Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manaova ny Tsara Mandrakariva

Manaova ny Tsara Mandrakariva

Manaova ny Tsara Mandrakariva

“Ny vokatry ny mazava dia ao amin’ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana.”—EFESIANA 5:9.

1. Ahoana no ampisehoan’ny olona an-tapitrisa fa miray hevitra amin’ny Salamo 31:19 izy ireo?

NY MANOME voninahitra an’i Jehovah no zavatra tsara indrindra azon’ny olombelona atao. Olona an-tapitrisa no manao izany amin’ny alalan’ny fiderana an’Andriamanitra noho ny fahatsarany. Miray hevitra amin’ny fontsika rehetra, amin’izao hiran’ny mpanao salamo izao isika Vavolombelon’i Jehovah mahatoky: “Akory re ny haben’ny zava-tsoanao voarakitrao ho an’ny matahotra Anao!”—Salamo 31:19.

2, 3. Inona no mety hitranga raha tsy arahina fitondran-tena tsara ny fanaovantsika mpianatra?

2 Matahotra sy manaja an’i Jehovah isika, ka voatosika hankalaza azy noho ny fahatsarany. Manjary ‘midera sy misaotra azy ary milaza ny voninahitry ny fanjakany’ koa isika. (Salamo 145:10-13) Izany no mampahazoto antsika hitory ilay Fanjakana sy hanao mpianatra. (Matio 24:14; 28:19, 20) Mazava ho azy fa tsy maintsy arahina fitondran-tena tsara ny fitoriantsika. Raha tsy izany mantsy, dia mety hanala baraka ny anarana masin’i Jehovah isika.

3 Maro no milaza ho manompo an’Andriamanitra, nefa mandika ny fitsipika napetrany ao amin’ny Teniny ara-tsindrimandry. Nisy nilaza ho nanao ny tsara nefa tsy nanatanteraka izany akory, ka hoy ny apostoly Paoly momba azy ireo: “Hianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va? Hianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va hianao? Hianao izay manao hoe: Aza mijangajanga, mba mijangajanga ihany va hianao? ... Fa araka ny voasoratra, dia hianareo no itenenana ratsy ny anaran’Andriamanitra any amin’ny jentilisa.”—Romana 2:21, 22, 24.

4. Inona no vokatry ny fitondran-tena tsarantsika?

4 Tsy hanala baraka ny anaran’i Jehovah isika, fa hiezaka mafy ho tsara fitondran-tena kosa mba hanome voninahitra azy io. Misy vokany tsara amin’ny olona tsy anisan’ny fiangonana kristianina izany. Manampy antsika hanampina ny vavan’ny mpanohitra koa izany. (1 Petera 2:15) Misarika ny olona ho amin’ny fandaminan’i Jehovah mihitsy aza ny fitondran-tena tsarantsika, ka mety hahatonga azy ireo hanome voninahitra azy sy hahazo ny fiainana mandrakizay.—Asan’ny Apostoly 13:48.

5. Inona no fanontaniana tokony hosaintsainintsika izao?

5 Tsy lavorary anefa isika, koa ahoana no hitondrantsika tena mba tsy hanala baraka an’i Jehovah na hanafintohina ny olona mitady ny fahamarinana? Ahoana mihitsy no ahafahantsika hanao ny tsara?

Vokatry ny mazava

6. Inona avy no anisan’ny “asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa”, nefa inona no vokatra tokony hiharihary eo anivon’ny Kristianina?

6 Kristianina vita fanoloran-tena isika, ka manana zavatra manampy antsika hiala amin’ny “asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa”, toy ny lainga, halatra, teny ratsy, resaka tsy mendrika momba ny firaisana, fahavetavetana, voso-dratsy ary fimamoana. Manala baraka an’Andriamanitra ireny asa ireny. (Efesiana 4:25, 28, 31; 5:3, 4, 11, 12, 18) Tsy hanao ireny isika, fa ‘handeha tahaka ny zanaky ny mazava’ kosa. Nilaza ny apostoly Paoly fa “ny vokatry ny mazava dia ao amin’ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana.” (Efesiana 5:8, 9) Afaka manao ny tsara mandrakariva àry isika, rehefa mandeha amin’ny mazava. Inona anefa io fahazavana io?

7. Inona no tsy maintsy ataontsika mba hanaovana ny tsara mandrakariva?

7 Na dia tsy lavorary aza isika, dia afaka manao ny tsara, raha mandeha amin’ny fahazavana ara-panahy. “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao”, hoy ilay mpanao salamo. (Salamo 119:105) Tsy maintsy mandray tsy tapaka ny fahazavana ara-panahy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra isika, raha maniry haneho mandrakariva ny “vokatry ny mazava” amin’ny “fahatsarana rehetra.” Velabelarina amim-pitandremana ao amin’ny boky sy gazety kristianina io fahazavana io ary velabelarina tsy tapaka any amin’ny fivoriantsika. (Lioka 12:42; Romana 15:4; Hebreo 10:24, 25) Tokony hojerentsika akaiky koa ny ohatra sy ny fampianaran’i Jesosy Kristy, ilay “fahazavan’izao tontolo izao” sady “famirapiratan’ny voninahiny [ny an’i Jehovah].”—Jaona 8:12; Hebreo 1:1-3.

Vokatry ny fanahy

8. Nahoana isika no afaka manao ny tsara?

8 Tena manampy antsika hanao ny tsara tokoa ny fahazavana ara-panahy. Afaka manana io toetra io koa isika, satria mitarika antsika ny fanahy masina, na hery ampiasain’Andriamanitra. Anisan’ny “vokatry ny Fanahy” ny fanaovan-tsoa, na fanaovana ny tsara. (Galatiana 5:22, 23) Raha manaraka ny tari-dalan’ny fanahy masin’i Jehovah isika, dia hanana io vokatry ny fanahy mahafinaritra io.

9. Ahoana no ampiharantsika ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Lioka 11:9-13?

9 Tokony ho voatosika hampihatra ireto tenin’i Jesosy ireto isika, raha tena maniry hampifaly an’i Jehovah sy hanao ny tsara: “Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dondòny, dia hovohana hianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondona no hovohana. Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan’ny zanany mofo, no hanome azy vato? ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana ho solon’ny hazandrano? ary raha angatahany atody, no hanome azy maingoka? Koa raha hianareo, na dia [tsy lavorary ka azo lazaina hoe] ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?” (Lioka 11:9-13) Aoka isika hanaraka ny torohevitr’i Jesosy, ka hivavaka mba hahazo ny fanahin’i Jehovah mba hanampy antsika hanao ny tsara mandrakariva.

‘Manaova izay tsara’ mandrakariva

10. Inona avy ireo toetran’i Jehovah, mifandray amin’ny fahatsarany, resahina ao amin’ny Eksodosy 34:6, 7?

10 Afaka ‘manao izay tsara’ mandrakariva isika, rehefa mahazo fahazavana ara-panahy avy amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ampian’ny fanahiny masina. (Romana 13:3) Miana-javatra betsaka kokoa momba ny fomba hanahafana ny fahatsaran’i Jehovah isika, rehefa mianatra tsy tapaka ny Baiboly. Nohazavaina tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha ireo toetra mifandray amin’ny fahatsaran’Andriamanitra, ao amin’ilay fanambarana natao tamin’i Mosesy, ao amin’ny Eksodosy 34:6, 7 (NW), milaza toy izao: “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be hatsaram-panahy miharo fitiavana sy fahamarinana, mitahiry hatsaram-panahy miharo fitiavana ho an’ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka.” Hanampy antsika ‘hanao izay tsara’ mandrakariva ny fandinihana akaiky ireo toetran’i Jehovah mifandray amin’ny fahatsarany ireo.

11. Tokony ho voatosika hanao inona isika, noho ny fahafantarantsika fa mamindra fo sy miantra i Jehovah?

11 Asehon’io fanambarana nataon’Andriamanitra io fa mila manahaka azy isika, ka hamindra fo sy hiantra. Hoy i Jesosy: “Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana.” (Matio 5:7; Lioka 6:36) Fantatsika fa miantra i Jehovah, hany ka voatosika isika mba hiantra olona sy ho tsara fanahy amin’izy ireo, anisan’izany ny olona itoriantsika. Izany dia mifanaraka amin’izao torohevitr’i Paoly izao: “Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.”—Kolosiana 4:6.

12. a) Ahoana no fomba tokony hitondrantsika ny olona, satria mahari-po Andriamanitra? b) Manosika antsika hanao inona ny hatsaram-panahy miharo fitiavana asehon’i Jehovah?

12 Mahari-po Andriamanitra. Noho izany, dia voatosika hiaritra ny fahadisoana kely ataon’ny mpiray finoana amintsika sy hifantoka amin’ny toetra tsaran’izy ireo isika, satria maniry ‘hanao izay tsara’ mandrakariva. (Matio 7:5; Jakoba 1:19) Manosika antsika haneho fitiavana tsy mivadika ny hatsaram-panahy miharo fitiavana asehon’i Jehovah, eny fa na dia voasedra mafy aza isika. Tena mahafaly tokoa izany.—Ohabolana 19:22.

13. Inona no tokony hataontsika mba hampisehoana fa ‘be fahamarinana’ i Jehovah?

13 ‘Be fahamarinana’ ilay Raintsika any an-danitra, ka miezaka isika ‘hampiseho ny tenantsika ho mpanompon’Andriamanitra amin’ny teny fahamarinana.’ (2 Korintiana 6:3-7) Anisan’ny zavatra fito ataon’i Jehovah ho fahavetavetana ny “lela fandainga” sy “ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina.” (Ohabolana 6:16-19) Koa nanosika antsika ‘hanaisotra ny lainga sy hilaza ny marina’ àry ny faniriantsika hampifaly an’Andriamanitra. (Efesiana 4:25) Enga anie isika ka hanao ny tsara mandrakariva amin’io lafiny lehibe io.

14. Nahoana isika no tokony hamela heloka?

14 Tokony hanosika antsika hamela heloka koa ny fanambaran’Andriamanitra tamin’i Mosesy, satria mamela heloka i Jehovah. (Matio 6:14, 15) Mazava ho azy fa faizin’i Jehovah ny mpanota tsy mibebaka. Tsy maintsy mampihatra ny fitsipika hamaritany ny hoe tsara àry isika, mba hitandrovana ny fahadiovana ara-panahin’ny fiangonana.—Levitikosy 5:1; 1 Korintiana 5:11, 12; 1 Timoty 5:22.

“Tandremo tsara”

15, 16. Nahoana no manampy antsika hanao ny tsara mandrakariva ny torohevitr’i Paoly ao amin’ny Efesiana 5:15-19?

15 Tokony ho feno ny fanahin’Andriamanitra isika, ary mila mitandrina ny fandehantsika, raha maniry hanao ny tsara mandrakariva, na dia feno faharatsiana aza manodidina antsika. Izany no nahatonga an’i Paoly hampirisika ny Kristianina tany Efesosy toy izao: “Tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao. Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ny Tompo. Ary aza ho mamon-divay hianareo, fa amin’izany dia misy fanaranam-po amin’ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy, ka mifampilazà amin’ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an’ny Tompo.” (Efesiana 5:15-19) Tena ilaintsika amin’izao andro farany sady mahory izao tokoa io torohevitra io.—2 Timoty 3:1.

16 Tokony hitandrina tsara mba handeha toy ny olona manana ny fahendrena avy any ambony isika, raha te hanao ny tsara mandrakariva. (Jakoba 3:17) Tsy maintsy manalavitra ny fahotana lehibe isika, ary tsy maintsy feno fanahy masina sy manaiky ny tari-dalany. (Galatiana 5:19-25) Afaka manao ny tsara mandrakariva isika, rehefa mampihatra ny toromarika omena antsika any amin’ny fivoriana sy fivoriambe kristianina. Rehefa mamaky ny tenin’i Paoly tamin’ny Efesianina isika, dia mety hitadidy fa mitondra soa ny mihira amim-pahatsorana ireo “tonon-kiram-panahy”, any amin’ny fivoriantsika. Miresaka toetra ara-panahy toy ny fanaovana ny tsara mantsy ny maro amin’izy ireny.

17. Inona no atokisan’ny Kristianina marary mafy, ka tsy afaka mivory tsy tapaka?

17 Ahoana kosa ny amin’ireo mpiray finoana amintsika manana aretina mafy mitaiza, ka tsy afaka mamonjy fivoriana tsy tapaka? Mety ho kivy izy ireny satria tsy afaka miara-manompo an’i Jehovah amin’ny rahalahy sy anabaviny ara-panahy. Afaka matoky anefa izy ireo fa fantatr’i Jehovah ny manjo azy ireo, ary homeny fahazavana ara-panahy sy ny fanahiny masina foana izy ireo, sady hampiany hanao ny tsara mandrakariva.—Isaia 57:15.

18. Inona no hanampy antsika hanao ny tsara mandrakariva?

18 Raha maniry hanao ny tsara mandrakariva isika, dia mila mahay mifidy izay olona ifaneraserantsika sy mihataka amin’ireo “tsy tia ny tsara.” (2 Timoty 3:2-5; 1 Korintiana 15:33) Manampy antsika io torohevitra io mba tsy ‘hampalahelo ny Fanahy masin’Andriamanitra’ na hanohitra ny fitarihan’izy io. (Efesiana 4:30) Manampy antsika hanao ny tsara koa ny fifandraisana akaiky amin’ny olona hita fa tena tia manao ny tsara sy tarihin’ny fanahy masin’i Jehovah.—Amosa 5:15; Romana 8:14; Galatiana 5:18.

Mitondra voka-tsoa ny fanaovana ny tsara

19-21. Milazà tantara mampiseho ny vokatry ny fanaovana ny tsara.

19 Hanalavitra ny ratsy sy ‘hanao izay tsara’ mandrakariva isika, raha mandeha amin’ny fahazavana ara-panahy sy manaraka ny tari-dalan’ny fanahin’Andriamanitra ary mitandrina ny fandehantsika. Hitondra voka-tsoa izany. Diniho ny zava-nitranga tamin’i Zongezile, Vavolombelon’i Jehovah atsy Afrika Atsimo. Nandeha nijery ny habetsahan’ny tahiry keliny tany amin’ny banky izy indray maraina, rehefa handeha hianatra. Nihoatra 42 000 rands (27 000 000 FMG eo ho eo) ny tahirim-bolany, voalazan’ilay taratasin’ny banky. Nisy mpiambina ny banky sy olon-kafa nampirisika azy mba haka io vola io sy handrotsaka izany amin’ny anarany any amin’ny banky hafa. Ilay mpivady Vavolombelona niara-nipetraka taminy ihany no nidera azy satria tsy nakany mihitsy ilay vola.

20 Nampahafantarin’i Zongezile tamin’ny banky ilay fahadisoana, ny ampitson’iny. Hay nitovitovy tamin’ny nomeraon’ny kaontin’ny mpanan-karena iray ny nomeraon’ny kaontiny, ka diso ny nomerao nampiasain’io lehilahy io rehefa nandrotsaka ny volany izy. Gaga izy fa tsy nakan’i Zongezile mihitsy ny volany, ka hoy izy: “Inona no fivavahanao?” Nohazavain’i Zongezile fa Vavolombelon’i Jehovah izy. Nidera azy ny mpiasan’ny banky, ka nilaza hoe: “Raha mba manao ny marina tahaka ny Vavolombelona daholo moa ny olona!” Tena mety hahatonga ny olona hanome voninahitra an’i Jehovah ny fanaovana ny marina sy tsara.—Hebreo 13:18.

21 Tsy voatery hiavaka be ny fanaovana ny tsara vao hitondra voka-tsoa. Indro misy ohatra: Nankany amin’ny hopitaly ny Vavolombelona tanora iray, mpitory manontolo andro, any amin’ny nosy Samoa. Nilahatra hankao amin’ny dokotera ny olona, ary hitan’ilay Vavolombelona fa narary mafy ilay ramatoa be teo akaikiny. Nomeny an’io ramatoa io ny laharany, mba hitsaboana azy io haingana. Nifanena tamin’io ramatoa io tany an-tsena ilay Vavolombelona tatỳ aoriana. Nahatadidy azy sy ny soa nataony taminy tany amin’ny hopitaly ilay ramatoa, ka nilaza hoe: “Fantatro izao fa tena tia ny mpiara-belona aminy ny Vavolombelon’i Jehovah.” Tsy nety nandray ny hafatra momba ilay Fanjakana izy taloha, nefa nahitam-boka-tsoa ny tsara nataon’ny Vavolombelona taminy. Nanaiky hianatra Baiboly izy ary nanomboka nandray ny fahalalana ny Tenin’Andriamanitra.

22. Inona no fomba tena mety ‘hanaovana izay tsara’ mandrakariva?

22 Azo inoana fa manan-javatra hotantaraina koa ianao, mba hampisehoana fa sarobidy ny fanaovana ny tsara. Fomba tena mety ‘hanaovana izay tsara’ mandrakariva ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Matio 24:14) Aoka isika hazoto hatrany hanao io asa sarobidy io, satria fantatsika fa fomba hanaovana ny tsara izany, indrindra fa amin’ny olona mandray ilay hafatra. Ny zava-dehibe indrindra, dia manome voninahitra an’i Jehovah, ilay niavian’ny fahatsarana, ny fanompoantsika sy ny fitondran-tena tsarantsika.—Matio 19:16, 17.

‘Manaova soa’ hatrany

23. Nahoana no asa tsara ny fanompoana kristianina?

23 Tena asa tsara ny fanompoantsika. Izy io no mety hamonjy antsika sy izay mihaino ny hafatra avy ao amin’ny Baiboly. Izany kosa no mitarika ho amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. (Matio 7:13, 14; 1 Timoty 4:16) Noho isika maniry hanao ny tsara, dia mety hanontany tena toy izao isika, rehefa hanapa-kevitra: ‘Inona no ho vokatry ny fanapahan-kevitro amin’ny fandraisako anjara amin’ny fitoriana ilay Fanjakana? Tena mahasoa ve ilay zavatra kasaiko hatao? Ho afaka hanampy olona hanaiky ny “filazantsara mandrakizay” sy hifandray akaiky amin’i Jehovah Andriamanitra ve aho, raha mandray io fanapahan-kevitra io?’ (Apokalypsy 14:6) Tena ho sambatra izay mandray fanapahan-kevitra mamela azy hampandroso ny tombontsoan’ilay Fanjakana.—Matio 6:33; Asan’ny Apostoly 20:35.

24, 25. Inona avy no anisan’ny fomba hanaovana ny tsara eo anivon’ny fiangonana, ary inona no azontsika antoka raha manao izany mandrakariva isika?

24 Aoka tsy hataontsika tsinontsinona na oviana na oviana ny voka-tsoa entin’ny fahatsarana. Afaka maneho io toetra io hatrany isika, rehefa manampy ny fiangonana kristianina sy manao izay azontsika atao mba hahasoa azy io. Manao ny tsara tokoa isika, rehefa manatrika tsy tapaka ireo fivoriana kristianina sy mandray anjara amin’izy ireny. Mampahery ny mpiray finoana na dia ny fanatrehantsika fotsiny aza, ary mampahery azy ireo amin’ny lafiny ara-panahy ny valin-teny voaomana tsara omentsika. Manao ny tsara koa isika, rehefa mampiasa ny fananantsika hikojakojana ny Efitrano Fanjakana sy hikarakarana azy io. (2 Mpanjaka 22:3-7; 2 Korintiana 9:6, 7) Eny, “araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.”—Galatiana 6:10.

25 Tsy ho voaresaka eto daholo ireo toe-javatra ilana hanaovana ny tsara. Rehefa misy zava-tsarotra mitranga àry, dia aoka isika hikaroka fanazavana ao amin’ny Soratra Masina sy hivavaka mba hahazo ny fanahy masin’i Jehovah, ary hanao araka izay fara herintsika mba hanaovana ny sitrapony tsara sady marina. (Romana 2:9, 10; 12:2) Afaka matoky isika fa handrotsaka fitahiana be amintsika i Jehovah, rehefa manao ny tsara mandrakariva isika.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no zavatra tsara indrindra azontsika atao?

• Nahoana no lazaina fa “vokatry ny mazava” ny fanaovana ny tsara?

• Nahoana no lazaina fa “vokatry ny Fanahy” ny fanaovana ny tsara?

• Inona no vokatry ny fitondran-tena tsarantsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 17]

Manampy antsika hanao ny tsara ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanahiny masina

[Sary, pejy 18]

Mitondra voka-tsoa ny fanaovana ny tsara