Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mamelombelona ny ‘Fitoriana ny Teny’

Mamelombelona ny ‘Fitoriana ny Teny’

“Mankanesa atỳ Amiko, ... fa Izaho no Hanome Anareo Fitsaharana”

Mamelombelona ny ‘Fitoriana ny Teny’

OLOMBELONA tanteraka izy, ary teo am-panaovana ny asa lehibe nanirahana azy. “Talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany”, satria tena nandaitra ny fomba nampiasainy. (Matio 7:28) Mpitory be zotom-po koa izy. Ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra no nanokanany ny fotoanany sy ny heriny ary ny fananany, voalohany indrindra. Nitety ny tany niaviany mihitsy i Jesosy Kristy, ary tsy nisy mpitory sy mpampianatra tahaka azy.—Matio 9:35.

Ny asa maika nanendrena an’i Jesosy dia ny hitory “ny filazantsaran’ilay fanjakana” tamin’ny mpiara-belona taminy sy hampiofana ny mpianany hanao io asa io maneran-tany. (Matio 4:23; 24:14; 28:19, 20) Andraikitra mavesatra sy maika ny asa fitoriana nanirahana ny mpianany ary midadasika ny faritanin’izy ireo. Hanakivy azy ireo ve izany, satria tsy tanteraka izy ireo ary voafetra ny mety ho vitany?

Tsy izany velively! Nasain’i Jesosy nangataka mpiasa maro kokoa tamin’i Jehovah Andriamanitra, ilay “Tompon’ny vokatra”, ny mpianany. Nirahiny hampianatra ny olona izy ireo avy eo. (Matio 9:38; 10:1) Nanome toky izy taorian’izay fa, tena hamelombelona sy hampionona ny fanatontosan’izy ireo ny andraikiny hanaraka ny diany, ary anisan’izany ny fitoriana. Hoy izy: “Mankanesa atỳ amiko, ... fa Izaho no hanome anareo fitsaharana [na famelombelomana].”—Matio 11:28.

Asa mahafaly

Izany ka fampirisihana feno fangoraham-po sy fitiavana ary hatsaram-panahy! Mampiseho izany fa tena miahy ny mpanara-dia azy i Jesosy. Mamelombelona ny mpianany tokoa ny fanatontosan’izy ireo ny andraikiny, dia ny fitoriana ny “filazantsara” momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Tena mahafaly sy mahafa-po azy ireo izany.—Jaona 4:36.

Nantitranterin’ny Soratra Masina, ela be talohan’ny nahatongavan’i Jesosy teto an-tany, fa tsy maintsy mifaly isika, rehefa manao ny fanompoana masina ho an’Andriamanitra. Manaporofo izany ny hiran’ny mpanao salamo hoe: “Mihobia ho an’i Jehovah, ry tany rehetra. Manompoa an’i Jehovah amin’ny fifaliana; mankanesa eo anatrehany amin’ny fihobiana.” (Salamo 100:1, 2) Mifaly amin’i Jehovah ny olona avy amin’ny firenena rehetra ankehitriny, ary toy ny hiakam-pandresen’ny miaramila ny fiderana ataon’izy ireo. Mankeo anatrehan’Andriamanitra “amin’ny fihobiana” ireo tena mifikitra aminy. Mety indrindra izany satria “Andriamanitra finaritra” i Jehovah, ary tiany ho faly ny mpanompony, rehefa miaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenan’izy ireo.—1 Timoty 1:11.

Mpitory nahazo famelombelomana

Nahoana no mamelombelona fa tsy mandreraka antsika ny asa mafy eny amin’ny saha fanompoana? Toy ny sakafo manatanjaka no niheveran’i Jesosy ny fanaovana ny asan’i Jehovah. Hoy izy: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.”—Jaona 4:34.

Mahafaly ireo Kristianina be zotom-po koa ankehitriny ny ‘fitoriana ny teny.’ (2 Timoty 4:2) Hoy i Connie, vehivavy kristianina efa zokinjokiny, manao ny asa fitoriana mandritra ny 70 ora isam-bolana: “Afa-po sy sambatra aho rehefa avy manao fanompoana, na dia reraka aza ny hariva.”

Ahoana raha tsy mandray tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana ny olona? Hoy ihany i Connie: “Mbola tsy nanenenako mihitsy ny nanao fanompoana, na nandray ny olona na tsy nandray. Fantatro fa mampifaly an’i Jehovah ny zavatra ataoko. Mahafinaritra ahy koa ny mitory ny fahamarinana, satria izany dia manamafy ny finoako ny fanantenana mahatalanjona ao amin’ny Baiboly.”

Misy mahatsapa fa lasa misy heviny kokoa ny fiainany, rehefa manampy olona hahazo fahalalana marina momba an’Andriamanitra izy. Hoy i Meloney, tovovavy mitory mandritra ny 50 ora isam-bolana: “Mamelombelona ny fanompoana, satria manome ahy tari-dalana sy zava-kendrena eo amin’ny fiainako. Maivana kokoa ny zava-manahirana sy ny adim-piainana mahazatra, rehefa manao fanompoana aho.”

Hoy koa i Millicent, Vavolombelon’i Jehovah be zotom-po: “Noho ny fanompoana dia lasa sarobidy ny andro tsirairay hanambarako amin’ny olona ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olombelona sy hanazavako amin’izy ireo ny fomba hamerenana indray ny Paradisa. Lasa tena misy i Jehovah amiko isan’andro ary miadana sy sambatra aho. Tsy misy fomba hafa mihitsy hahafahako hahazo izany.”

Mpihaino nahazo famelombelomana

Mamelombelona ny mpitory ilay Fanjakana tokoa ny fanompoana kristianina, ary mampionona ireo manaiky ilay hafatra manome fiainana koa izy io. Tsapan’ny mpampianatra iray tany Portogaly fa tsy nanome azy ny zavatra ara-panahy nilainy ny fiangonany, na dia nampiofanin’ny masera sy pretra aza izy. Tsy voavaly ireo fanontaniany momba ny Baiboly. Takany tsikelikely ny hevitry ny Soratra Masina, rehefa niara-nianatra Baiboly tsy tapaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray izy. Faly be ilay mpampianatra. “Tsy andriko mihitsy ny hianaranay isaky ny alarobia”, hoy izy, “satria novaliany tamin’ny alalan’ny Baiboly ny fanontaniako tsirairay, ka nandresy lahatra ahy.” Mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena io vehivavy io ankehitriny, ary mamelombelona ny hafa amin’ny fahamarinana ara-baiboly koa izy.

Mazava àry fa tsy mahakivy an’ireo Vavolombelon’i Jehovah ny asa fitoriana nanirahana azy ireo, na dia andraikitra mavesatra aza izy io, sady tsy maintsy atao amin’ny faritany midadasika maneran-tany. Tsy kivy koa izy ireo na dia tsy miraika, na manohitra aza ny olona. Mikely aina izy ireo mba hanatontosana ny asa nanirahana azy, dia ny fitoriana ilay Fanjakana. Mitory ny vaovao tsara any amin’izay mety hahitany olona izy ireo: eny amin’ny toerana fijanonan’ny kamiao any Etazonia (1), eny an-tseranam-piaramanidina any Korea (2), any Andes (3), na eny amin’ny fivarotana any Londres (4) Manohy amim-pifaliana ilay asa mahafa-po ny mpanara-dia an’i Jesosy maneran-tany ankehitriny. Marina tokoa fa namelombelona azy ireo izy sady nampiasa azy ireo mba hamelombelomana olon-kafa maro.—Apokalypsy 22:17.