Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitadiava An’Andriamanitra Amin’ny Fo sy ny Sainao

Mitadiava An’Andriamanitra Amin’ny Fo sy ny Sainao

Mitadiava An’Andriamanitra Amin’ny Fo sy ny Sainao

Ampirisihina hampiasa ny fony sy ny sainy ny tena Kristianina, mba hamboleny finoana mampifaly an’Andriamanitra.

NILAZA i Jesosy Kristy, ilay mpanorina ny Kristianisma, fa tsy maintsy tia an’Andriamanitra amin’ny ‘fontsika rehetra’ sy ny ‘fanahintsika rehetra’ isika, nefa koa tsy maintsy tia azy ‘amin’ny saintsika rehetra’, na amin’ny fahaizantsika misaina. (Matio 22:37) Tsy maintsy mandray anjara lehibe amin’ny fivavahantsika àry ny fahaizantsika misaina.

Matetika i Jesosy no nanontany hoe: “Ahoana no hevitrareo?”, rehefa nanasa ny mpihaino azy hieritreritra. (Matio 17:25; 18:12; 21:28; 22:42) Nanasa ny mpiray finoana taminy mba ‘hampifoha ny sainy’ koa ny apostoly Petera, rehefa nanoratra ho azy ireo. (2 Petera 3:1) Nampirisika ny Kristianina koa ny apostoly Paoly, misionera nahavita nitety tanàna be indrindra, mba hampiasa ny fahaizany misaina sy ‘hamantatra ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no marina.’ (Romana 12:1, 2) Rehefa mandinika amim-pitandremana ny zavatra inoany toy izany ihany ny Kristianina, vao afaka mamboly finoana mampifaly an’Andriamanitra sy manampy azy hiaritra ireo fisedrana eo amin’ny fiainana.—Hebreo 11:1, 6.

Nanampy ny olona hanana izany karazana finoana izany ny Kristianina voalohany nitory ny filazantsara, ka nifanakalo “hevitra avy amin’ny Soratra Masina tamin’ny olona” sady ‘nanambara sy naneho marimarina’ avy tamin’ny Soratra Masina ny zavatra nampianariny. (Asan’ny Apostoly 17:1-3) Nisy vokany tsara teo amin’ny olona tso-po izany fampiasana saina izany. Maromaro, ohatra, ny olona tany Beria, any Makedonia, no ‘nandray ny teny [tenin’Andriamanitra] tamin’ny zotom-po indrindra, ka nandinika ny Soratra Masina isan’andro, na marina izany [zavatra nohazavain’i Paoly sy ny namany izany], na tsia.’ (Asan’ny Apostoly 17:11) Misy zavatra roa tsara homarihina eto. Voalohany, nazoto nihaino ny Tenin’Andriamanitra ny Berianina. Faharoa, tsy nekeny befahatany ny zavatra reny, fa nohamarininy tao amin’ny Soratra Masina. Nidera ny Berianina àry i Lioka, misionera kristianina, ka nilaza fa “tsara toe-panahy” izy ireo. Manana toe-panahy tsara toy izany koa ve ianao, rehefa mandinika zavatra ara-panahy?

Miara-miasa ny fo sy ny saina

Mila ny hampiasaina amin’ny fivavahana marina ny fo sy ny saina, araka ny efa voalaza. (Marka 12:30) Eritrereto indray ilay ohatra tao amin’ny lahatsoratra teo aloha momba ilay mpandoko nampiasa ny loko tsy tokony hampiasainy. Ho afaka nanao ny asany tamin’ny fony rehetra izy raha nihaino ny toromariky ny tompon-trano. Ho azony antoka koa fa hahafa-po an’ilay tompon-trano ny asany. Toy izany koa ny fivavahantsika.

Hoy i Jesosy: “Ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:23) Izany no nanoratan’ny apostoly Paoly hoe: “Ary noho izany izahay koa ... dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony hianareo amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy, mba handehananareo miendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra.” (Kolosiana 1:9, 10) Io “fahalalana tsara”, na marina io no manampy ny olona tso-po hanompo an’Andriamanitra amin’ny fony rehetra sy hatoky tanteraka fa manao ny mety izy, satria ‘mivavaka amin’izay fantany.’—Jaona 4:22.

Izany no tsy anaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah batisa ankizikely na olona vao mianatra Baiboly, satria mbola tsy nandinika tsara ny Soratra Masina izy ireo. Nibaiko ny mpianany toy izao i Jesosy: “Ataovy mpianatra ny firenena rehetra, ... sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Matio 28:19, 20) Rehefa avy nandray fahalalana marina momba ny sitrapon’Andriamanitra ihany ny mpianatra Baiboly tso-po, vao afaka mandray fanapahan-kevitra voahevitra tsara momba ny fivavahana. Miezaka mafy mba hahazo izany fahalalana marina izany ve ianao?

Ny hevitry ny Vavaka Nampianarin’ny Tompo

Aoka isika handinika ny Vavaka Nampianarin’ny Tompo, na ny Rainay Izay any An-danitra, ao amin’ny Matio 6:9-13. Asehon’izy io fa samy hafa ny hoe manana fahalalana marina momba ny Baiboly sy ny hoe mahafantapantatra azy io.

Olona an-tapitrisa no manao io vavaka nampianarin’i Jesosy io isaky ny mandeha miangona. Firy anefa no nampianarina ny hevitr’izy io, indrindra fa ny tapany voalohany mahakasika ny anaran’Andriamanitra sy ny Fanjakany? Tena zava-dehibe ireo ka noresahin’i Jesosy voalohany tao amin’ilay vavaka.

Manomboka toy izao izy io: “Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.” Mariho fa nivavaka i Jesosy mba hohamasinina ny anaran’Andriamanitra. Mahatonga ny olona hametraka fanontaniana roa izany, fara fahakeliny: Voalohany, iza no anaran’Andriamanitra? Ary faharoa, nahoana no ilaina hohamasinina izy io?

Miseho im-7 000 eo ho eo ao amin’ny Baiboly, tamin’ireo fiteny nanoratana azy io voalohany, ny valin’ilay fanontaniana voalohany. Iray amin’izany ny Salamo 83:18, manao hoe: “Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany. Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” Izao no lazain’ny Eksodosy 3:15 momba ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah: “Izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby.” * Nahoana anefa no ilaina hohamasinina io anarana io, izay efa manasongadina ny fahadiovana sy ny fahamasinana? Satria nalana baraka sy noharatsina izy io, raha vao noforonina mihitsy ny olombelona.

Nilaza tamin’i Adama sy Eva Andriamanitra tao amin’ny saha Edena, fa ho faty izy ireo raha mihinana ilay voankazo voarara. (Genesisy 2:17) Nanohitra an-kitsirano ny tenin’Andriamanitra i Satana, ka nilaza tamin’i Eva hoe: “Tsy ho faty tsy akory hianareo.” Niampanga an’Andriamanitra ho nandainga àry i Satana. Vao mainka koa anefa izy nanala baraka an’Andriamanitra, ka nilaza tamin’i Eva fa nisy zava-dehibe tokony ho fantatr’i Eva, nefa tsy nampahafantarin’Andriamanitra azy. “Fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo azy [ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy] dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” Fanendrikendrehana re izany!—Genesisy 3:4, 5.

Niandany tamin’i Satana i Adama sy Eva, rehefa nihinana tamin’ilay voankazo voarara. Mandika ny fitsipik’Andriamanitra momba ny tsara sy ny ratsy ny ankamaroan’ny olona nanomboka tamin’izay, ka vao mainka manala baraka azy, na fantatr’izy ireo izany na tsia. (1 Jaona 5:19) Manaratsy an’Andriamanitra koa ny olona rehefa manome tsiny azy noho ny fahoriany, na dia ny ratsy ataony ihany aza no mety ho anton’izany. “Ny fahadalan’ny olona no mahasimba ny alehany, ka amin’i Jehovah no sosotra ny fony”, hoy ny Ohabolana 19:3. Takatrao àry ve ny antony nivavahan’i Jesosy mba hanamasinana ny anaran’ny Ray malalany?

“Ho tonga anie ny Fanjakanao”

Hoy i Jesosy, rehefa avy nivavaka mba hanamasinana ny anaran’Andriamanitra: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:10) Izao no fanontaniana mety hipetraka momba izany: ‘Inona ilay Fanjakan’Andriamanitra? Inona no ifandraisan’ny fahatongavan’izy io sy ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra etỳ an-tany?’

Midika hoe “fitondran’ny mpanjaka iray” ny hoe “fanjakana”, ao amin’ny Baiboly. Tokony ho fitondram-panjakan’Andriamanitra tarihin’ny mpanjaka nofidiny àry ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy iza io mpanjaka io fa i Jesosy Kristy nitsangana tamin’ny maty, ilay “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.” (Apokalypsy 19:16; Daniela 7:13, 14) Nanoratra toy izao i Daniela mpaminany momba ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’ny Mesia: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka [na mpitondra olombelona ankehitriny] ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.”—Daniela 2:44.

Eny, hifehy ny tany manontolo ny Fanjakan’Andriamanitra, ka hanala ny faharatsiana rehetra sy hanjaka “mandrakizay.” Ny Fanjakany, araka izany, no ampiasain’Andriamanitra mba hanamasinana ny anarany, izany hoe hanala ny fanalam-baraka nataon’i Satana sy ny olombelona ratsy fanahy.—Ezekiela 36:23.

Manana vahoaka toy ny fitondram-panjakana rehetra ny Fanjakan’Andriamanitra. Iza izy ireo? Hoy ny Baiboly: “Ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” (Salamo 37:11) Hoy koa i Jesosy: “Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany.” Mazava ho azy fa mahafantatra marina an’Andriamanitra ireo, satria izany no ilaina mba hahazoana fiainana.—Matio 5:5; Jaona 17:3.

Alao sary an-tsaina ange hoe tsy hisy afa-tsy olona mandefitra sy malemy fanahy no hiaina eto an-tany, olona tena tia an’Andriamanitra no sady mifankatia! (1 Jaona 4:7, 8) Izany tokoa no nangatahin’i Jesosy tamin’ny vavaka, nanao hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” Takatrao ve ny antony nampianaran’i Jesosy ny mpanara-dia azy mba hivavaka toy izany? Mbola zava-dehibe kokoa aza, fantatrao ve ny ho vokany eo aminao rehefa ho tanteraka io vavaka io?

Olona an-tapitrisa izao no mamakafaka ny Soratra Masina

Efa nilaza i Jesosy fa hisy fandaharam-pampianarana ny Baiboly hatao maneran-tany mba hanambarana ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoy izy: “Hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany [faran’ity tontolo ity].”—Matio 24:14.

Vavolombelon’i Jehovah enina tapitrisa eo ho eo no mitory io vaovao tsara io maneran-tany. Manasa anao izy ireo hampitombo ny fahalalanao an’Andriamanitra sy ny Fanjakany, ka hampiasa ny fahaiza-misaina mba ‘handinihana ny Soratra Masina.’ Hanatanjaka ny finoanao izany, sady hahafaly anao rehefa mieritreritra ny hiaina ao amin’ny paradisa an-tany ianao. “Ho henika ny fahalalana an’i Jehovah” izy io, “tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.”—Isaia 11:6-9.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Aleon’ny manam-pahaizana sasany manao hoe “Iaveh” toy izay “Jehovah.” Nesorin’ny ankamaroan’ny mpandika Baiboly ankehitriny avy tamin’ny dikan-teniny anefa ny anaran’Andriamanitra, ka nosoloany anaram-boninahitra, toy ny hoe “Tompo” na “Andriamanitra.” Raha te handalina momba ny anaran’Andriamanitra ianao, dia jereo ilay bokikely hoe Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/Sary, pejy 8]

ARAHO NY OHATR’ILAY MPAMPIANATRA LEHIBE

Foto-kevitra voafaritra tsara avy tao amin’ny Baiboly no noresahin’i Jesosy, rehefa nampianatra izy. Niresaka tamin’ny mpianany roa very hevitra noho ny fahafatesany izy, ohatra, rehefa nitsangana tamin’ny maty, ka nanazava tamin’izy ireo ny anjara asany ao amin’ny fikasan’Andriamanitra. Hoy ny Lioka 24:27: “Nanomboka hatramin’i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra.”

Mariho fa foto-kevitra voafaritra tsara no nofidin’i Jesosy, dia ny tenany, ilay Mesia, sady nampiasa teny avy ‘tao amin’ny Soratra Masina rehetra’ izy, nandritra ilay dinidinika. Nampifandraisin’i Jesosy tsara ireo porofo nalainy tao amin’ny Baiboly, ka nazava tsara tamin’ny mpianany fa fahamarinana ara-panahy izany. (2 Timoty 1:13) Tsy vitan’ny hoe nanampy azy ireo hahazo ny hevitry ny zavatra nohazavaina taminy fotsiny izany, fa nanohina ny fony koa. Hoy ny Baiboly: “Niresaka hoe Izy: Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dàlana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika?”—Lioka 24:32.

Miezaka manahaka an’i Jesosy ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mampianatra. Ny fitaovana fianarana tena fampiasany dia ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? sy ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Mamelabelatra foto-kevitra ara-baiboly mahaliana ireo boky ireo. Anisan’izany ny hoe: “Iza moa Andriamanitra?”, “Nahoana Andriamanitra no Mamela ny Fijaliana Hisy?”, “Ahoana no Fomba Ahitanao ny Fivavahana Marina?”, “Ny Andro Farany Izao!”, ary “Fanorenana Fianakaviana Izay Manome Voninahitra An’Andriamanitra.” Misy andinin-teny maro ao amin’ny lesona tsirairay.

Aza misalasala miresaka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ao an-tanànanao, na manoratra amin’ny adiresy ao amin’ny pejy faha-2, raha te hianatra Baiboly maimaim-poana ianao, mba handinihana ireo foto-kevitra ireo sy ny hafa koa.

[Sary]

Foto-kevitra voafaritra tsara avy ao amin’ny Baiboly ampiasaina mba hanohinana ny fon’ny mpianatrao

[Sary, pejy 7]

Azonao ve ny hevitr’ilay vavaka nampianarin’i Jesosy?

“Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao...”

“Ho tonga anie ny fanjakanao [tarihin’ny Mesia] ...”

“Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra”