Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manompoa Hatrany An’i Jehovah Amin’ny Fo Tsy Miovaova

Manompoa Hatrany An’i Jehovah Amin’ny Fo Tsy Miovaova

Manompoa Hatrany An’i Jehovah Amin’ny Fo Tsy Miovaova

“Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko.”​—SALAMO 57:7.

1. Nahoana isika no afaka miaiky sahala amin’i Davida?

AFAKA manampy antsika mpanompony vita fanoloran-tena i Jehovah, mba hiorina mafy ao amin’ny finoana sy hifikitra amin’ny Kristianisma marina. (Romana 14:4) Miaiky sahala amin’i Davida mpanao salamo, izay voatosika hihira toy izao, àry isika: “Andriamanitra ô, tafatoetra ny foko.” (Salamo 108:1) Ho voatosika hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika ho an’Andriamanitra isika raha tafatoetra ny fontsika, izany hoe tsy miovaova. Ho tapa-kevitra mafy ny tsy hivadika isika raha mitady ny tari-dalan’Andriamanitra sy ny heriny. Tsy hiala amin’ny zavatra inoantsika koa isika amin’izay ka ‘hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo.’—1 Korintiana 15:58.

2, 3. Inona no hevitry ny fananaran’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 16:13?

2 Azo antoka fa mihatra amin’ny Kristianina ankehitriny koa, ny fampirisihan’ny apostoly Paoly ny mpanara-dia an’i Jesosy tany Korinto fahiny. Hoy izy: “Miambena hianareo, tomoera tsara amin’ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza.” (1 Korintiana 16:13) Mampirisika ny hanaovan-javatra mitohy ireo didy ireo satria matoanteny samy milaza ny ankehitriny, amin’ny teny grika. Inona no hevitr’io fananarana io?

3 ‘Miambina’ amin’ny lafiny ara-panahy isika rehefa manohitra ny Devoly sy mitoetra ho akaiky an’Andriamanitra. (Jakoba 4:7, 8) Afaka ny ho tafaray hatrany sy ‘hitoetra tsara amin’ny finoana kristianina’ isika rehefa matoky an’i Jehovah. ‘Mitomban-dahy’ isika, anisan’izany ireo vehivavy maro be eo anivontsika, rehefa manompo an’Andriamanitra amin-kerim-po ka mitory ilay Fanjakana. (Salamo 68:11) Ary ‘mahery’ isika rehefa miantehitra hatrany amin’ilay Raintsika any an-danitra mba hahazoana hery hanaovana ny sitrapony.—Filipiana 4:13.

4. Inona no nahatonga antsika hatao batisa?

4 Nasehontsika fa nanaiky ny fahamarinana isika rehefa nanolo-tena tsy nisy fepetra ho an’i Jehovah sy nampiseho izany tamin’ny fandrobohana tao anaty rano. Inona anefa no nahatonga antsika hatao batisa? Nianatra ny fahamarinana tao amin’ny Tenin’Andriamanitra aloha isika. (Jaona 17:3) Nanjary nanam-pinoana isika ka voatosika hibebaka, satria tena nanenina noho ny zava-dratsy nataontsika. (Asan’ny Apostoly 3:19; Hebreo 11:6) Niova tanteraka isika avy eo, satria niala tamin’ireo fanao ratsy mba hiainana mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. (Romana 12:2; Efesiana 4:23, 24) Nanolo-tena tamin’ny fo manontolo ho an’i Jehovah tamim-bavaka isika taorian’izay. (Matio 16:24; 1 Petera 2:21) Nangataka feon’ny fieritreretana madio tamin’Andriamanitra isika, ary natao batisa mba hampisehoana fa nanolo-tena ho azy. (1 Petera 3:21) Hanampy antsika hiezaka foana mba hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika ny fitadidiana ireo dingana ireo. Hanampy antsika koa izany hanompo hatrany an’i Jehovah amin’ny fo tsy miovaova.

Katsaho hatrany ny fahalalana marina

5. Nahoana isika no tokony hianatra hatrany ny Soratra Masina?

5 Tsy maintsy mianatra ny Soratra Masina hatrany isika mba hanatanjahana ny finoantsika, ka hiainantsika mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika. Nahafinaritra erỳ ny nandray sakafo ara-panahy fony isika vao nahalala ny fahamarinan’Andriamanitra! (Matio 24:45-47) Natsiro tokoa ireny “sakafo” ireny ary namelona antsika tsara, raha ny ara-panahy no resahina. Tena ilaintsika mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena ankehitriny ny mandray sakafo ara-panahy tsara mba tsy hiovaova mihitsy ny fontsika.

6. Ahoana no nanampiana anao hankasitraka lalina ny fahamarinana ara-baiboly?

6 Ilana ezaka ny fampitomboana ny fahalalana ny Soratra Masina, tsy misy hafa amin’ny fitadiavana harena miafina. Mahafaly erỳ anefa ny mahita ny “fahalalana an’Andriamanitra”! (Ohabolana 2:1-6) Nampiasa ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay angamba ny mpitory niara-nianatra ny Baiboly taminao voalohany. Nety ho naka fotoana be ny fandinihana ny toko tsirairay, fa tsy vita indray mandeha. Nandray soa ianao rehefa novakina sy nohazavaina ny andinin-teny voatonona. Nohazavaina koa izay hevitra tsy azonao. Niomana tsara ilay mpampianatra Baiboly anao, sady nivavaka mba hahazoana ny fanahin’Andriamanitra. Izany no nanampiany anao hankasitraka lalina ny fahamarinana.

7. Inona no mahatonga ny olona iray hahay hampianatra ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny hafa?

7 Nety tsara izany ezaka izany, satria hoy i Paoly: “Aoka izay ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa ho an’izay mampianatra.” (Galatiana 6:6) Asehon’ny soratra grika eto fa nalentika tao an-tsaina sy tao am-pon’ilay olona ‘nampianarina’, ny Tenin’Andriamanitra. Hahay hampianatra ny hafa tokoa ianao raha izany no fomba nampianarana anao. (Asan’ny Apostoly 18:25) Tsy maintsy mianatra hatrany ny Tenin’Andriamanitra ianao mba ho salama ara-panahy sy hahatoky hatrany. Izany no hanampy anao tsy hivadika amin’ny fanoloran-tenanao.—1 Timoty 4:13; Titosy 1:13; 2:2.

Tsarovy fa nibebaka sy niova tanteraka ianao

8. Ahoana no ihazonana fitondran-tena madio?

8 Tsaroanao ve fa maivamaivana erỳ ianao fony nianatra ny fahamarinana, sy nibebaka, ka nahatsapa fa navelan’Andriamanitra ny helokao noho ny finoanao ny sorom-panavotan’i Jesosy? (Salamo 32:1-5; Romana 5:8; 1 Petera 3:18) Azo antoka fa tsy irinao ny hiverina ho amin’ny fiainana ratsy. (2 Petera 2:20-22) Anisan’ny hanampy anao hihazona fitondran-tena madio ny vavaka tsy tapaka amin’i Jehovah. Hanampy anao koa izany, hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenanao sy hanompo an’i Jehovah amim-pahatokiana hatrany.—2 Petera 3:11, 12.

9. Inona no lalana tokony harahintsika rehefa avy niala tamin’ny fanao ratsy?

9 Tadiavo hatrany ny fanampian’Andriamanitra mba tsy hiovaova ny fonao, rehefa avy niova tanteraka ianao ka niala tamin’ny fanao ratsy. Tena diso lalana ianao taloha, nefa nijery sarintany azo itokisana ka nanomboka nandeha tamin’ny lalana marina. Aza mivily lalana intsony. Aoka ianao hatoky hatrany ny tari-dalan’Andriamanitra sy ho tapa-kevitra ny hijanona eo amin’ny lalan’ny fiainana.—Isaia 30:20, 21; Matio 7:13, 14.

Aza hadinoina mihitsy ny fanoloran-tena sy ny batisanao

10. Inona avy no tokony hotadidintsika raha ny amin’ny fanoloran-tenantsika ho an’Andriamanitra?

10 Tadidio fa nanolo-tena ho an’i Jehovah tamim-bavaka ianao mba hanompo azy mandrakizay. (Joda 20, 21) Ny fanoloran-tena dia midika hoe fisarahana na fanokanana ho amin-java-kendrena masina. (Levitikosy 15:31; 22:2) Tsy fifanarahana mihelina na fifanekena natao tamin’olona akory ny fanoloran-tenanao. Fanoloran-tena maharitra ho an’ilay Tompon’izao Rehetra Izao kosa izy io. Noho izany, dia tsy tokony hivadika amin’Andriamanitra mandra-pahafatinao ianao, mba hiainana mifanaraka amin’izy io. Eny, ‘na velona na maty isika, dia an’i Jehovah ihany.’ (Romana 14:7, 8) Rehefa manaiky ny sitrapony sy manompo azy hatrany amin’ny fo tsy miovaova ihany isika vao ho sambatra.

11. Nahoana ianao no tokony hahatsiaro ny batisanao sy ny heviny?

11 Tsarovy foana fa natao batisa ianao mba hampisehoana fa nanolo-tena tamin’ny fo manontolo ho an’Andriamanitra. Ianao no nanapa-kevitra ny hatao batisa fa tsy nisy nanery anao. Koa hifidy ny hampifanaraka ny sitraponao amin’ny sitrapon’Andriamanitra àry ve ianao izao, mandritra ny andro sisa hiainanao? Nangataka feon’ny fieritreretana madio tamin’Andriamanitra ianao ary natao batisa mba hampisehoana fa nanolo-tena ho azy. Aoka àry ianao hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenanao mba hadio hatrany ny feon’ny fieritreretanao. Handrotsaka fitahiana maro aminao i Jehovah amin’izay.—Ohabolana 10:22.

Miditra an-tsehatra koa ny safidinao

12, 13. Inona no ifandraisan’ny safidintsika amin’ny fanoloran-tena sy ny batisa?

12 Nitondra fitahiana be dia be ho an’ny olona an-tapitrisa naneran-tany tokoa ny fanoloran-tena sy ny batisa. Rehefa atao batisa anaty rano isika mba hampisehoana fa nanolo-tena ho an’Andriamanitra, dia maty isika raha ny amin’ny fiainantsika teo aloha. Mbola manan-tsafidy foana anefa isika. Isika ihany no nifidy ny hanolo-tena ho an’Andriamanitra tamim-bavaka sy hatao batisa, satria nampianarina tsara isika vao nino. Ilaintsika ny mamantatra ny sitrapon’Andriamanitra ary avy eo mifidy ny hanao azy io, alohan’ny hanoloran-tena ho azy sy hatao batisa. (Efesiana 5:17) Manahaka an’i Jesosy isika amin’izay. Niala an-tsitrapo tamin’ny asan’ny mpandrafitra mantsy izy, natao batisa, ary nanokan-tena tanteraka mba hanao ny sitrapon’ny Rainy any an-danitra.—Salamo 40:7, 8; Jaona 6:38-40.

13 Fikasan’i Jehovah Andriamanitra ny hahatonga ny Zanany ho ‘tanteraka amin’ny fahoriana.’ Tsy maintsy nifidy ny hahatoky sy hiaritra izany fahoriana izany àry i Jesosy. Mba hahafahany hanao izany, dia “nanao fivavahana sy fangatahana nomban’ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be ... Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an’Andriamanitra.” (Hebreo 2:10, 18; 5:7, 8) Azo antoka fa ho “voahaino” koa isika raha matahotra sady manaja an’Andriamanitra toy izany. Afaka matoky koa isika fa hanampy antsika Vavolombelony vita fanoloran-tena i Jehovah mba tsy hivadika aminy.—Isaia 43:10.

Afaka ny tsy hiovaova hatrany ny fonao

14. Nahoana isika no tokony hamaky ny Baiboly isan’andro?

14 Inona no hanampy anao hanana fo tsy miovaova hatrany ka hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenanao ho an’Andriamanitra? Vakio isan’andro ny Baiboly mba hitombo hatrany ny fahalalanao ny Tenin’Andriamanitra. Tsy mitsahatra ny mampirisika antsika hanao izany ny ‘mpanompo mahatoky sy malina.’ Izany no izy satria ilaintsika ny mandeha hatrany amin’ny fahamarinan’Andriamanitra, mba hiainana mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika. Tsy ho nampirisihina hamaky Baiboly mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah sy ireo olona itoriany, raha toa ka minia mampianatra zavatra diso ny fandaminan’i Jehovah.

15. a) Inona no tokony hodinihina, alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra? b) Nahoana no lazaina fa mitana ny toerana faharoa ny asa fivelomana ho an’ny Kristianina?

15 Diniho foana hoe inona no mety ho vokatry ny fanapahan-kevitrao, amin’ny fanirianao hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenanao ho an’i Jehovah. Mahakasika ny asa fivelomanao angamba izany. Manao azy io mba hampandrosoana ny fivavahana marina ve ianao? Hitan’ny mpampiasa amin’ny ankapobeny fa azo itokisana sy mahay miasa ny Kristianina vita fanoloran-tena. Voamariny koa anefa fa tsy fatra-paniry laza eto amin’ity tontolo ity ny Vavolombelon’i Jehovah ary tsy mifaninana amin’ny hafa mba hahazoana ny toerana be karama indrindra. Izany no izy satria tsy ny hahazo harena, laza, voninahitra na fahefana no tanjon’izy ireo. Ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra ho an’ireo miaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenany ho azy. Eo amin’ny laharana faharoa ny asa fivelomana, izay ahazoan’izy ireo izay tena ilainy eo amin’ny fiainana. Ny fanompoana kristianina kosa no asa lehibe indrindra ataon’izy ireo, toy ny nataon’ny apostoly Paoly. (Asan’ny Apostoly 18:3, 4; 2 Tesaloniana 3:7, 8; 1 Timoty 5:8) Loha laharana eo amin’ny fiainanao àry ve ilay Fanjakana?—Matio 6:25-33.

16. Inona no azontsika atao raha mihasarotra ny miaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika ho an’Andriamanitra noho ny fanahiana be loatra?

16 Nisy saika tototry ny fanahiana maro samihafa angamba talohan’ny nianarany ny fahamarinana. Safononoky ny hafaliana sy ny fankasitrahana ary ny fitiavana an’Andriamanitra anefa ny fon’izy ireo, rehefa nanaiky ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana izy ireo! Tena mety hanampy azy ireo hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah ny misaintsaina ny fitahiana azony hatramin’izay. Ahoana kosa anefa raha mitady hangeja ny ‘tenin’Andriamanitra’ ny fanahiana be loatra noho ny zava-manahirana eto amin’ity tontolo ity, tsy misy hafa amin’ny tsilo mety hisakana ny voa tsy hamoa? (Lioka 8:7, 11, 14; Matio 13:22; Marka 4:18, 19) Raha hitanao fa izany no manomboka mahazo anao sy ny fianakavianao, dia apetraho amin’i Jehovah ny fanahianao. Mivavaha mba hampitombo ny fitiavanao sy ny fankasitrahanao. Hanampy anao izy sy hanome anao ny hery hanompoana azy amim-pifaliana sy amin’ny fo tsy miovaova hatrany, raha apetrakao aminy ny entanao.—Salamo 55:22; Filipiana 4:6, 7; Apokalypsy 2:4.

17. Ahoana no iatrehana fisedrana lehibe?

17 Mivavaha tsy tapaka amin’i Jehovah Andriamanitra, toy ny nataonao fony nanolo-tena ho azy. (Salamo 65:2) Tadiavo ny tari-dalan’Andriamanitra sy ny fanampiany mba hanarahana izany, rehefa alaim-panahy hanao ratsy na miatrika fisedrana lehibe ianao. Tadidio fa ilaina ny finoana satria hoy i Jakoba mpianatra: “Raha misy hianareo tsy manam-pahendrena [mba hiaretana fisedrana], aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany. Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany. Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin’ny Tompo izany olona izany: olona miroa saina izy, miovaova amin’ny alehany rehetra.” (Jakoba 1:5-8) Izao no azontsika antoka raha hita ho toa mafy loatra ny fisedrana: “Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.”—1 Korintiana 10:13.

18. Inona no azontsika atao raha nanao fahotana lehibe tamim-piafenana isika, ka tsy tapa-kevitra loatra intsony ny hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika ho an’i Jehovah?

18 Ahoana raha nanao fahotana lehibe tamim-piafenana ianao ka manenjika anao ny feon’ny fieritreretanao, ary tsy tapa-kevitra loatra ny hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenanao intsony ianao? Afaka ny hampionona anao ny mahafantatra fa raha mibebaka ianao, dia ‘tsy mba ataon’i Jehovah tsinontsinona ny fo torotoro sy mangorakoraka.’ (Salamo 51:17) Tadiavo ny fanampian’ireo anti-panahy kristianina be fitiavana. Manahaka an’i Jehovah izy ireo, ka tsy hanamaivana ny fanirianao hifandray tsara indray amin’ilay Rainao any an-danitra. (Salamo 103:10-14; Jakoba 5:13-15) Ho afaka ‘hanao lala-mahitsy halehan’ny tongotrao’ sy hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenanao indray ianao, satria nohavaozina ny tanjakao ara-panahy ary tsy miovaova ny fonao.—Hebreo 12:12, 13.

Manompoa hatrany amin’ny fo tsy miovaova

19, 20. Nahoana no tena mila miaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika hatrany isika?

19 Tsy maintsy miezaka mafy isika mba hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika, sy hanompo hatrany an’Andriamanitra amin’ny fo tsy miovaova, amin’izao fotoan-tsarotra izao. Hoy i Jesosy: “Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.” (Matio 24:13) Miaina atỳ “am-parany” isika ka ho avy amin’ny fotoana tsy ampoizina ny farany. (2 Timoty 3:1) Tsy azontsika antoka koa raha mbola ho velona isika rahampitso. (Jakoba 4:13, 14) Tena mila miaina hatrany mifanaraka amin’ny fanoloran-tenantsika àry isika ankehitriny!

20 Izany no nantitranterin’ny apostoly Petera tao amin’ny taratasiny faharoa. Nilaza izy fa toy ny nandringanana ny olona tsy tia an’Andriamanitra tamin’ny Safo-drano, dia horavana mandritra ny ‘andron’i Jehovah’ koa ny tany tsy ara-bakiteny, izany hoe ny fitambaran’olona ratsy fanahy. Koa nihiaka toy izao i Petera: “Olona tokony hanao ahoana moa hianareo amin’ny fitondrantena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra”! Nampirisika toy izao koa izy: “Satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan’ny [mpampianatra sandoka sy ny] ratsy fanahy hianareo ka ho lavo hiala amin’izay iorenanareo.” (2 Petera 3:5-17) Mampalahelo tokoa raha maty ny olona iray vita batisa nefa nania sy tsy nahavita nihazona fo tsy miovaova!

21, 22. Nahoana no afaka milaza ireo teny ao amin’ny Salamo 57:7, i Davida sy ny tena Kristianina?

21 Hihamafy ny fahatapahan-kevitrao hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenanao ho an’Andriamanitra, raha tsaroanao hatrany ilay andro nahafaly nanaovana batisa anao. Izany koa no izy raha mitady ny fanampian’Andriamanitra ianao mba hampifaly ny fony izay lazainao sy ataonao. (Ohabolana 27:11) Tsy mandiso fanantenana ny olony mihitsy i Jehovah, koa tsy isalasalana fa tokony hahatoky eo anatrehany isika. (Salamo 94:14) Namindra fo sy niantra izy rehefa nanohitra ny tetiky ny fahavalo sy namonjy an’i Davida. Nankasitraka izany i Davida, hany ka nilaza ny fitiavany mafy orina an’ilay Mpamonjy azy. Nihira tamin’ny fony toy izao izy: “Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko; hihira sy hankalaza aho.”—Salamo 57:7.

22 Mifikitra mafy amin’Andriamanitra toa an’i Davida koa ny tena Kristianina. Eken’izy ireo amin’ny fo tsy miovaova fa i Jehovah no mamonjy sy miaro azy ireo, ka faly izy ireo mihira fiderana ho azy. Hatoky an’Andriamanitra ny fonao raha tsy miovaova, ary afaka ny hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenanao ianao noho ny fanampiany. Eny, afaka ny ho tahaka ilay “marina” izay noresahin’ilay mpanao salamo an-kira toy izao ianao: “Tsy mba manahinahy hahare loza izy; tafatoetra matoky an’i Jehovah ny fony.” (Salamo 112:6, 7) Afaka ny hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenanao ianao ary hanompo hatrany an’i Jehovah amin’ny fo tsy miovaova, raha mino azy sy matoky azy tanteraka.

Tadidinao Ve?

• Nahoana isika no tokony hianatra hatrany ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly?

• Nahoana no tokony hotadidintsika hatrany fa nibebaka sy niova tanteraka isika?

• Inona no soa raisintsika rehefa tadidintsika ny fanoloran-tena sy ny batisantsika?

• Inona no hanampy antsika hanompo hatrany an’i Jehovah amin’ny fo tsy miovaova?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 18]

Mamaky ny Tenin’Andriamanitra isan’andro ve ianao mba ho salama ara-panahy hatrany?

[Sary, pejy 18]

Hanompo an’i Jehovah hatrany amin’ny fo tsy miovaova isika raha ny fanompoana kristianina no asa lehibe indrindra ataontsika