Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mankalaza An’Andriamanitra ny Asa Tsara

Mankalaza An’Andriamanitra ny Asa Tsara

Mankalaza An’Andriamanitra ny Asa Tsara

MANKALAZA an’Andriamanitra ny toetra tsara sy ny asa fakan-tahaka ataon’ny tena Kristianina. (1 Petera 2:12) Mampiseho izany ny zava-nitranga tany Italia tao anatin’ireo taona vitsivitsy lasa.

Nisy horohoron-tany nahery namely faritra maro tany Les Marches sy Ombrie, tamin’ny Septambra 1997, ka efa ho 90 000 ny trano simba. Mailaka ny Vavolombelon’i Jehovah nanampy ny mpiray finoana taminy sy ny olon-kafa koa. Nanome tranofiara, kitapo lamba fatoriana, fatana, fitaovana manome herinaratra, sy zavatra hafa nilaina koa izy ireo. Tsikaritry ny olona izany ezaka fanampiana vonjy rano vaky izany.

Nilaza toy izao ny gazety Il Centro: “Ny Vavolombelon’i Jehovah avy any Roseto [faritanin’i Teramo] no tonga voalohany nanome fanampiana vonjy rano vaky tany amin’ireo toerana niharam-pahavoazana ... Nivory tsy tapaka mba hivavaka ireo olona tsy mivadika amin’i Jehovah ireo, nefa ankoatra izany dia azo notsapain-tanana ny asa nataon’izy ireo ho fanampiana an’ireo niharam-pahavoazana, na inona na inona fivavahan’izy ireny.”

Nanoratra toy izao ho an’ny Vavolombelona ny ben’ny tanànan’i Nocera Umbra, anisan’ny tanàna niharam-pahavoazana indrindra: “Isaorako manokana amin’ny fo manontolo ianareo noho ny nanampianareo ny mponin’i Nocera. Mino aho fa mitovy fihetseham-po amiko avokoa ny mponina rehetra eto.” Nankasitraka ny Fiangonana Kristianin’ny Vavolombelon’i Jehovah koa ny minisitry ny Atitany, ka nanome azy ireo mari-pankasitrahana sy meday ‘ho fanamarinana ny asa vita sy ny fahazotoana niasa taorian’ilay loza nitranga tany amin’ny faritr’i Ombrie sy Le Marche.’

Nisy tondra-drano be namely an’i Piémont, any amin’ny faritra avaratr’i Italia, tamin’ny Oktobra 2000. Mailaka indray ny Vavolombelona nanomana fanampiana vonjy rano vaky. Tsikaritry ny olona koa izany asa tsaran’izy ireo izany. Nomen’ny Faritanin’i Piémont takelaka misy soratra voasokitra izy ireo, ho fankasitrahana ‘ny asa an-tsitrapo tena sarobidy nataon’izy ireo ho fanampiana ny mponin’i Piémont tratran’ilay tondra-drano.’

Nandidy ny mpianany toy izao i Jesosy Kristy: “Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.” (Matio 5:16) Manao “asa tsara” ho fanampiana ny mpiara-monina aminy, amin’ny lafiny ara-panahy sy amin’ny lafiny hafa koa, ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hankalazana an’Andriamanitra fa tsy ny tenany.