Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mety Amin’ny Kristianina ve ny Mikarakara Faty?

Mety Amin’ny Kristianina ve ny Mikarakara Faty?

Mety Amin’ny Kristianina ve ny Mikarakara Faty?

Izao no hafatr’ilay loham-pianakaviana nahatoky, atao hoe Jakoba: “Aleveno ao amin’ny razako aho, dia ao anatin’ny zohy izay any amin’ny sahan’i Efrona Hetita, ao anatin’ny zohy izay any amin’ny saha Makpela, izay tandrifin’i Mamre, any amin’ny tany Kanana.”—Genesisy 49:29-31.

NOTANTERAHIN’I Josefa io hafatry ny rainy io, ka nohararaotiny nanaovana izany ny fanao tany Ejipta tamin’izany. Nasainy “nanosotra zava-manitra an-drainy” ireo dokotera mpanompony. Milaza ny fitantarana ao amin’ny Genesisy toko faha-50, fa nandany 40 andro, araka ny nahazatra, ireo dokotera, mba hikarakarana an’ilay faty. Voakarakara ny fatin’i Jakoba, ka azo nentina halevina tany amin’ny 400 kilaometatra teo ho eo, na dia nilamina dia nilamina aza ilay diabe nataon’ny fianakaviana rehetra sy ny olo-nanan-kaja ejipsianina maro.—Genesisy 50:1-14.

Mbola mety ho hita indray ve izany fatin’i Jakoba izany, indray andro any? Tsy antenaina ho hita intsony izany. Faritra mando i Isiraely, ka vitsy ny zavatra natao tanana hitan’ny arkeology tany. (Eksodosy 3:8) Zavatra vita tamin’ny vy sy ny vato tranainy no betsaka tany. Tsy nahatanty ny hamandoana sy ny fiovaovan’ny toetrandro kosa ny zavatra marefo toy ny akanjo sy hodi-biby ary ny faty nokarakaraina mba tsy ho simba.

Inona no nahatonga ny olona hikarakara faty tsy ho simba? Mety amin’ny Kristianina ve izany?

Taiza no niandohan’ilay fomba?

Misy fikarakarana atao amin’ny fatin’olona na biby mba hitehirizana azy tsy ho simba. Eken’ny mpahay tantara mazàna fa tany Ejipta no nisy ny fikarakarana faty voalohany, ary nanao izany koa ny Asyrianina sy Persanina ary ny Skytianina fahiny. Angamba nanjary liana sy nanandrana azy io voalohany ny olona, rehefa nahita faty nalevina anaty fasika tany an’efitra, ka tsy simba mihitsy. Tsy tratran’ny hamandoana sy ny rivotra angamba ilay faty, ka tsy simba loatra. Misy milaza fa nanomboka nikarakara ny faty ny olona rehefa nahita fa tsy simba ny faty natao tao anaty karibonetra, izay betsaka tany Ejipta sy teny amin’ny manodidina.

Ny zava-kendren’ilay mpikarakara faty dia ny hampitsahatra fotsiny ny fiasan’ny bakteria, izay manomboka ora vitsivitsy aorian’ny hahafatesan’ilay olona ka mahatonga ilay faty hihasimba. Raha azo atao mantsy ny mampitsahatra an’izany, dia tsy hihasimba ilay faty, na ho ela vao ho simba, fara faharatsiny. Misy zavatra telo kendrena amin’izany: hihazonana ny endrik’ilay faty ho toy ny olona mbola velona foana, hisakanana azy tsy ho simba ary ny hiarovana an’ilay faty tsy ho potiky ny bibikely.

Antony ara-pivavahana no tena nahatonga ny Ejipsianina fahiny hikarakara ny faty. Nino izy ireo fa misy fiainana any ankoatra, ka tian’ireo maty ny hifandray foana amin’ny olona mbola velona. Nihevitra izy ireo fa hampiasaina mandrakizay ny vatany ary hasiana aina indray. Tena fanao tamin’izany fotoana izany ny fikarakarana ny faty mba tsy ho simba, kanefa tsy nisy mihitsy tantara ejipsianina miresaka ny fomba fanaovana azy io. Ny fitantaran’i Hérodote, mpahay tantara grika tamin’ny taonjato fahadimy al.f.i. ihany no mba nazava tsara tamin’ireo fitantarana nisy momba izany. Misy milaza anefa fa tsy tena nandaitra ny toromarika nosoratan’i Hérodote, rehefa tena narahina, mba hanaovana toy ny vitan’ny Ejipsianina.

Mety amin’ny Kristianina ve izy io?

Marina fa olona tsy nitovy finoana tamin’i Jakoba no nikarakara ny fatiny. Fanaon’ny ankamaroan’ny Ejipsianina tamin’izany fotoana izany ny nanao vavaka sy fombafomba rehefa nikarakara faty. Tsy azo inoana anefa hoe nangataka ny hanaovana izany koa i Josefa, rehefa namela ny fatin-drainy hokarakarain’ireo dokotera. Samy lehilahy nanana finoana natanjaka i Jakoba sy Josefa. (Hebreo 11:21, 22) Toa tsy i Jehovah no nandidy ny hitehirizana ny fatin’i Jakoba, kanefa tsy hita ao amin’ny Soratra Masina hoe tsy nankasitrahany ny fanaovana an’izany. Tsy natao ho modely ho an’ny firenen’ny Isiraely na ny fiangonana kristianina akory ny fikarakarana ny fatin’i Jakoba. Tsy misy toromarika voafaritra tsara momba izany akory aza ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy misy resaka momba ny fikarakarana faty tsy ho simba intsony koa ao amin’ny Baiboly, taorian’ny fikarakarana ny fatin’i Josefa tany Ejipta.—Genesisy 50:26.

Nisy fatin’olona maro efa simba hita tany amin’ny fasana tany Palestina, ka hita avy amin’izany fa tsy fanaon’ny Hebreo ny nikarakara faty, ary na nanao izany aza izy ireo, dia tsy natao hitehirizana an’ilay faty maharitra akory izany. Tsy nokarakaraina toy izany, ohatra, ny fatin’i Lazarosy. Marina fa nofonosina izy, kanefa nanahy ny olona rehefa hakodia ny vato nanarona ny fasany. Efa maty efatra andro i Lazarosy, ka nilaza ny anabaviny fa tsy maintsy hamofona be raha sokafana ny fasana.—Jaona 11:38-44.

Nokarakaraina mba tsy ho simba ve ny fatin’i Jesosy? Tsy milaza an’izany ny fitantaran’ny Filazantsara. Fanaon’ny Jiosy, tamin’izany fotoana izany, ny nanosotra zavamanitra sy ranomanitra ny faty, alohan’ny fandevenana. Nanome zavamanitra be dia be, ohatra, i Nikodemosy mba hahosotra tamin’ny fatin’i Jesosy. (Jaona 19:38-42) Nahoana izy no nanome zavamanitra be dia be toy izany? Angamba tena tia sy nanaja an’i Jesosy izy, ka nanjary nalala-tanana be toy izany. Tsy tokony hihevitra anefa isika hoe natao mba hiarovana ny fatin’i Jesosy tsy ho simba ireny zavamanitra ireny.

Mety amin’ny Kristianina ve ny mikarakara faty tsy ho simba? Manemotra fotsiny ny zavatra tsy maintsy hitranga ny fikarakarana ny faty, raha ny marina. Avy tamin’ny vovoka isika ary hiverina ho amin’ny vovoka indray rehefa maty. (Genesisy 3:19) Maty hafiriana anefa ny olona iray vao halevina? Tsy maintsy karakaraina ihany ilay faty mba tsy ho simba vetivety, raha te hahita azy ny mpianakavy sy ny namana sasany avy lavitra.

Raha ny Soratra Masina àry no jerena, dia azo atao ny mikarakara faty mba tsy ho simba, raha mitaky izany ny lalàna eo an-toerana, na raha maniry ny hanaovana an’izany ny mpianakavy sasany. “Tsy mahalala na inona na inona” ny maty. (Mpitoriteny 9:5) Hatsangan’Andriamanitra ho ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenainy izy ireo, raha ao amin’ny fitadidiany.—Joba 14:13-15; Asan’ny Apostoly 24:15; 2 Petera 3:13.

[Efajoro/Sary, pejy 31]

FIKARAKARANA FATY—TALOHA SY ANKEHITRINY

Arakaraka ny fari-piainan’ny fianakaviana ny karazana fikarakarana natao tamin’ny faty iray, tany Ejipta fahiny. Mety ho toy izao ny fikarakarana nofidin’ny fianakaviana nanankarena:

Sintonina amin’ny vy, avy eo amin’ny vavorona ny atidoha. Avy eo, dia asiana fanafody mety aminy ny karandoha. Esorina daholo ny taova rehetra, afa-tsy ny fo sy ny voa. Tsy maintsy didiana ny kibo, mba hanesorana ny any anatiny. Noheverina ho fahotana anefa izany. Nanendry mpandidy àry ireo Ejipsianina mpikarakara faty, mba hialana tamin’izany fahotana izany. Tsy maintsy nitsoaka haingana ilay mpandidy raha vao vita izay nataony, satria fanozonana sy fitoraham-bato no sazy noho izany lazain’izy ireo fa fahotana izany.

Nosasana tsara ny atikibo rehefa avy nesorina daholo ny tao anatiny. Nanoratra i Hérodote, mpahay tantara, hoe: “Miora voatoto sy voadio tsara miaraka amin’ny kasia sy ny karazan-javamanitra rehetra, ankoatra ny emboka manitra, no namenoana ny atikibo, ary nozairina ilay faritra nodidiana avy eo.”

Nalona tao anaty karibonetra nandritra ny 70 andro avy eo ilay faty, mba hanalana ny rano aminy. Nosasana tsara ilay faty avy eo, ary nofonosina tsara tamin’ny lamba landy. Nohosorana ditin-kazo na zavatra madity hafa ilay lamba landy mba hiraikitra tsara. Napetraka tao anaty vata hazo mirenty be, mitovy bika amin’ny vatan’olombelona, ilay faty efa voavoatra avy eo.

Efa vita ao anatin’ny ora vitsy monja ankehitriny ny fikarakarana faty mba tsy ho mora simba. Matetika no ampidirana ranon-javatra fanao amin’ny faty fotsiny, any amin’ny mpamerindra sy mpanelira ary any amin’ny kibo sy tratra. Ranon-javatra isan-karazany no namboarin’ny olona sy nampiasainy, nandritra ny taona maro. Ny fôrmôla (formaldéhyde) anefa no tena be mpampiasa, satria sady tsy lafo no tsy atahorana ny fampiasana azy.

[Sary]

Vatam-paty volamenan’ny Mpanjaka Toutankhamon