Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Mety ve ny milaza hoe manalefaka ny fanaovan’i Jehovah ny rariny ny famindram-pony?

Mahazatra ny mampiasa an’io fitenenana io. Aleo anefa tsy mampiasa azy io, satria toa midika izany hoe ny famindram-pon’i Jehovah no mahatonga ny fanaovany ny rariny ho malefaka kokoa, ka tsy ho masiaka loatra. Toa milaza izany hoe toetra ambony noho ny rariny ny famindram-pony. Tsy marina anefa izany.

Ny teny hebreo nadika hoe “rariny” ao amin’ny Baiboly malagasy dia mety hidika koa hoe “fitsarana.” Mifandray akaiky ny fahamarinana sy ny rariny. Ny rariny anefa, fa tsy ny fahamarinana, no ampiasaina matetika amin’ny heviny ara-pitsarana. Marina fa mety ho tafiditra amin’ny fanaovan’i Jehovah ny rariny ny famaizana, ho an’ny olo-meloka, kanefa mety ho tafiditra amin’izany koa ny famonjena an’ireo mendrika. (Genesisy 18:20-32; Isaia 56:1; Malakia 3:20) Tsy tokony hihevitra àry isika hoe masiaka loatra na mila atao malefaka kokoa ny rariny ataon’i Jehovah.

Ny teny hebreo nadika hoe “famindram-po” dia mety hidika hoe fanalefahana ny fampiharana didim-pitsarana. Mety hidika koa izany hoe maneho fangoraham-po lalina ka manome fanamaivanana ho an’ireo niharam-pahavoazana.—Deoteronomia 10:18; Lioka 10:29-37.

Sady Andriamanitra manao ny rariny no mamindra fo i Jehovah. (Eksodosy 34:6, 7; Deoteronomia 32:4; Salamo 145:9) Samy tonga lafatra ny rariny sy ny famindram-pony, ary miara-miasa sy mirindra. (Salamo 116:5; Hosea 2:21) Mifandanja tsara na mifameno ireo toetrany roa ireo. Koa raha milaza àry isika hoe manalefaka ny rariny ny famindram-pon’i Jehovah, dia tokony hilaza koa isika hoe manalefaka ny famindram-pony ny rariny.

Naminany i Isaia hoe: “Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, ary mbola hitoetra any amin’ny avo Izy mandra-piantrany anareo; fa Andriamanitry ny fahamarinana [“rariny”, Ny Baiboly Anglisy Vaovao] i Jehovah.” (Isaia 30:18) Asehon’i Isaia eto fa ny fanaovan’i Jehovah ny rariny no mahatonga azy hamindra fo, fa tsy hoe ny famindram-pony akory no manalefaka na mifehy ny fanaovany ny rariny. Mamindra fo i Jehovah satria manao ny rariny izy ary be fitiavana.

Tsy mety àry ny milaza fa manalefaka ny fitsaran’Andriamanitra ny famindram-pony, amin’ny fieritreretana hoe mba hanalefahana ny rariny dia ilaina ny famindram-po. Tena mifandanja tsara ireo toetra roa ireo ao amin’i Jehovah, sady mampifandanja ny toetrany hafa toy ny fitiavana sy ny fahendrena. Ireo toetrany hafa ireo indray kosa dia mampifandanja ny famindram-pony sy ny rariny.