Afaka Mianatra koa ny Antitra
Afaka Mianatra koa ny Antitra
TERAKA tamin’ny 1897 i Kseniya. Vavy 3 sy lahy iray ny zanany, ary manana zafikely 15 sy zafiafy 25 izy. Nanao izay zavatra nampianarin’ny ray aman-dreniny azy foana izy nandritra ny fiainany. Rotidrotiky ny ady ny taniny, dia ny Repoblikan’i Abkhazie, eo anelanelan’ny Ranomasina Mainty sy Caucase. Nandositra avy any ho any Moscou izy, nefa nahafa-po azy ihany ny fiainany, indrindra fa ilay nantsoiny hoe ny fivavahan-drazany.
Lasa Vavolombelon’i Jehovah i Meri, zanany vavy, tamin’ny 1993. Nanomboka niresaka tamin’i Kseniya momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Baiboly i Meri, nefa tsy nohenoiny. Izao foana no nolazainy tamin’i Meri: “Izaho efa antitra izao ve mbola hianatra inona ihany?”
Niresaka taminy momba ny Baiboly foana anefa i Meri sy Londa, vadin’ny zafikeliny ary Nana sy Zaza, zafiafiny, izay lasa Vavolombelon’i Jehovah avokoa. Namaky andinin-teny nanohina ny fon’i Kseniya izy ireo indray hariva, tamin’ny 1999. Ilay tenin’i Jesosy mampihetsi-po nolazainy tamin’ny apostoly nahatoky izy io, rehefa nanorina ny Sakafo Harivan’ny Tompo izy. (Lioka 22:19, 20) Tapa-kevitra ny hianatra ny Baiboly i Kseniya tamin’io hariva io, na dia efa 102 taona aza.
Hoy izy: “Fantatro amin’izay ny hevitry ny fiainana rehefa avy niaina 102 taona aho. Takatro izao fa tsy misy tsara kokoa noho ny manompo an’i Jehovah, ilay Andriamanitsika mahatalanjona sady be fitiavana. Mbola mavitrika sy salama aho. Tsy mila solomaso aho rehefa mamaky teny ary mazoto miaraka amin’ny fianakaviako aho.”
Natao batisa tamin’ny 5 Novambra 2000 i Kseniya. Hoy izy: “Atolotro ho an’i Jehovah izao ny fiainako mba hanompoako azy amim-pitiavana. Mipetraka eo amin’ny fiandrasana bisy eo akaikin’ny tranoko aho ary mametraka gazety sy taratasy mivalona. Tonga mitsidika ahy matetika ny havako, ary faly aho milaza aminy ny fahamarinana momba an’i Jehovah.”
Tsy andrin’i Kseniya ilay andro ‘hahatsara noho ny an’ny tanora ny nofony sy hodiany ho toy ny tamin’ny andro nahatanorany.’ (Joba 33:25) Raha ny olona efa zato taona mahery aza tsy mihevi-tena ho antitra loatra, fa mbola mianatra ny hevitry ny fiainana resahin’ny Baiboly ihany, ahoana kosa ny aminao?