolombelona, anisan’izany ny Salamo 37:39 milaza hoe: “Ny famonjena ny marina dia avy amin’i Jehovah; fiarovana mafy ho azy amin’ny andro fahoriana Izy.” Nanontany tamin-katsaram-panahy ilay lehilahy hoe mba nanao ahoana kosa ilay Vavolombelona sy ny ankohonany. Nanasa an’ilay Vavolombelona hiverina izy, ary nilaza fa nankasitraka tokoa an’ilay nitsidihany azy.
17 Nampionona malahelo maro be ny Vavolombelon’i Jehovah taorian’ilay fanafihan’ny mpampihorohoro. Anisan’ny nampiononiny ny vehivavy iray hitany tamin’izy ireo nitsidika ny mpiara-belona taminy. Faran’izay nampikorontan-tsaina an’ilay ramatoa ilay zava-nitranga ka nihaino izy rehefa novakina taminy ny Salamo 72:12-14 hoe: “Hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy; hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin’ny malahelo. Hanavotra ny fanahiny amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny rany.” Hitany ho nisy heviny tokoa ireo teny ireo! Nasainy naverina novakina ilay andininy ary nampandrosoiny tao an-tranony ireo Vavolombelona hanohy ny resadresaka. Natomboka tamin’izay ny fampianarana Baiboly.
18. Ahoana no nanampian’ny Vavolombelona ny mpiara-belona taminy rehefa nasaina hisolo tena azy tamim-bavaka izy?
18 Miasa ao amin’ny hotely fisakafoana ao amin’ny faritra be mpanan-karena ny Vavolombelona iray. Tsy dia liana loatra tamin’ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ny olona tao amin’ilay faritra, teo aloha. Hita ho nikorontan-tsaina anefa izy ireo taorian’ilay fanafihan’ny
mpampihorohoro. Ny zoma hariva taorian’izy io, dia nasain’ny mpitantana an’ilay hotely fisakafoana hivoaka teo ivelany sy hihazona labozia avokoa ny olona, ka nangatahany fotoam-panginana fohy ho fahatsiarovana ireo maty. Nanaja ny fanaon’izy ireo ilay Vavolombelona, ka nandeha nivoaka ary nijoro nangina teo an-tsisin-dalana. Fantatr’ilay mpitantana fa Vavolombelon’i Jehovah izy, ka nasainy hisolo tena ny rehetra tamim-bavaka, taorian’ilay fotoam-panginana. Nanaiky ilay Vavolombelona. Noresahiny tao amin’ilay vavaka ny alahelon’ny rehetra kanefa nolazainy koa fa misy ny fanantenana na izany aza. Noresahiny ny amin’ny fotoana tsy hisian’ny loza mahatsiravina toy izany intsony. Nolazainy koa fa azon’ny rehetra atao ny manatona an’ilay Andriamanitry ny fampiononana amin’ny alalan’ny fianarana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Taorian’ny “Amena”, dia nanatona an’ilay Vavolombelona ilay mpitantana narahin’ireo olona maherin’ny 60 teo ivelan’ilay hotely, ka nisaotra azy sy namihina azy ary nilaza taminy fa iny no vavaka tsara indrindra reny hatramin’izay.Fitahiana ho an’ny fiaraha-monina
19. Lazao ilay fitantarana ny amin’ny olona nanaiky fa manana fitsipika ambony ny Vavolombelon’i Jehovah.
19 Maro no nahamarika fa mandray soa ny fiaraha-monina misy Vavolombelon’i Jehovah mazoto mitory, indrindra fa amin’ny andro ankehitriny. Tsy tokony hisy heriny tsara tokoa ve ny olona mitandro fihavanana sy manao ny marina ary madio fitondran-tena no sady mampirisika ny hafa ho toy izany koa? Tao amin’ny tany iray any Azia Afovoany, ny Vavolombelona dia nihaona tamin’ny polisy iray efa misotro ronono izay niasa tao amin’ny sampana fiarovam-pirenena. Nilaza ilay rangahy fa voatendry hamotopototra fikambanana ara-pivavahana maro samihafa izy indray mandeha. Nampiaiky volana azy ny Vavolombelon’i Jehovah noho izy ireo manao ny marina sy tsara fitondran-tena. Nampiaiky azy koa ny finoany matanjaka sy ny fampianarany miorina amin’ny Soratra Masina. Nanaiky hianatra ny Baiboly io lehilahy io.
20. a) Inona no asehon’ny tatitry ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny taon-dasa? b) Inona no mampiseho fa mbola betsaka ny asa tokony hatao, ary ahoana no fiheverantsika ny tombontsoantsika hitory ny filazantsara?
20 Hita avy amin’ireo fitantarana vitsivitsy ireo, ankoatra ny maro hafa, fa be natao tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny taom-panompoana 2001. * Niresaka tamin’ny olona maro be sy nampionona ny malahelo izy ireo, ary notahina ny asa fitoriany ny filazantsara. Nisy 263 431 nanolo-tena ho an’Andriamanitra ka nampiseho izany tamin’ny batisa. Nitombo 1,7 isan-jato ny isan’ny mpitory ny filazantsara naneran-tany. Ary mbola betsaka ny asa tokony hatao raha jerena amin’ireo 15 374 986 nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. (1 Korintiana 11:23-26) Enga anie isika hitady hatrany ny mpandefitra izay mandray tsara ny vaovao tsara. Enga anie isika hampionona hatrany “ny torotoro fo” raha mbola mitohy koa ny taona ankasitrahan’i Jehovah! Asa mahafa-po tokoa ny antsika! Azo antoka fa hiombon-kevitra amin’i Isaia isika rehetra hoe: “Hifaly dia hifaly amin’i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin’Andriamanitro.” (Isaia 61:10) Enga anie Andriamanitra hampiasa antsika hatrany eo am-panatanterahany ity faminaniana ity: ‘Hampiseho fahamarinana sy fiderana eo anatrehan’ny firenena rehetra i Jehovah Tompo.’—Isaia 61:11.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 20 Mitatitra ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny taom-panompoana 2001 ny tabilao eo amin’ny pejy faha-19 ka hatramin’ny faha-22.
Tadidinao Ve?
• Inona no fitahiana azon’ny mpandefitra noho ny fitorian’i Jesosy ny vaovao tsara?
• Inona avy no fitahiana azon’ireo nandray tsara ny filazantsara notorin’ny mpianatr’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany?
• Inona no fitahiana azon’ireo mandray tsara ny vaovao tsara ankehitriny?
• Ahoana no fiheverantsika ny tombontsoantsika hitory ny filazantsara?
[Fanontaniana]
[Tabilao, pejy 19-22]
TATITRA MANERAN-TANIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH, TAOM-PANOMPOANA 2001
(Jereo ny gazety)
[Sary, pejy 15]
Tsaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah hatrany ny andraikiny hitory ny filazantsara
[Sary, pejy 17]
Tonga mpirahalahy tafaray maneran-tany ireo mandray tsara ny vaovao tsara