Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahazo “ny Fanahin’ny Fahamarinana” ve Ianao?

Nahazo “ny Fanahin’ny Fahamarinana” ve Ianao?

Nahazo “ny Fanahin’ny Fahamarinana” ve Ianao?

“Ny Ray ... hanome anareo [Mpanampy] hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin’ny fahamarinana.”—JAONA 14:16, 17, fanamarihana ambany pejy.

1. Inona no nampahafantarin’i Jesosy ny mpianany nandritra ny ora farany niarahany taminy tao amin’ilay efitra ambony?

“TOMPOKO, hankaiza moa Hianao?” Anisan’ny nanontanian’ny apostoly an’i Jesosy izany nandritra ny ora farany niarahany tamin’izy ireo, tao amin’ny efitra ambony tany Jerosalema. (Jaona 13:36) Nampahafantarin’i Jesosy azy ireo tamin’izay, fa voatery handao azy ireo izy satria hiverina ho any amin’ny Rainy. (Jaona 14:28; 16:28) Tsy ho eo mivantana intsony izy hampianatra azy ireo sy hamaly ny fanontaniany. Nanome toky azy ireo anefa izy hoe: “Izaho hangataka amin’ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpanampy [na Mpampahery] hafa mba ho eo aminareo mandrakizay.”—Jaona 14:16, fanamarihana ambany pejy.

2. Inona no nampanantenain’i Jesosy fa hirahiny ho any amin’ny mpianatra rehefa lasa izy?

2 Nohazavain’i Jesosy hoe inona io mpanampy io sy ny fomba anampian’izy io ny mpianany. Hoy izy tamin’izy ireo: “Tsy mba nolazaiko taminareo hatramin’ny voalohany izany, satria mbola tatỳ aminareo ihany Aho. Fa ankehitriny mankany amin’izay naniraka Ahy Aho ... Mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy atỳ aminareo ny [Mpanampy]; fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho atỳ aminareo Izy. ... Raha tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dàlana anareo ho amin’ny marina rehetra.”—Jaona 16:4, 5, 7, 13.

3. a) Oviana “ny Fanahin’ny fahamarinana” no nirahina tany amin’ireo Kristianina voalohany? b) Inona no fanampiana lehibe nomen’ny fanahy azy ireo?

3 Tanteraka tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. io fampanantenana io, araka ny nohamarinin’ny apostoly Petera hoe: “Izany Jesosy izany dia efa natsangan’Andriamanitra, ary vavolombelon’izany izahay rehetra. Ary rehefa nasandratry ny tànana ankavanan’Andriamanitra Izy, ary nandray tamin’ny Ray ny Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy.” (Asan’ny Apostoly 2:32, 33) Ho hitantsika fa nahavita zavatra maro ho an’ny Kristianina tany am-boalohany, ny fanahy masina nilatsaka tamin’ny Pentekosta. Nampanantena anefa i Jesosy fa ‘hampahatsiaro azy ireo ny zavatra rehetra izay nolazainy taminy’ ny “Fanahin’ny fahamarinana.” (Jaona 14:26) Izy io no hanampy azy ireo hahatadidy sy hanoratra ny amin’ny fanompoana nataon’i Jesosy sy ny fampianarany, eny, hatramin’ny teny nampiasainy aza. Tena nanampy ny apostoly Jaona efa be taona izany, rehefa nanoratra ny Filazantsarany izy, tany amin’ny faran’ny taonjato voalohany. Hita ao amin’io fitantarana io ny torohevitra sarobidy nomen’i Jesosy, fony izy nanomboka ny Fahatsiarovana ny nahafatesany.—Jaona, toko faha-13-17.

4. Ahoana no nanampian’ny “Fanahin’ny fahamarinana” ny Kristianina voahosotra tany am-boalohany?

4 Nampanantena an’ireo mpianany ireo koa i Jesosy fa ‘hampianatra azy ny zavatra rehetra’ sy ‘hitari-dalana azy ho amin’ny marina rehetra’, ny fanahy. Nampian’ny fanahy izy ireo hahatakatra ny zava-dalin’ny Soratra Masina ary hiaro ny firaisan-tsainy sy ny fahalalany ary ny tanjony. (1 Korintiana 2:10; Efesiana 4:3) Ny fanahy masina no nahafahan’ny Kristianina voalohany niara-niasa toy ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” mba hanomezana “hanina [ara-panahy] amin’ny fotoana” ho an’ny Kristianina voahosotra tsirairay.—Matio 24:45.

Ny fanambaran’ny fanahy

5. a) Inona no zava-baovao nampanantenain’i Jesosy ny mpianany, ny alin’ny 14 Nisana 33 am.f.i.? b) Inona no asan’ny fanahy masina mba hahatanteraka ny fampanantenan’i Jesosy?

5 Nilaza tsy nivantana tamin’ny mpianany i Jesosy ny alin’ny 14 Nisana 33 am.f.i., fa handray azy ireo izy mba hiarahany hitoetra aminy sy ny Rainy any an-danitra. Hoy izy tamin’izy ireo: “Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.” (Jaona 13:36; 14:2, 3) Hiara-manjaka aminy izy ireo. (Lioka 22:28-30) Mba hankanesana ho any an-danitra, dia tsy maintsy “ateraky ny Fanahy” mba ho zanak’Andriamanitra ara-panahy izy ireo, ary voahosotra ho mpanjaka sy mpisorona miaraka amin’i Kristy any an-danitra.—Jaona 3:5-8; 2 Korintiana 1:21, 22; Titosy 3:5-7; 1 Petera 1:3, 4; Apokalypsy 20:6.

6. a) Oviana no nanomboka ny fiantsoana avy any an-danitra, ary firy no voantso? b) Natao batisa tamin’inona ireo voantso?

6 Nanomboka tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. io “fiantsoana avy any an-danitra” io ary amin’ny ankapobeny, dia toa nifarana tany amin’ny taona 1935 tany ho any. (Hebreo 3:1) Miisa 144 000 ireo nasian’ny fanahy masina tombo-kase mba ho tonga anisan’ny Isiraely ara-panahy “navotana niala tamin’ny tany.” (Apokalypsy 7:4; 14:1-4) Natao batisa izy ireo ho amin’ny tenan’i Kristy ara-panahy, ho amin’ny fiangonana ary ho amin’ny fahafatesana. (Romana 6:3; 1 Korintiana 12:12, 13, 27; Efesiana 1:22, 23) Rehefa vita batisa amin’ny rano sy voahosotry ny fanahy izy ireo dia manomboka fiainana feno fahafoizan-tena, izany hoe fiainana isehoany ho tsy mivadika mandra-pahafatiny.—Romana 6:4, 5.

7. Nahoana no ny Kristianina voahosotra ihany no manan-jo handray anjara amin’ny mariky ny Fahatsiarovana?

7 Ao anatin’ny fanekena vaovao nifanaovan’i Jehovah sy ny “Isiraelin’Andriamanitra” ireo Kristianina voahosotra ireo, satria Isiraelita ara-panahy izy ireo. (Galatiana 6:16; Jeremia 31:31-34) Nampanan-kery ilay fanekena vaovao ny ra latsak’i Kristy. Niresaka momba izany i Jesosy rehefa nanomboka ny Fahatsiarovana ny nahafatesany. Hoy ny fitantaran’i Lioka: “Nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe: Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy. Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny rako, izay aidina ho anareo.” (Lioka 22:19, 20) Ny sisa amin’ireo 144 000 mbola eto an-tany ihany, no manan-jo handray anjara amin’ny mofo sy ny divay, mariky ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy.

8. Ahoana no ahalalan’ny voahosotra fa voantso ho any an-danitra ny tenany?

8 Ahoana no ahalalan’ny voahosotra fa voantso ho any an-danitra ny tenany? Milaza mazava izany aminy ny fanahy masina. Hoy ny apostoly Paoly momba ny olona toy izany: “Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra. ... Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.” (Romana 8:14-17) Mahery dia mahery io fanambaran’ny fanahy masina io. Koa raha vao misy fisalasalana ny amin’ny fahazoana ilay fiantsoana, na dia kely fotsiny aza, dia tokony hanatsoaka hevitra ilay olona hoe tsy voantso izy, ka tsy tokony handray anjara amin’ny marika.

Ny fanahy sy ny ondry hafa

9. Iza avy ireo antokon’olona roa miavaka tsara voaresaka ao amin’ny Filazantsara sy ny bokin’ny Apokalypsy?

9 Fantatr’i Jesosy fa voafetra ny isan’ny Kristianina voantso hahaforona ny Isiraely ara-panahy, koa nantsoiny hoe “ondry vitsy” izy ireo. Izy ireo no navela hiditra tao amin’ny ‘valan’ny’ fanekena vaovao, tsy sahala amin’ny “ondry hafa” tsy hita isa, izay nolazain’i Jesosy koa fa tsy maintsy hangoniny. (Lioka 12:32; Jaona 10:16) Hahaforona ny “olona betsaka” ireo anisan’ny ondry hafa voangona amin’izao fotoan’ny farany izao. Ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe” izy ireo ary manantena ny hiaina mandrakizay eto amin’ny tany paradisa. Mahaliana fa miavaka tsara ireo 144 000 anisan’ny Isiraely ara-panahy sy ny olona betsaka tao amin’ny fahitana azon’i Jaona, tany amin’ny faran’ny taonjato voalohany am.f.i. (Apokalypsy 7:4, 9, 14) Mahazo ny fanahy masina koa ve ny ondry hafa? Raha izany no izy, inona no fiantraikan’izany eo amin’ny fiainany?

10. Inona no dikan’ny hoe atao batisa “amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina” ny ondry hafa?

10 Tena manana anjara asa lehibe eo amin’ny fiainan’ny ondry hafa tokoa ny fanahy masina. Mampiseho ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah izy ireo amin’ny fanekena hatao batisa “amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.” (Matio 28:19) Manaiky izy ireo fa manana zo hitondra i Jehovah, ary Mpanjaka sy Mpanavotra i Kristy. Avelan’izy ireo hiasa eo amin’ny fiainany koa ny fanahin’Andriamanitra, na ny hery ampiasainy. Miezaka tsy tapaka ny hanana ny “vokatry ny Fanahy” izy ireo, izany hoe “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po.”—Galatiana 5:22, 23.

11, 12. a) Ahoana no nanamasinana ny voahosotra tamin’ny fomba tena manokana? b) Amin’ny fomba ahoana no hanamasinana ny ondry hafa?

11 Tsy maintsy mamela ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanahiny masina hanadio na hanamasina azy ny ondry hafa. Efa nohamasinina tamin’ny fomba tena manokana ny voahosotra, satria nohamarinina sy nohamasinina ho vadin’i Kristy izy ireo. (Jaona 17:17; 1 Korintiana 6:11; Efesiana 5:23-27) Antsoin’i Daniela mpaminany hoe “olo-masin’ny Avo Indrindra” izy ireo, ary hahazo ny Fanjakana tantanan’ny “zanak’olona”, dia i Kristy Jesosy. (Daniela 7:13, 14, 18, 27) Nilaza toy izao tamin’ny firenen’ny Isiraely i Jehovah fahiny, tamin’ny alalan’i Mosesy sy Arona: “Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, dia manamasìna ny tenanareo, ka dia ho masina hianareo, satria masina Aho.”—Levitikosy 11:44.

12 Raha ny marina, ny teny hoe “fanamasinana” dia midika hoe “fanaovana izay hahamasina, fanasarahana, fanokanana ho amin’ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitra na hampiasainy; ny toetran’izay masina, nohamasinina na nodiovina.” Efa tamin’ny 1938 Ny Tilikambo Fiambenana no nilaza fa “takina amin’izay te ho anisan’ny olona betsaka hiaina eto an-tany ny fanoloran-tena sy ny fanamasinana”, ary “tsy maintsy mahafantatra” izany ireo Jonadaba, na ondry hafa. Lazain’ny bokin’ny Apokalypsy fa ‘nanasa ny akanjony sy namotsy izany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry’ ny olona betsaka, ary “manompo [an’i Jehovah] andro aman-alina eo amin’ny tempoliny.” (Apokalypsy 7:9, 14, 15) Manao araka izay fara heriny ny ondry hafa mba ho masina araka izay takin’i Jehovah, ka manampy azy hanao izany ny fanahy masina.—2 Korintiana 7:1.

Manampy ny rahalahin’i Kristy

13, 14. a) Miankina amin’ny inona ny famonjena ny ondry, araka ilay fanoharan’i Jesosy momba ny ondry sy ny osy? b) Ahoana no nanampian’ny ondry hafa ny rahalahin’i Kristy amin’izao andro farany izao?

13 Mifandray akaiky ny ondry hafa sy ny ondry vitsy. Nasongadin’i Jesosy izany tao amin’ny fanoharany momba ny ondry sy osy, izay anisan’ny faminaniany momba ny “fahataperan’izao tontolo izao.” Nasehon’i Kristy mazava fa miankina amin’ny fihetsiky ny ondry hafa amin’ny voahosotra, izay nantsoiny hoe ny “rahalahiko”, ny famonjena azy ireo. Hoy izy: “Ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo amin’ny ankavanany hoe: Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao; ... Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.”—Matio 24:3; 25:31-34, 40.

14 Manondro ny fanampiana amim-pitiavana ny rahalahin’i Kristy nateraky ny fanahy, ilay teny hoe “araka izay efa nataonareo.” Nentin’ny tontolon’i Satana toy ny vahiny izy ireny, ary nogadrainy mihitsy aza ny sasany. Tsy nanan-kanina sy tsy nanan-kitafy ary nila fitsaboana izy ireo. (Matio 25:35, 36) Voahosotra maro no toy izany amin’izao andro farany izao, izay nanomboka tamin’ny 1914. Porofoin’ny tantara maoderin’ny Vavolombelon’i Jehovah fa nanampy azy ireo ny namany mahatoky, dia ny ondry hafa, izay natosiky ny fanahy.

15, 16. a) Inona no asa tena nanampian’ny ondry hafa ireo voahosotra, rahalahin’i Kristy eto an-tany? b) Ahoana no nanehoan’ny voahosotra ny fankasitrahany ny ondry hafa?

15 Amin’izao andro farany izao indrindra no tena anampian’ny ondry hafa ireo rahalahin’i Kristy eto an-tany, eo amin’ny asa nanirahan’Andriamanitra azy. Izany dia ny ‘fitoriana amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.’ (Matio 24:14; Jaona 14:12) Na dia mihena aza ny isan’ny voahosotra eto an-tany rehefa mandeha ny fotoana, dia mitombo kosa ny ondry hafa ka tonga an-tapitrisa ara-bakiteny. An’arivo amin’izy ireo no mpitory ny filazantsara manontolo andro, izany hoe, mpisava lalana sy misionera, izay mampiely ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana “hatramin’ny faran’ny tany.” (Asan’ny Apostoly 1:8) Ny hafa kosa mitory araka izay vitany ary faly manohana ara-bola io asa lehibe io.

16 Tena ankasitrahan’ireo voahosotra, rahalahin’i Kristy tokoa ny fanampian’ny ondry hafa namany! Izany no hita ao amin’ilay boky hoe Fandriampahalemana Maneran-tany eo Ambany Fitondran’ny “Andrian’ny Fiadanana” (frantsay) nomen’ilay mpanompo tamin’ny 1986. Izao no lazainy: “Hatramin’ny Ady Lehibe II, dia ny ‘olona betsaka’ anisan’ny ‘ondry hafa’ no nahavita be indrindra tamin’ny fanatanterahana ny faminanian’i Jesosy momba ny ‘fahataperan’izao tontolo izao.’ ... Koa fisaorana mitafotafo no atolotray ny ‘olona betsaka’ iraisam-pirenena, noho ny anjara asa lehibe dia lehibe noraisiny tamin’ny fahatanterahan’ny faminanian[’i Jesosy] ao amin’ny Matio 24:14.”

‘Tsy atao tanteraka, raha tsy efa mby eo koa isika’

17. Amin’ny heviny ahoana ny olona nahatoky fahiny no ‘tsy hatao tanteraka raha tsy efa mby eo’ ny voahosotra?

17 Niresaka ny amin’ireo lehilahy sy vehivavy nahatoky niaina talohan’i Kristy i Paoly apostoly voahosotra. Izao no nosoratany: “Ireo rehetra ireo, na dia efa nahazo laza tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny teny fikasana; fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika [ny voahosotra], mba tsy hatao tanteraka ireo, raha tsy efa mby eo koa isika.” (Hebreo 11:35, 39, 40) Ho mpanjaka sy ho mpisorona any an-danitra i Kristy sy ireo rahalahiny voahosotra 144 000 mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. Handrotsaka etỳ an-tany ny soa entin’ny sorom-panavotan’i Kristy izy ireo. Hanjary ho lavorary na “hatao tanteraka” amin’izay ny vatana sy ny sain’ny ondry hafa.—Apokalypsy 22:1, 2.

18. a) Inona no tokony ho takatry ny ondry hafa avy amin’ny zava-misy hita ao amin’ny Baiboly? b) Inona no antenain’ny ondry hafa amin’ny “fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra”?

18 Tokony ho takatry ny ondry hafa avy amin’izany rehetra izany hoe nahoana ny Soratra Grika Kristianina no mifantoka be dia be amin’i Kristy sy ireo voahosotra rahalahiny, ary ny anjara asany fototra eo amin’ny fanatanterahana ny fikasan’i Jehovah. Heverin’ny ondry hafa ho tombontsoa ny manampy araka izay azony atao ilay mpanompo voahosotra, eo am-piandrasany ny “fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra” amin’ny Hara-Magedona sy mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. Manantena ny “hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra”, izy ireo.—Romana 8:19-21.

Tafaray amin’ny fanahy mandritra ny Fahatsiarovana

19. Inona no ataon’ny “Fanahin’ny fahamarinana” ho an’ny voahosotra sy ny namany, ary amin’ny fomba ahoana no tena hahatafaray azy ireo ny takarivan’ny 28 Martsa?

19 Hoy i Jesosy tao amin’ny vavaka farany nataony, ny alin’ny 14  Nisana 33 am.f.i.: “Angatahako ... mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan’izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy.” (Jaona 17:20, 21) Naniraka ny zanany mba hanome ny ainy hamonjena ny voahosotra sy ny tontolon’olombelona mankatò Andriamanitra, noho ny fitiavany. (1 Jaona 2:2) Mampiray ny rahalahin’i Kristy sy ny ondry hafa namany “ny Fanahin’ny fahamarinana.” Hiara-mahatsiaro ny nahafatesan’i Kristy ireo antokon’olona roa ireo ny takarivan’ny 28 Martsa aorian’ny filentehan’ny masoandro. Hotsaroan’izy ireo koa izay rehetra nataon’i Jehovah ho azy ireo tamin’ny alalan’ny soron’i Kristy Jesosy, Zanany malala. Enga anie ny fanatrehan’izy ireo io fotoan-dehibe io hanamafy ny firaisan-tsainy sy hanavao ny fanapahan-keviny hanao hatrany ny sitrapon’Andriamanitra. Hoporofoiny amin’izany ny hafaliany ho anisan’ireo olona tian’i Jehovah.

[Fanontaniana]

Ho Famerenana

• Oviana no nirahina ho any amin’ny Kristianina tany am-boalohany “ny Fanahin’ny fahamarinana”, ary ahoana no ahitana fa “mpanampy” izy io?

• Ahoana no ahalalan’ny voahosotra fa voantso ho any an-danitra ny tenany?

• Ahoana no iasan’ny fanahin’Andriamanitra amin’ny ondry hafa?

• Ahoana no anampian’ny ondry hafa ny rahalahin’i Kristy, ary nahoana izy ireo no ‘tsy hatao tanteraka, raha tsy mby eo koa’ ny voahosotra?

[Sary, pejy 21]

Nilatsaka tamin’ny mpianatra ny “Fanahin’ny fahamarinana” tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i.

[Sary, pejy 23]

Manampy ny rahalahin’i Kristy ny ondry hafa rehefa manatanteraka ilay asa fitoriana nanirahan’Andriamanitra