Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Misy ve ny Andriamanitra Itokisanao?

Tena Misy ve ny Andriamanitra Itokisanao?

Tena Misy ve ny Andriamanitra Itokisanao?

Nizotra ho any amin’ny Tendrontany Avaratra ny antokon’olona nirahin’ny Tranombakoka Amerikanina Momba ny Fandinihana ny Zavaboary. Ny anton-dian’izy ireo dia ny hijery akaiky ilay tany noresahin’i Robert Peary, mpamantatra tany vaovao, fa hitany tamin’ny 1906, izany hoe fito taona teo ho eo talohan’izay.

TOA nahatazana tendrombohitra rakotra orampanala, hono, izy avy teo Cap Colgate, any amin’ny farany avaratrandrefan’i Amerika Avaratra. Nomeny ny anaran’ny iray tamin’ireo mpamatsy volany izy io ka nantsoiny hoe Tany Crocker. Azo antoka fa faly erỳ ilay antokon’olona nahatazana havoana sy lohasaha ary tendrombohitra rakotra orampanala! Tsy ela anefa dia takatr’izy ireo fa, hay, zavatra tsy tena nisy akory no nandaniany fotoana sy hery ary vola.

Maro ankehitriny no mifikitra amin’ireo andriamanitra heveriny fa tena misy sy manokana ny fotoanany ho azy ireo. Nivavaka tamin’i Jopitera sy Merkory ny olona, tamin’ny andron’ny apostolin’i Jesosy. (Asan’ny Apostoly 14:11, 12) An-tapitrisa ankehitriny ny andriamanitra ivavahan’ny shintoista sy ny hindoa ary ny ao amin’ny fivavahana hafa. Marina ny lazain’ny Baiboly hoe “misy andriamanitra maro sy tompo maro.” (1 Korintiana 8:5, 6) Tena misy avokoa ve ireny andriamanitra ireny?

Andriamanitra “tsy mahavonjy”

Diniho, ohatra, ny fampiasana sary rehefa mivavaka. Mihevitra ny olona mitoky na mivavaka amin’ny sampy fa mpamonjy mahery noho ny olombelona izy ireny, ka afaka mamaly soa sy miaro. Mahavonjy tokoa ve anefa ny sampy? Nihira toy izao ny mpanao salamo: “Ny sampin’ny jentilisa dia volafotsy sy volamena, asan’ny tànan’olona; manam-bava izy, fa tsy miteny; mana-maso izy, fa tsy mahita; manan-tsofina izy, fa tsy mandre; ary tsy misy fofonaina ao am-bavany.” Tena andriamanitra “tsy mahavonjy” tokoa izy ireny.—Salamo 135:15-17; Isaia 45:20.

Mety hihevitra ny mpanamboatra sampy fa velona sy manan-kery ny sampy amboariny. Matoky an’ireny sampy ireny ny olona mivavaka aminy. Hoy i Isaia mpaminany: “Dia betainy ho eny an-tsorony [ny sampy] ka entiny ary apetrany eo amin’ny fitoerany iny, ka dia mitoetra eo.” Hoy koa izy: “Tsy mahay miala eo amin’ny fitoerany iny; ary na dia misy mitaraina aminy aza, dia tsy mahay mamaly izy, na mahavonjy azy amin’ny fahoriany.” (Isaia 46:7) Ny marina dia hoe tsy manana aina ny sampy, na manao ahoana na manao ahoana ny finoan’ireo matoky azy. “Sampy” tsy misy vidiny ireny sary sokitra sy sarivongana ireny.—Habakoka 2:18.

Misy koa ankehitriny ny manao ho andriamanitra kely an’ireo olo-malaza eo amin’ny sehatry ny fialam-boly, ny fanatanjahan-tena, ny politika, ary ny fivavahana. Maro koa ny manao ny vola ho andriamanitra. Tsy araka izay iheverana azy anefa ireny sampy rehetra ireny. Tsy afaka manome izay rehetra antenain’olona aminy, izy ireny. Ny harena, ohatra, dia toa mahalamina zavatra maro, kanefa mamitaka izy io. (Marka 4:19) Nisy mpikaroka nanontany toy izao: ‘Nahoana ny zavatra iray irin’ny maro mafy dia mafy, sy heveriny ho fanafodin’ny zava-manahirana azy rehetra, no mandiso fanantenana sy mampikorontan-tsaina rehefa azo?’ Eny, ny olona mikatsaka harena dia mety ho voatery hanao sorona zavatra tena misy vidiny, toy ny fahasalamana, fiainam-pianakaviana mahasambatra, namana akaiky, na fifandraisana sarobidy amin’ilay Mpamorona. Ho hitany anefa amin’ny farany fa “zava-poana mandainga” ny andriamaniny!—Jona 2:9, fanamarihana ambany pejy.

‘Tsy nisy namaly’

Hadalana ny ilazana fa tena misy ny zavatra iray nefa tsy misy akory. Voatery niaiky izany ny mpivavaka tamin’ilay andriamanitra atao hoe Bala, tamin’ny andron’i Elia mpaminany. Nino mafy izy ireo fa afaka nandatsaka afo avy tany an-danitra i Bala mba handevonana fanatitra biby. “Niantso ny anaran’i Bala hatramin’ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ny andro izy nanao hoe: Ry Bala ô, henoy izahay!” Nanan-tsofina nihainoana sy vava nitenenana ve i Bala? Hoy ny tohin’ilay fitantarana: “Tsy nisy nanoina na namaly akory.” Eny, ‘tsy nisy nihaino azy akory.’ (1 Mpanjaka 18:26, 29) Tsy tena nisy i Bala, na nanana aina, na nanan-kery.

Tena zava-dehibe àry ny hahafantarantsika sy hivavahantsika amin’Andriamanitra tena misy! Iza anefa izy io? Ary nahoana no mahasoa antsika ny matoky azy?

[Sary, pejy 3]

Nandinika ny faravodilanitra i Egingwah, naman’i Peary, sao hahatazana tany iray

Robert Peary

[Sary nahazoan-dalana]

Egingwah: Avy amin’ilay boky hoe The North Pole: Its Discovery in 1909 Under the Auspices of the Peary Arctic Club, 1910; Robert E. Peary: NOAA

[Sary, pejy 4]

Maro ny voafitak’ireo zavatra atao andriamanitra kely eto amin’ity tontolo ity