Ilay Hazo “Mitomany” sy ny “Ranomasony” Ahavitan-javatra Betsaka
Ilay Hazo “Mitomany” sy ny “Ranomasony” Ahavitan-javatra Betsaka
‘Makà menaka balsama hatao amin’ny fery’, hoy ny Jeremia 51:8. Handeha ho any amin’ny nosy Chio, any amin’ny Ranomasina Égée isika mba hahitana ny iray amin’ireo zavatra nahazoana an’io menaka tena mampitony fanaintainana sy manasitrana io.
HAFAKELY ny fiomanan’ny mpamboly any, rehefa hanangom-bokatra ry zareo. Fafan’izy ireo tsara aloha ary laloriny tanimanga fotsy, ny tany manodidina ireo hazo maitsoririnina, antsoina hoe hazo dity. Didiany ny hoditr’ireo hazo ireo avy eo, mba hahatonga azy “hitomany”, ka dity toy ny “ranomaso” vasobasoka no mirotsaka moramora avy eo. Mivaingana ireny dity ireny rehefa afaka tapa-bolana na roatokom-bolana, ary alain’ireo mpamboly avy amin’ny vatan’ilay hazo mihitsy na eo amin’ilay tany voalalotra tanimanga eo ambany. Ireny “ranomaso” ireny no anaovana menaka balsama.
Mila maharitra sy miasa mafy anefa alohan’ny fanangonam-bokatra. Miadana be ny fitombon’io hazo mivilambilana miloko volon-davenona io. Afaka 40 na 50 taona izy io vao matoy, ary roa ka hatramin’ny telo metatra ny haavony ara-dalàna.
Ankoatra ny fandidiana ny hazo sy ny fanangonana ny “ranomasony”, dia mbola misy asa hafa ilaina hatao koa mba hahazoana dity. Angonin’ireo mpamboly aloha ireo dity, ka sivaniny sy sasany ary sokajiny arakaraka ny habeny sy ny hatsarany. Diovina tsara ireny dity ireny avy eo, ary ampiasaina amin-javatra be dia be.
Tantaran’ilay hazo sarobidy
Ny teny grika ilazana ny anaran’io dity io dia midika hoe ‘mikitro-nify.’ (Matio 8:12; Apokalypsy 16:10) Toa manondro izany fa nataon’ny olona toy ny siligaoma mba hahamanimanitra ny vava io dity io, taloha.
Avy tamin’i Hérodote, mpahay tantara grika tamin’ny taonjato fahadimy al.f.i., ny fanazavana tranainy indrindra momba an’io dity io. Nilaza ny fampiasana azy io teo amin’ny fitsaboana koa ireo mpitsabo sady mpanoratra hafa taloha, toa an-dry Apollodore, Dioscoride, Théophraste, ary Hippocrate. Maniry manamorona ny Morontsirak’i Mediterane rehetra io hazo dity io, kanefa saika i Chio no tena namokatra an’ilay dity, nanomboka tamin’ny taona 50 am.f.i. tany ho any. Io dity io no tena nokendren’izay rehetra niady tamin’i Chio, na ny Romanina izany na ny mponina any Gênes na ny Ôtômanina.
Dity ahavitan-javatra Betsaka
Nampiasain’ny dokotera ejipsianina fahiny nitsaboana aretina samihafa io dity io, anisan’izany ny aretim-pivalanana, sy ny aretin’ny vanin-taolana. Nanaovan’izy ireo emboka manitra Jeremia 8:22; 46:11) Misy aza milaza fa karazan’ny hazo dity no nakana ny “natafa”, anisan’ireo zavatra nafangaro nanaovana ny emboka manitra masina, natokana ho an’ny zava-masina.—Eksodosy 30:34, 35.
sy menaka niarovana ny faty tsy ho lo izy io. Io hazo io koa no mety ho anisan’ny nampiasaina nahazoana ny menaka ‘balsama avy any Gileada’, ilay malaza ao amin’ny Baiboly fa natao fanafody sy nanaovana zavatra fanatsaran-tarehy sy hiarovana ny faty tsy ho lo. (Misy an’io dity io koa ny verinia miaro ny hoso-doko sy ny fanaka ary ny zavamaneno. Ampiasaina amin’ny fitaovana fiarovana amin’ny herinaratra sy hanakanana ny rano tsy hitete koa izy io. Io koa no heverina fa anisan’ny tsara indrindra afangaro amin’ny lokon-damba, sy ny loko ampiasain’ny mpanao hoso-doko. Anaovana lakaoly sy andomana hoditra koa izy io. Tsara fofona io dity io, ary manana ny maha izy azy hafa koa, ka ampiasaina amin’ny savony sy ny zavatra fanatsaran-tarehy ary ranomanitra.
Hita ao amin’ny fanafody ofisialy 25 maneran-tany io dity io. Mbola ampiasain’ny Arabo amin’ny fanafody nentim-paharazana izy io matetika. Anaovana fanafody fanentsenana nify koa io dity io.
Nampitony fanaintainana sy nanasitrana nandritra ny taonjato maro tokoa ny ‘ranomason’ilay hazo mitomany’, satria io no nahazoana ny balsama. Ara-dalàna àry raha milaza ny faminanian’i Jeremia hoe: ‘Makà menaka balsama hatao amin’ny fery.’
[Sary, pejy 31]
Chio
Manangona ny dity
Angonina amim-pitandremana ny “ranomason’ny” hazo dity
[Sary nahazoan-dalana]
Sarin’i Chio sy ny fanangonam-bokatra: Courtesy of Korais Library; ny hafa: Kostas Stamoulis