Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Olana Eran-tany ny Tsy Fisian’ny Mpitarika Mahay

Olana Eran-tany ny Tsy Fisian’ny Mpitarika Mahay

Olana Eran-tany ny Tsy Fisian’ny Mpitarika Mahay

Mpanoratra tantara sy tononkalo izy. Nantenainy tamin’ny fony manontolo fa hoavy sambatra no miandry ny rehetra. Nanonofy tontolo toy izao izy, 90 taona lasa izay: “Hilamin-tsaina ny olona fa tsy ho raiki-tahotra, ary hiandrandra ny hoavy izy. Homena maimaim-poana ny fahalalana ary tsy ho voazarazaran’ny fitsarana an-tendrony ireo firenena. Hanjaka koa ny fahamarinana, [ary] tsy ho sasatry ny miezaka ny olona hanakarana ny fahalavorariana.”

NANANTENA àry io mpanoratra io fa hiaina ao amin’ny tontolo toy izany ny mpiray firenena aminy sy ireo mponina rehetra maneran-tany, indray andro any. Tena ho diso fanantenana tanteraka io mpanoratra tononkalo nahazo Loka Nobel io, raha mbola velona. Vao mainka voazarazara mantsy izao tontolo izao, na dia tena nandroso be aza. Mbola mahakivy foana koa ny fijery ny hoavin’ny olombelona.

Nanontaniana ny mpamboly iray ny antony nampirongatra tampoka ny herisetra teo amin’ny antoko sasany tao amin’ny fireneny. Araka ny heviny, dia izao no anisan’ny anton’izany: “Sady tsy mahay ny mpitarika no ratsy fitondran-tena.” Milaza hevitra mitovitovy amin’izany i Jonathan Glover, ao amin’ilay bokiny hoe Ny Fitondran-tenan’ny Olona Nandritra ny Taonjato Faha-20 (anglisy). Hoy izy: “Tetiky ny olona nitady hihazona fahefana no nahatonga ilay fandripahana foko [tao amin’io tany io ihany], fa tsy hoe nipoaka ho azy akory ny fifankahalan’ireo foko.”

Nisy mpanao gazety nilaza toy izao, rehefa niady ny repoblika roa tao Iogoslavia teo aloha, tamin’ny fiandohan’ireo taona 1990: “Niara-niaina tamim-pilaminana isika nandritra ny taona maro. Manjary mifamono zanaka anefa isika izao. Fa inona no mahatonga antsika hanao izany e?”

An’arivo kilaometatra avy eo Eoropa sy Afrika no misy an’i Inde, toerana nahaterahan’ilay mpanao tononkalo noresahina tetsy aloha. Hoy ilay mpanoratra atao hoe Pranay Gupte, tao amin’ilay lahateniny hoe “Afaka Hahita Vahaolana ve i Inde ka Tsy ho Voazarazara?”: ‘Tokony ho 70 isan-jaton’ny mponin’i Inde no latsaka ny 30 taona, nefa tsy misy mpitarika na dia iray aza, manome ohatra tsara ho azy ireo.’

Tsy maintsy niala tamin’ny toerany ny mpitarika tany amin’ny tany sasany, satria voampanga ho nandray tsolotra. Misy antony maromaro, araka izany, mahatonga ny olona hijaly, satria tsy mahay ny mpitarika no sady ratsy fitondran-tena. Hamarinin’ny zava-mitranga ny tenin’ny mpaminany iray niaina 2 600 taona lasa izay. Hoy izy: “Tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.”—Jeremia 10:23.

Misy vahaolana ve amin’izao fahoriana maneran-tany izao? Iza no afaka hitarika ny olona ho amin’ny tontolo iray tsy rotidrotiky ny ady sy tsy misy horohoro, sady ahazoana fahalalana marina maimaim-poana sy tondraka, ary miroso ho amin’ny fahalavorariana?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

Fatmir Boshnjaku