Raisin’Andriamanitra ny Firenena Rehetra
Raisin’Andriamanitra ny Firenena Rehetra
NANOHINA ny fon’i John ny fandraisan’i Mamadou sy ny fianakaviany, tamin’ny diany voalohany tany Mali. Nipetraka tamin’ny tany i John, ary hafahafa taminy ny nihinana tamin’ny vilia nitambarana. Nieritreritra izy hoe tena tsara raha zarainy amin’ity mpampiantrano azy ilay fanomezana sarobidy: Ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly. Marina fa nahay niteny frantsay izy, ary anisan’ny fiteny ampiasaina any Mali izany, kanefa, nieritreritra izy hoe ataony ahoana ny hiresaka amin’io fianakaviana io. Tena hafa mihitsy mantsy ny fivavahan-dry zareo sy ny fomba fisainany.
Tsy mahagaga raha tonga tao an-tsain’i John ny fitantaran’ny Baiboly momba ny tanànan’i Babela. Nasafotofoton’Andriamanitra ny fitenin’ilay vahoaka mpikomy. (Genesisy 11:1-9) Lasa samy hafa ny fitenin’ny olona any amin’ny faritra maro eto an-tany sy ny fivavahany ary ny fomba fisainany. Manjary fanao anefa izao ny mivezivezy sy mifindra monina, hany ka miatrika olana toy ny natrehin’i John ny ankamaroan’ny olona, na dia ao amin’ny taniny ihany aza. Atao ahoana ny hizara ny fanantenana avy ao amin’ny Baiboly amin’ny olona hafa fiaviana?
Ohatra fahiny
Ny Isiraelita no voalohany indrindra nitorian’ireo mpaminany fahiny, anisan’izany i Jona. Nanao zavatra nibaribary nanala baraka an’Andriamanitra ny fanjakan’ny foko folo, tamin’ny fotoana naha mpaminany an’i Jona. (2 Mpanjaka 14:23-25) Alao sary an-tsaina ny fihetsik’i Jona rehefa nahazo fanirahana manokana izy, handao ny taniny ary ho any Asyria mba hitory amin’ny mponin’i Ninive. Tena hafa mihitsy ny fivavahana sy ny kolontsain’ny olona tany. Angamba i Jona tsy nahay ny fitenin’ny Ninivita akory, na nahay ihany fa tsy nahay tsara. Na ahoana na ahoana anefa, dia toa sarotra loatra ny fahitan’i Jona an’ilay asa nanirahana azy, ka lasa izy nitsoaka.—Jona 1:1-3.
Miharihary fa nila nianatra i Jona hoe tsy izay miseho ivelany fotsiny akory no jeren’i Jehovah, fa mandinika ny fo izy. (1 Samoela 16:7) Navotan’i Jehovah tamin’ny fomba nahagaga mba tsy ho faty an-drano i Jona, ary nirahiny fanindroany hitory tamin’ny Ninivita. Nankatò izy, ka nibebaka ny mponin’i Ninive iray manontolo. Mbola ratsy foana anefa ny fisainan’i Jona. Nampiasa ohatra mafonja i Jehovah mba hanampiana azy hahatakatra fa tokony hovany ny fihetsiny. Nanontany azy i Jehovah hoe: “Moa Izaho tsy mba halahelo an’i Ninive, ilay tanàna lehibe va, izay misy olona tsy omby roa alina sy iray hetsy, izay tsy mahafantatra ny havanany sy ny haviany?” (Jona 4:5-11) Ahoana ny amintsika? Ahoana no hanampiantsika ny olona hafa fiaviana?
Noraisina ny Samaritanina sy ny tsy Jiosy
Nandidy ny mpanara-dia azy i Jesosy, tamin’ny taonjato voalohany, mba hanao mpianatra ny olona avy amin’ny firenena rehetra. (Matio 28:19) Tsy mora tamin’izy ireo izany. Jiosy ireo mpianatr’i Jesosy, ary toa an’i Jona, dia tsy zatra niresaka afa-tsy tamin’ny olona nitovy fiaviana sy kolontsaina taminy koa izy ireo. Ara-dalàna koa raha nisy fiantraikany teo amin’izy ireo ny fitsarana an-tendrony nanjaka tamin’izany andro izany. Nataon’i Jehovah anefa izay hahitan’ny mpanompony tsikelikely izay tena sitrapony ho azy ireo.
Natao aloha izay handresena ny fitsarana an-tendrony teo amin’ny Jiosy sy ny Samaritanina. Marina fa tsy nifandray tamin’ny Samaritanina mihitsy ny Jiosy, kanefa, imbetsaka i Jesosy no nisava ny lalana mba handraisan’ny Samaritanina ny fahamarinana amin’ny hoavy. Tsy nanavakavaka izy ka niresaka tamin’ny vehivavy samaritanina iray. (Jaona 4:7-26) Nisy fotoana koa nampiasany ny ohatr’ilay Samaritanina tsara fanahy, mba hampisehoana tamin’ny Jiosy iray tia fivavahana fa afaka nitia ny mpiara-belona taminy koa ny tsy Jiosy. (Lioka 10:25-37) Samy Jiosy i Filipo sy Petera ary Jaona. Nitory tamin’ny mponin’i Samaria anefa izy ireo rehefa tonga ny fotoana nitondran’i Jehovah ny Samaritanina ho eo anivon’ny fiangonana kristianina. Faly be ny mponin’ilay tanàna, noho ny hafatra nentin’izy ireo.—Asan’ny Apostoly 8:4-8, 14-17.
Mpihavana lavitra ny Jiosy sy ny Samaritanina, nefa sarotra tamin’ny Kristianina jiosy ny nitia ny Samaritanina. Vao mainka tsy maintsy ho sarotra tamin’izy ireo àry ny nitia ny tsy Jiosy na Jentilisa, izay nambanin’ny Jiosy sy nankahalainy. Azo nesorina anefa ilay sakana nampisaraka ny Kristianina jiosy sy ny Jentilisa, taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. (Efesiana 2:13, 14) Nampian’i Jehovah i Petera hanaiky izany fandaharana vaovao izany, ka nomeny fahitana. Niteny taminy tao amin’ilay fahitana Izy hoe: “Izay efa nodiovin’Andriamanitra dia aza ataonao ho fady.” Notarihin’ny fanahin’i Jehovah izy ho any amin’ny lehilahy jentilisa iray, atao hoe Kornelio. Azon’i Petera tsara ny fomba fijerin’Andriamanitra hoe tsy tokony hoheveriny ho tsy madio io lehilahy jentilisa io, satria efa nodiovin’Andriamanitra. Nahazo tsindrimandry àry izy avy eo hilaza hoe: “Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asan’ny Apostoly 10:9-35) Gaga be i Petera rehefa nasehon’Andriamanitra fa nankasitrahany i Kornelio sy ny fianakaviany, ka narotsany tamin’izy ireo ny fanahiny masina!
Paoly—Fanaka voafidy ho an’ireo firenena
Ny fanompoana nataon’i Paoly dia ohatra miavaka mampiseho ny fomba anomanan’i Jehovah tsikelikely ny mpanompony, mba ho tia sy hanampy ny karazan’olona rehetra. Tamin’ny fotoana niovan’i Paoly no nilaza i Jesosy fa hampiasaina ho fanaka voafidy hitondrana ny anaran’i Kristy any amin’ireo firenena izy. (Asan’ny Apostoly 9:15) Nankany Arabia i Paoly avy eo, angamba mba hisaintsaina ny fikasan’Andriamanitra hampiasa azy hanambara ny vaovao tsara amin’ireo firenena.—Galatiana 1:15-17.
Nafana fo i Paoly nitory tamin’ny tsy Jiosy, nandritra ny dia misionera voalohany nataony. (Asan’ny Apostoly 13:46-48) Notahin’i Jehovah ny asany, ka porofo izany fa nanao zavatra araka ny fandaharan’i Jehovah izy. Nasehon’i Paoly fa azony tsara ny fomba fijerin’i Jehovah ka sahiny nanarina i Petera, satria nanavakavaka sy nihatakataka tamin’ireo rahalahy tsy jiosy.—Galatiana 2:11-14.
Hita koa hoe Andriamanitra no nitarika ny fiezahan’i Paoly nandritra ny dia misionera faharoa nataony, satria nosakanan’ny fanahy masina izy tsy hitory tany Bitynia, provansy romanina. (Asan’ny Apostoly 16:7) Angamba mbola tsy nety ny fotoana tamin’izay. Nisy lasa Kristianina anefa ny mponin’i Bitynia tatỳ aoriana. (1 Petera 1:1) Niangavy an’i Paoly ny lehilahy makedonianina tao amin’ny fahitana, hoe: “Mità mankatỳ Makedonia, ka vonjeo izahay!” Nanatsoaka hevitra i Paoly tamin’izay hoe tokony hiova lalana izy ka hanambara ny vaovao tsara any amin’io provansy romanina io.—Asan’ny Apostoly 16:9, 10.
Notsapaina mafy ny fahaizan’i Paoly nifankazatra tamin’ny toe-javatra vaovao, rehefa nitory tamin’ny Atenianina izy. Voararan’ny lalàn’ny Grika sy Romanina ny fampidirana andriamanitra vahiny sy fombafombam-pivavahana vaovao tao amin’ny taniny. Be fitiavana i Paoly, ka voatosika hamakafaka ny fanao ara-pivavahana teo amin’izy ireo. Tsikariny ny alitara iray tany Atena, nisy soratra hoe “ho an’Izay Andriamanitra tsy fantatra.” Notononiny tao amin’ny fitoriana nataony io tsipirian-javatra io. (Asan’ny Apostoly 17:22, 23) Nety tsara izany nampidirana an’ilay hafatra ary nataony tamin-katsaram-panahy sy fanajana!
Faly be angamba i Paoly rehefa nieritreritra ny vokatry ny asany tamin’ny naha apostoly ho an’ireo firenena! Nisy fiangonana niforona tany Korinto, Filipy, Tesalonika ary Galatia noho ny fanampian’i Paoly. Tsy Jiosy ny ankamaroan’ireo anisan’ireny fiangonana ireny. Izy no nanampy ireo lehilahy sy vehivavy nanam-pinoana, toa an-dry Damary, Dionysio, Sergio Paolo ary Titosy. Tombontsoa tsy nisy toy izany tokoa ny azy, nahita olona tsy nahafantatra an’i Jehovah na ny Baiboly, nefa nanaiky ny fahamarinan’ny Kristianisma! Romana 15:20, 21) Azontsika atao ve ny manambara ny vaovao tsara amin’ny olona tsy mitovy kolontsaina amintsika?
Nilaza toy izao i Paoly, momba ny fanampiany ireo tsy Jiosy hianatra ny fahamarinana: “Koa dia nataoko ho voninahitro ny hitory ny filazantsara toy izao: tsy eo amin’izay efa niantsoana an’i Kristy anefa, ... fa araka ny voasoratra hoe: ‘Izay tsy nilazana Azy no hahita, ary izay tsy nandre no hahafantatra.’ ” (Fanampiana ny firenena rehetra
Nivavaka tamin’i Jehovah i Solomona, ho an’ireo tsy Isiraelita ho tonga hivavaka tao amin’ny tempoly tany Jerosalema. Nangataka izy hoe: “Mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka manaova araka izay rehetra iantsoan’ny vahiny Anao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ny tany ny anaranao.” (1 Mpanjaka 8:41-43) Toy izany koa ny fihetseham-pon’ireo mpitory ilay Fanjakana any amin’ny tany maro ankehitriny. Mahita olona toa an’ireo Ninivita izy ireo. “Tsy mahafantatra ny havanany sy ny haviany” amin’ny lafiny ara-panahy ireny olona ireny. Mailaka àry ny mpitory ilay Fanjakana handray anjara amin’ny fanatanterahana ny faminaniana, momba ny fanangonana ireo mpivavaka marina avy any amin’ny firenena maro samihafa.—Isaia 2:2, 3; Mika 4:1-3.
Nanaiky ny hafatry ny Baiboly manome fanantenana ny olona avy ao amin’ny Kristianisma Anarana, ary toy izany koa ny olona avy amin’ny fivavahana hafa. Inona no tokony ho fiantraikan’izany eo aminao? Diniho amin’ny saina tsy miangatra ny tenanao, ka raha tsapanao fa misy fitsarana an-tendrony latsa-paka ao anatinao, dia ampitomboy ny fitiavana mba hanesorana an’izany. * Aza lavina ny olona raisin’Andriamanitra.—Jaona 3:16.
Aoka ianao hiomana, alohan’ny hiresahanao amin’ny olona hafa fiaviana. Fantaro ny zavatra inoany sy izay mampanahy azy ary ny fomba fisainany, ka tadiavo izay marimaritra iraisana. Manehoa hatsaram-po sy fangorahana. Aza miady hevitra, aza hentitra loatra ary jereo ny lafy tsaran-javatra. (Lioka 9:52-56) Amin’izany ianao dia hampifaly an’i Jehovah “izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina.”—1 Timoty 2:4.
Faly be isika mahita olona avy amin’ny fiaviana maro be eo anivon’ny fiangonantsika! (Isaia 56:6, 7) Faly tokoa ny fo ankehitriny mandre anarana isan-karazany, tsy ny hoe Onja, Velo, Vaosolo sy Lezama ihany, fa ao koa ny anarana hafa toy ny hoe Mamadou, Jegan, Reza, ary Chan! Tena marina ilay hoe ‘varavarana lehibe no voavoha ho antsika hahazoantsika miasa tsara.’ (1 Korintiana 16:9) Aoka isika hanararaotra ny fahafahana eo anoloantsika hanely ny fanasan’i Jehovah, ilay Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona, ka handray ny olona avy amin’ny firenena rehetra!
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 19 Jereo ny Mifohaza! 8 Jolay 1996, pejy faha-5-7 hoe “Ireo Fefy Misakana ny Fampitan-kevitra.”
[Sary, pejy 23]
Nahay nifankazatra tamin’ny toe-javatra vaovao i Paoly ka nitory ny vaovao tsara tamin’ny olona hatraiza hatraiza
... tany Atena
... tany Filipy
... teny an-dalana