Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Resinao ny Fahatsapana ho Manirery

Ho Resinao ny Fahatsapana ho Manirery

Ho Resinao ny Fahatsapana ho Manirery

“Mifofofofo eo amin’ny fo manirery ny rivotra, ary iny fa malazo ilay fo manirery.” Araka ireo tenin’ilay poety irlandey atao hoe William Yeats ireo, dia mety ho torotoro fo ny olona manirery.

IZA no sahy milaza fa mbola tsy nahatsiaro ho manirery mihitsy? Antony maro no mety hahatonga antsika hahatsiaro ho manirery. Ho an’ireo vehivavy tsy nahita vady na maty vady na nisara-panambadiana, anefa izy io no tena mafy.

Hoy, ohatra, ny vehivavy kristianina tanora iray atao hoe Frances: “Tamin’izaho 23 taona, dia efa nanambady daholo ny namako, ka izaho irery sisa.” * Vao mainka mety hihamafy ny fahatsiarovan-tena ho manirery, rehefa mandroso ny taona ka tsy misy olona antenaina hovadina intsony. “Tsy nikasa ny hijanona ho mpitovo mihitsy aho, ary raha mbola mety, dia mbola maniry hanambady ihany aho”, hoy i Sandra, izay efa mananika ny faha-50 taonany. Hoy i Angela, izay efa 50 taona: “Tsy dia tena fanapahan-kevitro loatra ny tsy hanambady, fa izay fotsiny no fizotran’ny zava-misy. Vitsy kely ny anadahy mpitovo teo amin’ilay faritany nanendrena ahy ho mpisava lalana manokana.”

Mendri-piderana ireo vehivavy kristianina maro be mifidy ny tsy hanambady, noho ny fankatoavany ny tenin’i Jehovah mba hanambady “ao amin’ny Tompo ihany.” (1 Korintiana 7:39) Misy mahazaka tsara ny fitoerana ho mpitovo, fa misy kosa mahita fa mihamitombo arakaraka ny fotoana ny faniriany hanambady sy hanan-janaka. “Toy ny banga foana ny fiainako, satria tsy manambady aho”, hoy i Sandra.

Mety hampitombo ny fahatsapana ho manirery koa ny antony hafa, toy ny fikarakarana ray aman-dreny be taona. Hoy i Sandra: “Izaho no nandrasan’ny fianakaviana hikarakara ny ray aman-dreninay, satria tsy manambady aho. Izaho no niantsoroka ny ankabeazan’io andraikitra io nandritra ny 20 taona, na dia enina mianadahy aza izahay. Angamba ho mora kokoa ny fiainako, raha mba nanana vady nanampy ahy aho.”

Nolazain’i Frances fa misy zavatra hafa mampitombo ny fahatsapany ho manirery. Hoy izy: “Indraindray ny olona manontany ahy mivantana hoe: ‘Fa maninona ianao no tsy manambady?’ Ohatra ny hoe fahadisoan’ny tenako ihany, matoa aho tsy manambady. Saika isaky ny mariazy rehetra atrehiko, dia tsy maintsy misy mametraka an’ilay fanontaniana atahorako hoe: ‘Ary mba rahoviana ny anao?’ Dia manjary mieritreritra aho hoe: ‘Angamba aho tsy manana ny toetra kristianina tokony hananana, na tsy manintona tsotra fotsiny, matoa tsy misy tia ahy ireo anadahy matanjaka ara-panahy.’”

Ahoana no handresena ny fahatsapana ho manirery? Afaka manampy ve ny hafa?

Miantehera amin’i Jehovah

Nihira toy izao ny mpanao salamo: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.” (Salamo 55:22) Ilay teny hebreo nadika hoe ‘entana’ dia manondro ny fanahiana sy ny tebiteby izay mety hiaretantsika noho ny zava-mitranga eo amin’ny fiainantsika. I Jehovah no tena mahalala ireny entana ireny, ary afaka manome hery izy mba hizakantsika azy ireny. Ny fianteherana tamin’i Jehovah no nanampy an’i Angela hahazaka ny fahatsapana ho manirery. Izao no nolazainy momba ny fanompoana manontolo andro nataony: “Nipetraka lavitra ny fiangonana izahay sy ilay namako, fony aho vao nanomboka ny fanompoan’ny mpisava lalana. Nianatra niantehitra tanteraka tamin’i Jehovah izahay, ary izany no nanampy ahy teo amin’ny fiainako manontolo. Miresaka amin’i Jehovah aho rehefa kivikivy, ary manampy ahy izy. Mamaky matetika ny Salamo faha-23 aho, satria tena mampahery izy io.”

Nanana entana tena navesatra ny apostoly Paoly. Intelo izy, fara fahakeliny, no ‘nangataka tamin’ny Tompo mba hialan’ilay tsilo teo amin’ny nofony.’ Tsy nampiana tamin’ny fomba nahagaga anefa i Paoly, fa nampanantenaina kosa hoe hanohana azy ny hatsaram-panahin’Andriamanitra tsy manam-paharoa. (2 Korintiana 12:7-9) Hitan’i Paoly koa ny fomba tsara indrindra hananana fahafaham-po. Hoy izy tatỳ aoriana: “Na aiza na aiza, ary na amin’inona na amin’inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo. Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.”—Filipiana 4:12, 13.

Ahoana no ahazoan’ny olona iray hery avy amin’i Jehovah, rehefa mahatsiaro ho kivy na manirery izy? Hoy i Paoly: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” (Filipiana 4:6, 7) Nampihatra io torohevitra io i Sandra. Hoy izy: “Be dia be ny fotoana maha irery ahy, satria tsy manambady aho. Afaka mivavaka amin’i Jehovah matetika aho, noho izany. Mahatsiaro ho tena akaiky azy aho, ary tsy misalasala milaza aminy ny zava-manahirana ahy sy ny fifaliako.” Hoy kosa i Frances: “Miady irery tsy an-kijanona amin’ny fahakiviana aho. Tena manampy ahy anefa ny mamboraka ny fihetseham-poko amin’i Jehovah. Tena miaiky aho hoe miaro ny fahasalamako ara-panahy sy ny fihetseham-poko i Jehovah.”—1 Timoty 5:5.

“Mifampitondrà izay mahavesatra”

Tsy voatery hitondra irery ny entantsika isika, eo anivon’ny fianakavian’ny mpirahalahy. Hoy ny apostoly Paoly: “Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn’i Kristy.” (Galatiana 6:2) Afaka mahazo “teny soa” avy amin’ireo Kristianina namantsika isika, ary hanamaivana ny fahatsapantsika ho manirery izany fampaherezana izany.—Ohabolana 12:25.

Diniho koa ny tenin’ny Soratra Masina momba ny zanakavavin’i Jefta, mpitsaran’ny Isiraely. Nivoady i Jefta, talohan’ny nandreseny ny tafik’i Amona fahavalony, fa homeny an’i Jehovah izay olona voalohany tonga hiarahaba azy. Ny zanany vavy anefa ilay izy. (Mpitsara 11:30, 31, 34-36) Nidika izany fa tsy maintsy nitoetra ho mpitovo ny zanakavavin’i Jefta, ka vonona tsy hanambady aman-janaka. Nanaiky an-tsitrapo an’ilay voady izy, ary nanompo tany amin’ny fitoerana masina tany Silo nandritra ny andro sisa niainany. Tsy nisy nahamarika ve ny sorona nataony? Manaporofo ny mifanohitra amin’izany “ny fandehanan’ny zazavavin’ny Isiraely isan-taona hankalaza ny zanakavavin’i Jefta Gileadita hefarana isan-taona.” (Mpitsara 11:40) Eny, tena hampahery ny hafa ny teny fiderana. Aoka àry isika tsy hanadino ny hidera ireo mendrika izany.

Tsara koa ny handinihantsika ny ohatr’i Jesosy. Tsy fomban’ny lehilahy teo amin’ny Jiosy ny nifampiresaka tamin’ny vehivavy. I Jesosy anefa nanokana fotoana hiarahana tamin’i Maria sy Marta. Angamba izy ireo mpitondratena na tsy nanambady mihitsy. Tian’i Jesosy handray soa ara-panahy avy amin’ny fisakaizany taminy izy ireo. (Lioka 10:38-42) Afaka manahaka an’i Jesosy isika, ka manasa anabavy kristianina mpitovo koa rehefa miala voly sy mitory. (Romana 12:13) Ankasitrahan’izy ireo ve ny fiahiana toy izany? Hoy ny anabavy iray: “Fantatro fa tia sy mankasitraka ahy ireo anadahy sy rahavavy, kanefa tena velom-pankasitrahana aho rehefa tena miahy ahy manokana kokoa izy ireo.”

Hoy i Sandra: “Tsy manana ny fianakavianay manokana izahay, ka tena ilainay ny mahatsiaro hoe tiana sy raisina ho anisan’ny fianakaviana ara-panahy.” Mazava ho azy fa miahy ny olona toy izany i Jehovah, ka miara-miasa aminy isika rehefa manao izay hahatsapan’izy ireo fa ilaina sady tiana izy ireo. (1 Petera 5:6, 7) Tsy very maina izany fiahiana izany, satria “izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an’i Jehovah, ary izay nomeny dia honerany [Jehovah Andriamanitra] kosa.”—Ohabolana 19:17.

“Samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra”

Na dia tena mampahery aza ny fanampiana omen’ny olon-kafa, dia “samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra.” (Galatiana 6:5) Misy loza tokony hotandremantsika anefa, rehefa mitondra izany entana izany isika. Mety hanjary hitokantokana na tsy hiresaka amin’olona isika, ohatra. Ny fitiavana kosa no manampy antsika handresy ny fahatsapana ho manirery. (1 Korintiana 13:7, 8) Ny manome sy mizara no fomba tsara indrindra hahitana fahasambarana, na inona na inona toe-javatra misy antsika. (Asan’ny Apostoly 20:35) Hoy ny mpisava lalana iray miasa mafy: “Tsy dia manana fotoana hieritreretana ny tenako ho manirery aho. Rehefa tsapako hoe ilaina aho, sady manan-katao foana, dia tsy mahatsiaro ho irery aho.”

Tsy maintsy mitandrina koa isika sao manomboka miaraka amin’ny olona iray tsy tokony hiarahantsika. Tena hampalahelo, ohatra, raha avelantsika hanajamba antsika ny faniriana hanambady. Mety tsy ho hitantsika tokoa ireo zava-manahirana ateraky ny fanambadiana tsy mpino, ary indrindra fa ilay torohevitry ny Soratra Masina tsy hiditra amin’ny zioga toy izany! (2 Korintiana 6:14) Hoy ny vehivavy kristianina iray nisara-panambadiana: “Misy zavatra ratsy kokoa noho ny tsy manambady. Izany dia ny tsy nahay nifidy vady.”

Tsy maintsy iaretana ny zava-manahirana tsy azo alamina ankehitriny. Azo iaretana ny fahatsapana ho manirery, noho ny fanampian’i Jehovah. Sady manompo an’i Jehovah hatrany isika, no matoky fa hotanterahiny amin’ny fomba mahafa-po indrindra ny zavatra rehetra ilaintsika.—Salamo 145:16.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Novana ny anaran’ireo vehivavy voalaza ato.

[Sary, pejy 28]

Afaka mandresy ny fahatsapana ho manirery isika, rehefa manome sy mizara