Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hahavoavonjy Anao Amin’ny Faran’ity Tontolo Ity?

Ahoana no Hahavoavonjy Anao Amin’ny Faran’ity Tontolo Ity?

Ahoana no Hahavoavonjy Anao Amin’ny Faran’ity Tontolo Ity?

MILAZALAZA ny faran’ity tontolo ankehitriny ity toy izao ny Baiboly: “Andro fahatezerana izany andro izany, andro fahoriana sy fahalahelovana, andro fandravana sy fanafoanana, andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito.” (Zefania 1:15) Azo antoka fa tsy karazana andro toy izany mihitsy no andrasanao ho tonga! Nampirisika ny Kristianina namany anefa ny apostoly Petera mba ‘sady hanantena no hampahafaingana ny hihavian’ny andron’Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra! Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana.’—2 Petera 3:12, 13.

Tsy nilaza akory i Petera hoe hopotehina ny lanitra sy tany ara-bakiteny. Ny “lanitra” sy “tany” voalazany eo kosa dia ny fitondram-panjakan’olombelona tsy marina sy ny fitambaran’olona tsy tia an’Andriamanitra ankehitriny. Tsy hamotika ny tany “ny andron’i Jehovah”, fa ‘handringana ny mpanota tsy ho ao’ kosa. (Isaia 13:9) Ho andro famonjena àry ny andron’i Jehovah ho an’ireo “misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra” ataon’ny olona ratsy fanahy ankehitriny.—Ezekiela 9:4.

Ahoana àry no ahafahan’ny olona ho voavonjy amin’ilay “andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina”? Mamaly izany “ny tenin’i Jehovah” nambarany tamin’ny iray tamin’ireo mpaminaniny, manao hoe: “Na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia ho afa-mandositra.” (Joela 1:1; 3:4, 5) Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy anao hianatra ny dikan’ny hoe miantso ny anaran’i Jehovah.