Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rava Tanteraka ny Tontolo Iray!

Rava Tanteraka ny Tontolo Iray!

Rava Tanteraka ny Tontolo Iray!

Jereo ny tontolo manodidina anao: ny tanàn-dehibe, ny kolontsaina, ny zava-bita ara-tsiansa, ary ireo mponina an’arivo tapitrisa. Toa haharitra no fahitana azy, sa tsy izany? Mety hanjavona tanteraka ve ity tontolo ity indray andro any, araka ny hevitrao? Mety ho sarotra ny maka sary an-tsaina an’izany. Fantatrao ve anefa, fa efa nisy tontolo rava tanteraka talohan’ity tontolontsika ity, araka ny lazain’ny boky iray tena mendri-pitokisana?

EFA nivoatra ny olona tao amin’izany tontolo izany, satria efa nisy tanàn-dehibe, nandroso be ny zavakanto ary nisy fahalalana ara-tsiansa. Lazain’ny Baiboly amintsika anefa fa nisy safo-drano tonga tampoka nandrava tanteraka an’io tontolo io, tamin’ny andro faha-17 tamin’ny volana faharoa, izany hoe 352 taona talohan’ny nahaterahan’i Abrahama. *

Marina ve io tantara io? Tena nitranga tokoa ve izany? Efa nisy tontolo iray nandroso be sy rava tokoa ve talohan’ity tontolontsika ity? Raha marina izany, nahoana izy io no nifarana? Inona no tsy nety? Misy lesona azontsika raisina ve avy amin’ny faharavan’izy io?

Tena nisy tontolo rava tokoa ve fahiny?

Tsy hohadinoina tanteraka mihitsy ny loza lehibe toy izany, raha tena nitranga. Misy zavatra mampahatsiahy an’io fandravana io tokoa any amin’ny firenena maro. Diniho, ohatra, ny daty voafaritra tsara omen’ny Soratra Masina. Nanomboka tamin’ny antenatenan’ny Oktobra ka hatramin’ny antenatenan’ny Novambra, amin’ny kalandrientsika ankehitriny, ny volana faharoa tamin’ny kalandrie fahiny. Mifanitsy amin’ny 1 Novambra eo ho eo, araka izany, ilay andro faha-17. Mety tsy ho kisendrasendra àry raha ankalazaina amin’io fotoana io ny fetin’ny maty any amin’ny tany maro.

Ahitana porofon’ny Safo-drano koa ny lovantsofina. Saika ny firenena tranainy rehetra dia manana angano mitantara fa tafita velona tamin’ny safo-drano naneran-tany ny razambeny. Manana angano toy izany ny Incas avy any Amerika Atsimo sy ny Pigme afrikanina ary ny Selta eoropeanina. Toy izany koa ny mponina any Alaska, faritra sasany any Amerika Avaratra, Aostralia, Chine, Inde, Litoania, Meksika, Mikronezia, Nouvelle-Zélande, raha tsy hitanisa afa-tsy tany vitsivitsy isika.

Marina fa nitarina ireny angano ireny rehefa nandeha ny fotoana. Misy tsipiriany maromaro anefa mampiseho fa mitovy ny tantara niavian’izy rehetra: Tezitra noho ny faharatsian’ny olombelona Andriamanitra. Nampisy safo-drano lehibe izy. Ringana daholo ny olona afa-tsy olo-marina vitsivitsy monja. Nanamboatra sambo ireo olona ireo, ka io no nanavotra azy ireo sy ny biby. Nisy vorona navoaka mba hitady tany maina avy eo. Nijanona teny ambony tendrombohitra iray ilay sambo tamin’ny farany. Nanao fanatitra ireo olona tafita velona, rehefa nivoaka avy tao amin’ilay sambo.

Inona no porofoin’izany? Tsy hety ho kisendrasendra mihitsy ireo fitoviana ireo. Manamafy ny nolazain’ny Baiboly fotsiny kosa ireo angano ireo, dia ny hoe taranak’ireo tafita velona tamin’ny safo-drano nandrava ny tontolo fahiny, ny olombelona rehetra. Tsy mila miantehitra amin’ny angano àry isika mba hahafantarana izay nitranga. Eo am-pelatanantsika ny tantara marina ao amin’ny Soratra Hebreo ao amin’ny Baiboly.—Genesisy, toko faha-6-8.

Voalazan’ny tantara ara-tsindrimandrin’ny Baiboly na dia ny niandohan’ny fiainana aza. Tsy bokin-tantara fotsiny anefa izy io, raha ny porofo no jerena. Milaza tena ho fomba iresahan’Andriamanitra amin’ny olombelona ny Baiboly, ary manamarina izany tokoa ireo faminaniana marina sy fahendrena lalina raketiny. Tsy toy ny angano izy io rehefa mitantara fisehoan-javatra, fa manome anarana sy daty ary tsipiriany momba ny tetirazana sy ny jeografia. Asehony amintsika ny endriky ny fiainana talohan’ny Safo-drano, sy ny antony naharava tanteraka tampoka ny tontolo iray.

Fa inona no tsy nety nataon’ireo olona talohan’ny safo-drano? Hamakafaka izany ny lahatsoratra manaraka. Tena mahaliana izany, indrindra fa ho an’ireo manontany tena hoe azo antoka ve ny hoavin’ity tontolo misy antsika ity.

[Fanamarihana ambany pejy]

[Tabilao, pejy 4]

(Jereo ny gazety)

Angano Eran-tany Momba ny Safo-drano

Tany Fitoviana 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10

Gresy 7 ◆ ◆ ◆ ◆ ◆ ◆

Roma 6 ◆ ◆ ◆ ◆ ◆ ◆

Litoania 6 ◆ ◆ ◆ ◆ ◆ ◆

Asyria 9 ◆ ◆ ◆ ◆ ◆ ◆ ◆ ◆ ◆

Tanzania 7 ◆ ◆ ◆ ◆ ◆ ◆ ◆

Inde - Hindu 6 ◆ ◆ ◆ ◆ ◆ ◆

Nouvelle-Zélande - Maori

5 ◆ ◆ ◆ ◆ ◆

Mikronezia 7 ◆ ◆ ◆ ◆ ◆ ◆ ◆

Washington Etazonia - Yakima

7 ◆ ◆ ◆ ◆ ◆ ◆ ◆

Mississippi Etazonia - Choctaw

7 ◆ ◆ ◆ ◆ ◆ ◆ ◆

Meksika - Michoacan 5 ◆ ◆ ◆ ◆ ◆

Amerika Atsimo - Quechua

4 ◆ ◆ ◆ ◆

Bolivia - Chiriguano 5 ◆ ◆ ◆ ◆ ◆

Guyana - Arawak 6 ◆ ◆ ◆ ◆ ◆ ◆

1: Tezitra noho ny faharatsiana Andriamanitra

2: Fandringanana tamin’ny alalan’ny safo-drano

3: Avy tamin’Andriamanitra

4: Nisy fampitandremana avy tamin’Andriamanitra

5: Vitsy ny olona tafita velona

6: Sambo no nanavotra azy ireo

7: Avotra ny biby

8: Nisy vorona na zavaboary hafa navoaka

9: Nipetraka teo ambony tendrombohitra tamin’ny farany

10: Nisy fanatitra natao