Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aiza no Ahitantsika Mpitarika Mahay?

Aiza no Ahitantsika Mpitarika Mahay?

Aiza no Ahitantsika Mpitarika Mahay?

“NY TRANO rehetra dia samy nisy mpanao azy”, hoy ny Baiboly, “fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra.” (Hebreo 3:4; Apokalypsy 4:11) “Mahalala ny toetsika” i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, satria izy no Mpamorona antsika. (Salamo 103:14) Fantany tsara ny fetran’ny mety ho vitantsika sy izay ilaintsika. Andriamanitra be fitiavana koa izy, ka maniry hanome antsika izay ilaintsika. (Salamo 145:16; 1 Jaona 4:8) Anisan’izany ny faniriantsika hanana mpitarika mahay.

Niteny toy izao i Jehovah, tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany: “Indro, nataoko vavolombelona ho an’ny firenena Izy, ho mpanapaka [na mpitarika] sy komandy amin’ny firenena.” (Isaia 55:4) Mba hahitana mpitarika mahay sady tsara àry ankehitriny, dia ilaina ny mamantatra an’io Mpitarika notendren’ny Tsitoha io, sady manaiky ny fitarihany. Iza àry io Mpitarika sy Komandy nambara mialoha io? Inona no mampiseho fa hahay hitarika tokoa izy? Aiza no hitarihany antsika? Inona no tsy maintsy ataontsika mba handraisantsika soa avy amin’ny fitarihany?

Tonga ilay Mpitarika nampanantenaina

Niseho tamin’i Daniela mpaminany ny anjely Gabriela, 2 500 taona lasa izay, ka niteny taminy hoe: “Aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin’ny hivoahan’ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema ka hatramin’i Mesia Andriana dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro; hamboarina indray ny làlana sy ny hady, dia amin’izay andro mampahory.”—Daniela 9:25.

Mazava fa nampahafantarin’ilay anjely an’i Daniela ny fotoana voafaritra tsara hahatongavan’ilay Mpitarika nofidin’i Jehovah. Ho tonga ny “‘Mesia Andriana’, na Mpitarika”, rehefa hifarana ny 69 herinandro, na 483 taona. Izany dia isaina manomboka amin’ny 455 al.f.i., daty nivoahan’ny didy fa haorina indray i Jerosalema. * (Nehemia 2:1-8) Inona no nitranga rehefa nifarana io fe-potoana io? Mitantara toy izao i Lioka, mpanoratra Filazantsara: “Tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folo nanjakan’i Tiberio Kaisara, fony Pontio Pilato no governora tany Jodia, ary Heroda no mpanapaka tany Galilia [29 am.f.i.], ... dia tonga tamin’i Jaona, zanak’i Zakaria, tany an’efitra ny tenin’Andriamanitra. Ary nankany amin’ny tany rehetra any amoron’i Jordana izy nitory ny batisan’ny fibebahana ho famelan-keloka.” “Niandry” ny Mesia Mpitarika ny olona tamin’izany fotoana izany. (Lioka 3:1-3, 15) Tsy i Jaona io Mpitarika io, na dia nankany aminy aza ny vahoaka.

Nankany amin’i Jaona mba hataony batisa i Jesosy avy any Nazareta, tamin’ny taona 29 am.f.i., volana Oktobra teo ho eo. Ary nanambara toy izao i Jaona: “Izaho nahita ny Fanahy midina avy any an-danitra tahaka ny voromailala ka nitoetra teo amboniny. Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin’ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan’ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin’ny Fanahy Masina. Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak’Andriamanitra.” (Jaona 1:32-34) Voatendry ho Mpitarika i Jesosy rehefa natao batisa, izany hoe tonga Mesia na Kristy izy.

Voaporofo tokoa fa i Jesosy Kristy ilay “mpanapaka [na mpitarika] sy komandy amin’ny firenena.” Rehefa dinihintsika koa ireo toetran’i Jesosy, dia hitantsika tsara fa mihoatra lavitra noho izay antenaina amin’ny mpitarika modely ankehitriny ny fahaizany mitarika.

Mpitarika modely ny Mesia

Manome toromarika mazava ny mpitarika mahay, no sady manampy ny vahoakany mba ho tapa-kevitra ny handamina zava-manahirana sy hahay hanao izany. ‘Izany no fepetra takina amin’ny mpitarika mahomby amin’izao taonjato faha-21 izao’, hoy ilay boky hoe Fitarihana Mandritra ny Taonjato Faha-21: Dinidinika Tamin’ireo Mpitarika 100 Mahay Indrindra (anglisy). Tena nanomana tsara ny mpihaino azy mihitsy i Jesosy mba hiatrehan’izy ireo ny fiainana andavanandro! Diniho fotsiny ilay lahateny malaza nataony, dia ny Toriteny teo An-tendrombohitra. Mirakitra torohevitra mahasoa maro ny Matio toko faha-5 ka hatramin’ny faha-7.

Eritrereto, ohatra, ny torohevitra nomen’i Jesosy momba ny fandaminana tsy fifanarahana. Hoy izy: “Ary amin’izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ny alitara hianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.” (Matio 5:23, 24) Mandeha alohan’ny zava-drehetra ny fihavanana, alohan’ny adidy ara-pivavahana mihitsy aza, toy ny fanaovana fanatitra teo amin’ny alitaran’ny tempolin’i Jerosalema, araka ny notakin’ny Lalàn’i Mosesy. Raha tsy izany, dia tsy eken’Andriamanitra ny fanompoana azy. Mbola mahasoa hatramin’izao, toy ny tamin’ny taonjato maro lasa, io torohevitr’i Jesosy io.

Nanampy ny mpihaino azy koa i Jesosy mba tsy ho voafandrika ka haloto fitondran-tena. Hoy izy: “Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Aza mijangajanga.’ Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.” (Matio 5:27, 28) Tena mety tokoa izany fampitandremana izany! Nahoana isika no hanomboka ny dingana mitondra ho amin’ny fijangajangana, dia ny fieritreretana momba izany? Avy amin’ny fo no ivoahan’ny fakam-badin’olona sy ny fijangajangana, hoy i Jesosy. (Matio 15:18, 19) Hendry àry isika, raha miaro ny fontsika.—Ohabolana 4:23.

Misy torohevitra tena tsara koa ao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra, mahakasika ny fitiavana fahavalo, fahalalahan-tanana, ny tokony ho fiheverana ny harena sy ny zavatra ara-panahy, ary ny toy izany. (Matio 5:43-47; 6:1-4, 19-21, 24-34) Nampianarin’i Jesosy hitady ny fanampian’Andriamanitra mihitsy aza ny mpihaino azy, ka nampianariny hivavaka. (Matio 6:9-13) Mampahery sy manomana ny mpanara-dia azy mba hiatrika zava-manahirana mpahazo ny olona ny Mesia Mpitarika.

Tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra, dia inenina i Jesosy no nanomboka ny teniny tamin’ny hoe “efa renareo fa voalaza hoe” na “ary voalaza hoe.” Nampiditra hevitra hafa anefa izy avy eo, rehefa nilaza hoe “fa Izaho kosa milaza aminareo.” (Matio 5:21, 22, 27, 28, 31-34, 38, 39, 43, 44) Midika izany fa efa nanana ny fomba nahazatra azy ny mpihaino azy, izany hoe fomba nifanaraka tamin’ny lovantsofina navelan’ny Fariseo. Nampiseho azy ireo fomba fiaina vaovao anefa i Jesosy, dia fomba fiaina mifanaraka amin’ny tena hevitry ny Lalàn’i Mosesy. Nitondra fiovana i Jesosy, araka izany, ary nataony izay hahamora raisina azy io ho an’ny mpanara-dia azy. Eny, tena nanosika ny olona hiova tanteraka i Jesosy, na teo amin’ny ara-panahy izany na teo amin’ny fitondran-tena. Izany no amantarana ny tena mpitarika.

Asehon’ny boky iray momba ny fitantanan-draharaha fa tena sarotra ny mitondra fiovana toy izany. Hoy io boky io: “Raha te hampiova ny hafa ilay [mpitarika], dia tokony ho be fangoraham-po toy ny mpanao asa soa, lalin-tsaina toy ny manam-pahaizana, tsy mety kivy toy ny mpanao hazakazaka lavitra ezaka, ... mahaleo tena toy ny mpitoka-monina, ary manam-paharetana toy ny olo-masina. Tsy voatery hahomby anefa izy, na dia manana ireo toetra rehetra ireo aza.”

“Tsy maintsy manao izay tiany hataon’ny mpanara-dia azy ny mpitarika”, hoy ny lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe “Zava-dehibe ve ny Toetran’ny Mpitarika?” Tena manatontosa izay asainy ataon’ny hafa tokoa ny mpitarika mahay. Toy izany mihitsy i Jesosy Kristy! Tsy vitan’ny hoe nampianariny hanetry tena ireo niaraka taminy, fa nampiseho izany toetra izany koa izy, rehefa nanasa ny tongotr’izy ireo. (Jaona 13:5-15) Tsy vitan’ny hoe nasainy nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakan’Andriamanitra fotsiny ny mpianany, fa niezaka mafy koa izy mba hanao io asa io. (Matio 4:18-25; Lioka 8:1-3; 9:1-6; 10:1-24; Jaona 10:40-42) Ohatra tsara tamin’ny fanekena fitarihana koa i Jesosy. Hoy izy momba ny tenany: “Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray.”—Jaona 5:19.

Hita mazava araka iny fandinihana ny teny sy ny nataon’i Jesosy iny, fa izy no Mpitarika modely. Mahay lavitra noho izay lazain’ny olona ho mpitarika mahay mihitsy aza izy. Lavorary i Jesosy. Velona mandrakizay izy, satria nahazo ny tsy fahafatesana, rehefa avy natsangana tamin’ny maty. (1 Petera 3:18; Apokalypsy 1:13-18) Iza no olombelona mahafeno ireo fepetra ireo?

Inona no tsy maintsy ataontsika?

Handrotsaka fitahiana maro ho an’ny olombelona mankatò ny Mesia Mpitarika sady Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Izao no ampanantenain’ny Soratra Masina momba izany: “Ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” (Isaia 11:9) “Ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” (Salamo 37:11) “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy.” (Mika 4:4) “Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Apokalypsy 21:3, 4.

Tsy mahay sady tsy tsara ny mpitarika ankehitriny. Mitarika ny mpandefitra ho ao amin’ny tontolo vaovao sy miadana kosa anefa i Jesosy Kristy. Hiara-manompo an’i Jehovah Andriamanitra ny olona mankatò amin’izay, ary ho tonga tsikelikely amin’ny fahalavorariana. Tena ilaintsika àry ny maka fotoana mba hahafantarana an’ilay Andriamanitra marina sy ilay Mpitarika voatendriny, ary koa ny mampihatra izany fahalalana izany!—Jaona 17:3.

Anisan’ny fomba tsara indrindra hanajana olona iray ny fanahafana azy. Moa ve àry isika tsy tokony hanahaka an’i Jesosy Kristy, ilay Mpitarika lehibe indrindra? Ahoana no hanaovantsika izany? Hanao ahoana ny fiainantsika, raha manaiky ny fitarihany isika? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra roa manaraka ireo fanontaniana ireo sy ny hafa koa.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Jereo ny pejy faha-186-191 ao amin’ny boky Diniho ny Faminanian’i Daniela!, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 4]

Nilaza mialoha ny fahatongavan’ilay Mpitarika nofidin’Andriamanitra i Daniela

[Sary, pejy 7]

Nampianarin’i Jesosy hiatrika ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana ny olona

[Sary, pejy 7]

Hitarika ny olona mankatò ho ao amin’ny tontolo vaovao sy miadana i Jesosy