Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Olana Ateraky ny Fanavakavahan-tsaranga

Olana Ateraky ny Fanavakavahan-tsaranga

Olana Ateraky ny Fanavakavahan-tsaranga

“AZO LAZAINA ANGAMBA FA TOKONY HITOVY ZO NY OLONA REHETRA, NEFA TSY MISY MANAM-PAHEFANA ETO AN-TANY AFAKA MANATANTERAKA IZANY.”

Izany no nolazain’i Honoré de Balzac, mpanoratra frantsay tamin’ny taonjato faha-19. Miombon-kevitra aminy ve ianao? Mihevitra ny fanavakavahan-tsaranga ho ratsy ny olona, nefa mbola mizarazara ho saranga maro ihany ny olombelona hatramin’izao androntsika izao.

NANAHY ny amin’ny olana ateraky ny fanavakavahan-tsaranga i Calvin Coolidge, prezidàn’i Etazonia tamin’ny 1923 ka hatramin’ny 1929, ary nilaza fa “hanjavona ny saranga ambony rehetra indray andro any.” Efapolo taona taorian’ny naha prezidà an’i Coolidge anefa, dia nasaina nandinika ny fifandraisan’ny olona samy hafa fiaviana ny Vaomiera Kerner, ka nilaza fa natahorany hizara roa tanteraka ny mponin’i Etazonia: “Ny iray fotsy hoditra ary ny iray mainty hoditra. Samy hafa ireo sady tsy mitovy zo.” Misy mihevitra fa tanteraka ireo teny ireo, ary “mihalehibe ny hantsana mampisaraka ny olona samy hafa volon-koditra, sy ny manam-bola sy ny tsy manana”, any amin’io tany io.

Nahoana no sarotra be ny mampitovy zo ny olona? Ny toetran’ny olona no tena mahatonga izany. Nilaza toy izao, ohatra, i William Hearst, solombavam-bahoaka amerikanina taloha: “Zavatra iray, fara fahakeliny, no mampitovy ny olona, dia ny faniriany tsy hitovy saranga amin’ny hafa.” Inona no tiany holazaina? Mazava kokoa angamba izao tenin’i Henry Becque, mpanoratra tantara an-tsehatra frantsay tamin’ny taonjato faha-19, izao: “Sarotra ny mampitovy zo ny olona, satria ny olona ambony noho isika ihany no tiantsika hitoviana.” Te hitovy zo amin’ny olona ambony saranga noho izy mantsy ny olona, fa vitsy kosa no te hitovy amin’ny olona heveriny fa ambany noho izy, ka hoe hitovy tombontsoa na zo amin’izy ireny.

Nizara ho olon-tsotra sy andriana ny olona taloha. Mbola marina izany any amin’ny faritra sasany. Ny fananam-bola na ny tsy fananana azy io anefa ankehitriny no amaritan’ny olona raha avy amin’ny saranga ambany, na antonony, na ambony, ny olona iray. Mbola misy olona mamaritra ny saranga amin’ny fomba hafa koa anefa. Anisan’izany ny volon-koditra sy ny fanabeazana ary ny fahaizana mamaky teny sy manoratra. Ny lahy sy ny vavy indray no anavahana ny olona any amin’ny faritra sasany, ka ny vehivavy no lazaina fa ambany saranga kokoa.

Misy ihany ve ny fanantenana?

Efa nanala ny fanavakavahan-tsaranga ihany ny lalàna momba ny zon’olombelona. Nisy lalàna mandrara ny fanavakavaham-bolon-koditra navoaka tany Etazonia. Norarana koa ny fanavakavaham-bolon-koditra tatsy Afrika Atsimo. Tsy ara-dalàna any amin’ny firenena maro ny fanandevozana, na dia mbola misy aza. Nisy koa didim-pitsarana navoaka, nanome lalana ny teratany mba hahazo tany, ary nisy olo-mahantra nahazo tombontsoa avy amin’ny lalàna mandrara ny fanavakavahana.

Midika ve izany fa efa hifarana ny fanavakavahan-tsaranga? Tsy dia izany loatra. Mety ho efa tsy mafy loatra intsony ny fanavakavahan-tsaranga sasany, nefa mipoitra indray ny fizarazarana hafa. Hoy ilay boky hoe Adin-tsaranga Mandritra ny Vanim-potoanan’ny Ordinatera (anglisy): “Tsy mety intsony ny hizarana ny olona ho kapitalista sy mpiasa madinika ankehitriny. Misy anefa izany fizarana izany, satria nisaratsaraka ireo sokajin’olona ireo, ka olona tsy faly no ao.”

Hampisaratsaraka ny olona mandrakizay ve ny fanavakavahan-tsaranga? Hasehon’ny lahatsoratra manaraka fa mbola misy fanantenana.