Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tanàna eny Ambony Tendrombohitra

Tanàna eny Ambony Tendrombohitra

Tanàna eny Ambony Tendrombohitra

NITENY tamin’ny mpianany toy izao i Jesosy tamin’ilay toriteniny malaza teo an-tendrombohitra: “Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.”—Matio 5:14.

Teny an-tendrombohitra fa tsy teny amin’ny lohasaha no nisy ny tanàna jodianina sy galilianina maro. Ny fiarovana ny tanàna no tena antony nifidianan’ny olona ny faritra avo. Ankoatra ny tafika fahavalo, dia nandrava matetika ny tanàna isiraelita koa ny andian-jiolahy. (2 Mpanjaka 5:2; 24:2) Mora tamin’ireo mponina mahery fo ny niaro trano maromaro mifanety eny an-tampon-tendrombohitra, noho ny tanàna teny amin’ny faritra iva, izay nila tamboho matevina mba ho voaro.

Nolalorina sokay matetika ny trano jiosy, ka mora tazana avy eny amin’ny kilaometatra maro ireo trano fotsy maro mifanety eny ambony tendrombohitra. (Asan’ny Apostoly 23:3) Mamiratra toy ny fanilo ireo tanàna ireo rehefa tarafin’ny masoandron’i Palestina. Mbola mitovy amin’izany ihany ny tanàna mediteraneanina amin’izao andro izao.

Nampiasain’i Jesosy io lafiny misongadina amin’ny ambanivohitra galilianina sy jodianina io, mba hampianarana ny mpanara-dia azy ny andraikitry ny Kristianina marina. Hoy izy tamin’izy ireo: “Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.” (Matio 5:16) Tsikaritry ny olona ny fitondran-tena tsaran’ny Kristianina na dia tsy filana dera aza no antony anaovany asa soa.—Matio 6:1.

Misongadina indrindra izany fitondran-tena tsara izany amin’ireo fivoriamben’ny vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy gazety espaniola niresaka toy izao momba ny fivoriambe iray vao haingana: “Tsy dia liana amin’ny foto-kevitra momba ny fivavahana intsony ny fivavahana hafa, fa tsy mba toy izany kosa ny Vavolombelon’i Jehovah. Mampihatra izay voalazan’ny Baiboly izy ireo, satria tsy tiany ho very maina ny soa entin’izy io.”

Mpikarakara ny kianja iray fampiasan’ny Vavolombelona any avaratrandrefan’i Espaina i Thomas. Nahafinaritra azy ny niaraka tamin’ireo olona mampihatra ny Tenin’Andriamanitra ireo. Nahemony herinandro vitsivitsy ny fotoana handehanany hisotro ronono mba hanatrehany ny fivoriamben’ny vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah. Nitomany i Thomas rehefa tapitra ilay fivoriambe, ka nisy mpanatrika maro, anisan’izany ny tanora, nisaotra azy noho ny fiaraha-miasany nandritra ny taona maro sy nirary soa azy amin’ny fisotroan-drononony. Hoy izy: “Anisan’ny zavatra tsara indrindra hitako teo amin’ny fiainako ny nahafantarako anareo.”

Manintona ny mpitazana ny tanàna eny ambony tendrombohitra satria manaka-danitra ary manome taratry ny hazavan’ny masoandro ny trano fotsy rehetra ao aminy. Miavaka toy izany koa ny Kristianina marina satria miezaka mafy manaraka ny fitsipika ambony ao amin’ny Soratra Masina momba ny fanaovana ny marina sy ny fitondran-tena ary ny fangoraham-po.

Manome taratry ny fahazavan’ny fahamarinana koa ny Kristianina, rehefa mitory. Niteny toy izao momba ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ny apostoly Paoly: “Satria manana izany fanompoana izany izahay, araka ny nahazoanay famindrampo, dia tsy ketraka ... Fa amin’ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin’ny fieritreretan’ny olona rehetra eo imason’Andriamanitra.” (2 Korintiana 4:1, 2) Nitahy ny fanompoan’izy ireo i Jehovah na dia notoherina aza izy ireo tany amin’izay toerana rehetra nitoriany. Noho izany, dia afaka nanoratra i Paoly tamin’ny taona 60 am.f.i. tany ho any fa efa notorina “eny ambany lanitra rehetra eny” ny vaovao tsara.—Kolosiana 1:23.

Zava-dehibe amin’ny Vavolombelon’i Jehovah koa ankehitriny ny andraikitra nandidian’i Jesosy azy, dia ny ‘hampahazava eo imason’ny olona ny fahazavany.’ Manaparitaka ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana amin’ny alalan’ny teny sy boky aman-gazety izy ireo, any amin’ny tany 235. Nandika boky sy gazety amin’ny fiteny 370 eo ho eo izy ireo, mba hahafahan’ny fahazavan’ny fahamarinana ara-baiboly hahatratra olona betsaka araka izay azo atao.—Matio 24:14; Apokalypsy 14:6, 7.

Niezaka nianatra ny fitenin’ny olona nifindra avy tany amin’ny tany nandrarana ny fitoriana ny Vavolombelona any amin’ny toerana sasany, na dia sarotra aza izany fiteny izany. Nisy olona be dia be, ohatra, avy tany Chine sy Rosia, nifindra tany amin’ny tanàn-dehibe maromaro any Amerika. Niezaka nianatra teny sinoa, rosianina, ary fiteny hafa koa ny Vavolombelona any mba hitoriana ny vaovao tsara amin’ireo olona vao tonga ireo. Misy mihitsy aza fampianarana haingana fiteny maromaro, mba hahafahana hitory ny vaovao tsara amin’olon-kafa koa, dieny mbola “masaka sahady hojinjana” ny vokatra eny an-tsaha.—Jaona 4:35.

Efa nilaza toy izao ny mpaminany Isaia: “Izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra ary hasandratra ho avo noho ny havoana; ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.” Manampy olona hatraiza hatraiza ny Vavolombelon’i Jehovah mba hiakatra any amin’ny “tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah” ka hampianarina ny lalan’Andriamanitra sy handeha amin’ny atorony. Ataon’izy ireo amin’ny alalan’ny fitondran-tenany sy ny fanompoany izany. (Isaia 2:2, 3) Ny vokatra mahafinaritra entin’izany, araka ny nolazain’i Jesosy, dia ny fiarahan’izy ireo ‘mankalaza an’i Jehovah Rainy any an-danitra.’—Matio 5:16; 1 Petera 2:12.