Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Vidin’ny Feon’ny Fieritreretana Madio

Ny Vidin’ny Feon’ny Fieritreretana Madio

Ny Vidin’ny Feon’ny Fieritreretana Madio

‘NOTERENA Handray Vola Be ny Fanjakana.’ Niseho vao haingana tao amin’ny gazety brezilianina iray io lohateny hafahafa io. Nitantara momba an’i Luiz Alvo de Araújo ilay lahatsoratra. Faktera izy ary nivarotra sombin-tany iray tamin’ny fanjakana. Gaga anefa i Luiz rehefa vita ilay fifampiraharahana, satria nihoatra 20 000 real brezilianina (50 000 000 FMG) ny vola voarainy!

Tsy mora ny namerina an’ilay vola nihoatra. Tsy nisy vokany ny fivezivezen’i Luiz tany amin’ny biraom-panjakana, ka nasaina naka mpisolovava izy, mba hitondra ilay raharaha tany amin’ny fitsarana. Nohelohin’ilay mpitsara handray ilay vola sy handoa ny vidin’ny fitsarana ny fanjakana. Hoy izy: “Toa nisy nanao fahadisoana tany ho any, ary noho ny fahasarotan’ny raharaham-panjakana, dia tsy nisy nahita izay fomba handaminana ilay izy. Mbola tsy nahita raharaha ohatra ity mihitsy aho hatramin’izay.”

Hoy ny fanazavan’i Luiz, izay Vavolombelon’i Jehovah: “Tsy afaka mihazona izay tsy ahy aho, satria voataizan’ny Baiboly ny feon’ny fieritreretako. Tsy maintsy nitady fomba hamerenana ilay vola aho.”

Tsy azon’ny olona maro ny fihetsika toy izany, fa hafahafa aminy. Lazain’ny Tenin’Andriamanitra anefa fa tena zava-dehibe amin’ny Kristianina marina ny fitanana feon’ny fieritreretana madio, rehefa mifampiraharaha amin’ny fitondram-panjakan’olombelona. (Romana 13:5) Tapa-kevitra ny hitana ‘fieritreretana tsara sy hitondra tena tsara amin’ny zavatra rehetra’ ny Vavolombelon’i Jehovah.—Hebreo 13:18.