Nahoana no Rava Ilay Tontolo Fahiny?
Nahoana no Rava Ilay Tontolo Fahiny?
TSY hetraketraky ny natiora ilay Safo-drano naneran-tany. Didim-pitsaran’Andriamanitra kosa izy iny. Efa nisy fampitandremana natao, nefa tsy niraharaha izany ny ankamaroan’ny olona. Nahoana? Nanazava toy izao i Jesosy: ‘Tamin’ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, dia nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin’ny andro nidiran’i Noa tao amin’ny sambo-fiara, ary tsy fantany [na tsy noraharahainy] mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra.’—Matio 24:38, 39.
Tontolo nandroso
Azo lazaina fa nanana tombony maro tsy ananantsika ny olona talohan’ny Safo-drano. Fiteny iray, ohatra, no nampiasain’izy rehetra. (Genesisy 11:1) Azo inoana fa nampivoatra ny zavakanto sy ny siansa izany, satria olona maro samy hafa fahaizana no mila mifarimbona amin’izany. Ela velona koa ny olona tamin’izany andro izany, ka afaka nampitombo ny fahaizana azony nandritra ireo taonjato maro niainany.
Misy milaza anefa fa tsy ela velona toy izany ny olona fahiny, fa volana ireo taona resahin’ny Baiboly. Marina ve izany? Eritrereto àry i Mahalalila. Hoy ny Baiboly: “Rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan’i Mahalalila, dia niteraka an’i Jareda izy. ... Ary ny andro rehetra niainan’i Mahalalila dia dimy amby sivi-folo amby valon-jato taona; dia maty izy.” (Genesisy 5:15-17) Vao dimy taona monja izany i Mahalalila dia niteraka, raha iray volana ny herintaona! Tsy iray volana àry ny herintaona. Tena niaina nandritra ny taonjato maro ny olona tamin’izany, satria taranaka vitsivitsy fotsiny ny elanelany tamin’i Adama lehilahy voalohany izay lavorary. Inona no zava-bitany?
Tena nihamaro ny mponin’ny tany, taonjato maro talohan’ny Safo-drano, ka afaka nanorina tanàna, nantsoiny hoe Enoka, i Kaina zanak’i Adama. (Genesisy 4:17) Nisy indostria isan-karazany niforona talohan’ny Safo-drano. Nanamboatra fitaovana isan-karazany tamin’ny “varahina na vy” koa ny olona. (Genesisy 4:22) Azo inoana fa nampiasaina mba hanorenana trano, handrafetana, hanaovana akanjo sy hambolena ireny fitaovana ireny. Resahina ao amin’ny tantaran’ireo mponina voalohany teto an-tany ireny asa ireny.
Nitombo fahaizana ny olona, ka nety ho afaka nampivoatra ny fampiasana metaly, ny fambolena, fiompiana ondry sy omby, fanoratana sy zavakanto. “Rain’ny mpitendry lokanga sy mpitsoka sodina rehetra”, ohatra, i Jobala. (Genesisy 4:21) Niroborobo sy nandroso be tokoa io tontolo io. Rava tampoka anefa izy io. Fa inona no nitranga?
Inona no tsy nety?
Ratsy fiandohana ilay tontolo talohan’ny Safo-drano, na dia nanana zava-tsoa maro aza. Mpikomy tamin’Andriamanitra i Adama, ilay nanorina azy io. Namono ny rahalahiny i Kaina, ilay nanorina ny tanàna voalohany voalazan’ny tantara. Tsy mahagaga àry raha nirongatra ny faharatsiana! Nitombo hatrany ny voka-dratsin’ny fahotana nafindran’i Adama tamin’ny taranany.—Romana 5:12.
Toa tonga tamin’ny fara tampony ny faharatsiana rehefa nanapa-kevitra i Jehovah fa 120 taona sisa no hamelany an’ilay faharatsiana hitohy. (Genesisy 6:3) Hoy ny Baiboly: “Be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro. ... Heni-doza [ny tany].”—Genesisy 6:5, 11.
Nolazaina mazava tamin’i Noa tatỳ aoriana fa handefa safo-drano mba handringanana ny nofo rehetra Andriamanitra. (Genesisy 6:13, 17) Lasa “mpitory ny fahamarinana” i Noa, nefa toa sarotra tamin’ny olona tamin’izany andro izany ny nino fa ho rava ireo zava-drehetra nanodidina azy ireo. (2 Petera 2:5) Olona valo monja no nanaraka ilay fampitandremana, ka voavonjy. (1 Petera 3:20) Nahoana izany no zava-dehibe amintsika?
Inona no dikan’izany ho antsika?
Mitovy amin’ny andron’i Noa ny andro iainantsika. Rentsika matetika ny fampihorohoroana mahatsiravina, fandripahana foko, vonoan’olona maro be tsy amin’ny antony, ary herisetra an-tokantrano mitombo mbola tsy nisy toy izany. Feno herisetra indray izao ny tany, ary efa nampitandremana toy ny taloha koa izao tontolo izao fa hisy didim-pitsarana hihatra. I Jesosy mihitsy no nilaza fa notendren’Andriamanitra ho Mpitsara izy, ka ho avy hanasaraka ny olona, toy ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy. Nilaza izy fa “ho any amin’ny fampijaliana mandrakizay” ireo tsy mendrika. (Matio 25:31-33, 46) Lazain’ny Baiboly anefa fa hisy olona an-tapitrisa ho tafita velona amin’ity indray mitoraka ity, dia vahoaka betsaka manompo an’ilay hany Andriamanitra marina. Hiaina ao anatin’ny fiadanana sy filaminana mandrakizay ireo olona ireo, ao amin’ilay tontolo ho avy.—Mika 4:3, 4; Apokalypsy 7:9-17.
Ihomehezan’ny olona maro ireo andinin-teny ireo sy ny fampitandremana momba ilay fandringanana, izay hanamarina ny voalazan’ny Baiboly. Nohazavain’ny apostoly Petera anefa fa tsy miraharaha ny tena zava-misy ireny mpisalasala ireny. Nanoratra toy izao izy: “Amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira ... ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fihaviany? ... Fa minia jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin’ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin’ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin’ny tenin’Andriamanitra, ary rano koa no nandravana izao rehetra izao taloha tamin’ny nanasaforany azy; fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin’izany teny izany ho amin’ny afo ka tehirizina ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.”—2 Petera 3:3-7.
Torina amin-jotom-po maneran-tany ankehitriny ny fampitandremana momba an’io andro Matio 24:14) Tsy tokony hohamaivanina io fampitandremana io. Mitana ny teny nataony mantsy ilay Andriamanitra Tsitoha.
fitsarana io sy ny vaovao tsara momba ny fiadanana hanaraka azy io, araka ny baiko ara-paminaniana nomen’i Jesosy. (Ilay tontolo ho avy
Inona no miandry ny olombelona, aorian’izany fiovana lehibe izany? Nampanantena toy izao i Jesosy, rehefa nanomboka ny Toriteny malaza teo An-tendrombohitra: “Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany.” Nampianatra ny mpianany mba hivavaka toy izao amin’Andriamanitra izy avy eo: “Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 5:5; 6:10) Eny, i Jesosy mihitsy no nilaza fa misy hoavy mahatalanjona eto an-tany miandry ny olombelona mahatoky. Nantsoiny hoe “ny fanavaozana” izany.—Matio 19:28.
Aza avela hahatonga anao hisalasala momba ny fampitandreman’Andriamanitra àry ny mpaniratsira, rehefa mieritreritra ny hoavy ianao. Marina fa toa maharitra ireo zavatra manodidina antsika, ary efa ela no nisian’ity tontolo ity. Tsy tokony hatoky azy io anefa isika. Efa nomelohina ny tontolon’ny olombelona. Aoka àry hampahery anao ireto teny namaranan’ny apostoly Petera ny taratasiny ireto:
“Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa hianareo amin’ny fitondrantena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, sady manantena no mampahafaingana ny hihavian’ny andron’Andriamanitra ... satria manantena izany zavatra izany hianareo, dia mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ny Tompo amin’ny fihavanana. ... Mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy.” (2 Petera 3:11, 12, 14, 18) Mandraisa àry lesona avy amin’ny zava-nitranga tamin’ny andron’i Noa. Mifandraisa akaiky amin’Andriamanitra. Fantaro tsara kokoa i Jesosy Kristy. Miezaha hifikitra amin’Andriamanitra sy ho anisan’ireo olona an-tapitrisa mifidy ny ho tafita velona amin’ny faran’ity tontolo ity, ka hiaina ao amin’ilay tontolo hisy fiadanana ho avy.
[Sary, pejy 5]
Efa nahay nanamboatra fitaovana avy tamin’ny metaly ny olona talohan’ny Safo-drano
[Sary, pejy 7]
Hisy hoavy mahatalanjona