Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitarika ny Fiangonany i Kristy

Mitarika ny Fiangonany i Kristy

Mitarika ny Fiangonany i Kristy

“Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.”—MATIO 28:20.

1, 2. a) Inona no nampanantenain’i Jesosy ny mpanara-dia azy, rehefa nobaikoiny hanao mpianatra izy ireo? b) Ahoana no nitarihan’i Jesosy ny fiangonana kristianina voalohany?

NISEHO tamin’ny mpianany i Jesosy Kristy, Mpitarika antsika, rehefa nitsangana tamin’ny maty ka hiakatra ho any an-danitra. Izao no nolazainy tamin’izy ireo tamin’izay: “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.”—Matio 23:10; 28:18-20.

2 Notendren’i Jesosy hanao asa famonjena aina ny mpianany, izany hoe hanao mpianatra maro kokoa. Nampanantenainy koa anefa fa homba azy ireo izy. Nampiasa ny fahefana nomena azy i Kristy mba hitarihana ilay fiangonana vao niforona. Manaporofo izany tsara ny tantaran’ireo Kristianina voalohany, ao amin’ny Asan’ny Apostoly. Nandefa ny “Mpananatra”, izany hoe ny fanahy masina, izy mba hampahery ny mpanara-dia azy sy hitari-dalana azy ireo. (Jaona 16:7; Asan’ny Apostoly 2:4, 33; 13:2-4; 16:6-10) Nampiasa ny anjely teo ambany fahefany i Jesosy rehefa nitsangana tamin’ny maty, mba hanampy ny mpianany. (Asan’ny Apostoly 5:19; 8:26; 10:3-8, 22; 12:7-11; 27:23, 24; 1 Petera 3:22) Nanome toromarika ny fiangonana koa ilay Mpitarika antsika, tamin’ny alalan’ny filan-kevi-pitantanana iray, voaforona lehilahy nahafeno fepetra.—Asan’ny Apostoly 1:20, 24-26; 6:1-6; 8:5, 14-17.

3. Inona avy no fanontaniana hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

3 Ahoana kosa ny amintsika, miaina amin’ny “fahataperan’izao tontolo izao”? Ahoana no itarihan’i Jesosy Kristy ny fiangonana kristianina ankehitriny? Ary ahoana no ampisehoantsika fa manaiky io fitarihana io isika?

Manana mpanompo mahatoky ny Tompo

4. a) Iza no mahaforona ny ‘mpanompo mahatoky sy malina’? b) Inona no nankinin’ny Tompo tamin’ilay mpanompo?

4 Rehefa naminany momba ny famantarana ny fanatrehany i Jesosy, dia nilaza hoe: “Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin’ny fotoana? Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany. Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.” (Matio 24:45-47) I Jesosy Kristy, Mpitarika antsika, io ‘tompo’ io, ary notendreny hanapaka ny fananany rehetra eto an-tany ilay ‘mpanompo mahatoky sy malina’, izany hoe ny fitambaran’ireo Kristianina voahosotra eto an-tany.

5, 6. a) Manondro inona ireo “fanaovan-jiro volamena fito” sy “kintana fito” ao amin’ny fahitana azon’ny apostoly Jaona? b) Inona no dikan’ilay hoe eo an-tanana ankavanan’i Jesosy ireo “kintana fito”?

5 Asehon’ny bokin’ny Apokalypsy fa i Jesosy Kristy mihitsy no mifehy ny mpanompo mahatoky sy malina. Tao amin’ny fahitana momba ny “Andron’ny Tompo”, dia nahita “fanaovan-jiro volamena fito” ny apostoly Jaona, “ary teo afovoan’ny fanaovan-jiro dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak’olona” nitana “kintana fito teny an-tànany ankavanana.” Nohazavain’i Jesosy toy izao tamin’i Jaona ilay fahitana: “Dia ny zava-miafina ny amin’ny kintana fito izay efa hitanao teny an-tànako ankavanana sy ny fanaovan-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin’ny fiangonana fito: ary ny fanaovan-jiro fito dia fiangonana fito.”—Apokalypsy 1:1, 10-20.

6 “Ny fanaovan-jiro volamena fito” dia manondro ny tena fiangonana kristianina rehetra misy mandritra ny “Andron’ny Tompo”, nanomboka tamin’ny 1914. Fa inona kosa ireo “kintana fito”? Tamin’ny voalohany, izy ireo dia nanondro ny mpiandraikitra rehetra voahosotra sy nateraky ny fanahy, izay nikarakara ireo fiangonana tamin’ny taonjato voalohany. * Teny an-tanana ankavanan’i Jesosy ireo mpiandraikitra, izany hoe izy no nifehy sy nanome toromarika azy ireo. Eny, nitarika ilay mpanompo i Kristy Jesosy. Vitsy anefa ireo mpiandraikitra voahosotra ankehitriny. Ahoana àry no itarihan’i Kristy ireo fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 93 000 maneran-tany?

7. a) Ahoana no ampiasan’i Jesosy ny Filan-kevi-pitantanana mba hitarihana ny fiangonana rehetra eran-tany? b) Nahoana no azo lazaina fa notendren’ny fanahy masina ireo mpiandraikitra kristianina?

7 Toy ny tamin’ny taonjato voalohany, dia misy Filan-kevi-pitantanana ankehitriny, misolo tena ny mpanompo mahatoky sy malina. Lehilahy vitsivitsy mahafeno fepetra sady mpiandraikitra voahosotra no mahaforona azy io. Mampiasa an’io Filan-kevi-pitantanana io ilay Mpitarika antsika mba hanendrena lehilahy mahafeno fepetra ho anti-panahy eo anivon’ny fiangonana. Mety ho voahosotry ny fanahy na tsia ireo anti-panahy ireo. Tena mandray anjara lehibe amin’izany ny fanahy masina. Nomen’i Jehovah fahefana hampiasa azy io i Jesosy. (Asan’ny Apostoly 2:32, 33) Voalohany, ireo mpiandraikitra ireo dia tsy maintsy mahafeno ireo fepetra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandrin’ny fanahy masina. (1 Timoty 3:1-7; Titosy 1:5-9; 2 Petera 1:20, 21) Aorian’ny vavaka sy eo ambany tari-dalan’ny fanahy masina no atao ny fanolorana sy ny fanendrena. Hita tsara koa fa mampiseho ny vokatr’io fanahy io ireo voatendry. (Galatiana 5:22, 23) Mihatra amin’ny anti-panahy rehetra àry izao torohevitr’i Paoly izao, na voahosotra izy ireo na tsia: “Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina.” (Asan’ny Apostoly 20:28) Mahazo toromarika avy amin’ny Filan-kevi-pitantanana ireo lehilahy voatendry ireo, ary miandry ny fiangonana an-tsitrapo. Amin’izany heviny izany no ilazana fa momba antsika i Kristy ankehitriny sady tena mitarika ny fiangonana.

8. Ahoana no ampiasan’i Kristy ireo anjely mba hitarihana ny mpanara-dia azy?

8 Mampiasa anjely ara-bakiteny koa i Jesosy ankehitriny mba hitarihana ny mpanara-dia azy. Mandritra ny “fahataperan’izao tontolo izao” ny fijinjana, araka ilay fanoharana mahakasika ny vary sy ny tsimparifary. Iza no ampiasain’ny Tompo mba hijinja? “Ny mpijinja dia anjely”, hoy i Kristy. Hoy koa izy: “Ny Zanak’olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin’ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin’izay manao meloka.” (Matio 13:37-41) Nisy anjely koa nitarika an’i Filipo hankany amin’ilay lehilahy etiopianina. Toy izany koa fa misy porofo be dia be ankehitriny mampiseho fa mampiasa ny anjeliny i Kristy mba hanampiana ny tena Kristianina hahita ireo olona tso-po.—Asan’ny Apostoly 8:26, 27; Apokalypsy 14:6.

9. a) Ahoana no itarihan’i Kristy ny fiangonana kristianina ankehitriny? b) Fanontaniana inona no tokony hodinihintsika raha te handray soa avy amin’ny fitarihan’i Kristy isika?

9 Tena mampahery tokoa ny mahafantatra fa mitarika ny mpianany i Jesosy Kristy ankehitriny amin’ny alalan’ny Filan-kevi-pitantanana sy ny fanahy masina ary ny anjely! Mety ho tafasaraka vetivety amin’ny Filan-kevi-pitantanana ny mpanompon’i Jehovah sasany, noho ny fanenjehana na antony mitovy amin’izany. Na dia izany aza dia mbola hitarika azy ireo ihany i Kristy amin’ny alalan’ny fanahy masina sy ny fanampian’ny anjely. Tsy mandray soa avy amin’ny fitarihany anefa isika, raha tsy manaiky azy io. Ahoana no ampisehoantsika fa tena manaiky ny fitarihan’i Kristy isika?

“Manekè ... ka manoava azy”

10. Ahoana no ampisehoantsika fa manaja ireo anti-panahy voatendry eo anivon’ny fiangonana isika?

10 Nomen’ilay Mpitarika antsika lehilahy ho “fanomezana” ny fiangonana, ka “ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra.” (Efesiana 4:8, 11, 12) Miharihary amin’ny fiheverantsika azy ireny sy ny ataontsika aminy, raha manaiky ny fitarihan’i Kristy isika. Tokony ho “feno fisaorana” koa isika, satria nomen’i Kristy an’ireny lehilahy mahafeno fepetra ara-panahy ireny. (Kolosiana 3:15) Mendrika ny hohajaintsika koa izy ireo. Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka ny loholona [na anti-panahy] izay mitondra tsara hatao tokony hahazo fanajana roa heny.” (1 Timoty 5:17) Ahoana no ampisehoantsika fa sady ankasitrahantsika no heverintsika ho sarobidy ireo anti-panahy na mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana? Mamaly toy izao i Paoly: “Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy.” (Hebreo 13:17) Eny, tokony hankatò sy hanaiky azy ireo isika.

11. Nahoana no lazaina fa miaina mifanaraka amin’ny batisantsika isika, rehefa manaja ny anti-panahy?

11 Lavorary ilay Mpitarika antsika. Tsy lavorary kosa ireo lehilahy nataony fanomezana, ka mety hanao fahadisoana izy ireo indraindray. Na izany aza, dia tena ilaintsika ny manaiky hatrany ny fandaharana nataon’i Kristy. Miaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika sy ny batisantsika mihitsy isika, rehefa manaiky fa ara-dalàna ny fahefana voatendrin’ny fanahy eo anivon’ny fiangonana, sady manaiky io fahefana io an-tsitrapo. Rehefa atao batisa ‘amin’ny anaran’ny Fanahy Masina’ isika, dia manaiky eo imason’ny rehetra fa fantatsika ny atao hoe fanahy masina sady ekentsika fa mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’i Jehovah izy io. (Matio 28:19) Izany batisa izany dia midika fa miara-miasa amin’ny fanahy isika sady tsy manao na inona na inona mba hanakantsakanana ny fiasan’izy io eo amin’ny mpanara-dia an’i Kristy. Koa satria mandray anjara lehibe amin’ny fanolorana sy ny fanendrena anti-panahy ny fanahy masina, azo lazaina ve fa tena miaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika isika raha tsy miara-miasa amin’izy ireo?

12. Iza avy ireo olona tsy nanaja fahefana noresahin’i Joda, ary inona no ianarantsika avy amin’izy ireo?

12 Asehon’ny ohatra ao amin’ny Soratra Masina fa tena ilaina ny mankatò. Niresaka momba izay niteny ratsy an’ireo lehilahy voatendry teo anivon’ny fiangonana i Joda, ka nanome ohatra telo ho fampitandremana. Hoy izy: “Hahita loza izy! fa efa nandeha tamin’ny làlan’i Kaina, sady efa nimaona fatratra hanaraka ny fahadisoan’i Balama hahazoany tamby, ary efa ringana tamin’ny fiodinan’i Kora izy.” (Joda 11) Tsy niraharaha ny torohevitra feno fitiavana nomen’i Jehovah i Kaina. Tsy nitsahatra nankahala olona kosa izy ary namono azy tamin’ny farany. (Genesisy 4:4-8) Nampitandreman’Andriamanitra imbetsaka i Balama, nefa nanandrana nanozona ny vahoakan’Andriamanitra ihany izy mba hahazoam-bola. (Nomery 22:5-28, 32-34; Deoteronomia 23:5) Efa nanana toerana ambony teo amin’ny Isiraely i Kora, nefa tsy afa-po tamin’izany. Notarihiny ny olona mba hikomy tamin’ny mpanompon’Andriamanitra, dia i Mosesy, ilay lehilahy nalemy fanahy indrindra teto an-tany. (Nomery 12:3; 16:1-3, 32, 33) Niharan’ny loza i Kaina sy Balama ary Kora. Tena asehon’ireo ohatra ireo mazava tsara amintsika fa tokony hihaino ny torohevitr’ireo mpiandraikitra notendren’i Jehovah isika sady hanaja azy ireo!

13. Araka an’i Isaia mpaminany, fitahiana inona avy no ho azon’ireo manaiky ny anti-panahy?

13 Tena tsara ny fandaharana nataon’ilay Mpitarika antsika, dia ny fisian’ny mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana kristianina. Irintsika rehetra ny handray soa avy amin’izany, sa tsy izany? Nolazain’i Isaia mpaminany mialoha ny fitahiana azo avy amin’izany. Hoy izy: “Indro, fa araka ny fahamarinana no hanjakan’ny mpanjaka, ary ny lehibe hanapaka araka ny rariny. Ary hisy lehilahy ho fierena amin’ny rivotra sy ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra; ho ranovelona ao amin’ny tany karankaina izy, ho alo-batolampy lehibe amin’ny tany mahana.” (Isaia 32:1, 2) Tokony ho toeram-piarovana tsy ahitana ahiahy toy izany ny anti-panahy tsirairay. Na dia sarotra amintsika aza ny manaiky fahefana, dia tokony hivavaka sy hiezaka mafy isika mba hankatò sy hanaiky ny fahefana napetrak’Andriamanitra eo anivon’ny fiangonana.

Ahoana no aneken’ny anti-panahy ny fitarihan’i Kristy?

14, 15. Ahoana no ampisehoan’ireo mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana fa manaiky ny fitarihan’i Kristy izy ireo?

14 Tsy maintsy manaraka ny fitarihan’i Kristy ny Kristianina rehetra, indrindra fa ny anti-panahy. Nomena fahefana eo anivon’ny fiangonana ireo mpiandraikitra na anti-panahy. Tsy mitady ho ‘tompon’ny finoan’ny’ mpiray finoana aminy anefa izy ireo, ka tsy manandrana mifehy ny fiainany. (2 Korintiana 1:24) Ampiharin’ny anti-panahy ireto tenin’i Jesosy ireto: “Fantatrareo fa ny andrianan’ny jentilisa mampanompo azy tokoa, ary ny lehibeny manapaka azy fatratra. Fa tsy mba ho toy izany aminareo.” (Matio 20:25-27) Tena miezaka ny hanompo ny hafa ny anti-panahy, rehefa manatanteraka ny andraikiny.

15 Ampirisihina toy izao ny Kristianina: “Tsarovy ny mpitondra anareo, ... hevero ny niafaran’ny fiainany, ka araho ny finoany.” (Hebreo 13:7) Tsy noho izy ireo mpitondra akory no anahafana ny anti-panahy. Hoy i Jesosy: “Iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy.” (Matio 23:10) Ny finoan’ireo anti-panahy ireo no tokony hotahafina, satria manahaka an’i Kristy, ilay tena Mpitarika antsika, izy ireo. (1 Korintiana 11:1) Miezaka ny hitovy amin’i Kristy ny anti-panahy rehefa mifandray amin’ny mpiray finoana aminy. Diniho ny fomba sasany anaovan’izy ireo izany.

16. Ahoana no fomba nitondran’i Jesosy ny mpanara-dia azy, na dia nanam-pahefana aza izy?

16 Ambony noho ny olombelona tsy lavorary i Jesosy, tamin’ny lafiny rehetra, ary tsy nisy nomen’i Jehovah fahefana toa azy. Tsy nanambony tena anefa izy, rehefa nifandray tamin’ny mpianany. Tsy nanambany ny mpihaino azy tamin’ny fampiderana fahaizana izy. Nangoraka ireo mpanara-dia azy i Jesosy, ka nihevitra ny zavatra nilain’izy ireo. (Matio 15:32; 26:40, 41; Marka 6:31) Tsy nitaky mihoatra noho izay nety ho vitan’ny mpianany mihitsy izy, ary tsy nanankina taminy mihitsy mihoatra noho izay nety ho vitany. (Jaona 16:12) ‘Nalemy fanahy sady tsy niavona am-po’ i Jesosy. Tsy mahagaga àry raha olona maro no nahazo famelombelomana tany aminy.—Matio 11:28-30.

17. Ahoana no tokony hampisehoan’ny anti-panahy fa tsy manambony tena izy rehefa mifandray amin’ireo mpiray finoana aminy?

17 Raha tsy nanambony tena i Kristy Mpitarika, dia vao mainka tsy tokony hanao izany ny mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana! Eny, mitandrina izy ireo mba tsy hanampatra ny fahefana nomena azy. Tsy mampidera ‘teny marevaka’ amin’ny hafa ny anti-panahy. (1 Korintiana 2:1, 2) Tokony hiezaka kosa izy ireo hanazava ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina amin’ny fomba tsotra sy amim-pahatsoram-po. Miezaka koa ny anti-panahy mba tsy hitaky be loatra amin’ny hafa, fa hihevitra izay ilain’izy ireo. (Filipiana 4:5) Fantany fa voafetra ny mety ho vitan’ny olon-drehetra, ka mitadidy izany izy rehefa mifandray amin’ireo rahalahiny. (1 Petera 4:8) Tsy mamelombelona tokoa ve ireo anti-panahy manetry tena sady malemy fanahy? Eny tokoa.

18. Inona no ianaran’ny anti-panahy avy amin’ny fomba nitondran’i Jesosy ny ankizy?

18 Mora nohatonina i Jesosy na dia tamin’ireo ankizy aza. Diniho ny zavatra nolazainy rehefa nibedy ireo olona “nitondra zazakely ho eo aminy” ny mpianany. Hoy i Jesosy: “Avelao ny zaza hanatona ahy, ary aza rarana.” Avy eo dia “nitrotro azy Izy, dia nametra-tànana taminy ka nitso-drano azy.” (Marka 10:13-16) Be fitiavana i Jesosy sady tsara fanahy, ka nahasarika ny olona. Tsy natahotra azy izy ireo. Na ny ankizy aza tsy sadaikatra niaraka taminy. Mora hatonina koa ny anti-panahy, ary tsy sadaikatra ny hafa rehefa miaraka amin’izy ireo, eny fa na dia ny ankizy aza, satria be fitiavana izy ireo sady tsara fanahy.

19. Inona no dikan’ny hoe manana “ny sain’i Kristy”, ary inona no ezaka tokony hatao mba hahatongavana amin’izany?

19 Arakaraka ny ahafantaran’ny anti-panahy tsara an’i Kristy Jesosy no ahafahany manahaka azy. Hoy i Paoly: “Iza no nahafantatra ny sain’ny Tompo [Jehovah] mba hampianatra Azy?” Nilaza izy avy eo hoe: “Fa izahay manana ny sain’i Kristy.” (1 Korintiana 2:16) Manana ny sain’i Kristy isika rehefa mahafantatra ny fomba fisainany sy ny toetrany rehetra, ka fantatsika izay mety ho nataony tamin’ny toe-javatra iray. Eritrereto ange hoe fantatrao tsara toy izany ilay Mpitarika antsika e! Mba hahatongavana amin’izany, dia tena ilaina ny mandinika tsara ireo fitantarana ao amin’ny Filazantsara sy mieritreritra tsy tapaka momba ny fiainan’i Jesosy sy ny ohatra navelany. Rehefa miezaka hanaraka ny fitarihan’i Kristy toy izany ireo anti-panahy, dia vonona kokoa ny hanahaka ny finoan’izy ireo ny olona eo anivon’ny fiangonana. Ary afa-po ireo anti-panahy mahita ny hafa faly manara-dia an’ilay Mpitarika.

Araho hatrany ny fitarihan’i Kristy

20, 21. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika, rehefa mibanjina ilay tontolo vaovao nampanantenaina?

20 Tena ilaintsika rehetra ny manaraka hatrany ny fitarihan’i Kristy. Efa antomotra ny faran’ity tontolo ity, ka mitovy amin’ireo Isiraelita teo amin’ny Lemak’i Moaba tamin’ny 1473 al.f.i. isika. Teo an-tokonan’ny Tany Nampanantenaina izy ireo tamin’izay, ary nilaza toy izao Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy mpaminany: “Hianao [Josoa] sy ity firenena ity dia hiara-miditra ao amin’ny tany izay nianianan’i Jehovah tamin’ny razany homena azy.” (Deoteronomia 31:7, 8) I Josoa no mpitarika voatendry. Tsy maintsy nanaiky ny fitarihan’i Josoa ny Isiraelita mba hidirana tao amin’ny Tany Nampanantenaina.

21 Milaza amintsika ny Baiboly hoe: “Iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy.” I Kristy irery ihany no hitarika antsika ho ao amin’ilay tontolo vaovao hisian’ny fahamarinana. (2 Petera 3:13) Aoka àry isika ho tapa-kevitra ny hanaiky ny fitarihany eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Tsy manondro anjely ara-bakiteny ireo “kintana” ireo. Azo antoka fa tsy olombelona no hampiasain’i Jesosy mba hanoratra toromarika ho an’ny zavaboary ara-panahy tsy hita maso. Noho izany, ireo “kintana” ireo dia tsy maintsy manondro olombelona izay mpiandraikitra na anti-panahy eo anivon’ny fiangonana, sady mpitondra hafatr’i Jesosy. Milaza zavatra feno, araka ny fihevitr’Andriamanitra, ny isan’izy ireo hoe fito.

Tadidinao Ve?

• Ahoana no nitarihan’i Kristy ny fiangonana voalohany?

• Ahoana no itarihan’i Kristy ny fiangonany ankehitriny?

• Nahoana isika no tokony hanaiky an’ireo mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana?

• Ahoana no ampisehoan’ny anti-panahy fa i Kristy no Mpitarika azy ireo?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Mitarika ny fiangonany i Kristy ary mitana ireo mpiandraikitra eo amin’ny tanany ankavanana

[Sary, pejy 16]

“Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy”

[Sary, pejy 18]

Be fitiavana sy tsara fanahy i Jesosy. Miezaka ny hanahaka azy ny anti-panahy kristianina