Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Fiarovan-tena Mety Amin’ny Kristianina?

Inona no Fiarovan-tena Mety Amin’ny Kristianina?

Inona no Fiarovan-tena Mety Amin’ny Kristianina?

“Nahoana ianao no hiaina ao anatin’ny tahotra? Mianara fomba fiady tsotra hiarovanao ny tenanao amin’ny mpanafika. Teknika fiarovan-tena mora hay sy mandaitra no aseho amin’ny an-tsipiriany ato. Miankina amin’ny fanarahanao na tsia an’ity vidéo ity ny hahatonga anao ho mbola anisan’ny velona na ho anisan’ny maty.”—Dokam-barotra ho an’ny vidéo iray momba ny fiarovan-tena.

TSY ilaina hohazavaina ny antony mampandeha ny fivarotana vidéo toy izany ankehitriny. Mirenireny mitady olona horobaina ny andiana jiolahim-boto any amin’ny tanànan’i Philadelphie, any Etazonia, no sady miantsoantso hoe: “Matinay izay tratranay.” “Miaina ao anatin’ny tahotra ny tanàna manontolo”, hoy ny gazety Ny Fotoana (anglisy) momba an’i Rio de Janeiro. Any Hong Kong kosa izao, dia manjary misy fandrobana sy poa-basy any amin’ny faritra tsy nisy an’izany taloha.

Re maneran-tany ny tatitra toy izany. Inona no vokany? Hoy ny gazety Herinandrom-baovao (anglisy): “Mieritreritra ny olona hoe tokony hampiasa basy koa ve izy sa tsia.” Tsy voaro amin’ny zava-mitranga amin’ny “andro mahory” koa ny Kristianina, kanefa moa ve tena miankina amin’ny fampiasana basy tokoa ny “hahatonga anao ho mbola anisan’ny velona fa tsy ho anisan’ny maty”?—2 Timoty 3:1.

Valiana herisetra ve ny herisetra?

‘Raha mitondra basy aho’, hoy ny sasany, ‘dia ho voaro. Izaho no hahavoa voalohany, fa tsy izy. Handositra aloha izy, fara faharatsiny e!’ Tsy tsotra kely ohatra izany anefa ilay izy.

Izao no nolazain’i George Napper, mpiandraikitra ny filaminam-bahoaka any Atlanta, any Etazonia: “Raha manana basy ianao, dia tokony ho vonona hizaka izay ho vokatry ny famonoana olona.” Moa ve ny Kristianina vonona hizaka izany, toy ny trosan-dra ohatra?—Ampitahao amin’ny Nomery 35:11, 12.

Mandidy antsika koa ny Tenin’Andriamanitra hoe: ‘Tefeo ho fangady ny sabatrareo’, ary ‘mitadiava fihavanana ka manaraha azy.’ (Mika 4:3; 1 Petera 3:11) Azon’ny Kristianina atao ve ny mampiasa basy hiarovan-tena, no sady mankatò ny didin’ny Baiboly? Na izany na tsy izany anefa, dia ho mailaka kokoa noho ilay tafihina foana ilay mpanafika, rehefa mamoaka fiadiana.

Tsy nankasitraka ny fampiasana fitaovam-piadiana mihitsy i Jesosy. Marina fa nasainy nitondra sabatra roa ny apostoliny tany amin’ny zaridainan’i Getsemane, ilay toerana hisamborana azy. Inona anefa no anton’izany? Ny hoe nitondra fiadiana, nefa tsy nampiasa azy, dia nampiseho mazava tsara fa tsy tokony ho ara-nofo ny fiadian’ireo mpanara-dia an’i Jesosy. Tsara homarihina fa nanana fiadiana i Petera ka nampiasa ilay izy tsy tamim-pieritreretana. Niteny azy mafy toy izao i Jesosy noho izany: “Izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ny sabatra.”—Matio 26:36, 47-56; Lioka 22:36-38, 49-51.

Hoy angamba ny sasany hoe: ‘Ekeko aloha ny momba ny fitondrana basy, fa ahoana kosa ny fomba fiady hiarovan-tena toy ny judo, karate, ary kendo?’ Inona, araka ny hevitrao, no tanjon’ireny fampianarana hamely sy handratra olona ireny? Tsy mitovy amin’ny fitondrana fitaovam-piadiana mahafaty ihany ve izany? (1 Timoty 3:3) Na dia ny fanazaran-tena fotsiny aza dia efa nandratra mafy na nahafaty olona mihitsy.

Manome torohevitra feno fahendrena ny Romana 12:17-19 momba izany: “Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza. ... Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra. Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah.’” Mety hidika koa hoe “manimba, mandrava” ilay teny grika nadika hoe “ratsy” (ka·kosʹ) nampiasain’i Paoly. Noho izany, dia mitandrina ny Kristianina mba tsy hieritreritra ny hanisy ratsy olona ho famaliana faty.

Mitoky tanteraka amin’Andriamanitra ny Kristianina, fa tsy maimaika hamoaka ny hatezerany. Hoy Andriamanitra momba ny vahoakany: ‘Izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasoko.’ Mampanantena àry izy fa ‘handringana ny ratsy fanahy’ amin’ny fotoana mety.—Zakaria 2:12; Salamo 145:20.

Misy fotoana tokony hiadiana ve?

Misy sahy miteny hoe: ‘Tsy homeko fotsiny aloha ny volako, fa tsy maintsy miady aho e!’ Mampitandrina anefa i Dick Mellard, mpiandraikitra ny fampianarana ao amin’ny Fikambanam-panjakana Manohitra ny Asan-jiolahy, hoe: “Fihetsika mandeha ho azy ny manohitra, kanefa izany no hahafaty [anao].” Maro ny mpandroba mirongo fiadiana, ary matetika izy ireo no romotra sy taitaitra. Ny vola very mbola ho azo ihany, fa ahoana raha very ny aina? Ho sahinao ve ny hanao kitoatoa amin’izany?

Nanoro hevitra i George Napper hoe: “Raha te hiaro tena ianao, dia aleo lavitra mamoy ny fanananao toy izay mamoy ny ainao. Matetika ny mpangalatra sy mpamaky trano no tonga mba hangalatra fa tsy hamono olona.” Raha mbola fandrahonana na fangatahana vola ilay izy, dia izao no torohevitra tsara: “Tsy mety raha miady ny mpanompon’ny Tompo.”—2 Timoty 2:24. *

Izany akory tsy midika hoe tsy tokony hamaly mihitsy na inona na inona mitranga. Ny Eksodosy 22:1, 2, ohatra, dia miresaka ny mpamaky trano iray novonoina ho faty rehefa niditra tao an-tranon’olona tamin’ny andro mazava. Noheverina ho famonoana olona ihany izany fiarovan-tena izany, satria azo nofantarina sy nentina hotsaraina ilay mpangalatra. Tamin’ny alina kosa anefa, dia ho sarotra tamin’ny tompon-trano ny hahita izay olona niditra an-tsokosoko sy hahafantatra izay anton-diany. Tsy meloka àry ny olona iray, raha namono olon-kafa niditra an-tsokosoko tao aminy tamin’ny maizina.

Tsy mampirisika ny fiarovan-tena atao tsy amim-pieritreretana àry ny Baiboly. Tsy milaza anefa ny Baiboly hoe tsy azo atao mihitsy ny mamaly, satria misy ihany fotoana tokony hiarovan-tena. Mahazo manohitra ara-batana àry ny Kristianina, rehefa misy manafika amin-kerisetra ny tenany, ny fianakaviany, na ny olon-kafa tena mila fiarovana. * Tsy hanomboka hamely olona anefa ny Kristianina, na hamaly faty mba hiarovana ny fananany. Tsy hitondra fitaovam-piadiana koa izy mba hanoherana ny fanafihana toy izany. Hiezaka ny ‘hihavana’ kosa izy.—2 Korintiana 13:11.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 15 Fifamaliana am-bava no resahin’i Paoly eto, araka ny andinin-teny manodidina, kanefa matetika ilay teny grika nadika hoe “miady” (maʹkhe·sthai) no mifandray amin’ny fampiasana fitaovam-piadiana na fifamelezana ara-batana.

^ feh. 17 Tokony hikiakiaka sy hampiasa izay fomba rehetra azony anoherana ny vehivavy, mba tsy ho voasavika.—Deoteronomia 22:23-27.