Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fivoriana—Mampandroso ny Fitiavana sy ny Asa Tsara

Fivoriana—Mampandroso ny Fitiavana sy ny Asa Tsara

“Mankanesa atỳ Amiko, ... fa Izaho no Hanome Anareo Fitsaharana”

Fivoriana—Mampandroso ny Fitiavana sy ny Asa Tsara

MIROHOTRA mankany amin’ny toeram-pivavahany imbetsaka isan-kerinandro ny Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisa sy ny namany. Hita izany hatrany Toronto ka hatrany Tokyo, hatrany Moscou ka hatrany Montevideo. Anisan’ireo olona ireo ny raim-pianakaviana trotraky ny asa mafy nandritra ny andro; ny vehivavy manambady na renim-pianakaviana mazoto miasa, mitondra ny zanany kely; ny tanora mavitrika avy nianatra nandritra ny andro. Anisan’ireo koa ny zokiolona farofy tsy maintsy mandeha miadana noho ny fanaintainana; ny mpitondratena sy ny kamboty be herim-po; ary ny olona ketraka mila fampiononana.

Mampiasa fomba maro ireo Vavolombelon’i Jehovah ireo mba handehanana hivory: Hatramin’ny fiarandalamby faran’izay haingam-pandeha ka hatramin’ny ampondra, hatramin’ny lamasinina ambanin’ny tany feno hipoka ka hatramin’ny kamiao. Misy tsy maintsy miampita renirano feno voay, ny sasany kosa tsy maintsy miaritra ny fikatson’ny fifamoivoizana any an-tanàn-dehibe. Nahoana no miezaka mafy toy izany ireo olona rehetra ireo?

Voalohany indrindra, satria fomba iray lehibe hanolorana fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah Andriamanitra ny fanatrehana sy ny fandraisana anjara amin’ny fivoriana kristianina. (Hebreo 13:15) Nilaza antony iray hafa i Paoly rehefa nanoratra hoe: “Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, ... fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.” (Hebreo 10:24, 25) Nitovy fihetseham-po tamin’i Davida mpanao salamo i Paoly teo. Hoy i Davida: “Faly aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon’i Jehovah.”—Salamo 122:1.

Nahoana no mahafaly ny Kristianina ny manatrika ny fivoriany? Satria tsy mpitazana fotsiny ireo manatrika any. Manampy azy ireo hifankahalala kosa ny fivoriana. Fotoana hanomezana indrindra indrindra fa tsy handraisana fotsiny ireny fivoriana ireny, ary fotoana hifampirisihana mba hanehoana fitiavana sy hanaovana asa tsara. Manampy mba hahatonga ny fivoriana ho fotoana mampahery izany. Ny fivoriana kristianina koa no fomba iray hanatanterahan’i Jesosy an’ity fampanantenany ity: “Mankanesa atỳ amiko, ... fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”—Matio 11:28.

Toeram-pialofana ahitana fampiononana sy fiahiana

Misy antony matoa ny Vavolombelon’i Jehovah mihevitra ny fivoriany ho mamelombelona. Voalohany aloha, dia misy sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety, omen’ny ‘mpanompo mahatoky sy malina’ any am-pivoriana. (Matio 24:45) Tena anisan’ny mahatonga ny mpanompon’i Jehovah hahay sy ho be zotom-po rehefa mampianatra ny Tenin’Andriamanitra koa ny fivoriana. Ankoatra izany, dia afaka mahita antokon’olona tena tia sy miahy azy ny olona iray any amin’ny Efitrano Fanjakana. Misy namana tsara fanahy izay vonona hanampy sy hampionona ny olon-kafa amin’ny fotoan-tsarotra koa any.—2 Korintiana 7:5-7.

Izany no hitan’i Phillis, izay maty vady fony mbola dimy taona sy valo taona ny zanany. Hoy izy momba ny famelombelomana azony sy ny zanany kely tany amin’ny fivoriana kristianina: “Mampahery ny mankany amin’ny Efitrano Fanjakana satria maneho ny fitiavany sy ny fiahiany foana ny mpiara-manompo ka mamihina anao, na milaza hevitra avy ao amin’ny Soratra Masina, na mihazona ny tananao. Te hankany foana aho.”—1 Tesaloniana 5:14.

Nanaovana fandidiana tena lehibe i Marie, ary nilaza ny dokoterany fa enina herinandro, fara fahakeliny, vao mety ho sitrana izy. Tsy afaka nanatrika fivoriana i Marie nandritra ireo herinandro voalohany nakany aina. Tsikaritry ny dokoterany fa tsy falifaly toy ny taloha izy. Rehefa fantany fa tsy namonjy fivoriana izy, dia nampirisihiny hanao izany. Namaly i Marie fa tsy hamela azy hivory noho ny toe-pahasalamany mihitsy ny vadiny, izay tsy niara-nivavaka taminy. Noho izany, dia nanoratra taratasim-panafody ilay dokotera “nandidy” an’i Marie hankany amin’ny Efitrano Fanjakana mba hahazo fampaherezana sy hiaraka amin’ny namana mampandroso. Hoy i Marie: “Nihatsara aho raha vao avy nanatrika fivoriana iray. Nanomboka nisakafo aho, natory tsara ny alina, tsy voatery nihinana fanafody mampitony fanaintainana matetika, ary nitsiky indray!”—Ohabolana 16:24.

Hitan’ireo eny ivelany izany rivo-piainana feno fitiavana ao amin’ny fivoriana kristianina izany. Nifidy ny handinika ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpianatra iray tany amin’ny oniversite mba hanoratana lahatsoratra ho an’ny taranja ataony momba ny foko. Nanoratra toy izao izy tao amin’ilay lahatsorany, mikasika ny rivo-piainana tany am-pivoriana: “Tena nanaitra ahy ... ny fahaizan’izy ireo mandray olona. ... Sariaka ny Vavolombelon’i Jehovah, ary izany no toetran’izy ireo lehibe indrindra sady tsapako hoe nasehony foana nandritra ilay fivoriana.”—1 Korintiana 14:25.

Toeram-pialofana ara-panahy ny fiangonana kristianina eto amin’ity tontolo mikorontana ity. Toeram-pialofana ahitana filaminana sy fitiavana izy io. Afaka mahatsapa ianao rehefa manatrika fivoriana fa marina ny tenin’ny mpanao salamo hoe: “Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina.”—Salamo 133:1.

[Efajoro/Sary, pejy 25]

MANOME IZAY ILAINA MANOKANA

Ahoana no andraisan’ny marenina soa avy amin’ny fivoriana kristianina? Manana fiangonana mampiasa ny baikon’ny moana ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Fiangonana 27 sy antoko-mpitory 43 mampiasa baikon’ny moana no noforonina tany Etazonia nandritra ireo 13 taona farany. Misy fiangonana 140 mampiasa baikon’ny moana izao any amin’ny tany 40 hafa, fara fahakeliny. Navoaka tamin’ny vidéo amin’ny fiteny baikon’ny moana 13 ny boky sy gazety kristianina.

Manampy ny marenina ho afaka hidera an’i Jehovah ny fiangonana kristianina. Katolika taloha i Odile, any Frantsa. Nijaly izy satria ketraka mafy matetika, ary nieritreritra ny hamono tena. Tena nankasitraka ny fianarana Baiboly azony tany amin’ny fivoriana kristianina izy. Hoy izy: “Lasa salama aho ary nankafy indray ny fiainana. Ny zava-dehibe indrindra dia nahita ny fahamarinana aho. Manjary misy heviny ny fiainako.”