Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ireo Vaudois—Mpivadi-pinoana Nanaraka ny Fivavahana Protestanta

Ireo Vaudois—Mpivadi-pinoana Nanaraka ny Fivavahana Protestanta

Ireo Vaudois—Mpivadi-pinoana Nanaraka ny Fivavahana Protestanta

Ny taona 1545 tamin’izay, tany Lubéron, faritra mahafinaritra any Provence, any atsimon’i Frantsa. Nisy tafika nivondrona mba hanao fanafihana nahery vaika, hanoherana ireo olona tsy nitovy hevitra ara-pivavahana taminy. Narahina ra nandriaka nandritra ny herinandro izany.

NORAVANA tanteraka ny vohitra maro, ary naiditra am-ponja na novonoina ny mponina. Vonoan’olona feno habibiana no notanterahin’ireo miaramila tsy nifaditrovana, ka nihoron-koditra i Eoropa. Lehilahy 2 700 teo ho eo no maty, 600 no nasaina niasa teny ambony sambo galera ary tsy resahina intsony ny fahorian’ny zaza amam-behivavy. Noderain’ny mpanjaka frantsay sy ny papa ilay mpitari-tafika nanatontosa io fandatsahan-dra io.

Efa nampisara-bazana an’i Alemaina ny Fanavaozana (fiandohan’ny Fivavahana Protestanta), fony i François I, mpanjaka katolika tao Frantsa, nanadihady momba ireo nolazaina fa mpivadi-pinoana tao amin’ny fanjakany. Nampanahy azy mantsy ny fielezan’ny Fivavahana Protestanta. Tsy mpivadi-pinoana vitsivitsy monja no hitan’ny manam-pahefana tao Provence, fa vohitra manontolo nisy mpivadi-pinoana. Nolanina ny lalàna natao hamongorana io fivadiham-pinoana io, ka niteraka ilay vonoan’olona tamin’ny taona 1545.

Iza ireo mpivadi-pinoana ireo? Ary nahoana no nenjehina tamin-kerisetra noho ny fivavahany izy ireo?

Mpanan-karena nifidy ny hahantra

Tao anatin’ny fikambanana ara-pivavahana iray nanomboka tamin’ny taonjato faha-12 ireo olona novonoina ireo, ary toerana maro tany Eoropa no nisy azy io. Mampiavaka azy io eo amin’ny tantaran’ny mpivadi-pinoana ny fomba nielezany sy naharetany nandritra ny taonjato maro. Miaiky ny ankamaroan’ny mpahay tantara fa nanomboka tokotokony ho tamin’ny taona 1170 io fikambanana io. Tena te hahafantatra ny fomba hahazoana sitraka tamin’Andriamanitra i Valdès, mpivarotra nanankarena tany Lyon, tanàna frantsay. Nanohina ny fony angamba ny fampirisihan’i Jesosy Kristy ny mpanan-karena iray mba hivarotra ny fananany ka hanome izany ny malahelo. Nanokana vola ampy hiveloman’ny fianakaviany àry i Valdès, ary nafoiny ny harenany, mba hitoriana ny Filazantsara. (Matio 19:16-22) Vetivety dia be ny nanara-dia azy, ary nantsoina hoe Vaudois izy ireo tatỳ aoriana. *

Ny fahantrana sy ny fitoriana ary ny Baiboly no nahin’i Valdès voalohany indrindra teo amin’ny fiainany. Tsy sambany akory vao notoherina noho ny harem-beny ny mpitondra fivavahana. Efa nisy mpitondra fivavahana maromaro nanala sarona ny fitondran-tena ratsy sy ny fanamparam-pahefana tao amin’ny eglizy. Tsy mpitondra fivavahana anefa i Valdès sy ny ankamaroan’ny mpanara-dia azy. Tsy isalasalana fa izany no nahatsapany hoe nilaina ny Baiboly tamin’ny fiteny teo an-toerana, izay fitenim-bahoaka. Ny mpitondra fivavahana ihany no afaka nahazo ny Baiboly dikan-teny latinina. Nanakarama olona àry i Valdès mba handika ny Filazantsara sy ny boky hafa ao amin’ny Baiboly ho amin’ny teny frantsay nampiasaina tany Provence, izay fiteny hain’ny ankamaroan’ny mponina tany afovoany atsinanan’i Frantsa. * Nanaraka ny baikon’i Jesosy ny Mahantran’i Lyon, ka nitory tamin’ny besinimaro. (Matio 28:19, 20) Nanazava i Gabriel Audisio, mpahay tantara, fa ny fikirizan’ny Vaudois nitory tamin’ny besinimaro no antony lehibe nankahalan’ny eglizy azy ireo.

Katolika nivadi-pinoana

Ny mpitondra fivavahana ihany no nahazo nitory tamin’izany andro izany, ary noraisin’ny eglizy ny fahefana hanapaka hoe iza no nahazo nitory. Nihevitra ny mpitondra fivavahana fa sady tsy nahay na inona na inona no tsy nahay taratasy ny Vaudois. Nitady fanomezan-dalana hitory tany amin’ny Papa Alexandre III anefa i Valdès, tamin’ny taona 1179. Nahazo nitory izy ireo, nefa tsy maintsy nanaiky izany aloha ny pretra teo an-toerana. Nilaza i Malcolm Lambert, mpahay tantara, fa “nitovitovy tamin’ny fandavana tanteraka” izany. Tsy navelan’i Jean Bellesmains, arsevekan’i Lyon, hitory mihitsy aza ny tsy mpitondra fivavahana. Ho setrin’izany dia notononin’i Valdès ny Asan’ny Apostoly 5:29 hoe: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” Nesorina tsy ho mpikambana tao amin’ny eglizy izy tamin’ny taona 1184, satria tsy nankatò.

Na dia noroahina avy tao amin’ny diosezin’i Lyon sy avy tao an-tanàna aza ireo Vaudois, dia toa tsy nampiharina tamin’ny fomba hentitra io fanamelohana voalohany io. Nampiaiky olona maro ny fahatsoram-po sy ny fomba fiainan’ny Vaudois, ary na ny eveka aza dia mbola niresaka tamin’izy ireo hatrany.

Nilaza i Euan Cameron, mpahay tantara, fa toa tsy “nanohitra ny Eglizy Romanina tamin’ny naha-izy azy” ny mpitory vaudois. “Naniry hitory sy hampianatra” fotsiny izy ireo. Nilaza ny mpahay tantara fa ireo didy nifanesisesy nampihena ny fahefany sy ny heriny, no nahatonga ny olona hihevitra ny Vaudois ho mpivadi-pinoana. Niafara tamin’ny fandrarana sy ny fandroahana ny Vaudois tamin’ny taona 1215 ireo fanamelohan’ny eglizy. Nanambara izany ampahibemaso ny Konsilin’ny Latran Fahefatra. Inona no vokatr’izany teo amin’ny fitorian’izy ireo?

Tsy niseho sehatra

Maty tamin’ny taona 1217 i Valdès. Niparitaka ny mpanara-dia azy noho ny fanenjehana, ka tonga hatrany amin’ny faritra atsinanan’i Frantsa, Alemaina, Italia avaratra ary Eoropa Afovoany sy Atsinanana. Ny fanenjehana koa no nahatonga ny Vaudois hipetraka tany ambanivohitra, ka tsy afaka nitory tany amin’ny toerana maro intsony izy.

Nifarana ny Kroazadan’ny Eglizy Katolika nanoherana ny Cathares, na Albigeois, tany atsimon’i Frantsa, tamin’ny taona 1229. * Tratran’ny fanafihana nahery vaika toy izany koa ny Vaudois taorian’izay. Tsy ela dia nampiharina tsy nisy indrafo tamin’izay rehetra nanohitra ny eglizy ny Inquisition. Natahotra ny Vaudois ka tsy niseho sehatra. Efa tsy nitory ampahibemaso intsony izy ireo tamin’ny taona 1230. Hoy i Audisio: ‘Tsy nitady ondry vaovao izy ireo, fa naleony niahy ireo vao niova finoana, ka nampiorina azy ireo tamin’ny finoana, na dia teo aza ny fanerena sy ny fanenjehana.’ Nilaza koa izy fa “mbola tena zava-dehibe ny fitoriana saingy niova tanteraka ny fomba nanatanterahana azy.”

Ny zavatra ninoan’izy ireo sy ny fanaony

Tsy nitory daholo ny lehilahy sy ny vehivavy, fa navahan’ny Vaudois kosa ny mpitory sy ny mpino, tamin’ny taonjato faha-14. Lehilahy tsara ofana ihany no nanao ny asan’ny pasitera. Nantsoina hoe barbes (dadatoa) ireo mpitory nitety faritany ireo tatỳ aoriana.

Ny hampaharitra ilay fikambanana fa tsy ny hitaona olona ho ao amin’izy io no nataon’ireo barbes, rehefa nitsidika fianakaviana vaudois izy ireo. Nahay namaky teny sy nanoratra ny barbes rehetra, ary niorina tamin’ny Baiboly ny fiofanany, izay nety ho naharitra enin-taona. Nanampy azy ireo hanazava ny Baiboly tamin’ireo ondriny ny fampiasana ny Baiboly tamin’ny fiteny teo an-toerana. Na ny mpanohitra aza dia niaiky fa nahay tsara ny Baiboly ny Vaudois, anisan’izany ny ankizy. Andinin-teny maro koa no hain’izy ireo tsianjery.

Anisan’ireo zavatra nolavin’ny Vaudois ny lainga, ny afofandiovana, ny Lamesa ho an’ny maty, ny famelan-keloka sy indolzansy nataon’ny papa ary ny fivavahana amin’i Maria sy ny “olo-masina.” Nankalazain’izy ireo isan-taona koa ny Sakafo Harivan’ny Tompo, na ny Sakafo Hariva Farany. Nilaza i Lambert fa “fivavahan’olon-tsotra tsy mpitondra fivavahana, raha ny marina”, ny fivavahan’izy ireo.

“Nahay tatsy, nahay taroa”

Tena nifandray akaiky ireo Vaudois. Izy samy izy ihany no nifanambady, ary nanjary nanana anarana niombonana ireo Vaudois, rehefa nandeha ny fotoana. Niady mafy izy ireo mba tsy ho faty, ka niezaka nanafina ny fomba fiheviny sy ny finoany ary ny fanaony. Noho izany dia mora tamin’ny mpanohitra azy ireo ny niampanga azy ireo ho mpivavaka tamin’ny Devoly.

Mba hampijanonana ny fiampangana toy izany, ohatra, dia nanaiky lembenana ireo Vaudois, ary “nanaraka ampahany kely” tamin’ny fivavahana katolika, araka ny nilazan’i Cameron, mpahay tantara azy. Maro ny Vaudois nikonfesy tamin’ny pretra katolika, namonjy Lamesa, nampiasa rano voahasina, ary nandeha nanao fivahiniana masina mihitsy aza. Hoy i Lambert: “Izay nataon’ny Katolika niara-nonina taminy no nataony, tamin’ny ankapobeny.” Nilaza nivantana i Audisio fa “nahay tatsy, nahay taroa” ny Vaudois, rehefa nandeha ny fotoana. Hoy koa izy: “Tetsy an-daniny, dia niseho ho Katolika izy ireo mba hitandrovana ny filaminany. Tetsy an-kilany kosa anefa dia nanao ny fombafombany manokana izy ireo, mba ho azo antoka fa tsy ho foana ny Vaudois.”

Nivadi-pinoana dia lasa Protestanta

Nanova tanteraka ny sehatry ny fivavahana tany Eoropa ny Fanavaozana, tamin’ny taonjato faha-16. Afaka nitady fanekena ho ara-dalàna tao amin’ny taniny ireo nenjehina noho ny fivavahany, na nifindra monina mba hahitana fahafahana bebe kokoa. Tsy dia raharaha lehibe intsony koa ny fivadiham-pinoana satria nanomboka nampisalasala olona maro be ny fampianaran’ny eglizy.

Efa niresaka momba ny Vaudois i Martin Luther, mpitarika nalaza teo amin’ny Fanavaozana, tamin’ny taona 1523. Niverina tany Alpes ny barbes vaudois iray tamin’ny taona 1526, sady nitondra vaovao momba ny fiovana teo amin’ny fivavahana tany Eoropa. Nisy Protestanta nifanakalo hevitra tamin’ny Vaudois taorian’izay. Nisy hevitra niombonan’izy ireo. Te handika Baiboly avy tamin’ny teny nandikana azy tany am-boalohany ho amin’ny teny frantsay ny Protestanta, ka nampirisika ny Vaudois mba hanome vola hanaovana izany. Vita pirinty tamin’ny taona 1535 izy io, ary nantsoina hoe Baibolin’i Olivétan. Nahatsikaiky anefa fa tsy nahay teny frantsay ny ankamaroan’ny Vaudois.

Nitohy ny fanenjehan’ny Eglizy Katolika, ka Vaudois maro mbamin’ny Protestanta sasany no nanorim-ponenana tany Provence, any atsimon’i Frantsa, satria tsy dia natahorana loatra tany. Tsy ela dia nampahafantarin’olona ny manam-pahefana ny fisian’ireo mpifindra monina ireo. Na dia maro aza ny tatitra tsara nahakasika ny fomba fiaina sy ny fitondran-tenan’ny Vaudois, dia nisalasala ny olona sasany raha manara-dalàna izy ireo na tsia, sady niampanga azy ireo ho mpanakorontana. Nivoaka ny lalàn’i Mérindol, ka niteraka ilay fandatsahan-dra nahatsiravina voaresaka terỳ am-piandohana.

Niharatsy hatrany ny fifandraisan’ny Katolika sy ny Vaudois. Nandray fiadiana mihitsy ny Vaudois mba hiarovan-tena tamin’ny fanafihana azy ireo. Voatery niara-dia tamin’ny Protestanta ny Vaudois noho io fifandonana io, ka izany no nahatonga azy ireo hiandany tamin’ny Fivavahana Protestanta.

Nisy eglizy vaudois naorina tany amin’ny firenena lavitra an’i Frantsa toa an’i Orogoay sy Etazonia, rehefa nandeha ny fotoana. Eken’ny ankamaroan’ny mpahay tantara anefa ny tenin’i Audisio hoe “nifarana ny fivavahan’ny Vaudois tamin’ny fotoanan’ny Fanavaozana”, satria “tafakambana” tamin’ny Fivavahana Protestanta izy io. Efa nafoin’ny Vaudois, raha ny marina, ny zotom-po nananany, taonjato maro talohan’izay. Nitranga izany, satria natahotra izy ireo ka tsy nitory sy nampianatra ny Baiboly intsony.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Antsoina koa hoe Valdesius, na Valdo, i Valdès. Ilay anarana hoe Valdès no nahatonga ny hoe “Vaudois”, antsoina koa hoe Mahantran’i Lyon.

^ feh. 8 Tamin’ny taona 1199, dia efa nitaraina tamin’ny Papa Innocent III ny eveka tao Metz, any amin’ny faritra avaratra atsinanan’i Frantsa, fa nisy namaky sy nidinika ny Baiboly tamin’ny fiteny teo an-toerana. Ny Vaudois mihitsy angamba no noresahiny tamin’izay.

^ feh. 15 Jereo “Ny Cathares—Maritiora Kristiana ve Izy Ireo?” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 1995, pejy faha-27-30.

[Sarintany/Sary, pejy 23]

(Jereo ny gazety)

Toerana nisy olona nivadika ho Vaudois

FRANTSA

Lyon

PROVENCE

Lubéron

Strasbourg

Milan

Rome

Berlin

Prague

Vienne

[Sary]

Nanome vola handikana ny Baibolin’i Olivétan ny Vaudois, tamin’ny taona 1535

[Sary nahazoan-dalana]

Baiboly: © Cliché Bibliothèque nationale de France, Paris

[Sary, pejy 20, 21]

VALDÈS

Fandoroana vehivavy zokiolona vaudois roa

[Sary nahazoan-dalana]

Pejy faha-20 sy 21: © Landesbildstelle Baden, Karlsruhe