Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fitsipika Fidinao

Ny Fitsipika Fidinao

Ny Fitsipika Fidinao

MPANARAKA fitsipi-pitondran-tena ve ianao? Sa mihevitra ianao fa tsy dia araka ny toetr’andro intsony ny fitsipi-pitondran-tena? Samy manana ny fitsipika arahiny tokoa ny tsirairay, ary heveriny fa zava-dehibe izany. Ny fitsipika dia azo faritana hoe lalàna momba ny toetra tsara fidin’ny tena harahina. Manan-kery eo amin’ny fanapahan-kevitsika ny fitsipika ary mifehy ny zavatra ataontsika eo amin’ny fiainana. Toy ny tondroavaratra ny fiasan’ny fitsipika.

Nampirisika ny mpanara-dia azy, ohatra, i Jesosy mba hanaraka ny fitsipika ao amin’ny Matio 7:12, manao hoe: “Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany.” Manaraka ny fitsipiky ny li sy ren ny mpanara-dia an’i Confucius. Milaza toetra toy ny hatsaram-panahy, fanetren-tena, fanajana, ary tsy fivadihana ireo fitsipika ireo. Na ny tsy mpivavaka aza mba manana izay heveriny ho zava-dehibe kokoa na toro lalana mifehy ny fitondran-tenany.

Inona no karazana fitsipika tokony hofidintsika?

Tokony hotadidintsika anefa, fa mety ho tsara na ho ratsy ny fitsipika. Mihamaro hatrany, ohatra, ny olona manaraka ny fitsipiky ny fitiavan-tena, tato anatin’ny folo taona farany. Maro no mety hihevitra fa tsy manaraka an’io fitsipika io, kanefa manjary tia tena ny olona, rehefa tsy manaraka fitsipi-pitondran-tena tsara intsony. Matetika ny olona tia tena no tia harena sy tsy miraharaha ny olon-kafa. Hoy ny talen’ny tele iray any Chine: “Fitsipika roa ihany no arahinay: Manome fahafaham-po ny olona ary manangom-bola.”

Toy ny andriamby ny fitiavan-tena. Inona no herin’ny andriamby eo amin’ny tondroavaratra? Diso ny tondroin’ny fanjaitran’ilay tondroavaratra rehefa manakaiky andriamby izy. Toy izany koa ny fitiavan-tena. Manimba ny tondroavaratra ara-pitondran-tenan’ny olona iray izy io, izany hoe mahatonga azy handika ny fitsipika momba izay tsara, ka mahatonga ny zavatra hafa rehetra handefitra eo anoloan’ny faniriany manokana.

Hahagaga anao ve ny fahafantarana fa tsy vao izao akory no nisy ny fitiavan-tena? Nanomboka tany amin’ny Saha Edena izy io, rehefa niala tamin’ny fitsipi-pitondran-tena napetraky ny Mpamorona antsika ireo ray aman-drenintsika voalohany. Nanova ny tondroavaratra ara-pitondran-tenan’izy ireo izany. Tia tena koa ny olombelona satria taranak’i Adama sy Eva.—Genesisy 3:6-8, 12.

Tena maro be ny olona “tia tena”, indrindra fa mandritra ilay antsoin’ny faminanian’ny Baiboly hoe “andro farany” feno fahoriana. Tsy mahagaga raha alaim-panahy ho tia tena koa isika.—2 Timoty 3:1-5.

Miombon-kevitra amin’ny tanora iray antsoina hoe Olaf angamba ianao. Nanoratra toy izao tany amin’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Eoropa izy: “Tena sarotra ny mitoetra ho madio ara-pitondran-tena, indrindra fa ho anay tanora. Mba ampahatsiahivo anay foana ny ilana hankatoavana ny fitsipiky ny Baiboly.”

Marina ny zavatra noeritreretin’i Olaf. Afaka manampy antsika ho tsara fitondran-tena foana ny fitsipik’Andriamanitra, na tanora isika na antitra. Afaka manampy antsika mba tsy ho tia tena koa izy io. Raha tianao ho fantatra tsara kokoa ny fomba hanampian’ny fitsipiky ny Baiboly anao, dia diniho tsara ny lahatsoratra manaraka.

[Sary, pejy 4]

Olona maro ankehitriny no tsy miraharaha izay ilain’ny olon-kafa