Mandraisa Soa avy Amin’ny Fitsipik’Andriamanitra
Mandraisa Soa avy Amin’ny Fitsipik’Andriamanitra
FANTATRAO angamba fa ny fahaizana voajanahary no mibaiko ny biby. Fitaovana maro no namboarina mba hankatò toromarika. Noforonina mba hotarihin’ny fitsipika kosa anefa ny olombelona. Ahoana no ahafahanao mino izany? Niteny toy izao tokoa i Jehovah, ilay Loharanon’ny fitsipika marina rehetra, rehefa namorona ny olombelona voalohany: “Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika.” Fanahy ny Mpamorona, fa tsy manana vatana ara-nofo toa antsika. Ny hoe noforonina tahaka ny ‘endriny’ àry dia midika hoe afaka manome taratry ny toetrany, araka izay tratrantsika, isika. Afaka mitondra ny fiainany mifanaraka amina fitsipika ny olombelona, izany hoe mifanaraka amin’izay heveriny fa lalàna momba ny toetra tsara. Misy maro amin’ireny fitsipika ireny nasain’i Jehovah nosoratana tao amin’ny Teniny.—Genesisy 1:26; Jaona 4:24; 17:17.
Mety hisy hilaza hoe: ‘Be dia be ange ny fitsipika ao anatin’ny Baiboly e! Ahoana no hahafahana hamantatra azy rehetra?’ Marina izany, nefa diniho izao: Mahasoa daholo ny fitsipik’Matio 22:37-39. Resahin’i Jesosy ao fa lehibe kokoa ny sasany amin’ireo didy sy fitsipiky ny Lalàn’i Mosesy.
Andriamanitra rehetra, kanefa misy lehibe kokoa amin’izy ireo. Manaporofo izany nyInona no fitsipika lehibe kokoa? Izay misy fiantraikany mivantana eo amin’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah no fitsipika lehibe indrindra ao amin’ny Baiboly. Ny Mpamorona no hanjary hanan-kery lehibe hitarika ny tondroavaratra ara-pitondran-tenantsika, raha manaraka ireo fitsipika ireo isika. Misy koa ny fitsipika manan-kery eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny olona. Hanampy antsika tsy ho tia tena ny fampiharana azy ireo.
Andeha aloha hojerentsika ny iray amin’ireo fahamarinana lehibe indrindra ao amin’ny Baiboly. Inona izany fahamarinana izany, ary inona no fiantraikan’izy io eo amintsika?
“Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra”
Asehon’ny Soratra Masina mazava fa i Jehovah no Mpamorona antsika Lehibe sy Andriamanitra Tsitoha. Tsy misy mitovy aminy na mahasolo ny toerany mihitsy. Anisan’ny fahamarinana lehibe raketin’ny Baiboly izany.—Genesisy 17:1; Mpitoriteny 12:1.
Nilaza toy izao momba an’i Jehovah ny iray amin’ny mpanoratra ny bokin’ny Salamo: “Hianao irery ihany ... no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” Nanoratra i Davida Mpanjaka fahiny hoe: “Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin’izy rehetra.” Voatosika hanoratra toy izao koa i Jeremia, mpaminany malaza: “Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, Jehovah ô; lehibe Hianao, ary lehibe amin’ny hery ny anaranao.”—Salamo 83:18; 1 Tantara 29:11; Jeremia 10:6.
Ahoana no tokony hampiharantsika ireo fahamarinana momba an’Andriamanitra ireo eo amin’ny fiainantsika andavanandro?
Mazava fa ny Mpamorona sady Mpanome aina antsika no tokony hisongadina indrindra eo amin’ny fiainantsika. Nahoana àry raha manao izay tsy hisintonana ny saina ho amintsika, na dia mety hirona kokoa hanao izany aza ny olona sasany? Ny fitsipika tokony hitarika antsika foana dia ny hoe “ataovy ho voninahitr’Andriamanitra” ny zavatra rehetra. (1 Korintiana 10:31) Namela ohatra tsara momba izany ny mpaminany Daniela.
Araka ny tantara, dia natahotra noho ny nofiny i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, indray mandeha, ka nitaky ny hahafantatra ny dikany. Tsy nahay an’ilay izy ny olon-kafa rehetra, fa i Daniela kosa nahalaza tsara izay tian’ny mpanjaka ho fantatra. Nitady voninahitra avy tamin’izany ve i Daniela? Tsia, fa “Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina” kosa no nomeny voninahitra. Hoy ihany i Daniela: “Tsy noho ny fahendrena ananako mihoatra noho ny olombelona rehetra tsy akory no nampisehoana tamiko ny zava-miafina.” Mpanaraka fitsipika i Daniela. Tsy mahagaga raha lazaina intelo hoe “malala indrindra” eo imason’Andriamanitra izy, ao amin’ny boky nosoratany.—Daniela 2:28, 30; 9:23; 10:11, 19.
Handray soa ianao raha manahaka an’i Daniela. Ny antony mahatonga anao hanahaka azy no zava-dehibe indrindra amin’izany. Iza no tokony homem-boninahitra amin’izay ataonao? Na inona na inona toe-javatra misy anao, dia afaka manao zavatra mifanaraka amin’ity fitsipika
lehibe ao amin’ny Baiboly ity ianao: I Jehovah no Tompo Fara Tampony. Ho “malala indrindra” eo imasony ianao, raha manao izany.Andeha isika izao handinika fitsipika lehibe roa afaka mitarika antsika eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny olona. Tena sarotra ny mifandray amin’ny olona satria tia tena loatra ny ankamaroan’ny olona.
“Amin’ny fanetren-tena”
Tsy afa-po ireo tia tena matetika. Te hanana fiainana tsara kokoa sady te hanana izany vetivety eo ny ankamaroan’ny olona. Heverin’izy ireo fa fahalemena ny fanetren-tena. Amin’izy ireo dia ny olon-kafa ihany no tokony hampiseho faharetana, ary mahazo manao izay tiana ny tena rehefa te ho tafita. Tsy maintsy manao toa azy ireny ve anefa ianao?
Tia tena ny olona ifaneraseran’ny mpanompon’Andriamanitra isan’andro, nefa tsy tokony hanahaka izany izy ireo. Manaiky an’ity fitsipika ity ny Kristianina matotra: “Tsy izay midera tena no ankasitrahana, fa izay derain’ny Tompo.”—2 Korintiana 10:18.
Mahasoa ny fanarahana ny fitsipika ao amin’ny Filipiana 2:3, 4. Mampirisika anao io andininy io mba tsy hanao ‘na inona na inona amin’ny fifampiandaniana, na handrani-tena foana; fa amin’ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.’ Amin’izay ianao, dia tsy ‘hihevitra ny anao ihany, fa ny an’ny namanao koa.’
Nihevi-tena araka ny tokony ho izy i Gideona, mpitsara teo amin’ny Hebreo fahiny. Tsy nitady ny ho mpitarika ny Isiraely izy, kanjo voatendry hanao Mpitsara 6:12-16.
izany ihany. Nilaza anefa izy fa tsy mendrika an’izany, ka nanazava hoe: “Ny mpianakaviko no malahelo indrindra eo amin’ny Manase, ary izaho no kely indrindra amin’ny ankohonan’ny raiko.”—Nila ady tamin’i Gideona, ankoatra izany, ny lehilahy avy tany Efraima, rehefa nomen’i Jehovah fandresena izy. Nanao ahoana ny fihetsik’i Gideona? Nahatonga azy hihevi-tena ho ambony kokoa ve ilay fandresena? Tsia. Nanao izay tsy hisian’ny olana izy ka namaly hoe: “Inona no azoko atao, raha oharina amin’ny nataonareo?” Nanetry tena i Gideona.—Mpitsara 8:1-3.
Marina fa efa tranainy ny tantaran’i Gideona. Mbola zava-dehibe foana anefa ny handinihana azy io. Hitanao fa nanana toe-tsaina hafa tanteraka noho ny fahita ankehitriny i Gideona, ary nasehony tamin’ny fiainany izany, ka nahasoa azy.
Mety hanolana ny fiheverantsika ny tenantsika ny fitiavan-tena manjaka ankehitriny. Manitsy an’izany vokatry ny fitiavan-tena izany ny fitsipiky ny Baiboly, satria mampianatra antsika izy io hoe manao ahoana marina ny tenantsika raha oharina amin’ny Mpamorona sy ny olon-kafa.
Mihabetsaka ny olona tia tena, kanefa tsy hanahaka azy ireny isika raha mankatò foana ny fitsipiky ny Baiboly. Tsy fehezin’ny fihetseham-po na ny toetra mampiavaka antsika intsony isika. Arakaraka ny ianarantsika ireo fitsipika marina no hahalalantsika bebe kokoa an’ilay Loharanon’izy ireo. Tsara àry raha miezaka mifantoka amin’ny fitsipik’Andriamanitra isika rehefa mamaky Baiboly.—Jereo ny faritra voafefy.
Nataon’i Jehovah ambony kokoa ny olombelona, fa tsy toy ny biby izay baikoin’ny fahaizana voajanahary fotsiny. Anisan’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra ny fampiharana ny fitsipiny. Hiasa tsara amin’izay ny tondroavaratra ara-pitondran-tenantsika, ka hitarika antsika ho amin’ny tontolo vaovao iray avy amin’Andriamanitra. Mampanantena antsika ny Baiboly fa tsy ho ela dia hisy tontolo vaovao “itoeran’ny fahamarinana.”—2 Petera 3:13.
[Efajoro/Sary, pejy 6]
Fitsipika Ara-baiboly Mahasoa
Eo anivon’ny fianakaviana:
“Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.”—1 Korintiana 10:24.
“Ny fitiavana ... tsy mitady ny azy.”—1 Korintiana 13:4, 5.
“Samia tia ny vadiny tahaka ny tenany hianareo lehilahy rehetra.”—Efesiana 5:33.
“Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo.”—Kolosiana 3:18.
“Maneke ny rainao izay niteraka anao, ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.”—Ohabolana 23:22.
Any am-pianarana sy any am-piasana ary eo amin’ny fandraharahana:
“Ny mizana mandainga dia fahavetavetana ... Ny ratsy fanahy dia mahazo valiny tsy mahasoa.”—Ohabolana 11:1, 18.
“Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa.”—Efesiana 4:28.
“Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy.”—2 Tesaloniana 3:10.
“Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo.”—Kolosiana 3:23.
“Te-hitondra tena tsara amin’ny zavatra rehetra” izahay.—Hebreo 13:18.
Fiheverana ny harena:
“Izay maimay ta-hanan-karena dia tsy maintsy hohelohina.”—Ohabolana 28:20.
“Izay tia vola tsy hety ho voky vola.”—Mpitoriteny 5:9.
Fiheveran-tena:
“Ny fitadiavan’ny olona ny voninahiny dia tsy voninahitra.”—Ohabolana 25:27.
“Aoka ny olon-kafa no hidera anao, fa tsy ny vavanao.”—Ohabolana 27:2.
“Izao no lazaiko amin’ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza miavonavon-kevitra ka mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina.”—Romana 12:3.
“Raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy.”—Galatiana 6:3.
[Sary, pejy 5]
Nomen’i Daniela an’Andriamanitra ny voninahitra rehetra
[Sary, pejy 7]
Miteraka fifandraisana mahafinaritra sy fifaliana ny fitondrana ny olon-kafa mifanaraka amin’ny fitsipik’Andriamanitra
[Sary nahazoan-dalana, pejy 7]
U.S. Fish & Wildlife Service, Washington, D.C./Robert Bridges