Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mijoro ho Vavolombelona any Soeda Ireo Martiora Maoderina

Mijoro ho Vavolombelona any Soeda Ireo Martiora Maoderina

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

Mijoro ho Vavolombelona any Soeda Ireo Martiora Maoderina

MARTYR no ilazana ny hoe “vavolombelona” amin’ny teny grika. Io no niavian’ilay teny malagasy hoe “martiora”, midika hoe “olona mijoro ho vavolombelona amin’ny alalan’ny fahafatesany.” Maty noho ny finoany ny Kristianina maro tamin’ny taonjato voalohany, toy ny hoe nijoro ho vavolombelon’i Jehovah.

Toy izany koa, fa Vavolombelona an’arivo tamin’ny taonjato faha-20 no maty novonoin’ny olon’i Hitler, satria tsy nanaiky handray anjara tamin’ny politika sy ny fanindrahindram-pirenena. Azo lazaina koa fa mbola mijoro foana ho Vavolombelona ireny martiora amin’ny andro maoderina ireny. Izany mihitsy no nitranga tany Soeda, vao tsy ela izay.

Mifandray amin’ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-50 nifaranan’ny Ady Lehibe II, dia nanao ezaka manokana ny fanjakana soedoà mba hampahafantarana ny fireneny momba ny Famonoana Tambabe. Ny anaran’ilay tetik’asa dia hoe: Tsy Hadino ny Tantara. Nasaina nandray anjara sy nitantara ny zavatra niainany ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nanaiky ny Vavolombelona, ka nanao fampirantiana nitondra ny lohateny hoe Ireo Niharan’ny Famonoana Tambabe Nefa Hadino. Tao amin’ny Efitrano Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah, tany Strängnäs, no natao voalohany ny fampirantiana. Teo ireo Vavolombelona tsy maty tamin’ny Famonoana Tambabe, nitantara ny zavatra niainany. Mpitsidika 8 400 mahery no tonga tamin’ny andro voalohany! Natao tany amin’ny tranombakoka sy tranomboky 100 mahery manerana an’i Soeda ilay fampirantiana. Rehefa nifarana ny taona 1999, dia olona 150 000 teo ho eo no efa nahita azy io. Nisy olona ambony ao amin’ny fitondrana koa nijery ilay fampirantiana, ary nilaza fa tsara ilay izy.

Teo amin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Soeda, dia iny no fisehoan-javatra nalaza indrindra tao amin’ny vaovao sy nahazo teny fankasitrahana be indrindra. Mpitsidika maro no nanontany hoe: “Fa naninona àry ianareo hatramin’izay no tsy niresaka taminay ny zavatra niainanareo, tamin’ny Famonoana Tambabe?”

Nitombo 30 isan-jato ny isan’ny fampianarana Baiboly notarihin’ny fiangonana iray, taorian’ny nanaovana ilay fampirantiana tany amin’ny faritaniny! Nanasa mpiara-miasa taminy mba hijery ilay fampirantiana ny Vavolombelona iray. Nanaiky avy hatrany ilay mpiara-miasa taminy, sady mbola nitondra namana koa. Nilaza ilay namany avy eo fa tena tsy azony hoe ahoana no nahatonga ireo olona ireo ho nanana finoana matanjaka toy izany, ka nanaiky hovonoina ho faty toy izay hanao sonia taratasy handavana ny finoany. Azo natao foana ny niresaka taminy nanomboka tamin’izay, ka nianatra Baiboly izy tatỳ aoriana.

Mitovy amin’ireo olona tamin’ny taonjato voalohany, ireo martiora mahatoky tamin’ny taonjato faha-20. Nanana herim-po izy ireo nanambara fa i Jehovah no hany Andriamanitra marina, mendrika ny finoantsika tsy mihozongozona sy ny tsy fivadihantsika.—Apokalypsy 4:11.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 13]

Voafonja: Państwowe Muzeum Oświęcim-Brzezinka, courtesy of the USHMM Photo Archives