Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jehovah no Ohatra Tsara Indrindra Amin’ny Fahatsarana

Jehovah no Ohatra Tsara Indrindra Amin’ny Fahatsarana

Jehovah no Ohatra Tsara Indrindra Amin’ny Fahatsarana

“Miderà an’i Jehovah, Tompon’ny maro, fa tsara Izy.”—JEREMIA 33:11.

1. Nahoana isika no voatosika hidera an’Andriamanitra noho ny fahatsarany?

I JEHOVAH ANDRIAMANITRA no tena tsara indrindra. “Akory ny hasoany!” hoy ny mpaminany Zakaria. (Zakaria 9:17) Ny fahatsaran’Andriamanitra dia hita taratra amin’ny zava-drehetra nataony mba hanomanana ny tany hahitantsika fahafinaretana. (Genesisy 1:31) Tsy ho takatry ny saintsika daholo ireo lalàna sarotra napetrany tamin’izy namorona an’izao rehetra izao. (Mpitoriteny 3:11; 8:17) Voatosika hidera an’Andriamanitra anefa isika noho izay kely fantatsika.

2. Inona no atao hoe fahatsarana?

2 Inona no atao hoe fahatsarana? Hatsaran-toetra izy io, nefa tsy midika fotsiny hoe tsy fisian’ny ratsy. Anisan’ny vokatry ny fanahy ny fahatsarana, na fanaovan-tsoa. (Galatiana 5:22, 23) Mampiseho fahatsarana isika, rehefa manao asa soa ho an’ny olona. Eto amin’ity tontolo ity, dia mety hoheverin’ny olon-kafa ho ratsy ny zavatra lazain’ny sasany fa tsara. Tsy maintsy ho iray ihany àry ny fitsipika hamaritana ny atao hoe tsara, raha te hahita fiadanana sy fahasambarana isika. Iza no manana zo hamaritra izany fitsipika izany?

3. Inona no asehon’ny Genesisy 2:16, 17 momba ny famaritana ny atao hoe tsara?

3 Andriamanitra no mamaritra ny atao hoe tsara. Nandidy ny lehilahy voalohany toy izao izy: “Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” (Genesisy 2:16, 17) Eny, mila mitodika any amin’ny Mpamorona azy ny olona mba hahalalana ny tsara sy ny ratsy.

Manao ny tsara amin’ny olona tsy mendrika

4. Inona no nataon’Andriamanitra ho an’ny olombelona rehefa nanota i Adama?

4 Saika tsy afaka nanantena fiainana mandrakizay ao anatin’ny fahasambarana intsony ny olombelona, rehefa nanota i Adama ka nanda ny zon’Andriamanitra hamaritra ny atao hoe tsara. (Genesisy 3:1-6) Mbola tsy namindra ny fahotana sy ny fahafatesana tamin’ny taranany akory anefa i Adama, dia efa nilaza Andriamanitra fa hisy Taranaka lavorary ho avy. Nilaza toy izao tamin’i Satana Devoly, na “ilay menarana ela”, i Jehovah: “Hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” (Apokalypsy 12:9; Genesisy 3:15) Nikasa hanavotra ny olombelona mpanota i Jehovah. Nanao zavatra tsara tamin’ny olona tsy mendrika tokoa izy, rehefa nanao fandaharana mba hamonjena izay mino ny sorom-panavotan’ny Zanany malala.—Matio 20:28; Romana 5:8, 12.

5. Nahoana isika no afaka manao ny tsara ihany, na dia nandova fisainan’ny fo ratsy aza?

5 Mazava ho azy fa nandova fisainan’ny fo ratsy isika noho ny fahotan’i Adama. (Genesisy 8:21) Soa ihany fa ampian’i Jehovah hanao ny tsara ihany isika. Tsy vitan’ny hoe lasa ‘hendry ho amin’ny famonjena’ sy ‘vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra’ fotsiny isika, rehefa maharitra amin’izay zavatra nianarantsika tao amin’ny Soratra Masina, fa afaka manao izay lazain’Andriamanitra fa tsara koa. (2 Timoty 3:14-17) Tsy maintsy manahaka ny toe-tsain’ny mpanao salamo anefa isika, raha te handray soa avy amin’ny fianarana ny Soratra Masina sy hanao ny tsara. Nihira toy izao izy: “Sady tsara Hianao [Jehovah] no Mpanao ny tsara; ampianaro ahy ny didinao.”—Salamo 119:68.

Deraina ny fahatsaran’i Jehovah

6. Inona no teny hita tao amin’ny hira nataon’ny Levita, rehefa nentin’i Davida ho any Jerosalema ny fiaran’ny fanekena?

6 Nanaiky i Davida mpanjakan’ny Isiraely fahiny fa tsara Andriamanitra, ka nitady ny tari-dalany izy. Hoy i Davida: “Tsara sy mahitsy Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny làlana.” (Salamo 25:8) Anisan’ny toromarika nomen’Andriamanitra ny Isiraelita ny lalàna lehibe folo nantsoina hoe Didy Folo, nosoratana tamin’ny takelaka vato sy notehirizina tao anatin’ilay vata masina nantsoina hoe fiaran’ny fanekena. Nihira toy izao ny Levita, rehefa nentin’i Davida tany Jerosalema renivohitry ny Isiraely ilay Fiara: “Miderà an’i Jehovah, fa tsara Izy; fa mandrakizay ny famindrampony.” (1 Tantara 16:34, 37-41) Azo antoka fa tena nahafinaritra ny nandre ireo teny nataon’ny Levita mpihira ireo!

7. Inona no nitranga rehefa avy nentina tao amin’ny Masina Indrindra ilay Fiara? Ary rehefa avy nanao ny vavaka fitokanana i Solomona?

7 Nantitranterina koa ireo teny fiderana ireo, nandritra ny fitokanana ny tempolin’i Jehovah, naorin’i Solomona zanak’i Davida. Rehefa avy natao tao amin’ny Masina Indrindra, tao amin’ilay tempoly vaovao, ny fiaran’ny fanekena, dia nanomboka nidera an’i Jehovah toy izao ny Levita: “Fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindrampony.” Tamin’izay dia nisy rahona nahagaga nampiseho ny voninahitr’i Jehovah, nameno ny tempoly. (2 Tantara 5:13, 14) Rehefa avy nanao ny vavaka fitokanana i Solomona, dia “nisy afo latsaka avy tany an-danitra ka nandevona ny fanatitra odorana sy ny fanatitra hafa alatsa-dra.” Rehefa nahita izany “ny Zanak’Isiraely rehetra ..., dia niankohoka tamin’ny lampivato izy ka nivavaka sy nidera an’i Jehovah, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindrampony.” (2 Tantara 7:1-3) Rehefa avy nanao fety nandritra ny 14 andro ny Isiraelita, dia nody tany an-tranony avy ary “faly sy ravoravo izy noho ny soa nataon’i Jehovah tamin’i Davida sy Solomona ary ny Isiraely olony.” —2 Tantara 7:10.

8, 9. a) Inona no nataon’ny Isiraelita rehefa nandeha ny fotoana, na dia nidera an’i Jehovah noho ny fahatsarany aza izy ireo? b) Inona no faminaniana nambara tamin’ny alalan’i Jeremia momba an’i Jerosalema, ary ahoana no nahatanterahan’izany?

8 Nampalahelo fa tsy nampihatra intsony izay nolazainy tamin’ny hira fiderany an’Andriamanitra ny Isiraelita. Nanjary ‘nankalaza an’i Jehovah tamin’ny molony fotsiny’ ny mponin’i Joda, rehefa nandeha ny fotoana. (Isaia 29:13) Tsy nanaraka izay nolazain’Andriamanitra fa tsara izy ireo, fa nanomboka nanao ratsy kosa. Inona no ratsy nataony? Nanompo sampy, naloto fitondran-tena, nampahory ny mahantra sy nanao fahotana lehibe hafa koa! Noho izany, dia noravana i Jerosalema ary lasa babo tany Babylona ny mponin’i Joda, tamin’ny 607 al.f.i.

9 Araka izany, dia nofaizin’Andriamanitra ny vahoakany. Nasainy nambaran’i Jeremia mpaminany anefa fa mbola ho re any Jerosalema ihany ny feon’ireo milaza hoe: “Miderà an’i Jehovah, Tompon’ny maro, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindrampony.” (Jeremia 33:10, 11) Izany tokoa no nitranga. Nisy Jiosy niverina tany Jerosalema, izay efa lao nandritra ny 70 taona, tamin’ny 537 al.f.i. (Jeremia 25:11; Daniela 9:1, 2) Naorin’izy ireo teo amin’ny Tendrombohitra Moria efa nisy ny tempoly teo aloha indray ny alitara, ary nanomboka nanao fanatitra teo izy ireo. Vita ny fototry ny tempoly, roa taona taorian’ny niverenan’izy ireo. Tena fotoam-pifaliana tamin’izay! Hoy i Ezra: “Ary rehefa naorin’ny mpiasa ny tempolin’i Jehovah, dia nasainy hidera an’i Jehovah ny mpisorona, sady niakanjo ny akanjony sy nitondra trompetra, ary ny Levita, zanak’i Asafa, kosa nitondra kipantsona, araka ny nandidian’i Davida, mpanjakan’ny Isiraely. Dia nanao hira nifamalivaly nidera sy nisaotra an’i Jehovah izy, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindrampony amin’ny Isiraely.”—Ezra 3:1-11.

10. Inona no teny misy heviny lehibe, manomboka sy mamarana ny Salamo 118?

10 Misy salamo maromaro midera ny fahatsaran’i Jehovah toy izany koa. Anisan’izany ny Salamo 118, nohirain’ny fianakaviana isiraelita mba hamaranana ny fankalazana ny Paska. Manomboka sy mifarana amin’ireto teny ireto io salamo io: “Miderà an’i Jehovah, fa tsara Izy; eny, mandrakizay ny famindrampony.” (Salamo 118:1, 29) Ireo koa angamba no teny fiderana farany nohirain’i Jesosy Kristy sy ny apostoliny nahatoky, ny alina talohan’ny nahafatesany tamin’ny 33 am.f.i.—Matio 26:30.

“Mba ampahitao ny voninahitrao aho”

11, 12. Inona no fanambarana ren’i Mosesy, rehefa nahita ny sombin’ny voninahitr’Andriamanitra izy?

11 Taonjato maro talohan’ny andron’i Ezra no nampifandraisana voalohany ny fahatsaran’i Jehovah sy ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana. Nanompo ilay ombilahikely volamena ny Isiraelita tany an’efitra, ka novonoina ireo mpanao ratsy. Niangavy an’i Jehovah toy izao i Mosesy, tsy ela taorian’izay: “Mba ampahitao ny voninahitrao aho.” Fantatr’i Jehovah fa ho faty i Mosesy raha mahita Azy, ka hoy izy: “Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao.”—Eksodosy 33:13-20.

12 Nandalo teo anatrehan’i Mosesy ny fahatsaran’i Jehovah ny ampitso, teo amin’ny Tendrombohitra Sinay. Nahita ny sombin’ny voninahitr’i Jehovah i Mosesy tamin’izay, ary nandre izao fanambarana izao: “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be hatsaram-panahy miharo fitiavana sy fahamarinana, mitahiry hatsaram-panahy miharo fitiavana ho an’ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka sy ny zafy hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika.” (Eksodosy 34:6, 7, NW) Asehon’ireo teny ireo fa ny fahatsaran’i Jehovah dia mifandray amin’ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana sy ny toetrany hafa. Hanampy antsika hanao ny tsara ny fandinihana ireo toetra ireo. Hojerentsika voalohany ilay toetra miverina indroa ao amin’io fanambarana kanto momba ny fahatsaran’Andriamanitra io.

“Andriamanitra be hatsaram-panahy miharo fitiavana”

13. Inona no toetra miverina indroa ao amin’ilay fanambarana ny fahatsaran’Andriamanitra, ary nahoana izany no tena mety?

13 “[I Jehovah dia] Andriamanitra be hatsaram-panahy miharo fitiavana ..., mitahiry hatsaram-panahy miharo fitiavana ho an’ny olona arivo mandimby.” Midika hoe “fitiavana tsy mivadika” koa ny teny hebreo nadika hoe “hatsaram-panahy miharo fitiavana.” Io ihany no toetra miverina indroa ao amin’ilay fanambaran’Andriamanitra tamin’i Mosesy. Tena mety mihitsy izany, satria ny fitiavana no toetran’i Jehovah misongadina indrindra! (1 Jaona 4:8) Manasongadina an’io toetra io ilay teny fiderana be mpahalala, manao hoe “fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindrampony”, na ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana.

14. Iza no tena anehoan’Andriamanitra ny fahatsarany sy ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana?

14 Anisan’ny fomba ahitana ny fahatsaran’i Jehovah, ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana. Miharihary izany rehefa jerena ny fiahiany amim-pitiavana ny mpanompony nanolo-tena sy mahatoky. (1 Petera 5:6, 7) Azon’ny Vavolombelon’i Jehovah porofoina fa “mitahiry hatsaram-panahy miharo fitiavana” ho an’ny olona tia sy manompo azy i Jehovah. (Eksodosy 20:6) Tsy nanehoan’i Jehovah ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana, na ny fitiavany tsy nivadika, intsony ny firenen’ny Isiraely, satria nanda ny Zanany. Haharitra mandrakizay anefa ny fahatsaran’Andriamanitra sy ny fitiavany tsy mivadika, ho an’ireo Kristianina mahatoky avy amin’ny firenena rehetra.—Jaona 3:36.

Mamindra fo sy miantra i Jehovah

15. a) Inona no teny nanomboka ilay fanambarana ren’i Mosesy teo amin’ny Tendrombohitra Sinay? b) Inona no atao hoe famindram-po?

15 Nanomboka toy izao ilay fanambarana ren’i Mosesy teo amin’ny Tendrombohitra Sinay: “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra.” Mety hanondro ny “tsinay” ny teny hebreo nadika hoe “mamindra fo” ary mifandray akaiky amin’ny teny ilazana ny “kibo.” Midika izany fa tafiditra amin’ny famindram-po koa ny fangorahana tena lalina sy feno fitiavana. Tsy mangoraka fotsiny anefa ny olona mamindra fo. Tokony hanosika antsika hanao zavatra mba hanamaivanana ny fahorian’ny olona ny famindram-po. Takatry ny anti-panahy kristianina be fitiavana, ohatra, fa mila mamindra fo amin’ny mpiray finoana izy, ka hanao izany “amin’ny fifaliana”, rehefa mety ny hanaovana izany.—Romana 12:8; Jakoba 2:13; Joda 22, 23.

16. Nahoana no azo lazaina fa miantra i Jehovah?

16 Hita amin’ny fiantran’Andriamanitra koa ny fahatsarany. Ny olona miantra dia ‘mihetsi-po mahita ny fahorian’ny hafa’, sady “te hamonjy na hanampy.” I Jehovah no ohatra tsara indrindra amin’ny fiantrana, rehefa mifandray amin’ny mpanompony mahatoky. Niantra an’i Daniela mpaminany efa be taona izy, ohatra, ka naniraka anjely mba hampahery azy. Noho ny fiantrany koa no nanirahany anjely mba hilaza tamin’i Maria virjiny fa hohasoavina izy, ka hiteraka an’i Jesosy. (Daniela 10:19; Lioka 1:26-38) Azo antoka fa ankasitrahantsika ny fiantran’i Jehovah antsika, rehefa miangavy antsika hanao zavatra izy, amin’ny alalan’ny Baiboly. Midera azy isika, noho io fisehoan’ny fahatsarany io, ary miezaka hiantra koa, rehefa mifandray amin’olona. Miezaka ho tsara fanahy sy hiantra koa ireo mahafeno fepetra ara-panahy, rehefa manitsy mpiray finoana “amin’ny fahamorana.”—Galatiana 6:1.

Andriamanitra mahari-po

17. Nahoana isika no velom-pankasitrahana noho i Jehovah “mahari-po”?

17 ‘Andriamanitra mahari-po.’ Manasongadina fomba hafa isehoan’ny fahatsaran’i Jehovah ireo teny ireo. Miaritra sy mandefitra amin’ny fahalementsika i Jehovah, ary manome fotoana mba handresentsika kileman-toetra lehibe sy mba handrosoantsika ara-panahy. (Hebreo 5:12–6:3; Jakoba 5:14, 15) Mahasoa an’ireo mbola tsy mpanompon’Andriamanitra koa ny faharetany. Mbola manam-potoana handraisana ny hafatra momba ilay Fanjakana sy hibebahana izy ireo. (Romana 2:4) Na dia maharitra aza anefa i Jehovah, dia manosika azy haneho ny fahatezerany ny fahatsarany indraindray. Izany no nataony tamin’ny Isiraelita, rehefa nanompo ilay ombilahikely volamena izy ireo, teo amin’ny Tendrombohitra Sinay. Mbola hiharihary kokoa io fahatezeran’Andriamanitra io, rehefa hamarana ny tontolo ratsin’i Satana tsy ho ela izy.—Ezekiela 38:19, 21-23.

18. Inona no maha samy hafa an’i Jehovah sy ny mpitondra olombelona, raha ny fahamarinana no resahina?

18 “Andriamanitra be ... fahamarinana [i Jehovah].” Tena samy hafa amin’ny mpitondra olombelona izy! Kobaka am-bava fotsiny mantsy ny fampanantenan’ireny. Afaka mino izay rehetra lazain’i Jehovah ao amin’ny Teniny ara-tsindrimandry kosa ny mpanompony. Afaka matoky ny fampanantenany foana isika, satria Andriamanitra be fahamarinana izy. Tsara ilay Raintsika any an-danitra, ka mamaly ny vavaka ataontsika mba hahazoana fahamarinana ara-panahy foana, ary manome betsaka amin’izany.—Salamo 43:3; 65:2.

19. Inona no fomba miavaka anehoan’i Jehovah ny fahatsarany amin’ny mpanota mibebaka?

19 “Jehovah [dia] ... Andriamanitra ... mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana.” Tsara i Jehovah, ka vonona ny hamela ny heloky ny mpanota mibebaka. Azo antoka fa ankasitrahantsika tokoa ny soron’i Jesosy, satria io no fandaharana nataon’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra mba hahazoantsika famelan-keloka. (1 Jaona 2:1, 2) Tena faly isika, satria afaka mifandray akaiky amin’i Jehovah ny olona mino io sorona io, ka manantena hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenainy. Izany dia antony tena lehibe hiderana an’i Jehovah noho izy maneho fahatsarana amin’ny olombelona!—2 Petera 3:13.

20. Inona no manaporofo amintsika fa tsy mandefitra ny fanaovan-dratsy Andriamanitra?

20 “Tsy mety manamarina ny meloka [i Jehovah].” Antony hafa tokony hiderana an’i Jehovah noho ny fahatsarany koa izany. Nahoana? Satria lafiny lehibe amin’ny fahatsarana ny tsy fandeferana ny fanaovan-dratsy. Ambonin’izany, dia hovaliana ‘izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsara’, rehefa “hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin’ny anjelin’ny heriny.” Ireo olona ireo dia “hiharan’ny famaliana marina, dia ny fahaverezana mandrakizay.” (2 Tesaloniana 1:6-9) Ho tafita velona ny mpanompon’Andriamanitra, ka ho afaka hanaram-po amin’ny fiainana, ary tsy ho voahelingelin’ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra sady “tsy tia ny tsara.”—2 Timoty 3:1-3.

Tahafo ny fahatsaran’i Jehovah

21. Nahoana isika no tokony haneho fahatsarana?

21 Maro tokoa ny antony tokony hiderantsika sy hisaorantsika an’i Jehovah noho ny fahatsarany. Tsy tokony hanao araka izay fara herintsika ve isika mpanompony mba haneho io toetra io? Izany tokoa, satria nampirisika ny Kristianina namany toy izao ny apostoly Paoly: “Aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala.” (Efesiana 5:1) Maneho fahatsarana lalandava ny Raintsika any an-danitra, ary tokony hanao toy izany koa isika.

22. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

22 Tsy isalasalana fa maniry hanahaka ny fahatsaran’i Jehovah isika, raha nanolo-tena ho azy tamin’ny fontsika rehetra. Tsy mora amintsika anefa ny manao ny tsara, satria taranak’i Adama mpanota isika. Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny antony ilazana fa afaka manao ny tsara isika, ary tokony hanao izany. Hodinihintsika koa ny fomba maromaro anahafantsika an’i Jehovah, ilay ohatra tsara indrindra amin’ny fahatsarana.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no atao hoe fahatsarana?

• Inona no teny ao amin’ny Soratra Masina manasongadina ny fahatsaran’Andriamanitra?

• Inona avy no fomba isehoan’ny fahatsaran’i Jehovah?

• Nahoana isika no tokony hanahaka ny fahatsaran’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 12]

Tsy nanao izay nolazain’izy ireo tao amin’ny hira fiderany ny vahoakan’i Jehovah fahiny, ka nofaiziny

[Sary, pejy 12]

Nisy sisa nahatoky niverina tany Jerosalema

[Sary, pejy 13]

Nahare fanambarana kanto momba ny fahatsaran’Andriamanitra i Mosesy

[Sary, pejy 15]

Manasongadina ny fahatsaran’i Jehovah ny fomba iangaviany antsika hanao zavatra, ao amin’ny Baiboly