Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona Marina no Atao hoe Fahadiovana?

Inona Marina no Atao hoe Fahadiovana?

Inona Marina no Atao hoe Fahadiovana?

MAHAMENATRA ny fahalotoana nisy tany Eoropa sy Etazonia nandritra ny taonjato faha-18 sy faha-19, ka izany no nahatonga ny misionera tamin’izany fotoana izany hitory ny “fahadiovana.” Nampitovin’izy ireo tamin’ny fahotana ny fahalotoana, fa nolazainy kosa hoe mampanakaiky ny olona amin’Andriamanitra ny fahadiovana. Izany angamba no nampahalaza ilay fitenenana hoe: “Ny fahadiovana no manarakaraka ny fitiavana an’Andriamanitra.”

Nandray io fomba fijery io koa ny Tafiky ny Famonjena, naorin’i William sy Catherine Booth. Nilaza ny boky Fahasalamana sy Fitsaboana Araka ny Lovantsofina Evanjelika (anglisy), fa anisan’ny teny filamatra voalohany nampiasain’izy ireo ny hoe: “Savony sy Lasopy ary Famonjena.” Tatỳ aoriana, dia noporofoin’i Louis Pasteur sy ny manam-pahaizana hafa tsara fa miteraka aretina ny bakteria. Sady nampirisika ny olona hikaroka fomba hanatsarana ny fahasalamam-bahoaka izany, no natao fototry ny fikarohana siantifika koa.

Ireto avy no anisan’ny fepetra noraisina avy hatrany: Tsy notakina hanoroka ny Baiboly intsony ny vavolombelona tany amin’ny fitsarana, tsy nitambatra kaopy intsony koa ny tany an-tsekoly sy tany amin’ny gara. Tsy kalisy iray intsony no nampiasaina tamin’ny fotoam-pivavahana, fa nomena kaopy ny tsirairay. Tena nampiova ny fiheveran’ny olona ny fahadiovana tokoa ireny mpiaro ny fahadiovana ireny. Izany indrindra no nahatonga ny mpanoratra iray hilaza fa nanjary “niraiki-pitia tamin’ny fahadiovana” ny olona.

Toa tsy lalim-paka anefa io ‘fitiavana’ io. Tsy ela dia novan’ny mpivarotra ho fitaovana fanatsarana bika ny savony tsotra. Tsara lahatra erỳ ny dokam-barotra sasany, ka nahatonga ny mpividy hihevitra fa raha mampiasa ilay fitaovam-panadiovana nanaovana dokam-barotra izy, dia ho lasa ambony kokoa ary hitsiriritra azy ny olona. Mampaharitra io nofinofy io ny televiziona. Mahalana ireo olona tafita sy manintona aseho eo amin’ny dokam-barotra sy ny tantara mitohy no hita manadio trano, mamafa tokotany, mitsimpona fako, na mandraoka ny maloton’ny sakany na ny alikany.

Misy koa manjohy hevitra hoe ny mandeha miasa no ahafahana mivelona, fa tsy ahazoam-bola kosa ny manao raharaha ao an-trano. Koa nahoana, hono, izy no hikarakara ny tontolo iainana, nefa tsy hahazo ariary amin’izany? Izany, ohatra, no nahatonga ny olona sasany ankehitriny hieritreritra fa ny vatana ihany no tokony hadio.

Fiheveran’Andriamanitra ny fahadiovana

Tena nanatsara ny toe-piainana tokoa ireny ezaka natao ireny mba hampianarana ny olona hadio. Izany no izy satria ny fahadiovana dia toetra avy amin’i Jehovah Andriamanitra izay sady madio no masina. Ampianariny antsika fa hahita soa isika, raha masina sy madio amin’ny lafiny rehetra.—Isaia 48:17; 1 Petera 1:15.

Ohatra tsara hotahafina i Jehovah Andriamanitra amin’io lafiny io. Mampiharihary ny fahadiovana sy ny toetra hafa tsy hita maso ananan’Andriamanitra ny zavatra hita maso noforoniny. (Romana 1:20) Hitantsika fa tsy mba maharitra ny loto avy amin’ny zavaboary. Mahagaga ny tany satria manadio ny tenany, amin’ny alalan’ireo tsingerina eo amin’ny zavaboary maro be eo aminy. Natao mba hananan’ny olona fiainana madio sy mahasalama ny tany. Mpamorona tia fahadiovana ihany no afaka manao zavatra madio toy izany. Hitantsika avy amin’izany fa tokony hadio amin’ny lafiny rehetra ny mpivavaka amin’Andriamanitra.

Lafiny efatra amin’ny fahadiovana

Faritan’ny Baiboly ireo lafiny efatra amin’ny fahadiovana, tokony hilofosan’ny mpivavaka amin’Andriamanitra. Andeha hodinihintsika tsirairay izy ireo.

Ara-panahy. Azo lazaina fa io no fahadiovana lehibe indrindra, satria mifandray amin’izy io ny fanantenan’ny olona iray hiaina mandrakizay. Io lafiny iray io anefa matetika no ataon’ny olona tsirambina indrindra. Ny olona madio ara-panahy, raha tsorina, dia tsy mihoatra mihitsy ilay fefy nofaritan’Andriamanitra, manasaraka ny fivavahana marina sy diso, satria maloto eo anatrehan’Andriamanitra ny karazana fivavahan-diso rehetra. Hoy ny apostoly Paoly: “Mivoaha eo aminy hianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, ary aza manendry izay zavatra tsy madio; ary Izaho dia handray anareo.” (2 Korintiana 6:17) Mazava tsara koa izao tenin’i Jakoba mpianatra izao: “Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ... ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao.”—Jakoba 1:27.

Nasehon’Andriamanitra tsara fa tsy tiany hampifangaroina ny fivavahana marina aminy sy ny fivavahan-diso. Mampiasa sampy sy andriamanitra maharikoriko ary fombafomba maloto ny fivavahan-diso matetika. (Jeremia 32:35) Noho izany, dia ampirisihina mafy ny Kristianina marina, mba tsy hitsabaka mihitsy amin’ny fombafomba rehetran’ny fivavahan-diso.—1 Korintiana 10:20, 21; Apokalypsy 18:4.

Ara-pitondran-tena. Navahan’Andriamanitra mazava tsara koa ny madio sy ny maloto amin’io lafiny io. Lasa mitovy amin’izao voalazan’ny Efesiana 4:17-19 izao ny fitondran-tenan’ny olona eo amin’izao tontolo izao: “Maizin-tsaina sy olon-ko azy amin’ny fiainan’Andriamanitra ireny ... dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin’ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin’ny fieremana.” Miseho amin’ny endriny maro, mivantana na an-kolaka, io fisainana maloto io, ka mila mitandrina ny Kristianina.

Fantatr’ireo tia an’Andriamanitra fa fandikana ny fitsipik’i Jehovah momba ny fahadiovana ara-pitondran-tena ny fivarotan-tena, ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, ny firaisana alohan’ny fanambadiana, ary ny boky sy sary vetaveta. Fahita eo amin’ny tontolon’ny fialam-boly sy ny lamaody anefa ireny fanao ireny. Tsy maintsy mitandrina àry ny Kristianina mba tsy hanana fironana toy izany. Sady misarika ny sain’ny hafa tsy amin’ny antony amin’ny vatana ny olona iray, no mivaona amin’ny fitondran-tena madio, raha manao akanjo fohy kely sy mampihanjahanja, any amin’ny fivoriana kristianina na any amin’ny fiaraha-mikorana. Sady mitondra toe-tsaina maloto avy amin’izao tontolo izao ho eo anivon’ny Kristianina ny olona iray miakanjo toy izany, no mety hahatonga ny hafa hanana eritreritra maloto koa. Mila miezaka mafy mba haneho ny “fahendrena izay avy any ambony” ny Kristianina amin’io lafiny io.—Jakoba 3:17.

Ara-tsaina. Tsy tokony hitahiry eritreritra maloto isika any an-tsaintsika lalina any. Nampitandrina momba ny eritreritra maloto i Jesosy rehefa nilaza hoe: “Izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.” (Matio 5:28; Marka 7:20-23) Ireo teny ireo koa dia mihatra amin’ny fijerena sary sy filma vetaveta, amin’ny famakiana fitantarana firaisana maharikoriko, ary amin’ny fihainoana tonon-kira mamoafady. Tsy maintsy miezaka àry ny Kristianina mba tsy handoto ny tenany amin’ny eritreritra maloto, izay mety hitarika azy hanao zavatra na teny maloto, na tsy masina.—Matio 12:34; 15:18.

Ara-batana. Mampifandray akaiky ny fahamasinana sy ny fahadiovan’ny vatana ny Baiboly. Nilaza toy izao, ohatra, i Paoly: “Ry malala, aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.” (2 Korintiana 7:1) Tokony hiezaka àry ny Kristianina marina, mba hadio sy hilamina tsara foana ny vatany sy ny tranony ary ny manodidina azy. Tokony hanao araka izay fara heriny izy mba hadio sy ho azo jerena, na dia any amin’ny faritra tsy misy rano firy aza.

Tsy mifoka sigara sady tsy mihinam-paraky ny olona madio, ary tsy miboboka toaka sy tsy midoroka zava-mahadomelina koa, satria mandoto sy manimba ny vatana izany. Nankafy ny fofona manitra tamin’ny fitafian’ilay vehivavy solemita ilay mpiandry ondry, ao amin’ny Tonon-kiran’i Solomona. (Tonon-kiran’i Solomona 4:11) Mampiseho fitiavana isika raha miahy ny fahadiovan’ny tenantsika, satria tsy te hampiely fofona ratsy any amin’ireo manodidina antsika. Mety hahafinaritra ny ranomanitra, nefa tsy mahasolo ny fandroana tsy tapaka sy ny fitafiana madio akory.

Mahaiza mandanjalanja

Mety ho lasa lavitra loatra ny olona eo amin’ny resaka fahadiovana. Raha diso mafana fo amin’ny fahadiovana isika, ohatra, dia mety tsy hahita fifaliana amin’ny fiainana intsony. Mety handany fotoana sarobidy koa izany. Mety handany vola anefa ny famerenana amin’ny laoniny ny trano maloto sy tsy voakojakoja. Mila mampifandanja an’ireo fihetsika ireo isika, mba hihazonana ny tranontsika ho madio sy azo jerena.

Hazony ho tsotra ny tranonao. Sarotra ny manadio trano na efitra feno korontan’entana, ary mety tsy ho mora hita ny loto amin’ny toerana be entana toy izany. Kely kokoa ny fotoana lany hanadiovana trano tsotra, tsy be entana. Mampirisika mafy ny fomba fiaina tsotra ny Baiboly: “Raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany.”—1 Timoty 6:8.

Hazony ho milamina izy io. Samy tompon’andraikitra amin’ny fahadiovan’ny trano iray izay rehetra mipetraka ao. Ny efitrano mikorontana no mahatonga ny trano hikorontana. Milamina ny trano rehefa eny amin’ny toerany avy ny zavatra rehetra. Tsy tokony ho eny amin’ny tany, ohatra, no toeran’ny lamba maloto. Mety hampidi-doza mihitsy aza ny kilalao sy ny fitaovana miparitaka etsy sy eroa. Ny tsy fahazarana mampirina, matetika, no ahitan-doza ao an-tokantrano.

Mazava àry fa tsy azo sarahina ny fahadiovana sy ny fomba fiaina kristianina. Nampifandray ny fomba fiaina araka an’Andriamanitra tamin’ny “Làlan’ny fahamasinana” ny mpaminany Isaia. Mampisaintsaina koa ilay teniny hoe: “Tsy mba handia izany ny tsy madio.” (Isaia 35:8) Eny, ny fiezahantsika dieny izao mba ho zatra mitandro ny fahadiovana, dia manaporofo tsara fa inoantsika ny fampanantenan’Andriamanitra hoe tsy ho ela dia hovany ho paradisa madio ny tany. Hidera an’i Jehovah Andriamanitra ny olon-drehetra manerana ity tany tsara tarehy ity amin’izay, satria hanaraka an-tsakany sy an-davany an’ireo fitsipiny lavorary momba ny fahadiovana.—Apokalypsy 7:9.

[Sary, pejy 6]

Samy tompon’andraikitra amin’ny fahadiovan’ny trano iray izay rehetra mipetraka ao

[Sary, pejy 7]

Mahagaga ny tany satria manadio ny tenany