Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ekenao ve fa i Kristy no Mpitarika Antsika?

Ekenao ve fa i Kristy no Mpitarika Antsika?

Ekenao ve fa i Kristy no Mpitarika Antsika?

“Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika hianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy.”—MATIO 23:10.

1. Iza irery ihany no Mpitarika ny tena Kristianina?

TALATA 11 Nisana tamin’izay. Novonoina i Jesosy Kristy telo andro taorian’izay. Tamin’izay no nitsidihany farany ny tempoly. Nampianatra lesona lehibe tamin’ny vahoaka nivory teo sy ny mpianany i Jesosy, tamin’io andro io. Hoy izy: “Hianareo kosa aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no Mpampianatra anareo, ary hianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa. Ary aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra. Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika hianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy.” (Matio 23:8-10) Mazava fa i Jesosy Kristy no Mpitarika ny tena Kristianina.

2, 3. Inona no vokany eo amin’ny fiainantsika, rehefa mihaino an’i Jehovah sy manaiky ny Mpitarika voatendriny isika?

2 Tena mahasoa antsika tokoa ny fitarihan’i Jesosy rehefa ekentsika! Nilaza mialoha ny hahatongavan’io Mpitarika io i Jehovah Andriamanitra tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany. Hoy izy: “He! hianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin’ny rano! Ary hianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena. ... Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin’ny matavy ny fanahinareo. ... Indro, nataoko vavolombelona ho an’ny firenena Izy, ho mpanapaka sy komandy amin’ny firenena.”—Isaia 55:1-4.

3 Zava-pisotro mahazatra toy ny rano sy ronono ary divay no nataon’i Isaia ohatra, mba hampisehoana fa misy vokany eo amin’ny fiainantsika manokana ny fihainoantsika an’i Jehovah sy ny fanarahantsika an’ilay Mpanapaka sy Komandy nomeny antsika. Mamelombelona izany, toy ny rano mangatsiatsiaka sotroina amin’ny andro mahamay. Afaka ny hetahetantsika fahamarinana sy fahitsiana amin’izay. Manatanjaka sy manampy ny zaza hitombo ny ronono. Toy izany koa fa manatanjaka sy manampy antsika hitombo ara-panahy “ny rononom-panahy”, ka manatanjaka ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. (1 Petera 2:1-3) Ary iza no handa fa mahafaly ny divay sotroina amin’ny fety? Toy izany koa fa ‘mahafaly tokoa’ ny fanompoana an’ilay Andriamanitra marina sy ny fanarahana ny dian’ilay Mpitarika voatendriny. (Deoteronomia 16:15) Na antitra àry isika na tanora, ary na lahy na vavy, dia tena ilaintsika rehetra ny mampiseho fa ekentsika ho Mpitarika i Kristy. Ahoana anefa no ampisehoantsika eo amin’ny fiainantsika andavanandro fa ny Mesia no Mpitarika antsika?

Ry tanora, ampitomboy hatrany ny fahendrenao

4. a) Inona no nitranga rehefa nitsidika an’i Jerosalema tamin’ny Paska i Jesosy, fony izy 12 taona? b) Nanao ahoana ny fahalalan’i Jesosy na dia vao 12 taona monja aza izy?

4 Diniho ny ohatra navelan’ilay Mpitarika antsika ho an’ny tanora. Na dia tsy mahafanta-javatra firy momba ny fahazazan’i Jesosy aza isika, dia mampiharihary zavatra momba azy ity zava-nitranga ity. Nentin’ny ray aman-dreniny nankany Jerosalema i Jesosy fony izy 12 taona, toy ny fanaon’izy ireo isan-taona rehefa Paska. Variana niady hevitra momba ny Soratra Masina izy tamin’izay, ka nilaozan’ny fianakaviany tsy nahy. Hitan’i Josefa sy Maria ray aman-dreniny tao amin’ny tempoly izy, telo andro tatỳ aoriana, “nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy.” Ankoatra izany, dia “talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany.” Eritrereto ange e! Vao 12 taona monja i Jesosy dia efa nahay nametraka fanontaniana mampisaintsaina momba ny Soratra Masina no sady afaka nanome valiny nitombina tsara! Azo antoka fa nanampy azy ny fampiofanan’ny ray aman-dreniny.—Lioka 2:41-50.

5. Ahoana no hamantaran’ny tanora izay tena fiheverany ny fianaram-pianakaviana?

5 Tanora angamba ianao. Azo inoana fa miara-mianatra tsy tapaka ny Baiboly ny fianakavianao, raha tena tia an’Andriamanitra ny ray aman-dreninao. Ahoana no fiheveranao ny fianaram-pianakaviana? Nahoana raha eritreretina ireto fanontaniana ireto: ‘Mazoto manaraka ilay fandaharam-pianarana Baiboly ataon’ny fianakaviako ve aho? Manaja ilay fandaharam-potoana ve aho ary tsy manao izay hanembantsembanana azy io?’ (Filipiana 3:16) ‘Mazoto mandray anjara amin’ilay fianarana ve aho? Mametraka fanontaniana momba ilay zavatra ianarana ve aho na manazava ny fampiharana ilay izy, rehefa mety izany? Rehefa mandroso ara-panahy aho, moa ve aho miezaka ny ho tia “ventin-kanina, [natao ho an’ireo] efa lehibe”?’—Hebreo 5:13, 14.

6, 7. Inona no soa azon’ny tanora avy amin’ny fandaharana famakiana Baiboly isan’andro?

6 Mahasoa koa ny fandaharana famakiana Baiboly isan’andro. Nihira toy izao ilay mpanao salamo: “Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy ... fa ny lalàn’i Jehovah no sitrany; eny, ny lalàny no saintsaininy andro aman-alina.” (Salamo 1:1, 2) ‘Nisaintsaina ny bokin’ny lalàna andro aman’alina’ i Josoa, mpandimby an’i Mosesy. Nahatonga azy ho hendry izany sady nanampy azy hahatontosa ny asa nasain’Andriamanitra nataony. (Josoa 1:8) Hoy i Jesosy Kristy, ilay Mpitarika antsika: “Voasoratra hoe: ‘Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.’” (Matio 4:4) Raha mila misakafo isika isan’andro, dia vao mainka koa mila sakafo ara-panahy tsy tapaka!

7 Nanomboka namaky Baiboly isan’andro i Nicole, 13 taona, rehefa takany fa nila zavatra ara-panahy izy. * Enina ambin’ny folo taona izy izao, ary nahavita namaky ny Baiboly manontolo sady efa mamaky azy io indray, ka eo amin’ny antsasany eo ho eo izy izao. Tsotra ny fomba arahiny. Hoy izy: “Tsy maintsy mamaky toko iray isan’andro aho, fara faharatsiny.” Inona no soa azony avy tamin’ny famakiany Baiboly isan’andro? Mamaly izy hoe: “Betsaka ny fitaomana hanao ratsy amin’izao fotoana izao. Miatrika fanerena handika ny fitsipika kristianina aho isan’andro, na any am-pianarana izany na any an-toeran-kafa, ka voasedra ny finoako. Rehefa mamaky ny Baiboly isan’andro aho, dia tadidiko avy hatrany ny didy sy toro lalan’ny Baiboly, izay mampirisika ahy hanohitra an’ireny fanerena ireny. Vokatr’izany, dia mahatsiaro ho akaiky kokoa an’i Jehovah sy Jesosy aho.”

8. Inona no fanaon’i Jesosy tany amin’ny synagoga, ary ahoana no anahafan’ny tanora azy?

8 Efa fanaon’i Jesosy ny nankany amin’ny synagoga mba hihaino ny famakiana ny Soratra Masina sy hamaky azy io mihitsy aza. (Lioka 4:16; Asan’ny Apostoly 15:21) Tena mahasoa ny tanora ny manahaka azy, ka manatrika tsy tapaka ireo fivoriana kristianina, izay amakiana sy ianarana ny Baiboly! Mankasitraka ireny fivoriana ireny i Richard, 14 taona, ka hoy izy: “Sarobidy amiko ny fivoriana. Ampahatsiahivina ahy foana any hoe inona no tsara sy ratsy, inona no fitondran-tena madio sy maloto, inona no mety sy tsy mety amin’ny Kristianina. Tsy voatery ho voa aho vao mianatra.” Eny, “mahatoky ny teni-vavolombelon’i Jehovah, mahahendry ny kely saina.” (Salamo 19:7) Ataon’i Nicole koa izay anatrehana ny fivoriana dimy ataon’ny fiangonana isan-kerinandro. Manokana adiny roa na telo koa izy mba hanomanana izany.—Efesiana 5:15, 16.

9. Ahoana no ahafahan’ny tanora hitombo fahendrena?

9 Ny fahatanorana dia fotoana tsara andraisana ‘fahalalana an’ilay Andriamanitra tokana sady marina sy Jesosy Kristy izay nirahiny.’ (Jaona 17:3) Misy tanora fantatrao angamba, mandany fotoana be hamakiana boky misy tantara an-tsary, hijerena tele, hanaovana lalao vidéo, na hikarokarohana ao amin’ny Internet. Nahoana ianao no hanahaka an’ireny tanora ireny, nefa afaka manaraka ny ohatra tonga lafatra navelan’ilay Mpitarika antsika? Nahafinaritra azy ny nianatra momba an’i Jehovah, fony izy zazalahy. Inona no vokatr’izany? “Nitombo saina”, na fahendrena i Jesosy noho ny fitiavany zavatra ara-panahy. (Lioka 2:52) Afaka ny hitombo fahendrena toy izany koa ianao.

‘Mifaneke’

10. Ahoana no ahitana fiadanana sy fahasambarana ao an-tokantrano?

10 Mety hahitana fiadanana sy fahafaham-po ny tokantrano, nefa mety hahitana ady sy fifandirana koa. (Ohabolana 21:19; 26:21) Miadana sy sambatra kokoa ny fianakaviana, rehefa manaiky ny fitarihan’i Kristy isika. I Jesosy mihitsy no ohatra ho an’ny mpianakavy. Hoy ny Soratra Masina: “Sady mifanaiky amin’ny fahatahorana an’i Kristy. Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo. Fa ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no Lohan’ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena. ... Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy.” (Efesiana 5:21-25) Nanoratra toy izao ho an’ny fiangonan’i Kolosia ny apostoly Paoly: “Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin’ny Tompo izany.”—Kolosiana 3:18-20.

11. Ahoana no ampisehoan’ny lehilahy ny fanekeny fa i Kristy no Mpitarika?

11 Araka io torohevitra io àry, dia ny lehilahy no loham-pianakaviana, manampy azy hatrany ny vadiny, ary mankatò ny ray aman-dreniny ny ankizy. Rehefa ampiharina amin’ny fomba tsara ihany ny fahefan’ny lehilahy vao mahasambatra. Tsy maintsy mianatra mampihatra fahefana ny lehilahy hendry, ka manahaka an’i Jesosy Kristy, izay Lohany sy Mpitarika azy. (1 Korintiana 11:3) Na dia lasa “Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an’ny fiangonana” aza i Jesosy, dia tsy tonga teto an-tany “mba hotompoina, fa mba hanompo.” (Efesiana 1:22; Matio 20:28) Toy izany ny lehilahy kristianina. Tsy mitady izay hahasoa ny tenany irery izy rehefa mampihatra ny fahefany, fa miahy izay hahasoa ny vady aman-janany koa, izany hoe ny fianakaviany manontolo. (1 Korintiana 13:4, 5) Iezahany tahafina ireo toetra tsara asehon’ilay lohany, dia i Jesosy Kristy. Malemy fanahy sady tsy miavona am-po toa an’i Jesosy izy. (Matio 11:28-30) Tsy sarotra aminy ny milaza hoe: “Aza fady” na hoe “marina ny anao”, rehefa diso izy. Ohatra tsara izy, ka mora kokoa amin’ny vadiny ny ho “mpanampy tandrifiny” sy ‘namany.’ Miana-javatra aminy ny vadiny ary miara-miasa aminy.—Genesisy 2:20, fanamarihana ambany pejy; Malakia 2:14.

12. Inona no hanampy ny vehivavy hanaiky ny fitsipika momba ny fahefan’izay lohany?

12 Tokony hanaiky ny vadiny kosa ny vehivavy. Raha misy fiantraikany eo aminy anefa ny toe-tsain’izao tontolo izao, dia mety tsy ho zava-dehibe aminy intsony ny fahefan’izay lohany, ka tsy ho tiany izany hoe manaiky lehilahy izany. Tsy milaza ny Soratra Masina fa tokony hanjakazaka ny lehilahy, nefa milaza kosa izy io fa tsy maintsy manaiky ny vadiny ny vehivavy. (Efesiana 5:24) Raisin’ny Baiboly ho tompon’andraikitra amin’ny fianakaviany koa ny lehilahy na ny ray, ary miadana sy milamina kokoa ny tokantrano rehefa ampiharina ny torohevitr’izy io.—Filipiana 2:5.

13. Inona no ohatra navelan’i Jesosy ho an’ny ankizy momba ny fankatoavana?

13 Tokony hankatò ny ray aman-dreniny ny ankizy. Namela ohatra tena tsara ny amin’izany i Jesosy. Tavela irery tany amin’ny tempoly izy nandritra ny telo andro, fony izy 12 taona. Taorian’iny zava-nitranga iny, dia “niara-nidina [tamin’ny ray aman-dreniny] nankany Nazareta Izy ka nanoa azy.” (Lioka 2:51) Mahatonga ny fianakaviana hiadana sy hirindra kokoa ny ankizy manoa, na mankatò ny ray aman-dreniny. Sambatra ny fianakaviana rehefa manaiky hotarihin’i Kristy ny mpianakavy rehetra.

14, 15. Inona no hanampy antsika rehefa miatrika zava-tsarotra isika ao an-tokantrano? Manomeza ohatra.

14 Na dia misy zava-tsarotra mipoitra aza ao an-tokantrano, dia ny manahaka an’i Jesosy sy manaiky ny tari-dalany no fomba ahombiazana. Diniho, ohatra, i Jerry 35 taona. Nanambady an’i Lana izay efa nanan-janakavavy izy, ary tsy nampoizin’izy mivady ny olana naterak’izany. Manazava toy izao i Jerry: “Fantatro fa tsy maintsy mampihatra ireo fitsipika ara-baiboly manampy ny fianakaviana hafa aho, raha te hitantana tsara ny ankohonako. Tsy ela anefa dia takatro fa nila fahendrena sy fahaiza-manavaka bebe kokoa aho mba hampiharana azy ireny.” Nieritreritra ny zana-badiny fa nampisaraka azy tamin-dreniny i Jerry, ka tsy tiany mainty. Nila fahaiza-manavaka i Jerry mba hahatakarana fa nisy fiantraikany teo amin’ny teny sy ny zavatra nataon’ilay tovovavy izany toe-tsainy izany. Inona no nataon’i Jerry? Hoy izy: “Nifanaraka izahay sy i Lana fa izy aloha no hampihatra ny fifehezana, fa izaho kosa hiezaka hifandray tsara amin’io zanakay io. Tena nahitana vokany tsara izany tatỳ aoriana.”

15 Rehefa misy zava-tsarotra ao an-tokantrano, dia mila fahaiza-manavaka isika mba hahatakarana ny antony mahatonga ny mpianakavy hiteny na hanao zavatra sasany. Mila fahendrena koa isika mba hahaizana hampihatra ny toro lalan’Andriamanitra. Takatr’i Jesosy tsara, ohatra, ny antony nikasihan’ilay vehivavy nitsi-dra azy. Noho izany, dia naneho fahendrena izy tamin’ny zavatra nataony taminy sady nangoraka azy. (Levitikosy 15:25-27; Marka 5:30-34) Toetra mampiavaka an’ilay Mpitarika antsika ny fahendrena sy ny fahaiza-manavaka. (Ohabolana 8:12) Sambatra isika raha manahaka azy.

‘Katsaho aloha ny Fanjakana’

16. Inona no tokony ho zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika, ary ahoana no nampisehoan’i Jesosy izany?

16 Nolazain’i Jesosy mazava tsara hoe inona no tokony ho zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainan’ireo manaiky ny fitarihany. Hoy izy: “Fa katsaho aloha ny fanjakany [ny an’Andriamanitra] sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” (Matio 6:33) Nasehony antsika koa ny fomba anaovana izany. Nifady hanina sy nisaintsaina ary nivavaka nandritra ny 40 andro i Jesosy, rehefa avy natao batisa. Nalaim-panahy izy taorian’izay. Natolotr’i Satana Devoly azy “ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao.” Eritrereto ange ny ho fiainan’i Jesosy raha nanaiky izany zavatra natolotry ny Devoly azy izany izy e! Nifantoka tamin’ny fanaovana ny sitrapon’ny Rainy anefa i Kristy. Fantany koa fa tsy haharitra ny fiainana eo amin’io tontolon’i Satana io. Nolaviny avy hatrany ny zavatra natolotry ny Devoly azy, ka hoy izy: “Voasoratra hoe: ‘Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao.’ ” Tsy ela taorian’izay dia “nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Matio 4:2, 8-10, 17) Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra manontolo andro i Kristy, nandritra ny fotoana sisa niainany teto an-tany.

17. Ahoana no ampisehoantsika fa mitana ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika ilay Fanjakana?

17 Tokony hanahaka an’ilay Mpitarika antsika isika, fa tsy hanaiky hofitahin’ny tontolon’i Satana, ka asa be karama no ataontsika ho tanjona voalohany eo amin’ny fiainana. (Marka 1:17-21) Hadalana ny misahirana mikatsaka zavatra eo amin’ity tontolo ity, ka ilay Fanjakana indray no lasa ambanin-javatra! Nankinin’i Jesosy tamintsika ny fitoriana ilay Fanjakana sy ny fanaovana mpianatra. (Matio 24:14; 28:19, 20) Manana tokantrano angamba isika na andraikitra hafa tsy maintsy sahanina. Tsy faly anefa ve isika fa afaka manao ny andraikitsika kristianina, dia ny fitoriana sy ny fampianarana, rehefa amin’ny hariva na amin’ny faran’ny herinandro? Mampahery koa fa tamin’ny taom-panompoana 2001 dia nisy mpanompo manontolo andro, na mpisava lalana 780 000!

18. Inona no manampy antsika hahita fifaliana amin’ny fanompoana?

18 Asehon’ny Filazantsara fa nazoto niasa sady tia olona i Jesosy. Nangoraka ny olona izy sady nanampy azy avy hatrany, rehefa hitany fa nila zavatra ara-panahy izy ireo. (Marka 6:31-34) Manjary mahafaly antsika ny fanompoana, rehefa ny fitiavana ny olona sy ny faniriana hanampy azy no manosika antsika hanao izany. Ahoana anefa no hananantsika izany faniriana izany? “Tsy dia tena tiako ny nandeha nanompo, fony aho zatovo”, hoy i Jayson. Inona no nanampy azy ho tia io asa io? Hoy i Jayson: “Natokan’ny fianakaviako ho an’ny fanompoana teny amin’ny saha foana ny asabotsy maraina. Nahasoa ahy izany, satria arakaraka ny nandehanako nanompo no nahitako fa mahasoa ilay izy, ka nanjary tiako kokoa.” Tokony hazoto handeha hanompo tsy tapaka koa isika.

19. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika, raha ny fitarihan’i Kristy no resahina?

19 Tena mamelombelona sy mahafa-po tokoa ny manaiky hotarihin’i Kristy. Rehefa manao izany isika, dia manjary fotoana hampitomboana ny fahalalana sy ny fahendrena ny fahatanorana. Manjary ahitana fiadanana sy fahasambarana ny fiainam-pianakaviana, ary mahafaly sy mahafa-po ny fanompoana. Aoka mihitsy àry isika ho tapa-kevitra hampiseho amin’ny fiainantsika andavanandro sy ny fanapahan-kevitra raisintsika, fa ekentsika hoe i Kristy no Mpitarika antsika. (Kolosiana 3:23, 24) Misy fomba hafa itarihan’i Kristy antsika koa anefa, dia amin’ny alalan’ny fiangonana kristianina. Hovelabelarina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny soa raisintsika avy amin’izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Nosoloana ny anarana sasany.

Tadidinao Ve?

• Inona no soa raisintsika avy amin’ny fanahafana an’ilay Mpitarika voatendrin’Andriamanitra?

• Ahoana no ampisehoan’ny tanora fa maniry hanaraka ny fitarihan’i Jesosy izy?

• Manao ahoana ny fianakaviana manaiky hotarihin’ i Kristy?

• Ahoana no ampisehoantsika mpitory fa ekentsika hoe i Kristy no Mpitarika antsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 9]

Fotoana tsara andraisana fahalalana an’Andriamanitra sy ilay Mpitarika voatendriny ny fahatanorana

[Sary, pejy 10]

Sambatra kokoa ny fianakaviana rehefa manaiky hotarihin’i Kristy

[Sary, pejy 12]

Ilay Fanjakana no nokatsahin’i Jesosy voalohany. Ary ianao?