Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandraisa Fianarana avy Amin’i Nikodemosy

Mandraisa Fianarana avy Amin’i Nikodemosy

Mandraisa Fianarana avy Amin’i Nikodemosy

“RAHA misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handa ny tenany, dia hitondra ny hazo fijaliany isan-andro ka hanaraka Ahy.” (Lioka 9:23) Nisy mpanarato nanetry tena sy mpamory hetra, nanaiky an-tsitrapo an’io fanasana io. Navelany daholo ny zava-drehetra, ka lasa izy ireo nanaraka an’i Jesosy.—Matio 4:18-22; Lioka 5:27, 28.

Mbola re foana io antson’i Jesosy io ankehitriny, ary maro no namaly izany. Misy anefa olona faly mianatra Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, saingy miahotra ‘handa ny tenany ka hitondra ny hazo fijaliany.’ Tsy vonona izy ireo handray ny andraikitra sy ny tombontsoa amin’ny maha mpianatr’i Jesosy.

Inona àry no mampisalasala ny olona sasany hanaiky ny fanasan’i Jesosy sy hanolo-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra? Marina fa raha tsy notezaina tamin’ny finoana jiosy na kristianina ny olona iray, dia mety ho elaela vao ho takany tsara fa tena misy Mpamorona tsitoha iray. Misy anefa efa resy lahatra fa tena misy Andriamanitra, nefa, mahita fialan-tsiny foana tsy hanarahana ny dian’i Jesosy. Matahotra angamba izy ireo sao tsy ho tian’ny havany sy ny namany, raha lasa Vavolombelon’i Jehovah. Ny sasany mety hanadino fa mahadodona ny fotoana iainantsika, ka lasa variana mitady laza sy harena. (Matio 24:36-42; 1 Timoty 6:9, 10) Na ahoana na ahoana anefa dia andraisana fianarana tsara ny tantaran’i Nikodemosy mpanapaka jiosy nanankarena, tamin’ny andron’i Jesosy, indrindra fa ho an’ireo mangataka andro lava amin’ny fanapahan-kevitra ho tonga mpanara-dia an’i Jesosy.

Nomena fahafahana mahatalanjona

Vao nanomboka enim-bolana ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany, dia efa niaiky i Nikodemosy fa “mpampianatra avy amin’Andriamanitra” izy. Nampiaiky azy ny fahagagana nataon’i Jesosy vao haingana tany Jerosalema, tamin’ny Paska taona 30 am.f.i. Tonga àry izy, tamin’ny alina, mba hampiseho ny finoany an’i Jesosy sy hianatra bebe kokoa momba an’io mpampianatra io. Tamin’izay i Jesosy no nilaza taminy fahamarinana sarotra, momba ny hoe tsy maintsy “ateraka indray” ny olona vao mahazo miditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nilaza koa i Jesosy hoe: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”—Jaona 3:1-16.

Tombontsoa mahatalanjona no nivelatra teo anatrehan’i Nikodemosy! Ho afaka niara-niasa akaiky tamin’i Jesosy sy nahita tsara ny fomba fiainan’i Jesosy teto an-tany izy. Mpitondra jiosy i Nikodemosy sady mpampianatra teo amin’ny Isiraely, ka fantany tsara ny Tenin’Andriamanitra. Hita koa fa tena kinga saina izy, satria fantany avy hatrany fa mpampianatra nirahin’Andriamanitra i Jesosy. Tia zavatra ara-panahy koa i Nikodemosy, ary vitsy ny olona nanetry tena toa azy. Sarotra tamin’ny mpikambana tao amin’ny fitsarana tampony jiosy tokoa ny hanaiky hoe izay zanaka mpandrafitra iny ve dia nirahin’Andriamanitra. Tena ilaina daholo izany toetra tsara rehetra izany mba hahatongavana ho mpianatr’i Jesosy.

Toa tsy nihalefy mihitsy ny fahalianan’i Nikodemosy tamin’iny lehilahy avy any Nazareta iny. Roa taona sy tapany tatỳ aoriana, dia nanatrika fivorian’ny Synedriona, nandritra ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsan-kazo i Nikodemosy. Mbola anisan’ny Synedriona i Nikodemosy tamin’izany. Nandefa iraka hisambotra an’i Jesosy ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo. Niverina ireo iraka, ary nilaza hoe: “Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany.” Nanambany azy ireo ny Fariseo ka nilaza hoe: “Hianareo koa va voafitaka? Moa misy mpanapaka na Fariseo mba nino Azy? Fa voaozona ireto vahoaka ireto, izay tsy mahalala ny lalàna.” Tsy naharitra intsony i Nikodemosy ka niteny hoe: “Moa manameloka olona va ny lalàntsika, raha tsy mbola mihaino azy aloha ka mahafantatra izay nataony?” Izy indray avy eo no nokianin’ireo Fariseo hafa, hoe: “Hianao koa angaha mba avy any Galilia? Diniho, dia ho hitanao fa tsy mba misy mpaminany avy any Galilia.”—Jaona 7:1, 10, 32, 45-52.

Enim-bolana teo ho eo tatỳ aoriana, tamin’ny Andro Paska taona 33 am.f.i., dia hitan’i Nikodemosy ny nanesorana ny fatin’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana. Nampiany i Josefa avy any Arimatia, anisan’ny Synedriona koa, hanomana ny fatin’i Jesosy halevina. Izany no nitondran’i Nikodemosy “miora sy hazo manitra”, milanja 100 livatra eo ho eo, izany hoe 33 kilao. Vola be vao nahazo an’izany! Nila natanja-tsaina koa izy raha nantsoin’ny olona hoe “mpamitaka”, satria toy izany no niantsoan’ny Fariseo namany an’i Jesosy. Nomanin’izy ireo haingana mba halevina ny fatin’i Jesosy, ary napetrany tao amin’ny fasana vaovao, teo akaiky teo. Mbola tsy anisan’ny mpianatry Jesosy foana anefa i Nikodemosy, tamin’izany fotoana izany!—Jaona 19:38-42; Matio 27:63; Marka 15:43.

Nahoana izy no tsy nanao zavatra?

Tsy nambaran’i Jaona ny nahatonga an’i Nikodemosy hitady fialan-tsiny, tsy ‘hitondrana ny hazo fijaliana’ sy hanarahana ny dian’i Jesosy. Nilaza zavatra sasany mety hanazava ny antony tsy nahatapa-kevitra an’io Fariseo io, anefa izy.

Noresahin’i Jaona aloha, voalohany indrindra, fa ‘tonga tao [amin’i Jesosy] tamin’ny alina’ io mpitondra jiosy io. (Jaona 3:2) Misy manam-pahaizana momba ny Baiboly milaza hoe: “Tonga tamin’ny alina i Nikodemosy, tsy noho ny tahotra akory, fa mba tsy hahatonga ny vahoaka hanelingelina azy rehefa manontany an’i Jesosy izy.” Rehefa niresaka momba an’i Nikodemosy anefa i Jaona, dia nolazainy hoe “ilay nankao amin’i [Jesosy] nony alina tamin’ny voalohany”, ary eo ambony kely fotsiny izy dia niresaka momba an’i Josefa avy any Arimatia, ka nilaza azy hoe ‘mpianatr’i Jesosy, nefa, tamin’ny mangingina ihany noho ny fahatahorany ny Jiosy.’ (Jaona 19:38, 39) Mety ho noho ny “fahatahorany ny Jiosy” àry no nahatonga an’i Nikodemosy hankany amin’i Jesosy tamin’ny alina; toy ny olon-kafa koa izay natahotra nifandray tamin’i Jesosy, tamin’ny androny.—Jaona 7:13.

Mangataka andro ve ianao fa tsy mety ho tonga mpianatr’i Jesosy, satria efa fantatrao izay holazain’ny havanao, sy ny namanao ary ny mpiara-miasa aminao? Misy ohabolana manao hoe: “Mamandrika ny tahotra olona.” Ahoana no handresenao izany tahotra izany? Manohy ilay ohabolana hoe: “Fa izay matoky an’i Jehovah no hovonjena.” (Ohabolana 29:25) Ianao mihitsy no tokony hahatsapa fa manampy anao ao anatin’ny fahoriana Andriamanitra, amin’izay dia afaka matoky azy ianao. Mivavaha amin’i Jehovah, ary mangataha aminy mba hanome anao herin-tsaina hanaovana fanapahan-kevitra, eny fa na dia ireo fanapahan-kevitra madinika mahakasika ny fivavahanao aza. Amin’izay dia hitombo tsikelikely ny finoanao sy ny fatokisanao an’i Jehovah, mandra-pahatonganao ho afaka manao fanapahan-kevitra lehibe mifanaraka amin’ny sitrapony.

Mety ho nisakana an’i Nikodemosy hanapa-kevitra handa ny tenany koa ny toerany sy ny lazany noho izy tao amin’ny fitondrana. Angamba izy tamin’izany, mbola nifikitra mafy tamin’ny toerany tao amin’ny Synedriona. Miahotra ve ianao hanao zavatra mba ho tonga mpanara-dia an’i Jesosy, sao dia hamoy toerana manan-kaja eo amin’ny fiaraha-monina, na tsy maintsy hanao sorona ny toerana ambony sasany mety ho azonao? Tsy misy dikany daholo izany, raha ampitahaina amin’ny haja amam-boninahitra amin’ny fanompoana an’ilay Avo Indrindra eo amin’izao rehetra izao, Ilay vonona hanome fahafaham-po amin’izay angatahinao, raha mifanaraka amin’ny sitrapony.—Salamo 10:17; 83:18; 145:18.

Mbola mety ho antony nahatonga an’i Nikodemosy hangataka andro koa ny harenany. Voatarika ho “fatra-pitia vola” toa an’ireo Fariseo namany koa angamba izy. (Lioka 16:14) Nanankarena tokoa izy, matoa afaka nividy miora sy hazo manitra lafo vidy be. Misy olona koa ankehitriny, manahy ny amin’ny fananany ka mangataka andro amin’ny fanapahan-kevitra handray andraikitra kristianina. Nananatra ny mpanara-dia azy anefa i Jesosy hoe: “Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. ... Fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.”—Matio 6:25-33.

Namoy zavatra be dia be izy

Mahavariana fa tsy voalaza ao amin’ny tantaran’i Nikodemosy, izay ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona ihany no ahitana azy, raha lasa mpanara-dia an’i Jesosy izy na tsia. Lazain’ny lovantsofina anefa, fa niandany ampahibemaso tamin’i Jesosy i Nikodemosy ka natao batisa; nenjehin’ny Jiosy izy, naongana tamin’ny toerany ary noroahina tao Jerosalema tamin’ny farany. Na ahoana na ahoana anefa, dia izao ihany no azo antoka: Namoy zavatra be dia be izy, satria nangataka andro lava raha mbola tetỳ an-tany i Jesosy.

Nety ho lasa mpianatra akaiky an’i Jesosy i Nikodemosy, raha mba nanomboka nanara-dia azy tamin’ny fotoana nihaonany voalohany tamin’ny Tompo. Nety ho lasa mpianatra niavaka izy raha dinihina ny fahalalany, hakingan-tsainy, fanetren-tenany ary ny fahafantarany fa ilaina ny zavatra ara-panahy. Ho afaka nihaino ireo lahateny mampitolagaga nataon’i Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe, tokoa izy, ho afaka nandray fianarana avy tamin’ny fanoharana nataony, nanatri-maso ny fahagagana mahavariana nataony, nahazo tanjaka tamin’ny anatra nomeny ny apostoliny. Tsy nahazo an’izany rehetra izany anefa izy.

Tsy tapa-kevitra i Nikodemosy, ka namoy zavatra be dia be. Anisan’izany ilay fanasana tamim-pitiavana avy amin’i Jesosy, manao hoe: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa [hamelombelona anareo aho]. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po aho; dia hahita [famelombelomana] ho an’ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.” (Matio 11:28-30) Tsy afaka nahazo an’io famelombelomana io, nivantana avy tamin’i Jesosy, i Nikodemosy!

Ary ianao?

Manatrika any an-danitra izao i Jesosy Kristy, hatramin’ny 1914, amin’ny maha Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nolazainy mialoha izay hitranga mandritra ny fanatrehany, ka anisan’izany ity: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14) Tsy maintsy vitaina ny asa fitoriana maneran-tany, izay vao ho tonga ny farany. Faly i Jesosy Kristy fa misy olona tsy lavorary mandray anjara amin’izany. Afaka mandray anjara amin’io asa io koa ianao.

Niaiky i Nikodemosy fa avy tamin’Andriamanitra i Jesosy. (Jaona 3:2) Angamba ianao nanatsoaka hevitra toy izany koa rehefa nianatra Baiboly. Mety ho nanova ny fomba fiainanao hifanaraka amin’ny fitsipiky ny Baiboly ianao. Manatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah aza angamba ianao, mba hahazoana fahalalana ara-baiboly bebe kokoa. Mendri-koderaina ianao noho izany ezaka izany. Tsy ampy anefa ny fieken’i Nikodemosy hoe nirahin’Andriamanitra i Jesosy. Nila nanao zavatra mihoatra noho izany izy. Nilainy ny ‘nanda ny tenany, ka nitondra ny hazo fijaliany isan’andro, ary nanaraka [an’i Jesosy] hatrany.’—Lioka 9:23.

Raiso am-po ny tenin’ny apostoly Paoly amintsika, raha nanoratra izy hoe: “Mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay, ka mananatra anareo mba tsy hamela ho very maina ny fahasoavana voarainareo taminy. Fa hoy Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina hoe: “Tamin’ny fotoana nanehoako fanambinana, dia nihaino anao Aho; ary tamin’ny androm-pamonjena dia tonga namonjy anao Aho.” Indro, ankehitriny no fotoana hanehoan’Andriamanitra ny fanambinany; indro, ankehitriny no androm-pamonjena.”—2 Korintiana 6:1, 2; Dikan-teny Iombonana Eto Madagasikara.

Izao no fotoana hampitomboana ny finoana izay manosika anao hanao zavatra. Mba hahavitana izany, dia saintsaino izay ianaranao avy ao amin’ny Baiboly. Mivavaha amin’i Jehovah ary mangataha ny fanampiany mba hahafahanao hampiseho finoana toy izany. Hitombo ny fitiavanao sy ny fankasitrahanao azy, raha hitanao fa manampy izy. Izany no hanosika anao ‘handa tena ka hitondra ny hazo fijaliana isan’andro ary hanaraka an’i Jesosy hatrany.’ Hanao zavatra amin’izay ve ianao izao?

[Sary, pejy 9]

Sahy niandany tamin’i Jesosy i Nikodemosy tamin’ny voalohany

[Sary, pejy 9]

Nanampy tamin’ny fanomanana ny fatin’i Jesosy halevina i Nikodemosy, na dia teo aza ny fanoherana

[Sary, pejy 10]

Manome anao tanjaka hanaovan-javatra ny fianarana manokana sy ny vavaka

[Sary, pejy 10]

Hankasitraka ny tombontsoa hiasa eo ambany fitarihan’i Jesosy Kristy ve ianao?