Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hendry koa Izy Ireo

Hendry koa Izy Ireo

Hendry koa Izy Ireo

“HOY ny ohabolana nizerianina iray: “Hendry ny olon-dehibe, fa mba hendry koa ny ankizy.” Hitan’i Edwin, anti-panahy kristianina any Nizeria, fa marina izany.

Nahita boaty vy tao ambany latabany tao an-trano i Edwin, indray andro.

Nanontany ny zanany telo izy hoe: “An’iza ity?”

“Ahy iny”, hoy ny navalin’i Emmanuel, valo taona. Nanohy ny teniny haingana izy hoe fasiany fanomezana ho an’ny asa maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay boaty efamira vy harafesina, mirefy 12 santimetatra toradroa, ary misy lavaka kely eo amboniny. Nanazava izy hoe: “Izaho tsinona tsy mankany amin’ny Efitrano Fanjakana isan’andro, dia nanamboatra boaty aho hametrahako ny volako tsy hividianako zavatra.”

Nanana boaty fanangonana vola mba handehanana any amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra isan-taona ny dadan’i Emmanuel. Nisy tarehin-javatra nilana vola maika anefa ka nampiasaina ilay izy. Tsy tian’i Emmanuel hampiasaina amin-javatra hafa anefa ny vola hataony fanomezana, ka nitondra vifotsy efa tonta tany amin’ny mpanefy izy mba hohidiana. Nanamboaran’ilay mpanefy boaty vita tamin’ny tapa-by i Emmanuel, rehefa fantany ny nilany an’ilay vifotsy. Nampanamboatra boaty koa i Michael, dimy taona, zandrin’i Emmanuel.

Gaga i Edwin ka nanontany azy ireo hoe nahoana no nampanamboatra boaty izy ireo. Namaly i Michael hoe: “Te hanao fanomezana aho!”

Nitahiry ny ampahan’ny volany tokony hividianany zavatra, tao anatin’ireo boaty i Emmanuel sy i Michael ary i Uchei anabaviny, sivy taona, nefa tsy fantatry ny ray aman-drenin’izy ireo akory izany. Taiza no nahitan’izy ireo an’izany hevitra izany? Nampianarin’ny ray aman-dreniny nandatsaka vola tao amin’ny boaty ho an’ny fanomezana, any amin’ny Efitrano Fanjakana, izy ireo, raha vao nahay nitazona vola. Tena voarain’ireo ankizy tokoa ilay fampianarana.

Novakina ireo boaty rehefa feno. Nahatratra 3,13 dolara (20 000 FMG eo ho eo) ny fitambaran’ireo vola. Tsy kely izany satria an-jato dolara vitsivitsy monja ny karaman’ny olona iray isan-taona any amin’io tany io. Natao hanohanana ny asa fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany 235 izany fanomezana an-tsitrapo izany.