Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miambena ary Mandrosoa Amin-kerim-po!

Miambena ary Mandrosoa Amin-kerim-po!

Miambena ary Mandrosoa Amin-kerim-po!

Tatitra Momba Ireo Fivoriana Manokana

IZA no tsy hanaiky fa miaina amin’ny “andro mahory” isika izao? Sarotra koa ny fiainana na dia ho antsika Vavolombelon’i Jehovah aza, satria miaina atỳ ‘am-parany’ isika. (2 Timoty 3:1-5) Fantatsika anefa fa mila fanampiana ny olona satria tsy fantany ny dikan’ny fisehoan-javatra maneran-tany. Mila fampiononana sy fanantenana izy ireo. Inona no fomba tsara indrindra hanampiantsika ny mpiara-belona amintsika?

Naniraka antsika Andriamanitra mba hitory ny vaovao tsara momba ilay Fanjakany efa tafaorina. (Matio 24:14) Ilaina ny mampahafantatra ny olona fa io Fanjakana any an-danitra io no hany fanantenana ho an’ny olombelona. Misy anefa tsy mandray tsara ny hafatra entintsika. Voarara ny asantsika any amin’ny toerana sasany, ary enjehina ny rahalahintsika. Tsy milavo lefona anefa isika. Matoky tanteraka an’i Jehovah isika, ka tapa-kevitra ny hiambina sy handroso amin-kerim-po hatrany ary tsy hitsahatra ny hanambara ny vaovao tsara.—Asan’ny Apostoly 5:42.

Nisongadina io fanapahan-kevitra hentitra io nandritra ireo fivoriana manokana, natao tamin’ny Oktobra 2001. Natao tao amin’ny Efitrano Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah, tany Jersey, any Etazonia ny asabotsy 6 Oktobra ny fivoriana fanao isan-taonan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania. * Nisy fivoriana fanampiny natao ny ampitson’iny tany amin’ny toerana efatra, ka telo tany Etazonia ary iray tany Kanada. *

Nanonona ny Salamo 92:1, 4 i Samuel Herd, mpitari-draharaha, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fony izy nanao ny famelabelarana fanokafana. Hoy izy, avy eo: “Mila mahay mankasitraka isika.” Velom-pankasitrahana tokoa isika noho ireto tatitra dimy manaraka ireto.

Tatitra avy any amin’ny vazan-tany efatra

Nanao tatitra momba ny fandrosoan’ny asa fitoriana any Ghana, na Côte-de-l’Or taloha, ny rahalahy Alfred Kwakye. Voarara nandritra ny taona maromaro ny asantsika tany amin’io tany io. Fanaon’ny olona ny nanontany hoe: “Nahoana no voarara ny asanareo? Fa inona no nataonareo?” Azo nohararaotina izany mba hitoriana, hoy ny Rahalahy Kwakye. Nisy Vavolombelon’i Jehovah 34 421 tany Ghana tamin’ny 1991, rehefa nofoanana ilay fandrarana. Nitontaly ho 68 152 izy ireo tamin’ny Aogositra 2001, izany hoe nisy fitomboana 98 isan-jato. Eo am-pikarakarana ny hanorenana Efitrano Fivoriambe mahazaka olona 10 000 izao ry zareo. Tsapa fa manararaotra ny fahafahany ireo rahalahintsika any Ghana, ka manao zavatra betsaka araka izay azo atao.

Mazoto manompo ny rahalahintsika any Irlandy na dia eo aza ny hotakotaka ara-politika. Hajain’ny olona izy ireo satria tsy momba ny atsy na ny aroa. Misy fiangonana 115 ao amin’ireo faritra enina any Irlandy, hoy i Peter Andrews, mpandrindra ny Komitin’ny Sampana. Nitantara ny zavatra niainan’i Liam, ankizilahy folo taona, ny Rahalahy Andrews. Sahy nitory tany am-pianarana i Liam. Nametrahany Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny mpiara-mianatra taminy 25 sy ny mpampianatra azy. Naniry hatao batisa i Liam, nefa nisy nanontany sao dia mbola kely loatra izy. Namaly i Liam hoe: “Rehefa tia an’i Jehovah aho dia tokony hatao batisa, na dia mbola kely aza. Ny batisako no hanaporofo fa tena tia an’i Jehovah aho.” Ny hanao misionera no tanjon’i Liam.

Nisy mpitory ny vaovao tsara 5 400 tany Venezoela tamin’ny 1968. Maherin’ny 88 000 anefa izy ireo izao, hoy i Stefan Johansson, mpandrindra ny Komitin’ny Sampana. Ary mety mbola hitombo be io isa io, satria maherin’ny 296 000 no nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 2001. Nisy oram-be nivatravatra tamin’ny Desambra 1999, ka nihotsaka ny tany. Olona 50 000 teo ho eo no maty ary nisy Vavolombelona maromaro tamin’izy ireo. Nahatratra dimy metatra ny fotaka tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray. Nisy nilaza hoe aleo avela amin’izao ilay trano. “Sanatria izany!”, hoy ireo rahalahy, “Efitranonay io, ka tsy tianay havela amin’izao.” Nanomboka niasa izy ireo, ka nanala ny fotaka sy vato ary potipoti-javatra an-taoniny maro. Nohavaozina ilay trano, ary lazain’ireo rahalahy fa tsara kokoa noho ny taloha ilay izy izao!

Misy fiteny sy fitenim-paritra 87 any Philippines, hoy ny Rahalahy Denton Hopkinson, mpandrindra ny Komitin’ny Sampana. Navoaka tamin’ny fiteny telo, be mpiteny indrindra, dia ny cebuano sy iloko ary tagalog, Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tamin’ny taom-panompoana lasa teo. Niresaka momba ny ankizilahy kely iray, sivy taona, ny Rahalahy Hopkinson. Namaky ny boky Vaovao Tsara Hahatonga Anao ho Sambatra, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, izy io. Nahazo boky hafa avy tany amin’ny sampana koa izy. Novakiny koa ireo. Nanohitra azy anefa ny fianakaviany. Rehefa tany amin’ny sekoly fianarana ho dokotera izy, taona maro tatỳ aoriana, dia nifandray tamin’ny sampana, ary nangataka fampianarana Baiboly. Vita batisa izy tamin’ny 1996, ary tsy ela dia tonga mpanompo manontolo andro. Manompo ao amin’ny biraon’ny sampana izy sy ny vadiny ankehitriny.

‘“Manondrana Vavolombelona” i Porto Rico’, hoy i Ronald Parkin, mpandrindra ny Komitin’ny Sampana. Misy mpitory 25 000 eo ho eo ao amin’ilay nosy, ary tsy niova io isa io hatramin’ny taona maro. Nahoana? Nolazaina fa “manondrana” mpitory 1 000 eo ho eo mankany Etazonia i Porto Rico, isan-taona. Mila ravin’ahitra ny ankamaroan’izy ireo. Niresaka momba ny didim-pitsarana iray nanan-tantara ny Rahalahy Parkin. Nahakasika an’i Luis, tanora Vavolombelona 17 taona, voan’ny kanseran’ny ra, izy io. Nentina tany amin’ny fitsarana ilay raharaha, satria tsy nety nampidiran-dra i Luis. Naniry hiresaka taminy manokana ilay mpitsara, ka nitsidika azy tany amin’ny hopitaly. Hoy i Luis: “Fa nahoana aho no entinao toy ny zaza tsy ampy taona, raha maniry ny hankatò an’Andriamanitra, nefa raha nanao heloka bevava aho izao, dia ho notsarainao toy ny olon-dehibe?” Niaiky ilay mpitsara fa afaka manapa-kevitra samirery i Luis, satria efa matotra na dia tsy ampy taona aza.

Nanadinadina mpanompon’i Jehovah efa hatramin’ny ela miisa efatra i Harold Corkern, anisan’ny Komitin’ny Sampana any Etazonia, taorian’ilay tatitra avy tany amin’ny vazan-tany efatra. Efa 51 taona izao no nanaovan’i Arthur Bonno ny fanompoana manontolo andro, ary anisan’ny Komitin’ny Sampana any Ekoatera izy ankehitriny. Efa nanao ny fanompoana manontolo andro nandritra ny 59 taona i Angelo Catanzaro, ary mpiandraikitra mpitety faritany izy tamin’ny ankamaroan’ireo taona ireo. Nahazo diplaoman’ny Sekolin’i Gileada i Richard Abrahamson tamin’ny 1953, ary nahazo tombontsoa hiandraikitra ny asa tany Danemark nandritra ny 26 taona izy, talohan’ny niverenany tany amin’ny Betelan’i Brooklyn. Faly ny rehetra tamin’ny farany, rehefa nihaino an’i Carey Barber, 96 taona. Vita batisa izy tamin’ny 1921 ary efa nanao ny fanompoana manontolo andro nandritra ny 78 taona. Efa mpikambana tao amin’ny Filan-kevi-pitantanana hatramin’ny 1978 koa izy.

Lahateny nampientam-po

Nisy lahateny nampisaintsaina nifanesy tao amin’ilay fivoriana fanao isan-taona. Niresaka momba ilay loha hevitra hoe: “Olona Hankalazana ny Anarany” ny Rahalahy Robert Wallen. Vahoaka mitondra ny anaran’Andriamanitra isika, ary hita any amin’ny tany maherin’ny 230. Efa nanome antsika hoavy sy “fanantenana” i Jehovah. (Jeremia 29:11) Tsy maintsy mampahafantatra hatrany ny Fanjakan’Andriamanitra isika, ka hilaza ilay hafatra tena tsara sy mampahery ary mampionona. (Isaia 61:1) Namarana ny teniny toy izao ny Rahalahy Wallen: “Enga anie isika isan’andro ka hiaina mifanaraka amin’ilay anarana izay iantsoana antsika hoe Vavolombelon’i Jehovah.”—Isaia 43:10.

Fitohitohizan-dahateny nataon’ny mpikambana telo ao amin’ny Filan-kevi-pitantanana no namarana ilay fandaharana. Ny lohateniny dia hoe: “Izao no Fotoana Hiambenana, Hitoerana Tsara Amin’ny Finoana, ary Haherezana.”—1 Korintiana 16:13.

Nisantatra ilay lahateny tamin’ny loha hevitra hoe: “Miambena Amin’izao Ora Farany Izao” ny Rahalahy Stephen Lett. Fanomezana ny torimaso, hoy izy, ary manatanjaka antsika izy io. Tsy mahasoa velively anefa ny torimaso ara-panahy. (1 Tesaloniana 5:6) Ahoana àry no ahafahantsika hifoha ara-panahy hatrany? Niresaka “pilina” ara-panahy telo ny Rahalahy Lett: 1) Be atao foana eo amin’ny asan’ny Tompo. (1 Korintiana 15:58) 2) Mahatsapa izay ilaina ara-panahy. (Matio 5:3) 3) Manaraka ireo torohevitra miorina amin’ny Baiboly, mba hanaovan-javatra amim-pahendrena.—Ohabolana 13:20.

Nanao lahateny nampientam-po nitondra ny lohateny hoe “Miorena Mafy Rehefa Iharam-pitsapana” ny Rahalahy Theodore Jaracz. Nanonona ny Apokalypsy 3:10 izy ary nanontany hoe: “Inona ilay ‘andro fakam-panahy’?” Tonga amin’ny “Andron’ny Tompo”, izany hoe amin’izao andro iainantsika izao mihitsy, io fakam-panahy na fitsapana io. (Apokalypsy 1:10) Mifototra amin’izao raharaha lehibe izao ilay fitsapana: Miandany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra efa tafaorina ve isika sa miandany amin’ny tontolo ratsin’i Satana? Tsy maintsy miaritra fisedrana sy zava-tsarotra isika mandra-pahatapitr’io andro fitsapana io. Hitoetra ho mahatoky eo anatrehan’i Jehovah sy ny fandaminany ve isika? ‘Tokony tsy hisy hivadika isika rehetra’, hoy ny Rahalahy Jaracz.

Namarana ilay fitohitohizan-dahateny tamin’ny loha hevitra hoe “Mahereza toy ny Olona Araka ny Fanahy”, ny Rahalahy John Barr. Nanonona ny Lioka 13:23-25 izy ary nanamarika fa tokony hikely aina isika mba ‘hidirana amin’ny varavarana ety.’ Maro no lavo satria tsy mba miezaka mampitombo ny tanjany ara-panahy. Tsy maintsy mianatra mampihatra ny fitsipika ao amin’ny Baiboly eo amin’ny fiainantsika rehetra isika, raha te ho tonga Kristianina matotra. Nampirisika mafy toy izao ny Rahalahy Barr: “Tsy isalasalana fa ekenareo hoe izao no fotoana 1) hametrahana an’i Jehovah hatrany eo amin’ny toerana voalohany indrindra sy 2) haherezana ary 3) hikelezantsika aina mba hanaovana ny sitrapon’i Jehovah. Raha manao izany isika dia ho afaka hiditra amin’ny varavarana ety mankany amin’ny fiainana tena tsara sy tsy misy fiafarany.”

Mbola tsy voavaly izao fanontaniana izao, rehefa nifarana ilay fivoriana fanao isan-taona: Inona no andinin-teny ho an’ny taom-panompoana 2002? Novaliana ny ampitson’iny izany.

Fivoriana fanampiny

Tsindrian-daona ny rehetra ny alahady maraina, rehefa nanomboka ny fandaharana tamin’ilay fivoriana fanampiny. Nanomboka tamin’ny famintinana ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana tamin’iny herinandro iny izany, ary narahina famelabelarana fohy nahakasika ny hevitra nisongadina tamin’ilay fivoriana fanao isan-taona. Faly ny rehetra avy eo nihaino ny lahateny mahakasika ny andinin-teny ho an’ny taona 2002: “Mankanesa atỳ amiko, ... fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.” (Matio 11:28) Niorina tamin’ny lahatsoratra fianarana ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 2001, izay navoaka tatỳ aoriana, izy io.

Taorian’izay dia nilaza ny fihetseham-pony ny sasany tamin’ireo solontena nanatrika ireo fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana “Mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra” tany Frantsa sy Italia, tamin’ny Aogositra 2001. * Tena nisongadina tamin’ny fandaharana tamin’iny andro iny ireo lahateny roa farany nataon’ny mpandahateny mpitsidika avy any amin’ny Betelan’i Brooklyn.

Ny lohatenin’ny lahateny voalohany dia hoe: “Sahia Mitoky Amin’i Jehovah Mandritra Izao Andro Mahory Izao.” Namelabelatra izao hevi-dehibe manaraka izao ilay mpandahateny: 1) Mila manana herim-po sy mitoky amin’i Jehovah foana ny vahoakany. Olona maro be no resahin’ny Baiboly fa nanana herim-po sy finoana nanoloana ny fanoherana. (Hebreo 11:1–12:3) 2) Manome antony marim-pototra hitokisantsika aminy tanteraka i Jehovah. Manome antoka antsika ireo asany sy ny Teniny fa miahy ny mpanompony izy ary tsy hanadino azy ireo mihitsy. (Hebreo 6:10) 3) Izao indrindra no fotoana tena ilana herim-po sy fitokisana. ‘Halan’ny olona’ isika, araka ny efa nolazain’i Jesosy mialoha. (Matio 24:9) Mba hiaretana dia ilaina ny miantehitra amin’ny Tenin’Andriamanitra, sy matoky ny fanampian’ny fanahiny masina, ary manana herim-po hitoriana hatrany ny vaovao tsara. 4) Ohatra maro no mampiseho fa miatrika fanoherana isika ankehitriny. Tena nihetsi-po ny rehetra rehefa notantarain’ny mpandahateny ny zavatra iaretan’ireo rahalahy any Armenia, Frantsa, Géorgie, Kazakhstan, Rosia, Turkménistan. Izao tokoa no fotoana hanehoana herim-po sy fitokisana amin’i Jehovah!

Namelabelatra izao loha hevitra izao ny mpandahateny farany: “Mandrosoa Miaraka Amin’ny Fandaminan’i Jehovah.” Nisy lafin-javatra tena ilaina maromaro noresahina tao amin’ilay lahateny. 1) Hita hatraiza hatraiza ny fandrosoan’ny vahoakan’i Jehovah. Misarika ny sain’ny olona ny asa fitoriantsika sy ny fivoriambentsika. 2) Nanorina fandaminana tafaray i Jehovah. Voahosotry ny fanahy masina i Jesosy tamin’ny taona 29, mba hahafahany hampiray ny “zavatra rehetra” dia ireo manantena ny ho any an-danitra sy ireo manantena ny ho eto an-tany. Ho lasa anisan’ny ankohonan’Andriamanitra tafaray izy ireo. (Efesiana 1:8-10) 3) Fotoan-dehibe anaporofoana ny firaisan-tsaina iraisam-pirenena ireo fivoriambe. Nisongadina izany tany amin’ireo fivoriambe nalamina tany Frantsa sy Italia, tamin’ny Aogositra lasa teo. 4) Nisy fanapahan-kevitra nampientam-po nolanina tany Frantsa sy Italia. Nilaza santionany tamin’izany ilay mpandahateny. Etsy ambany ny lahatsoratra feno mahakasika an’io fanapahan-kevitra nolanina io.

Nampihetsi-po ilay fanambarana nomanin’ny Filan-kevi-pitantanana novakin’ilay mpandahateny mpitsidika, teo am-pifaranan’ny lahateniny. Izao ny ampahany tamin’izany: “Izao no fotoana hifohazana sy hiambenana, ary hamantarana ny fivoaran’ny toe-draharaha maneran-tany. ... Tianay ny hampita aminareo sy ho an’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra maneran-tany ny fiahiana feno fitiavana avy amin’ny Filan-kevi-pitantanana. Ho tondraka anie ny fitahian’i Jehovah anareo, raha mbola manao ny sitrapony amin’ny fo manontolo ianareo.” Tapa-kevitra ny hiambina ny vahoakan’i Jehovah maneran-tany, amin’izao andro mahory izao, ary handroso amin-kerim-po hatrany, miaraka amin’ny fandaminan’i Jehovah tafaray.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Nanaraka nivantana ilay fandaharam-pivoriana fanao isan-taona tamin’ny alalan’ny vidéo ny olona 13 757, tany amin’ny toerana maromaro.

^ feh. 5 Nisy fivoriana fanampiny natao tany Kalifornia, Michigan, New York, any Etazonia ary tany Ontario, any Kanada. Nahatratra 117 885 ny mpanatrika rehetra, ka anisan’izany ireo nanaraka nivantana tamin’ny alalan’ny vidéo.

^ feh. 23 Nisy fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana telo nalamina tany Frantsa: tany Paris sy Bordeaux ary Lyon. Nasaina nankany Roma sy Milan ireo solontena avy tany Etazonia, na dia sivy aza ny fivoriambe niara-nalamina.

[Efajoro/Sary, pejy 29-31]

Fanapahan-kevitra

Natao tany Frantsa sy Italia ireo Fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana “Mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra”, tamin’ny Aogositra 2001. Nisy fanapahan-kevitra nampientam-po nolanina nandritra ireo fivoriambe ireo. Toy izao izany fanapahan-kevitra lany izany.

“NANDRAY fampianarana tena mahasoa isika Vavolombelon’i Jehovah rehetra tafavory teto amin’ity fivoriambe ‘Mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra’ ity. Fantatsika tsara hoe avy aiza izany fampianarana izany. Tsy avy amin’olombelona izy io, fa avy amin’ilay ‘Mpampianatra’ antsika Lehibe Indrindra, noresahin’Isaia mpaminany fahiny. (Isaia 30:20) Nampahatsiahy toy izao mantsy i Jehovah ao amin’ny Isaia 48:17: ‘Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao.’ Ahoana no anatontosany izany? Voalohany indrindra dia amin’ny alalan’ny Baiboly, ilay boky voadika be indrindra sy miely patrana indrindra eran-tany. Lazaina ao mazava tsara fa: ‘Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa.’—2 Timoty 3:16.

Tena mila izany fampianarana mahasoa izany ny olombelona amin’izao andro izao. Nahoana? Inona no eken’ny olona misaina rehefa mijery ny toe-javatra maneran-tany, izay miovaova sy mahavery hevitra? Tsotra ny valiny: Na dia olona an-tapitrisa aza no efa nanaraka ny fandaharam-pampianaran’ity tontolo ity, dia mampalahelo fa tsy misy fitsipi-pitondran-tena mendrika, hany ka tsy hain’ny olona ny manavaka ny tsara sy ny ratsy. (Isaia 5:20, 21) Betsaka ny olona tsy mahafantatra ny Baiboly. Azo atao ny mahazo fanazavana maro be amin’ny fampiasana ordinatera. Aiza anefa ny valin’ireo fanontaniana lehibe toy ny hoe: Inona no zava-kendren’ny fiainana? Inona no hevitry ny fisehoan-javatra misy ankehitriny? Misy fanantenana marim-pototra mahakasika ny hoavy ve? Hisy fiadanana sy filaminana ve indray andro any? Feno boky miresaka saika ny lafiny rehetra amin’ny zava-bitan’ny olombelona koa ireo fitahirizam-boky. Mbola mamerina ireo hadisoana fahiny ihany anefa ny olombelona. Mitombo ny heloka bevava. Miverina indray ireo aretina noheverina ho efa fongotra, ary mampahatahotra ny fihanaky ny aretina hafa toy ny SIDA. Mahavery hevitra ny salanisan’ny fianakaviana rava. Manimba ny tontolo iainana ny fandotoana. Mandrahona ny fiadanana sy ny filaminana ny fampihorohoroana sy ny fitaovam-piadiana mahafaty olona maro be. Mitombo hatrany ny olana tsy voavaha. Inona no andraikitsika ho fanampiana ireo mpiara-belona amintsika, amin’izao andro mahory izao? Misy ve fampianarana manazava ny antony mahatonga ny fahorian’ny olombelona? Manoro ny fomba hananana fiainana tsara kokoa dieny izao fotsiny ve izany fampianarana izany, sa mampanantena hoavy azo antoka koa?

Mandidy antsika toy izao ny Soratra Masina: ‘Mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidian’i Kristy.’ (Matio 28:19, 20) Nanome io baiko io i Jesosy Kristy, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, rehefa nahazo ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany izy. Ambony noho ny asa rehetra ataon’olombelona io asa io. Mitana ny toerana voalohany io asantsika io, araka ny fomba fijerin’Andriamanitra, satria mifantoka amin’ny zavatra ara-panahy ilain’ireo olona mangetaheta ny fahamarinana. Mihevitra io asa nanirahana antsika io ho zava-dehibe isika, satria manana antony marim-pototra araka ny Soratra Masina.

Mitaky ny hihazonana io asa io eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika izany. Ho vitantsika io asa io, noho ny fitahiana sy ny fanampian’Andriamanitra, na dia eo aza ireo fitaomana manimba sy fanakantsakanana ary fanoherana maro be, avy amin’ny fikambanana ara-pivavahana sy ara-politika. Manao izany izy ireo mba hanelingelenana ny fandrosoan’io fandaharam-pampianarana maneran-tany io. Mino sy matoky isika fa hiroborobo sy ho tontosa io asa io. Nahoana isika no tena matoky toy izany? Satria nampanantena i Jesosy Kristy Tompontsika fa homba antsika eny amin’ny fanompoana izy, mandra-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.

Efa hifarana ny fahorian’ny olombelona. Tsy maintsy vitaina alohan’ny hahatongavan’ny farany ny asa nanirahana antsika. Noho izany, dia tapa-kevitra isika Vavolombelon’i Jehovah fa:

Voalohany: Hataontsika mpanompo vita fanoloran-tena loha laharana eo amin’ny fiainantsika ny tombontsoan’ilay Fanjakana, ary handroso ara-panahy hatrany isika. Mba hanatratrarana izany, dia mivavaka toy izao isika, araka ny hita ao amin’ny Salamo 143:10: ‘Ampianaro hanao ny sitraponao aho; fa Hianao no Andriamanitro.’ Midika izany fa tokony ho mpianatra mazoto isika, hiezaka hamaky ny Baiboly isan’andro, ary hanao fianarana manokana sy fikarohana. Hiezaka isika mba hanomana sy handray soa feno amin’ireo fampianaran’Andriamanitra any amin’ny fivorian’ny fiangonana, fivoriamben’ny faritra, vondrom-paritra, firenena ary iraisam-pirenena. Amin’izay dia hiharihary amin’ny olona rehetra ny fandrosoantsika.—1 Timoty 4:15; Hebreo 10:23-25.

Faharoa: Eo amin’ny latabatr’Andriamanitra ihany isika no handray fampianarana. Harahintsika tsara koa ireo fampitandremany momba ny fampianarana mamitaka avy amin’ny demonia. (1 Korintiana 10:21; 1 Timoty 4:1) Handray fepetra manokana isika, mba hanalavirana ireo zavatra mety hanimba, toy ny lainga ara-pivavahana, hevi-dravina, firaisana mamoafady, ny fihanaky ny boky sy sary vetaveta, fialam-boly mampietry, ary izay rehetra tsy mifanaraka amin’ilay fampianarana ‘tsy misy kilema.’ (Romana 1:26, 27; 1 Korintiana 3:20; 1 Timoty 6:3; 2 Timoty 1:13) Hajaintsika ny ezaka ataon’ireo lehilahy ho ‘fanomezana’, izay mahay mampianatra zava-tsoa ho antsika. Hiara-miasa aminy amin’ny fo manontolo isika, amin’ny fihazonana ilay fitsipika ara-pitondran-tena sy ara-panahy mahitsy sy madio, ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.—Efesiana 4:7, 8, 11, 12; 1 Tesaloniana 5:12, 13; Titosy 1:9.

Fahatelo: Raha ray aman-dreny kristianina isika, dia hiezaka amin’ny fo manontolo hampianatra ny zanatsika, tsy amin’ny teny ihany fa amin’ny ohatra koa. Ny hanampy azy ireo, dieny mbola kely, ‘hianatra ny Soratra Masina, izay hampahahendry azy ho amin’ny famonjena’ no ahintsika voalohany indrindra. (2 Timoty 3:15) Hotadidintsika tsara fa mila mitaiza azy ireo amin’ny famaizana sy ny fananaran’i Jehovah isika. Izany no fomba tsara indrindra ‘hahitan’izy ireo soa sy ho maro andro ambonin’ny tany’, araka ny fampanantenan’Andriamanitra.—Efesiana 6:1-4.

Fahefatra: ‘Hanambara ny fangatahantsika amin’Andriamanitra’ aloha isika rehefa manam-panahiana na misetra olana goavana, ary hatoky fa hiaro antsika ‘ny fiadanany, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra.’ (Filipiana 4:6, 7) Hahita famelombelomana isika rehefa mitondra ny ziogan’i Kristy. Vonona ny hametraka amin’Andriamanitra ny fanahiantsika rehetra isika, satria fantantsika fa miahy antsika izy.—Matio 11:28-30; 1 Petera 5:6, 7.

Fahadimy: Nanome antsika tombontsoa hampianatra ny Teniny i Jehovah. Ho fankasitrahantsika izany dia hiezaka indray isika ‘hizara tsara ny teny fahamarinana’ sy ‘hanatanteraka ny fanompoantsika.’ (2 Timoty 2:15; 4:5) Koa satria fantatsika tsara ny zavatra tafiditra amin’izany, dia hiezaka amim-pahatsorana isika hitady ireo mendrika ary hanolokolo ireo voa nafafy. Hanatsara ny fampianarantsika koa isika, rehefa mitarika fampianarana Baiboly maro kokoa. Amin’izay, ny zavatra ataontsika dia hifanaraka kokoa amin’ny sitrapon’Andriamanitra, izay tia ‘ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina.’—1 Timoty 2:3, 4.

Fahenina: Niaritra fanoherana sy fanenjehana tamin’ny endriny samihafa ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tany maro, nandritra iny taonjato lasa teo iny ka hatramin’ity taonjato diavintsika ity. Tsapa anefa fa momba antsika Andriamanitra. (Romana 8:31) Manome toky antsika ny Teniny tsy mety diso fa tsy hambinina ‘ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana antsika’ mba hanakantsakanana, hampiadanana, na hampijanonana ny asa fitoriana sy fampianarana ataontsika. (Isaia 54:17) Hiresaka momba ny fahamarinana foana isika, na amin’ny vanim-potoana mora na amin’ny vanim-potoana sarotra. Tapa-kevitra ny hamita amim-pahadodonana ilay asa fitoriana sy fampianarana nanirahana antsika isika. (2 Timoty 4:1, 2) Hanao araka izay azontsika atao isika, ka hanambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra any amin’ny firenena rehetra. Mbola afaka ny hahafantatra ny fomba hahazoana fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao sy marina ihany izy ireo araka izany. Koa satria vahoaka tafaray, mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra isika, dia tapa-kevitra ny hanaraka hatrany ny ohatr’i Jesosy Kristy, ilay Mpampianatra Lehibe, ary haneho ireo toetra tsara nananany. Hataontsika izany rehetra izany mba hanomezam-boninahitra sy dera ho an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpampianatra Lehibe Indrindra sy Mpanome aina.

Aoka izay rehetra manaiky ny handraisana io fanapahan-kevitra io, amintsika manatrika eto, hilaza hoe ENY!”

Namaly tamin’ny “Eny” nakotrokotroka tamin’ny fiteny maro ireo mpanatrika 160 000, tany amin’ireo fivoriambe telo tany Frantsa sy ireo 289 000 tany amin’ny toerana sivy tany Italia, rehefa napetraka io fanontaniana namarana ilay fanapahan-kevitra io.