Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Nihalalina ny Fitiavanay’

‘Nihalalina ny Fitiavanay’

‘Nihalalina ny Fitiavanay’

NIPOAKA ny volkano tao amin’ny Tendrombohitra Usu any Hokkaido, any Japon, ny zoma 31 Martsa 2000, rehefa natory nandritra ny 23 taona. Mponina an’arivo no voatery nandositra avy teo amin’ny faritra nampidi-doza. Maro no tsy nanana trano sy asa intsony. Soa ihany anefa fa tsy nisy aina nafoy. Anisan’ny olona voatery nandositra ny Vavolombelon’i Jehovah 46, nefa nahazo fanampiana izy ireo.

Nisy fanampiana vonjy rano vaky nokarakaraina, ny androtr’iny ihany, ary nanampy tamin’izany ny mpiandraikitra kristianina mpitety faritany nitsidika tao amin’ilay faritra. Tsy ela dia nisy fanampiana tonga avy tamin’ireo fiangonana manodidina. Natsangana haingana ny komitin’ny vonjy rano vaky notantanan’ny sampan’i Japon, ary naharay fanomezana be dia be avy tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah nanerana ilay firenena ny tahirim-bola vonjy rano vaky. Nisy Vavolombelon’i Jehovah mpanompo manontolo andro nalefa tany amin’ireo fiangonana tena voa mafy mba hanampy tamin’ny asa ara-panahy. Nitsidika ilay faritra imbetsaka koa ny mpiandraikitra ny faritra mba hanohana ara-pihetseham-po sy ara-panahy.

Mbola nivory tany an-tranon’olona, tany amin’ny toerana tsy natahorana firy ireo Vavolombelona teo amin’ilay faritra tra-boina, nandritra izany fotoan-tsarotra izany. Niverina tany amin’ilay faritra nisy ny Efitrano Fanjakana ireo rahalahy, rehefa azo naleha tany, ka trano nitongilana sy nivava ary simba no hitany. Tsy lavitra ny Efitrano Fanjakana ilay vava volkano vao avy nipoaka, ary mbola namoaka setroka matevina. Nanontany tena ireo Vavolombelona hoe: ‘Mbola fahendrena ve ny hivoriana eo amin’io toerana io? Azo amboarina indray ve ilay Efitrano Fanjakana?’

Nanapa-kevitra izy ireo fa hanorina Efitrano Fanjakana vaovao tany amin’ny toerana tsy atahorana firy teny akaiky teny. Nanome ny fanampiana nilaina ny Komitim-paritra Momba ny Fanorenana. Vola nomen’ny Vavolombelona nanerana ilay firenena no nampiasaina tamin’ilay fanorenana. Vetivety dia voavidy ny tany, ary nahavita Efitrano Fanjakana vaovao tao anatin’ny fotoana fohy izy ireo noho ny fanampian’ny mpiasa an-tsitrapo an-jato. Olona 75 no nanatrika ny fivoriana voalohany tao amin’io Efitrano Fanjakana vao naorina io ny alahady 23 Jolay 2000. Latsa-dranomasom-pifaliana ny ankamaroany. Voatosika hiteny toy izao ny iray tamin’ireo anti-panahin’ny fiangonana teo an-toerana, rehefa notokanana ny Oktobra tamin’io taona io ihany ilay Efitrano Fanjakana: “Nitondra zava-tsarotra sy fijaliana ilay volkano. Tsy matahotra intsony anefa izahay fa faly kosa noho ity efitrano ity. Nihalalina ny fitiavanay an’i Jehovah sy ireo rahalahy kristianina malalanay!”

[Sary nahazoan-dalana, pejy 19]

Nipoaka ny volkano tao amin’ny Tendrombohitra Usu: AP Photo/Koji Sasahara