Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Fisehoan-javatra Lehibe Indrindra Hatramin’izay

Ilay Fisehoan-javatra Lehibe Indrindra Hatramin’izay

Ilay Fisehoan-javatra Lehibe Indrindra Hatramin’izay

NY NAHAFATESAN’I Jesosy Kristy izany. Nahoana izany no tena zava-dehibe? Betsaka ny antony.

Voaporofo tamin’ny fahatokian’i Jesosy hatramin’ny fahafatesana fa afaka tsy mivadika mihitsy eo anatrehan’Andriamanitra ny olombelona.

Manjary misy olona ho afaka hiara-manjaka aminy any an-danitra, noho io fahafatesany io. Nahatonga olona be dia be hafa koa ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany, izy io.

Ny alina talohan’ny hahafatesany, dia nampiasa mofo tsy nasiana leviora sy divay mena i Jesosy, ho mariky ny sorona olombelona nataony tamim-pitiavana. Niteny tamin’ny mpianany izy hoe: “Izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.” (Lioka 22:19) Hahatsiaro an’io fisehoan-javatra lehibe io ve ianao?

Manasa anao amim-pitiavana ny Vavolombelon’i Jehovah mba hiaraka aminy hankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. Hatao ny alakamisy 28 Martsa, aorian’ny filentehan’ny masoandro, io fankalazana io amin’ity taona ity. Azonao atao ny manatrika any amin’ny Efitrano Fanjakana akaiky anao indrindra. Mba anontanio ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny misy anao, ny toerana sy ny ora marina hanaovana ilay fankalazana.