Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Mbola mihatra tanteraka amin’ny Kristianina ve ny Lalàn’i Mosesy momba ny fanambadian’ny mpihavana akaiky?

Tsy miresaka firy mahakasika ny fombafomba amin’ny fampakaram-bady ny Lalàna nomen’i Jehovah ny Isiraely. Misy karazana fanambadiana rarany kosa anefa. Misy lisitra momba ny firaisana voarara, ohatra, ao amin’ny Levitikosy 18:6-20, ka anisan’izany ny amin’ny ‘havana akaiky.’ Lazain’io andinin-teny io mazava tsara hoe iza avy ireo mpihavana akaiky tsy tokony hanao firaisana. Mazava ho azy fa tsy eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy na voafehin’ny didiny intsony ny Kristianina. (Efesiana 2:15; Kolosiana 2:14) Izany anefa tsy midika hoe tsy miraharaha azy io ny Kristianina rehefa mifidy vady. Antony maro no mahatonga izany.

Voalohany aloha, dia misy lalàna ara-panjakana mifehy ny fanambadiana havana akaiky, ary didiana hanaiky ny lalàn’ny tany misy azy ny Kristianina. (Matio 22:21; Romana 13:1) Mazava ho azy fa samy hafa, arakaraka ny tany, ireny lalàna ireny. Antony ara-pahasalamana no tena iorenan’ny ankamaroan’ny lalàna toy ireny. Fantatra tsara mantsy fa mety hiteraka zaza sampona na marary ny mpihavana akaiky raha mivady. Mankatò ny lalàna momba ny fanambadiana àry ny Kristianina, noho izany antony izany, sy noho ny ‘fanekeny ny fahefana lehibe.’

Manaraka izany koa, dia misy zavatra azo ekena sy tsy azo ekena eo amin’ny fiaraha-monina. Saika ny kolontsaina rehetra no manana fitsipika sy fombafomba mandrara ny fanambadian’ny mpihavana akaiky. Heverina ho maharikoriko izany fanambadiana izany matetika, ka noho izany dia fady. Miovaova arakaraka ny kolontsaina ny atao hoe olom-pady. Lazain’ny Rakipahalalana Britannica (anglisy) anefa fa “mahery kokoa ilay fandrarana ary fady kokoa ny firaisana ataon’ny olona roa, raha akaiky kokoa ny fatoran’ny ra misy eo amin’izy ireo.” Mitandrina àry ny Kristianina mba tsy hanala baraka ny fiangonana na ny anaran’Andriamanitra. Na tsy olom-pady aza ilay hovadiny, dia tsy tiany ny tsy hiraharaha tanteraka ny fombafomba neken’ny fiaraha-monina, na hanao izay hanafintohina ny manodidina.—2 Korintiana 6:3.

Tsy azo atao ambanin-javatra koa ny feon’ny fieritreretana nomen’Andriamanitra. Voajanahary amin’ny olona rehetra ny fahatsapana izay marina sy diso, na izay tsara sy ratsy. (Romana 2:15) Mahafantatra izay ara-dalàna sy mety, na izay maharikoriko sy manafintohina, ny feon’ny fieritreretana raha mbola tsy simba na donto noho ny zava-dratsy natao. Nanipy teny kely momba izany i Jehovah rehefa nanome ny lalàny mahakasika ny fanambadiana olom-pady. Izao no vakintsika: “Aza manao araka ny fanaon’ny tany Egypta, izay nonenanareo; ary aza manao araka ny fanaon’ny tany Kanana, izay ampidirako anareo, ary aza manaraka ny fombany.” (Levitikosy 18:3) Sarobidy amin’ny Kristianina ny feon’ny fieritreretany miorina amin’ny Baiboly, ka tsy avelany ho simban’ny fiheveran-diso momba ny tsara sy ny ratsy eo amin’izao tontolo izao.—Efesiana 4:17-19.

Inona àry no hevitra azontsika tsoahina avy amin’izany? Na dia tsy eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy aza ny Kristianina, dia lazain’ny feon’ny fieritreretany mazava tsara aminy fa voarara tanteraka ny fanambadian’ny mpihavana akaiky, toy ny ray sy ny zanakavavy, ny reny sy ny zanakalahy, ary ny mpianadahy. * Raha amin’ny havana lavitra kokoa anefa ilay fanambadiana dia ankatoavin’ny Kristianina ny lalàna ara-panjakana mifehy ny fanambadiana ara-dalàna, ary koa ny fitsipika azo ekena eo amin’ny kolontsaina sy ny fiaraha-monina. Tokony hodinihina lalina ireo lafin-javatra ireo mba hanarahana ilay tenin’ny Soratra Masina hoe: “Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana.”—Hebreo 13:4.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Ny Fiheverana Kristianina Mikasika ny Fanambadiana Havana Akaiky”, nivoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 1978, pejy 7, 8.