Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Anisan’ireo Tian’andriamanitra ve Ianao?

Anisan’ireo Tian’andriamanitra ve Ianao?

Anisan’ireo Tian’Andriamanitra ve Ianao?

“Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ny Raiko.”—JAONA 14:21.

1, 2. a) Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa tiany ny olombelona? b) Inona no zava-baovao natombok’i Jesosy ny alin’ny 14 Nisana 33 am.f.i.?

TIAN’I Jehovah ny olombelona noforoniny. Tena tiany izy ireo, ka “nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Amin’izao ankatoky ny fankalazana ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy izao, no vao mainka tokony hahatsapan’ny tena Kristianina ny ‘nitiavan’i Jehovah antsika, ka nanirahany ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika.’—1 Jaona 4:10.

2 Nivory tao amin’ny efitra ambony tany Jerosalema i Jesosy sy ny apostoliny 12, ny alin’ny 14 Nisana 33 am.f.i., mba hankalaza ny Paska, dia ny fahatsiarovana ny nanafahana ny Isiraelita tany Ejipta. (Matio 26:17-20) Rehefa avy nankalaza io fety jiosy io izy ireo, dia nasain’i Jesosy nandeha i Jodasy Iskariota ary nanomboka nanao sakafo hariva ho fahatsiarovana izy. Io sakafo io no nanjary Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, ankalazain’ny Kristianina. * Nampiasa mofo tsy misy masirasira sy divay mena i Jesosy mba hampisehoana ny vatany sy ny rany. Niara-nihinana io sakafo io izy sy ireo apostoly 11 sisa tavela. Manome tsipiriany momba ny fizotran’izany i Matio sy Marka ary Lioka, mpanoratra ny Filazantsara telo voalohany, ary ny apostoly Paoly, izay niantso ilay fiaraha-misakafo hoe “Fanasan’ny Tompo.”—1 Korintiana 11:20; Matio 26:26-28; Marka 14:22-25; Lioka 22:19, 20.

3. Inona no mampiavaka ny fitantaran’i Jaona amin’ireo fitantarana hafa, raha ny amin’ny ora farany niarahan’i Jesosy tamin’ny mpianany tao amin’ilay efitra ambony?

3 Mahaliana fa tsy miresaka ny amin’ny fampandalovana ny mofo sy divay ny apostoly Jaona. Efa fanaon’ny Kristianina izany tamin’ny fotoana nanoratany ny Filazantsarany, tamin’ny 98 am.f.i. tany ho any. (1 Korintiana 11:23-26) I Jaona irery anefa no nanome fanazavana momba izay nolazain’i Jesosy sy nataony, taloha kely sy taoriana kelin’ny nanombohany ilay Fahatsiarovana ny nahafatesany. Toko dimy be izao ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona no miresaka izany tsipiriany mahaliana izany. Hita mazava tsara ao ny karazan’olona tian’Andriamanitra. Andeha isika handinika ny Jaona toko faha-13 ka hatramin’ny faha-17.

Tahafo ny fitiavan’i Jesosy

4. a) Ahoana no nanasongadinan’i Jaona ny resak’i Jesosy tamin’ny mpianany, fony izy nanomboka ny Fahatsiarovana? b) Inona no antony lehibe itiavan’i Jehovah an’i Jesosy?

4 Ny fitiavana no foto-kevitra misongadina ao amin’ireo toko misy ny torohevitra farany nomen’i Jesosy ny mpanara-dia azy. Miseho in-31 amin’ny endriny maro samihafa ny teny hoe “fitiavana” ao. Tena miharihary ao amin’ireo toko ireo fa tia tokoa an’i Jehovah Rainy sy ny mpianany i Jesosy. Hita avy amin’ny tantaram-piainan’i Jesosy ao amin’ny Filazantsara manontolo fa tia an’i Jehovah izy. I Jaona irery anefa no mitantara fa nilaza mazava toy izao i Jesosy: “Tiako ny Ray.” (Jaona 14:31) Nilaza koa i Jesosy fa tia azy i Jehovah ary nohazavainy ny antony. Hoy izy: “Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin’ny fitiavako hianareo. Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy ny itoerako amin’ny fitiavany.” (Jaona 15:9, 10) Eny, tian’i Jehovah ny Zanany satria nankatò tanteraka azy. Lesona tsara ho an’izay rehetra manara-dia an’i Jesosy Kristy izany!

5. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tiany ny mpianany?

5 Misongadina sahady eo am-piandohan’ny fitantaran’i Jaona ny fiarahan’i Jesosy farany tamin’ny apostoly, fa tena tian’i Jesosy tokoa ny mpanara-dia azy. Hoy i Jaona: “Ary talohan’ny andro firavoravoana tamin’ny Paska, satria fantatr’i Jesosy fa tonga ny fotoana hialany amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray, ary efa tia ny Azy izay amin’izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin’ny farany.” (Jaona 13:1) Nanome ohatra tsy hay hadinoina momba ny fanompoana ny hafa amim-pitiavana izy tamin’io takariva niavaka io. Nosasany ny tongotry ny mpianany. Tokony ho vonon-kanao izany ho an’i Jesosy sy ny rahalahiny, ny tsirairay tamin’izy ireo, saingy samy tsy nisy nanao. Nataon’i Jesosy àry io asa ambany io, ka hoy izy tamin’ny mpianany avy eo: “Raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, hianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.” (Jaona 13:14, 15) Tokony ho vonona sy ho faly hanompo ny rahalahiny ny Kristianina marina.—Matio 20:26, 27; Jaona 13:17.

Araho ilay didy vaovao

6, 7. a) Inona no tsipiriany lehibe nomen’i Jaona rehefa natomboka ny Fahatsiarovana? b) Inona no didy vaovao nomen’i Jesosy ny mpianany, ary nahoana izy io no vaovao?

6 Ny fitantaran’i Jaona momba izay nitranga tao amin’ilay efitra ambony ny alin’ny 14 Nisana ihany no miresaka mazava ny nandehanan’i Jodasy Iskariota. (Jaona 13:21-30) Rehefa ampifanarahina ireo fitantaran’ny Filazantsara, dia hita fa rehefa lasa io mpamadika io vao natombok’i Jesosy ny Fahatsiarovana ny nahafatesany. Niresaka naharitra tamin’ny apostoliny nahatoky izy avy eo, ka nanome torohevitra sy toromarika farany azy ireo. Eo am-piomanantsika hanatrika ny Fahatsiarovana, dia tokony ho tena hahaliana antsika izay nolazain’i Jesosy tamin’io fotoana io, satria azo antoka fa irintsika ny ho anisan’ireo tian’Andriamanitra.

7 Vaovao ny toromarika voalohany nomen’i Jesosy ny mpianany, taorian’ny nanombohany ny Fahatsiarovana ny nahafatesany. Hoy izy: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:34, 35) Inona no maha vaovao an’io didy io? Nanazava toy izao i Jesosy taoriana kely tamin’io takariva io ihany: “Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.” (Jaona 15:12, 13) Nandidy ny Isiraelita ho ‘tia ny namany tahaka ny tenany’ ny Lalàn’i Mosesy. (Levitikosy 19:18) Lasa lavitra kokoa anefa ny didin’i Jesosy. Tokony hifankatia toy ny nitiavan’i Kristy azy ireo ny Kristianina, ka ho vonona ho faty ho an’ny rahalahiny mihitsy.

8. a) Inona no dikan’ny hoe fitiavana feno fahafoizan-tena? b) Ahoana no anehoan’ny Vavolombelon’i Jehovah izany fitiavana feno fahafoizan-tena izany ankehitriny?

8 Fotoana mety tsara handinihan-tena ny Fahatsiarovana, na ho an’ny isam-batan’olona izany, na ho an’ny fiangonana. Ho hitantsika amin’izay raha tena ananantsika ilay marika mampiavaka ny Kristianisma marina, dia ny fitiavana toy ny an’i Kristy. Mety hanao vivery ny ainy mba tsy hamadihana ny rahalahiny ny Kristianina, noho io fitiavana feno fahafoizan-tena io, ary efa nisy mihitsy nanao izany. Matetika anefa izy io no midika hoe vonona hampandefitra ny tombontsoantsika isika mba hanampiana sy hanompoana ny rahalahintsika sy ny olon-kafa. Ohatra tsara tamin’izany ny apostoly Paoly. (2 Korintiana 12:15; Filipiana 2:17) Fantatra maneran-tany fa olona mahafoy tena ny Vavolombelon’i Jehovah. Manampy ny rahalahiny sy ny mpiara-monina aminy izy ireo, ary tsy mitsitsy aina mampahafantatra ny fahamarinana ara-baiboly amin’ny mpiara-belona aminy. *Galatiana 6:10.

Fifandraisana tokony hankamamina

9. Faly isika hanao inona mba tsy ho tapaka ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra sy ny Zanany?

9 Tsy misy sarobidy kokoa amintsika noho ny hoe tian’i Jehovah sy Kristy Jesosy Zanany. Tsy maintsy manao zavatra anefa isika vao hahazo sy hahatsapa izany fitiavana izany. Hoy i Jesosy tamin’io alina farany niarahany tamin’ny mpianany io: “Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.” (Jaona 14:21) Noho isika mankamamy ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra sy ny Zanany, dia faly isika mankatò ny didiny. Anisan’izany ilay didy vaovao mba haneho fitiavana feno fahafoizan-tena. Eo koa ilay baikon’i Kristy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia ny “hitory amin’ny olona”, ka hiezaka ‘hanao mpianatra’ ireo manaiky ny vaovao tsara.—Asan’ny Apostoly 10:42; Matio 28:19, 20.

10. Inona avy no fifandraisana sarobidy ananan’ny voahosotra sy ny “ondry hafa”?

10 Taoriana kokoa tamin’io alina io ihany, dia hoy ny navalin’i Jesosy an’i Jodasy (Tadeo), apostoly nahatoky: “Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.” (Jaona 14:22, 23) Manana fifandraisana akaiky sy manokana amin’i Jehovah sy ny Zanany ny Kristianina voahosotra voantso hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra, na dia mbola eto an-tany aza. (Jaona 15:15; 16:27; 17:22; Hebreo 3:1; 1 Jaona 3:2, 24) Eo koa anefa ny “ondry hafa” namany, izay manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany. Raha mankatò koa ireo, dia hanana fifandraisana sarobidy amin’i Jesosy Kristy, ‘Mpiandry iray ihany’, sy i Jehovah Andriamaniny.—Jaona 10:16; Salamo 15:1-5; 25:14.

“Tsy naman’izao tontolo izao hianareo”

11. Inona no fampitandremana nampieritreritra nomen’i Jesosy ny mpianany?

11 Tamin’iny fiarahany farany tamin’ny mpianany, talohan’ny nahafatesany iny, no nanomezan’i Jesosy fampitandremana mampieritreritra. Toy izao izany: Ho halan’ity tontolo ity ny olona tian’Andriamanitra. Hoy izy: “Raha halan’izao tontolo izao hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo. Raha naman’izao tontolo izao hianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman’izao tontolo izao hianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao hianareo. Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa.”—Jaona 15:18-20.

12. a) Nahoana i Jesosy no nampitandrina ny mpianany fa hankahala azy ireo ity tontolo ity? b) Inona no tsara hodinihin’ny tsirairay amin’izao ankatoky ny Fahatsiarovana izao?

12 Nampitandrina toy izany i Jesosy, mba tsy ho kivy ka hiala ireo apostoliny 11 sy ny Kristianina marina hafa rehetra, noho ny fankahalan’ity tontolo ity. Hoy koa izy: “Izany teny izany dia efa nolazaiko taminareo, mba tsy hahatafintohina anareo. Handroaka anareo hiala amin’ny synagoga izy; eny, ho avy ny andro, ka hataon’izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra izy. Ary izany no hataony, satria tsy fantany ny Ray na Izaho.” (Jaona 16:1-3) Hazavain’ny rakibolana iray momba ny Baiboly fa anisan’ny dikan’ilay matoanteny hoe “hahatafintohina” ny hoe “mahatonga olona hanomboka tsy hatoky intsony sy hiala amin’ny olona tokony hitokisany sy hankatoaviny; mahatonga hihataka.” Amin’izao ankatoky ny Fahatsiarovana izao, dia tsara ny hisaintsainan’ny rehetra momba ny fiainan’ireo olona nahatoky fahiny sy ankehitriny, ka hanahafany ny tsy fivadihan’izy ireny tao anatin’ny fisedrana. Aza avela hampiala anao amin’i Jehovah sy Jesosy ny fanoherana sy fanenjehana. Aoka kosa ianao hatoky sy hankatò azy ireo.

13. Inona no nangatahin’i Jesosy ho an’ny mpanara-dia azy fony izy nivavaka tamin-dRainy?

13 Nivavaka toy izao tamin-dRainy i Jesosy, talohan’ny nandaozany ilay efitra ambony tany Jerosalema: “Efa nomeko azy ny teninao; ary halan’izao tontolo izao izy, satria tsy naman’izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao. Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy. Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” (Jaona 17:14-16) Afaka matoky isika fa miaro ireo tiany i Jehovah, ka manatanjaka azy ireo raha mbola mitoetra ho tafasaraka amin’ity tontolo ity izy ireo.—Isaia 40:29-31.

Aza miala amin’ny fitiavan’ny Ray sy ny Zanaka

14, 15. a) Nampitaha ny tenany tamin’inona i Jesosy, ary inona ilay ‘voaloboka ratsy’ nifanohitra taminy? b) Iza no ‘sampan’ilay tena voaloboka’?

14 Tamin’iny alin’ny 14 Nisana iny ihany, i Jesosy dia nampifanohitra ny tenany, izay “tena voaloboka”, tamin’ny ‘voaloboka ratsy’, izany hoe, ny Isiraely tsy nahatoky. Hoy izy: “Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra.” (Jaona 15:1) Taonjato maro talohan’izay, dia nanoratra ireto tenin’i Jehovah ho an’ny vahoakany nivadika ireto ny mpaminany Jeremia: “Izaho namboly anao ho karazam-boaloboka tsara indrindra ... ka ahoana no nanjary sampany ratsy hianao ho voaloboka hafa?” (Jeremia 2:21) Hoy ny nosoratan’ny mpaminany Hosea: “Voaloboka misandrahaka Isiraely, mamoa ho azy izy; ... Mamitaka ny fony.”—Hosea 10:1, 2.

15 Tsy namokatra ny voan’ny fivavahana marina ny Isiraely fa nanjary nivadi-pinoana kosa, ka namoa vokatra ho an’ny tenany ihany. Telo andro talohan’ny nihaonan’i Jesosy farany tamin’ny mpianany nahatoky, dia hoy izy tamin’ny mpitarika jiosy nihatsaravelatsihy: “Lazaiko aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany.” (Matio 21:43) Ny “Isiraelin’Andriamanitra” voaforon’ny Kristianina voahosotra 144 000 io firenena vaovao io. Toy ny ‘sampana’ izy ireo, eo amin’ilay “tena voaloboka”, dia i Kristy Jesosy.—Galatiana 6:16; Jaona 15:5; Apokalypsy 14:1, 3.

16. Inona no nampirisihan’i Jesosy hataon’ny apostoliny 11 nahatoky, ary inona no azo lazaina momba ny sisa mahatoky amin’izao andro farany izao?

16 Hoy i Jesosy tamin’ireo apostoly 11 niaraka taminy tao amin’ilay efitra ambony: “Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny, mba hamoa bebe kokoa. Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin’ny voaloboka izy, dia toy izany koa hianareo, raha tsy miray amiko.” (Jaona 15:2, 4) Asehon’ny tantara maoderin’ny vahoakan’i Jehovah fa tsy nisaraka tamin’i Kristy Jesosy, Filohany, ny sisa mahatoky amin’ny Kristianina voahosotra. (Efesiana 5:23) Nanaiky hodiovina sy horantsanana izy ireo. (Malakia 3:2, 3) Nitondra vokatr’ilay Fanjakana maro be izy ireo nanomboka tamin’ny 1919. Ireo Kristianina voahosotra hafa no voalohany tamin’izany, ary ny “olona betsaka” namany tsy mitsaha-mitombo nanomboka tamin’ny 1935.—Apokalypsy 7:9; Isaia 60:4, 8-11.

17, 18. a) Tenin’i Jesosy inona no manampy ny voahosotra sy ny ondry hafa tsy hiala amin’ny fitiavan’i Jehovah? b) Nahoana no hanampy antsika ny fanatrehana ny Fahatsiarovana?

17 Mihatra amin’ny Kristianina voahosotra rehetra sy ny namany ireto tenin’i Jesosy ireto: “Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro hianareo. Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin’ny fitiavako hianareo. Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy ny itoerako amin’ny fitiavany.”—Jaona 15:8-10.

18 Ny faniriantsika tsy hiala amin’ny fitiavan’Andriamanitra no manosika antsika ho tonga Kristianina mamokatra. Manao izany isika raha manararaotra ny fahafahana rehetra hitory ny ‘filazantsaran’ilay fanjakana.’ (Matio 24:14) Manao araka izay fara herintsika koa isika mba hanehoana ny “vokatry ny fanahy” eo amin’ny fiainantsika manokana. (Galatiana 5:22, 23) Hanamafy ny fahatapahan-kevitsika hanao izany ny fanatrehana ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, satria hampahatsiahivina isika fa tena tia antsika Andriamanitra sy i Kristy.—2 Korintiana 5:14, 15.

19. Inona no fanampiana hafa horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Nampanantena i Jesosy, taorian’ny nanombohany ny Fahatsiarovana, fa handefasan’ny Rainy “Mpananatra, dia ny Fanahy Masina” ny mpanara-dia azy mahatoky. (Jaona 14:26) Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe amin’ny fomba ahoana no anampian’io fanahy io ny voahosotra sy ny ondry hafa tsy hiala amin’ny fitiavan’i Jehovah.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Manomboka aorian’ny filentehan’ny masoandro ny alakamisy 28 Martsa ny 14 Nisana amin’ity taona 2002 ity, raha atao ny kajy ara-baiboly. Hiara-mankalaza ny nahafatesan’i Jesosy Kristy Tompo ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany amin’io takariva io.

^ feh. 8 Jereo ny toko faha-19 sy faha-32 amin’ny boky Ny Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra (frantsay), navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Fanontaniana ho Famerenana

• Inona no lesona azo ampiharina nomen’i Jesosy ny mpianany momba ny fanompoana amim-pitiavana?

• Mety tsara handinihan-tena momba ny inona ny fotoan’ny Fahatsiarovana?

• Nahoana no tsy tokony hampiala antsika ny fampitandreman’i Jesosy momba ny fankahalana sy fanenjehan’ity tontolo ity?

• Iza ilay “tena voaloboka”? Iza no “sampany” ary inona no antenaina amin’izy ireo?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Nomen’i Jesosy lesona tsy hay hadinoina momba ny fanompoana amim-pitiavana ny apostoliny

[Sary, pejy 16, 17]

Mankatò ny didin’i Kristy hampiseho fitiavana feno fahafoizan-tena ny mpianany