Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vonona Tsara Hampianatra ny Tenin’Andriamanitra

Vonona Tsara Hampianatra ny Tenin’Andriamanitra

Vonona Tsara Hampianatra ny Tenin’Andriamanitra

“Andriamanitra ... efa nampahaleo anay koa ho mpanompo.”—2 KORINTIANA 3:5, 6.

1, 2. Inona no ezaka atao amin’ny fitoriana indraindray, nefa nahoana izy ireny no tsy mahomby mazàna?

HO TIANAO ve ny hampanaovina asa tsy hainao akory? Eritrereto hoe omena anao daholo ny zavatra sy ny fitaovana ilainao, saingy tsy hainao mihitsy ny fomba fanaovana ilay asa. Maika be anefa io asa io, sady miankina aminao ny olona. Tena mahakivy izany!

2 Tena misy io zava-manahirana io. Raiso, ohatra, ny Kristianisma Anarana. Efa nisy fiangonana tao amin’izy io nanandrana nandamina sy nanao fitoriana isan-trano. Matetika no tsy nahomby izany, ary nitsahatra mihitsy aza rehefa afaka herinandro na volana vitsivitsy. Nahoana? Satria tsy nanampy ny mpiangona tao aminy mba hahay hanao io asa io ny Kristianisma Anarana. Na dia ny mpitondra fivavahana aza tsy mahay an’io asa fitoriana io, nefa efa nianatra tany an-tsekoly sy tany amin’ny seminera nandritra ny taona maro. Nahoana isika no milaza izany?

3. Inona no teny miverina intelo ao amin’ny 2 Korintiana 3:5, 6, ary inona no dikan’izy io?

3 Hazavain’ny Tenin’Andriamanitra hoe inona no mampahay ny tena mpitory ny vaovao tsara. Nahazo tsindrimandry hanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Kanefa tsy mihambo hanana fahaleovana avy aminay hihevitra na amin’inona na amin’inona izahay; fa ny fahaleovanay dia avy amin’Andriamanitra, Izay efa nampahaleo anay koa ho mpanompo.” (2 Korintiana 3:5, 6) Mariho ilay teny miverina intelo eto hoe ‘fahaleovana.’ Inona no dikan’izy io? Hoy ny Diksioneran’i Vine Manazava Teny Ara-baiboly (anglisy): “Midika hoe ‘ampy’ [ilay teny grika tany am-boalohany nadika hoe ‘fahaleovana’], rehefa ilazana zavatra ..., fa midika kosa hoe ‘mahay’ na ‘mendrika’ rehefa ilazana olona.” Mahay sy mendrika ny hanatontosa asa iray àry ny olona ‘manana fahaleovana.’ Eny, mahay ny asany ny tena mpitory ny vaovao tsara. Mahay, na vonona, na mendrika ny hitory izy ireo.

4. a) Ahoana no ahitantsika avy amin’ny ohatr’i Paoly fa, tsy natokana ho an’ny olona vitsivitsy fotsiny ny fahaizana manatontosa ny fanompoana kristianina? b) Inona no fomba telo ampiasain’i Jehovah mba hahatonga antsika hahay hitory?

4 Avy aiza anefa io fahaizana io? Avy amin’ny talenta manokana ve sa avy amin’ny fahakingan-tsaina? Sa avy amin’ny fianarana manokana tany amin’ny sekoly malaza? Toa nanana izany rehetra izany ny apostoly Paoly. (Asan’ny Apostoly 22:3; Filipiana 3:4, 5) Nanetry tena anefa izy ka niaiky fa avy tamin’i Jehovah Andriamanitra ny fahaizany nanatontosa ny fanompoany, fa tsy azony tany amin’ny sekoly ambony akory. Natokana ho an’ny olona vitsivitsy fotsiny ve izany fahaizana izany? Niresaka momba “ny fahaleovanay” na “ny mahatonga anay hahay tsara” i Paoly rehefa nanoratra ho an’ny fiangonana tany Korinto. Tena midika izany fa ataon’i Jehovah mihitsy izay hahatonga ny mpanompony mahatoky rehetra hahay sy ho afaka hanao ny asa anirahany azy ireo. Ahoana no ampitan’i Jehovah fahaizana amin’ireo Kristianina marina ankehitriny? Hodinihintsika ny fomba telo ampiasainy: 1) ny Teniny, 2) ny fanahiny masina, ary 3) ny fandaminany eto an-tany.

Mampahay antsika ny Tenin’i Jehovah

5, 6. Inona no vokatry ny Soratra Masina eo amin’ny tena Kristianina?

5 Hodinihintsika voalohany hoe ahoana no anampian’ny Tenin’Andriamanitra antsika mba hahay hitory. Hoy i Paoly: “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka [na hahay tsara] ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (2 Timoty 3:16, 17) Manampy antsika àry ny Soratra Masina, mba ‘hahay tsara sy ho vonona tsara’ isika hanao “asa tsara”, dia ny fampianarana ny olona ny Tenin’Andriamanitra. Ahoana anefa ny amin’ireo mpiangona rehetra ao amin’ny Kristianisma Anarana? Manana ny Baiboly izy ireo. Nahoana io boky io no manampy ny sasany mba ho tonga mpitory mahay, nefa tsy manampy ny hafa? Ny fiheverantsika ny Baiboly no mahatonga izany.

6 Mampalahelo fa mpiangona maro no tsy mandray ny hafatry ny Baiboly ho “araka izay marina, dia ny tenin’Andriamanitra.” (1 Tesaloniana 2:13) Tena mahamenatra ny nataon’ny Kristianisma Anarana tamin’io lafiny io. Tsara ofana mba hampianatra ny Tenin’Andriamanitra ve ny mpitondra fivavahana, na dia nianatra teolojia nandritra ny taona maro aza? Tsy dia izany loatra. Lasa mpanakiana ny Baiboly mihitsy aza ny sasany amin’ireny mpianatra ireny, nefa nino azy io teo am-piandohan’ny seminera! Noho izany, dia maro amin’izy ireo no tsy mino ny Tenin’Andriamanitra intsony, ka mifantoka amin’ny zavatra hafa indray: Miandany amin’ny adilahy politika izy ireo, mampiasa ny filazantsara mba hanatsarana ny fiaraha-monina, na manasongadina filozofian’olombelona ao amin’ny toriteniny. (2 Timoty 4:3) Manaraka ny ohatr’i Jesosy Kristy kosa ny tena Kristianina.

7, 8. Inona no tsy nampitovy ny fiheveran’i Jesosy ny Tenin’Andriamanitra sy ny fiheveran’ny mpitondra fivavahana tamin’ny androny azy io?

7 Tsy navelan’i Jesosy hamolavola ny fomba fisainany ny mpitondra fivavahana tamin’ny androny. Nampiasa tsara ny soratra masina izy, na vitsy toy ireo apostoliny, ny olona nampianariny, na betsaka. (Matio 13:10-17; 15:1-11) Nampiavaka azy tamin’ireo mpitondra fivavahana izany fahazarany izany. Nanakivy mafy ny sarambaben’olona mba tsy hikaroka ny zava-dalin’Andriamanitra izy ireo. Mazàna ny mpampianatra tamin’izany no nihevitra fa lalina loatra ny andinin-teny sasany, ka ny mpianatra tiany indrindra ihany no tokony hiara-mandinika izany aminy. Natao tamin’ny feo iva foana anefa izany ary nisaron-doha izy ireo. Noho ny finoanoam-poanan’ireny mpitondra fivavahana ireny, dia nisy andinin-teny tsy sahiny noresahina, ary tsy nety nanonona ny anaran’Andriamanitra mihitsy aza izy ireo!

8 Tsy toy izany i Kristy. Nihevitra izy fa ny olon-drehetra no mila mandinika “ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra”, fa tsy olona vitsivitsy fotsiny akory. Tsy manam-pahaizana vitsivitsy fotsiny no tian’i Jesosy hampahalalana ny Soratra Masina. Hoy izy tamin’ny mpianany: “Izay lazaiko aminareo ao amin’ny maizina, dia ambarao eo amin’ny mazava, ary izay ren’ny sofinareo, dia torio eo ambonin’ny tampon-trano.” (Matio 4:4; 10:27) Naniry mafy ny hizara ny fahalalana an’Andriamanitra tamin’ny olona maro araka izay azo atao i Jesosy.

9. Ahoana no ampiasan’ny tena Kristianina ny Baiboly?

9 Tokony hifantoka amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fampianarantsika. Tsy ampy, ohatra, ny mamaky andinin-teny avy ao amin’ny Baiboly fotsiny, rehefa manao lahateny na anjara ao amin’ny Efitrano Fanjakana isika. Mila manazava sy manome ohatra ary fampiharana ilay andinin-teny angamba isika, ka hampiasa ny andinin-teny manodidina azy io. Ny hahavelombelona ny hafatry ny Baiboly sy hampiasa azy io mba hanohinana ny fon’ny olona no tanjontsika. (Nehemia 8:8, 12) Tokony hampiasaina koa ny Baiboly mba hanomezana torohevitra na hanafaizana sy hanitsiana olona. Na dia samy manana ny fiteniny sy samy hafa fiaviana aza ny vahoakan’i Jehovah, dia samy manaja ilay boky tsara indrindra, dia ny Baiboly.

10. Inona no mety ho vokatry ny hafatra ara-tsindrimandry ao amin’ny Baiboly eo amintsika?

10 Manan-kery ny hafatry ny Baiboly, rehefa ampiasaina sy hajaina toy izany. (Hebreo 4:12) Manosika ny olona hiova izy io, ka hiala amin’ny fanao mifanohitra amin’ny Soratra Masina, toy ny fijangajangana, fanompoan-tsampy, fimamoana ary ny halatra. Betsaka koa no nampian’izy io mba hanesotra ny toetra taloha, ka hitafy ny toetra vaovao. (Efesiana 4:20-24) Tena hanampy antsika tokoa ny Baiboly, raha hajaintsika mihoatra noho ny hevitra na lovantsofin’olombelona, ary ampiasaintsika foana. Hanjary hahay sy ho vonona tsara hampianatra ny Tenin’Andriamanitra isika amin’izay.

Mampahay antsika ny fanahin’i Jehovah

11. Nahoana no mety ny hiantsoana ny fanahy masin’i Jehovah hoe mpanampy?

11 Aoka hodinihintsika indray izao ny anjara asan’ny fanahy masin’i Jehovah, na hery ampiasainy, mba hahatonga antsika ho vonona tsara. Tsy tokony hohadinointsika mihitsy fa tsy misy hery matanjaka noho ny fanahin’i Jehovah. Nomen’i Jehovah fahefana ny Zanany malala mba hampiasa io hery mahatahotra io hanampiana ny tena Kristianina rehetra. Mety tsara àry ny niantsoan’i Jesosy ny fanahy masina hoe “Mpananatra”, na mpanampy. (Jaona 16:7) Nampirisika ny mpanara-dia azy izy mba hangataka io fanahy io amin’i Jehovah, ary nomeny toky izy ireo fa handrotsaka izany amin’izy ireo i Jehovah.—Lioka 11:10-13; Jakoba 1:17.

12, 13. a) Nahoana isika no mila mivavaka mba hanampian’ny fanahy masina antsika eo amin’ny fanompoana? b) Ahoana no nampisehoan’ny Fariseo fa tsy niasa tao amin’izy ireo ny fanahy masina?

12 Mila mivavaka mba hahazo fanahy masina isika isan’andro, indrindra mba hanampy antsika eo amin’ny fanompoana. Inona no mety ho vokatr’io hery ampiasain’Andriamanitra io eo amintsika? Mety hisy vokany eo amin’ny saintsika sy ny fontsika izy io, ka hanampy antsika hiova, sy hihamatotra ara-panahy, ary hanolo ny toetra taloha amin’ny toetra vaovao. (Kolosiana 3:9, 10) Afaka manampy antsika hanana ireo toetra sarobidin’i Kristy izy io. Maro amintsika no mahay tsianjery ny Galatiana 5:22, 23, izay mitanisa ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra. Voalohany amin’izany ny fitiavana izay tena ilaina amin’ny fanompoantsika. Nahoana?

13 Ny fitiavana no tena manosika hanao zavatra. Manosika ny tena Kristianina hitory ny vaovao tsara ny fitiavana an’i Jehovah sy ny mpiara-belona. (Marka 12:28-31) Tsy ho tena hahay hampianatra ny Tenin’Andriamanitra isika, raha tsy manana io fitiavana io. Mariho ny naha samy hafa an’i Jesosy sy ny Fariseo. Milaza toy izao momba an’i Jesosy ny Matio 9:36: “Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.” Ahoana kosa no fiheveran’ny Fariseo ny sarambaben’olona? Hoy izy ireo: “Voaozona ireto vahoaka ireto, izay tsy mahalala ny lalàna.” (Jaona 7:49) Nanao tsinontsinona ny olona ny Fariseo fa tsy tia azy ireo. Hita fa tsy niasa tao amin’izy ireo mihitsy ny fanahin’i Jehovah.

14. Tokony hanosika antsika hanao inona ny fitiavana nasehon’i Jesosy teo amin’ny fanompoana?

14 Niombona alahelo tamin’ny olona i Jesosy. Takany fa nijaly izy ireo. Fantany fa nohararaotina sy nampahantraina izy ireo, ary nafoy toy ny ondry tsy nisy mpiandry. “Nahalala izay tao am-pon’ny olona” i Jesosy, hoy ny Jaona 2:25. Mpiasa Kinga nanampy an’i Jehovah tamin’ny famoronana izy, ka nahafantatra tsara ny toetran’ny olombelona. (Ohabolana 8:30, 31) Nahatonga ny fitiavany ho lalina kokoa izany. Enga anie ka izany fitiavana izany hatrany no hanosika antsika hitory! Raha heverintsika fa mbola afaka mihatsara isika amin’io lafiny io, dia aoka isika hivavaka amin’i Jehovah mba hahazo ny fanahiny masina ary hanao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataontsika. Hamaly antsika i Jehovah, ary handefa io heriny lehibe io izy, mba hanampiana antsika hitovy kokoa amin’i Kristy, izay tapitra ohatra tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara.

15. Nahoana ireo tenin’ny Isaia 61:1-3 no mihatra amin’i Jesosy, sady manala sarona ny mpanora-dalàna sy Fariseo?

15 Avy aiza ny fahaizan’i Jesosy? “Ny fanahin’i Jehovah no ato amiko”, hoy izy. (Lioka 4:17-21) Eny, i Jehovah mihitsy no nanendry an’i Jesosy tamin’ny alalan’ny fanahy masina. Tsy nila fanamarinana ankoatra izany izy. Notendren’ny fanahy masina ve ny mpitondra fivavahana tamin’ny androny? Tsia. Tsy voaofana koa izy ireo mba hanatanteraka ny Isaia 61:1-3, izay novakin’i Jesosy tamin’ny feo avo sy nampihariny tamin’ny tenany. Tsara raha vakinao ireo andinin-teny ireo mba hahitanao mihitsy fa tsy nahay tsara ireo mpanora-dalàna sy Fariseo. Tsy nanana vaovao tsara hotorina tamin’ny mahantra izy ireo. Ahoana moa no hahafahany hitory fahafahana ho an’ny mpifatotra sy fampahiratana ho an’ny jamba? Izy aza jamba sy voafatotry ny lovantsofin’olombelona, raha ny ara-panahy no resahina! Ahoana kosa ny amintsika? Mahay mampianatra ve isika?

16. Inona no atokisan’ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny, momba ny fahaizany manatontosa ny fanompoany?

16 Marina fa tsy nianatra tany amin’ny sekoly ambonin’ny Kristianisma Anarana isika. Tsy misy seminera teolojika nanendry antsika ho mpampianatra. Tsy mahay àry ve isika? Tsy izany velively! I Jehovah no manendry antsika ho Vavolombelony. (Isaia 43:10-12) Manana ny fahaizana ambony indrindra isika, raha mivavaka mba hahazo ny fanahiny masina sy manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataontsika. Tsy tanteraka aloha isika sady tsy maharaka tsara ny ohatr’i Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe. Kanefa, tsy velom-pankasitrahana ve isika satria mampiasa ny fanahiny i Jehovah mba hahatonga antsika hahay sy ho vonona hampianatra ny Teniny?

Mampahay antsika ny fandaminan’i Jehovah

17-19. Nahoana no manampy antsika hahay hitory ireo fivoriana dimy alamin’ny fandaminan’i Jehovah isan-kerinandro?

17 Andeha hodinihintsika izao ny fomba fahatelo ampiasain’i Jehovah mba hahatonga antsika ho vonona hampianatra ny Teniny—dia ny fiangonany eto an-tany, na ny fandaminany. Mampiofana antsika hitory izy io. Amin’ny fomba ahoana? Hevero fotsiny ny fandaharam-pampianarana azontsika! Manatrika fivoriana kristianina dimy isan-kerinandro isika, raha ny tokony ho izy. (Hebreo 10:24, 25) Vitsivitsy isika no miara-mivory amin’ny Fianarana ny Boky mba handalina ny Baiboly amin’ny alalan’ny boky navoakan’ny fandaminan’i Jehovah. Mianatra avy amin’ny hafa sy mifampahery isika rehefa mihaino sy manome valin-teny. Mahazo toromarika sy fiheverana manokana avy amin’ny mpiandraikitra ny fianarana ny boky koa isika. Mandray sakafo ara-panahy mahasoa koa isika mandritra ny Fivoriana ho An’ny Besinimaro sy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana.

18 Natao hanomezana toromarika antsika mahakasika ny fomba fampianatra ny Sekolin’ny Fanompoana. Mianatra mampiasa ny Tenin’Andriamanitra mba hampianarana foto-kevitra maro isika, rehefa manomana ireo anjara. (1 Petera 3:15) Efa nasaina namelabelatra foto-kevitra iray toa fantatrao tsara ve ianao tamin’ny Sekoly, nefa hitanao avy eo fa nianatra zava-baovao momba azy io ianao? Tsy maningana ny toy izany. Ny fampianarana foto-kevitra iray amin’olon-kafa no fomba tsara indrindra hampitomboana ny fahalalantsika azy io. Azontsika atao foana ny mianatra mba ho mpampianatra mahay kokoa, na dia tsy mahazo anjara aza isika. Ahitantsika toetra tsara ny mpianatra tsirairay, ary afaka mieritreritra ny fomba hanahafantsika ireny toetra ireny isika.

19 Natao hampiofanana antsika hampianatra ny Tenin’Andriamanitra koa ny Fivoriana Momba ny Fanompoana. Isan-kerinandro isika dia mahare lahateny sy dinidinika ary fampisehoana velombelona, manomana antsika ho amin’ny fanompoana. Inona no fomba fampiseho hampiasaintsika? Ahoana no hiatrehantsika ireo zava-tsarotra manokana eny amin’ny fanompoana? Inona avy no fomba fitory tokony hampiasaintsika bebe kokoa? Ahoana no hahitantsika vokatra kokoa rehefa miverina mitsidika sy mampianatra Baiboly isika? (1 Korintiana 9:19-22) Resahina sy velabelarina amin’ny an-tsipiriany mandritra ny Fivoriana Momba ny Fanompoana ny fanontaniana toy izany. Miorina amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ny ankamaroan’ny anjara amin’io fivoriana io. Anisan’ny fitaovana omena antsika Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, mba hanampiana antsika amin’ilay asa lehibe ataontsika.

20. Ahoana no hahazoantsika soa betsaka indrindra avy amin’ireo fivoriana sy fivoriambe?

20 Tsara ofana koa isika, rehefa manomana sy manatrika ny fivoriantsika ary mampihatra izay nianarantsika rehefa mampianatra. Ankoatra izany, dia mampiofana antsika hampianatra ny Tenin’Andriamanitra koa ireo fivoriambe. Tsy andrintsika erỳ ny hihainoana tsara sy hampiharana ny torohevitra azontsika any!—Lioka 8:18.

21. Inona no manaporofo fa nandaitra ny fampiofanana azontsika, ary iza no omem-boninahitra amin’izany?

21 Nandaitra ve ny fampiofanana nomen’i Jehovah? Aoka isika handinika ireo porofo. Olona ana hetsy isan-taona no ampianarina ny foto-pampianarana ao amin’ny Baiboly sy hanao izay takin’Andriamanitra aminy. Mitombo ny isantsika, nefa tsy misy afaka mirehareha ny amin’izany isika. Tokony hijery ny zava-misy isika, toa an’i Jesosy. Hoy izy: “Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy.” Olon-tsotra tsy mahay taratasy ny ankamaroantsika, toy ireo apostoly fahiny. (Jaona 6:44; Asan’ny Apostoly 4:13) Miankina amin’i Jehovah ny fahombiazantsika, izy no mitaona ireo tso-po ho amin’ny fahamarinana. Nilaza tsara izany toy izao i Paoly: “Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo.”—1 Korintiana 3:6.

22. Nahoana isika no tsy tokony ho kivy ratsy mihitsy ka tsy handray anjara feno amin’ny fanompoana kristianina?

22 Eny, tena manampy antsika tokoa i Jehovah Andriamanitra, rehefa mampianatra ny Teniny isika. Mety hihevi-tena ho tsy mahay mampianatra isika indraindray. Tadidio anefa fa i Jehovah no mitaona ny olona ho aminy sy ho amin’ny Zanany. I Jehovah no mampiofana antsika amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fanahiny masina ary ny fandaminany eto an-tany, mba hahaizantsika hanampy ireo vaovao ireo. Aoka àry isika handray tsara ny fampiofanan’i Jehovah, ka hampihatra ireo torohevitra mahasoa omeny antsika mba hahatonga antsika ho vonona tsara hampianatra ny Teniny!

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no anampian’ny Baiboly antsika amin’ny fitoriana?

• Inona no anjara asan’ny fanahy masina mba hahatonga antsika ho mpitory mahay?

• Ahoana no nanampian’ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany anao mba hahay hitory ny vaovao tsara?

• Nahoana isika no tsy manahy rehefa mandeha manompo?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 25]

Naneho fitiavana ny olona i Jesosy, izay mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra