Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nisy vokany ratsy teo amin’ny fiforonan’i Jesosy tao an-kibo ve ny tsy fahalavorarian’i Maria virjiny?

Hoy ny soratra ara-tsindrimandry momba “ny nahaterahan’i Jesosy”: “Rehefa nanaiky Maria, renin’i Jesosy, ho fofombadin’i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin’ny Fanahy Masina izy.” (Matio 1:18) Tena nanana anjara asa lehibe tokoa tamin’ny naha bevohoka an’i Maria ny fanahy masin’Andriamanitra.

Ahoana anefa ny amin’i Maria? Nandray anjara ihany tamin’ny naha bevohoka azy ve ny tsirivavy tao aminy? Araka ny nampanantenain’Andriamanitra an’i Abrahama, Isaka, Jakoba, Joda, ary i Davida Mpanjaka, razamben’i Maria, dia tsy maintsy tena taranak’izy ireo ilay zaza ho teraka. (Genesisy 22:18; 26:24; 28:10-14; 49:10; 2 Samoela 7:16) Raha tsy izany, ahoana no hahatongavan’ilay zaza haterak’i Maria ho mpandova ara-dalàna an’ireo fampanantenan’Andriamanitra ireo? Tsy maintsy ho tena zanak’i Maria izy.—Lioka 3:23-34.

Niseho tamin’i Maria virjiny ny anjelin’i Jehovah ka nanao hoe: “Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin’Andriamanitra hianao. Ary, indro, hitoe-jaza hianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy.” (Lioka 1:30, 31) Tokony ho lonaka ny tsirivavy mba hampety ny fiforonan’ny zaza. Toa nataon’i Jehovah àry izay hahalonaka ny tsirivavy tao an-kibon’i Maria. Nanao izany izy rehefa namindra ny ain’ny Zanany lahitokana avy any amin’ny faritra tsy hita maso ho eto an-tany.—Galatiana 4:4.

Afaka ny ho lavorary sy tsy hisy ota ve ny vatan’ny zaza iray noforonina tamin’izany fomba izany tao an-kibon’ny vehivavy iray tsy lavorary? Ahoana no fiasan’ny lalàn’ny fandovan-toetra, rehefa ny lavorary sy ny tsy lavorary no miaraka? Tadidio fa nampiasaina tamin’ny famindrana ny aina lavorarin’ny Zanak’Andriamanitra ny Fanahy Masina, ary nahatonga an’i Maria ho bevohoka izy io. Foana, noho izany, izay nety ho tsy fahalavorariana tamin’ilay tsirivavin’i Maria. Tamin’izany no nandovan’ny zaza iray toetra lavorary nanomboka teo amin’ny fiforonany.

Na ahoana na ahoana, dia afaka mahazo antoka isika fa ny fiasan’ny fanahy masina tamin’io fotoana io no nahatanteraka ny fikasan’Andriamanitra. Nanazava tamin’i Maria ny anjely Gabriela hoe: “Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra.” (Lioka 1:35) Toy ny hoe nanao rindrina fiarovana ny fanahy masina, mba tsy hanimba ny fitomboan’ilay zaza nanomboka teo amin’ny fiforonany ny tsy fahalavorariana na zava-dratsy hafa.

Mazava fa nahazo ny fiainany lavorary avy tamin-dRainy any an-danitra i Jesosy, fa tsy tamin’olombelona. ‘Nanamboatra tena’ ho azy i Jehovah. Ary “tsy misy loto, voasaraka amin’ny mpanota” tokoa i Jesosy hatramin’ny niforonany tany an-kibo.—Hebreo 7:26; 10:5.

[Sary, pejy 19]

“Hitoe-jaza hianao ka hiteraka zazalahy”